MOVANSY RAVALOMANANA : HANOLOTRA KANDIDA HAFA

téléchargement

téléchargementNihaona tamin’ny mpanao gazety ny tolakandro teo teny Faravohitra ny lehiben’ny delegasion’ny movansy Ravalomanana, Andriamatoa Rakotoarivelo Mamy. Nambarany tamin’izany fa naneho hatrany ny fahavononany politika ny movansy Ravalomanana amin’ny famahana ny krizy nisy nanomboka hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tonga nivory hatrany ny movansy Ravalomanana hoy izy tamin’ireo fivorina isan-tsokanjiny nokarakarain’ny mpanelanelana na teto Antananarivo izany na tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria,Gaborone sns. Ny tiana ambara hoy izy dia sao misy mieritreritra fa ny movansy Ravalomananan no sakana. Izahay hoy Mamy dia mbola manamafy fa vonona hatrany hifampidinika ary isaorana ny FFKM amin’ny fifampidinihana ny efatonta ary azo heverina hitarina antoko politika hafa any aoriana. Tamin’izany fandraisana andraikitra izany hoy ity olomboantendry ity , na dia tsy tanteraka azan y tondrozotra satria ny tena ain’ny tondrozotra mihitsy ny andininy faha 16, 17,18,20 no tsy nasiana fampiharana, dia mbola nandefitra foana ny movansy Ravalomanana, ary niezaka hatrany nitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny krizy politika. Na dia tsy teo aza hoy izy ny marimaritra iraisan,ny tsy fiandaniana dia nanaiky ankitsipo ny movansy Ravalomanana ny handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena, solombavambahoaka,izay tanterahana amin’ity taona ity. Nanolotra kandidàny movansy Ravalomanana hoy izy amin’ny fifidianana izay filoham-pirenena , nisy ny antsonjay isan-karazany, fa ny farany teo dia ny 17 Aogositra dia nahilika izany filatsahan-kofidian’ny   Ravalomanana. Resaka politika no nanaovana azy fa tsy resaka lalàna. Nihevitra ihany hoy Mamy Rakotoarivelo ny movansy Ravalomanana amin’ny fiala nenina ka nametraka ny antsoina hoe “requete rectractation” izany hoe fangatahana ny fanesorana ny kandidàn’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana. Ny Talata teo hoy izy no navoaka napetraka teny amin’ny CES izany. Andoany vao azo hoy izy ny valin’izany dia tsy ekena ny fangatahanareo fa tsy maintsy miala Ramatoa Lalao Ravalomanana fa tsy hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fepetra momba ny fifidianana izany mahakandidà izany. Te hisintona ny sain’ny maro ihany izahay hoy izy nisy nieritreritra heo voan’inona ny movansy Ravalomanana no mandefitra lava izao. Ny nandeferanay hoy Mamy dia ho mariky ny fitiavan-tanindrazana, fitadiavana vahaolana hivoana amin’ny krizy fa ratsy izao tetezamita izao no mbola hitohy indray. Manao antso avo izahay movansy Ravalomanana hoy izy amin’ny ankolafin-kery politika rehetra, alao ho tanterahana ny fifidianana. Aleo mba tsy hisy haka fepetra hafa indray mba tsy hisian’izany fifidianana izany, fa hitady zavatra kitoatoa na zavatra mety hanimba ny fifidianana. Ny “requete de rectractation” hoy izy dia fangatahana fanafooanana didy navoakan’ny CES tamin’ny 17 Aogositra ary mametraka indray ny kandidàn’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana, hoe averina indray mandeha ilay izy. Momba ny fametraham-pialan’ny movansy Ravalomanana ao anatin’ny tetezmaita dia nambarany fa mbola tsy nisy fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny movansy dia tsy mbola nieritreritra ny hiala. Mahakasika ny hoe efa nifanaraha tamin’ny mpikambana rehetra tao amin’ny movansy Ravalomanana ve ny fanapahan-kevitra androany dia nilaza I Mamy fa ny zavatra rehetra izay atao dia nifampidinihana tamin’ny filoha Ravalomanana. Ny hisolo an-dRamataoa Lalao Ravalomanana dia efa nifampidihana taminy ihany koa. Izahay hoy izy dia hampiseho ny fahavonona hivoaka amin’izao krizy izao fa raha sanatria lavin’ny CES izay ataonay dia afa-tsiny izahay. Ny tiako hamafisina hoy izy dia ny filoha Ravalomanana no filohan’ny movansy Ravalomanana ary ny eto an-toerana dia ny tenako sy Ramatoa Lalao Ravalomanana, izay miara miasa tanteraka miaraka amin’ireo mpikambana. Hatreto hoy izy dia manome toky aho fa tsy hamadika. Aleo ny fahavalo hoy izy any ivelany any fa tsy aty anatiny. Nambarany ihany koa fa isy ny plan B fa tsy natolotra fa mety hisy ny plan C. Miala nenina izahay hoy izy amin’izao fotoana izao. Nytondrozotra hoy Mamy dia tsy tanterakahatramin’izao kanefa tsy vitan’ny iraisampirenena ny manery ireo tsy manatanteraka izany. Maninona izy ireo no tsy nanao fanerena hatramin’izay kanefa ny vontoantin’ny tondrozotra dia fitoniana. Tsy ny fikambanana iraismapirenena rehetra anefa hoy izy no manao izany fa misy ampahany te hajanaka antsika indray. Tsy kandidan’ny iraismapirenena no atao eto fa kandidan’ny vahoaka Malagasy. 41 ny kandidà nandrasan’ny vahoaka Malagasy hoy zizy fa tsy ireo 33 ireo, ka ho hita eo. Rahampitso dia hisy ny fivoriambe tanterahan’ny movansy Ravalomanana handinihana ny olona izay atolotra ho kandidà.

29 pensées sur “MOVANSY RAVALOMANANA : HANOLOTRA KANDIDA HAFA”

  1. A TOUS LES MALGACHES SOUCIEUX DE L’AVENIR DES MALGACHES ET DU PAYS !

    Les jeux sont plus que jamais ‘ouverts car personne n’a perdu ni n’gagné..
    La SADC , dont la mission ,est de mettre en oeuvre la feuille de route intégrale ,de mettre en pace la transitin consensuelle et inclusive qui doit aboutir à la ‘organisation des élections – rôle de la transition consensuelle et inclusive-
    La SADC n’ a aucune prérogative sur l’organisation des élections ,surtout pas sur la préparation des candidatures et surtot pas sur le jugement ni des compétences ni du droit des candidats à se présenter aux élections..La ces libre , indépendante , crédible a été constituée pour cette aptitude des candidats..
    Sur le plan intenational ,il y des Pays pour et des Pays contre la tenue de cette élection et de ses résultats..qui ont anéanti la société malgache et ont piétiné la Souveraineté des Malgaches
    Il s’agit bien ici de relatons internationales entre l’Etat Malgache et ces Pays pour ou contre cette élections.qui fait fi du Droit universel du Droit de l’Homme et du Citoyen en ce qui concerne les Hommes et les Femmes Malgaches .
    Il s’agit d’investissements financiers et techniques pour le développement de Madagascar ( rénovation du Pays et améliration du bien-être physique et mental des Malgaches…
    donc ceux qui pèsent dans le destion socio-économique de Madagascar sont des Pays riches , sérieux , crédibles , prudents car ils ne vont pas investir dans un Pays où le gouvernement ne respecte ni les libertés ,la démocratie n nil’état de droit ,ni les es lois internationales.ces Pays sont regardants et ils ont bien regardé ,examiné , évalué ce que vaut Madagascar et ce que valent les Malgaches..
    Il y a des Pays qui amusent la galeérie en organisant des élections bidon ,qui croient pouvoir créer des situations situations faussement légales qui permettent à des Malgaches de signer des contrats contre les intée^ts supérieurs de la Nation
    Durant quatre années d’anarchie , de despotisme commandé des colonialistes nostalgiques et très intéressés par nos richesses.., les Malgaches ont appris les combinacciones desexistant entre l’assocition des malfaiteurs malgaches et leurs collaborateurs étrangers dans les différents trafics et autres magouilles et ils ont répérés les circuits et les les intermédiares !
    Oui, seulement il y a un bras de fer entre ces Pays,tous intéressés..
    Alors , l existei l’avis et la politique essentielle des Malgaches ,qui veulent que leurs richesses sur lesquelles reposent leur souverainetéet l’avenir du Pays.
    QUI INTERDIT AUX MALGACHES DE DE BIEN CHOISIR LEURS PARTENAIRES POUR LES AIDER FINANCIEREMENT ET TECHNIQUEMENT POUR EXPLOITER NOS RICHESSES ET NOUS AIDER DANS NOTRE DEVELOPPEMENT ,
    LA IL NE S’AGIT PLUS DE FAIRE MAIN BASSE SUR NOS BIENS MAIS DE GESTION COMMUNE , PARTAGGE , CLAIRE ET HONNETETE !.
    La seule garantie pour les Malgaches que le Droit universel de l’Homme et du Cityen soit respecté pour eux , c’est l’organisation d’élections ouvertes à Tous les Malgaches soit pour participer à la gestion du Pays ( présidence , députation ,mairie soit comme électeurs et électrices , après avoir participer au vélirano national , qui consiste à reconnaître publiquement ses manquements en tant que citoyen ,citoyenne et de pardonner aux ns et aux autres..leurs manquements et les élections ainsi enrichies de la reconciliation peuvent se faire sans mauvaise conscience…
    Et les Malgaches après ces quatre années et plus d’épreuves dures et difficiles à vivre seront reconfortés par ces élections lors desquelles les Malgaches vont s’expriment librement et vont voter la oandidate ou le candidat qu’ils jugent capable ,digne ,méritant(e) de gérer le Pays !
    POUR NOTRE DIGNITE ? POUR NOTRE DIGNITE NOUS MALGACHES DEVONS EXIGER L’APPLICATION DES TROIS ALINEAS DE L’ARTICLE 21 DE L’ARTICLE DU DROIT UNIVERSEL DU DROIT DE L’HOMME ET DU CITOYEN QUI STIPULENT
    -LE DROIT DE CHAQUE CITOEN ET DE CHAQUE CITOYENNE DE PARTICIPER LIBREMENT AUX ELECTIONS POUR PARTICIPER A LA GESTION DE LEUR COMME CANDIDAT A L’ELECTION PRESIDENTIELLE, A LA DEPUTATION ,A LA MAIRIE
    -LE DROIT DE VOTER LA CANDIDATE OU LE CANDIDATE QUE LES CITOYENS JUGENT APTE , DIGNE , CREDIBLE , MERITANT(E) POUR DIRIGER ET GERER LE PAYS..
    IL REVIENT DE DROIT A LA TRANSITION CONSENSUELLE ET INCLUSIVE MLSE EN PLACE OAR LA FEUILLE DE ROUTE ENCADREE PAR LA FFKM ET DES MAGISTRATS ELUS PAR TOUS LES MAGISTRATS DE MADAGASCAR AVEC L’ ASSISTANCE DES REPERESENTANTS DES NATIONS UNIES !

  2. Efa ela ela ihany izaho no tsy nanoratra teto fa izao vao hiresaka kely.Nalaiky ambony nalaiko ambany daholo ny resaky ny rehetra nandalo teto ary ao no tonga dia kivy resy tsy miady ary ao ireo tonga dia mamely avy hatrany any i Rakotoarivelo mamy.Lazaiko aminareo tena marina fa tsy moramora ny manao zavatra, ny mandray fanapahan-kevitra, ka tsotra ny ahy ny teniko aoka ré izahay ny famelezana any i Rakotoarivelo, meteza hianao io eo aminy toerany, zay ny fanontaniako.Manarakizany ireto C.E.S, COMMUNAUTE INTERNATIONALE, SADC, indrindraindrindra ireto mena sofina ireto vé mba mahatsapa woe mety ny nataony, sa kosa mananao zavatra tsy aminy fandinihina fa tonga dia i Ravalomanana lalao no tonga dia hatsingidina satria tiany ny vahoaka, ny fahitako anizao zavatra izao dia misy tsikombakomba voretra mahamenatra ataony iretsy voalaza etsy ambony iretsy, manarakizany aiza ny fifanarahana mombany ny FEUILLE DE ROUTE ny andininy faha 16, 17,18,20? aiza indrindraindrindra ny communauté internationale, izany atao woe communauté internationale ange dia tena manana ny maha izy azy, nefa zao hita miray petsapetsa aminy ratsy miaraka aminy C.E.S, SADC, indrindraindrindra ny mena sofina, izany woe ry zalahy mihitsy izany no hitady hitondra ny TANANA, tsy misy io.Ka tsotra ihany ny teniko antsika miaraka aminy Ravalomanana, kalama fotsiny isika, fa zavatra kely fotsiny no fandrika hanaovany antsika aminizay isika tsy hifanaraka hiady an-trano, ary ny tena hitako dia tena mitady hahomby ilay tetika ratsy ataony aminintsika, fa tsy misy io.Koa mbola mangataka antsika rehetra mpomba any i RAVALOMANANA fa tsy ho tonga dia entim-po fa eritreritra tena lalina ary io zavatra io ange dia zavatra iniana atao mihitsy hitsapàna woe: ahaona no tena fihaingany ireo,fa ny tena mahavoa antsika tonga dia manome TSINY avy hatrany aminy Rakotoarivelo mamy, mbola averiko ihany, mipetrà hianao eo aminy toerany, tsy mora ange ny manao zavatra é, ary mbola mamerina izy ao woe: TSY HAMADIKIA izany mihitsy.Misy fivoriana hatao mpoa izany rahampitso dia ho hitantsika eo ny fandehany.Dia misaotra antsika rehetra.Dia samy ho ela velona hahita ny rariny.

  3. Mazava izao ny resaka: tsy nahavita ny adidiny mihitsy ireo nametrahana ny tolona, fa ny nanginy fotsiny no mitombo. Esory ireo fa manimba ny tolona; indrindr&a fa i Mamy Rakotoarivelo sy Me Hanitra Razafimanantsoa.
    Tsy tafody ingahy Ravalomanana + Rtoa Lalao Ravalomanana tsy tafalatsaka ho mpifaninana = very zo tanteraka ingahy Ravalomanana. Inona intsony no hatolotra ny mpitolona? resaka abobo indray? Hanaiky izao faharesena izao ihany, ka nahoana no notazonina 4 taona mahery ao anaty fijaliana sy fanantenana ny vahoaka mpitolona?
    Etsy andaniny, i Rajoelina no nandresy: – voaongana i Ravalomanana+ Filoham-pirenena nandritra ny 5 taona i Rajoelina+ Nahavory harena+ Nahazo mpanohana marobe indrindra fa ny miaramila. Ka na tsy mirotsaka aza izy, efa nahatratra ny tanjony.
    Nandresy ny Malagasy fanindroany indray i lafrantsa renimalalan-dry-zareo; t@ 1947, dia izao 2013 (66 taona aty aoriana)- Mbola i lafrantsa no nandefa sesitany an’ny Mpanjaka Ranavalona III t@1897, ary maty tany mihitsy. 116 taona taty aoriana, dia io ataony sesitany io koa i Ravalomanana. Dia havela ho razana any ivelany any ve izy sanatria? Sa dia voatery hilela-paladia an’i lafrantsa indray hangataka ny fodiany? Nefa zony ny mody an-tanindrazany?
    Legalista aho, legalista; nefa ry foza no tompon’ny lalàna!!! ntsss

  4. Tsy arakay intsony izay tena izy!!! Hanohana kandida efa misy @ ireo 33 ve sa hanolotra kandida vaovao hors délai ?

    Raha io faharoa io dia délire totale mihitsy satria dia ny adalan’i rajoelina nametraka candidature hors délai indray no averina sy alain-tahaka ?

    Sady efa be ny soso-kevitra hoe atolory botozaza na mamy na guy rivo tao anaty délai nefa tsy nisy fahatokisana dia tsy natao izany dia hiova hevitra hors délai tampoka indray ?

    Sao dia efa misy fahavoazana kosa ny mpitarika le aza ????

  5. LASA IALAHY MITARIKA NY MINISTRA SY CT ARY CST ,MIHIKA ENY @ AMBASSADE FRANTSAY .

    DIA HANARAKA ANAREO ENY NY VAHOAKA.

    IMANOELA DIA RESABE KOA .

    DESOBEISSANCE NO ANY VAHA OLANA HIALANA @ FANJANAHATANY.

    KA RI MANOELA ,R I MAMY ..NO MIHETSIKA FA TSY ITY RESABE LAVA ITY.

  6.  » TSY MORA NY MANAO ZAVATRA » FA MORA NY MANAO SONIA
    manaikinaiky FAHATANY HANDETEHANA NY FIRENENA TOY IZAO an!!!
    REHEFA TSY RAVALOMANANA MIVADY SY NY ZANANY DIA HIALAO ILANY FA AZA ATAO FANTATRAY AKORY.

    OLONA TSY MATAHOTRA IZAY HATAHORANA IZANY RAHA OLONA!!!TONGA @ NIRINAREO NAREO AN?????
    TSY MISY MANAIKY IZANY ETO RY DADA AN!!!!!FA AIN’INONA NY AIN’IRETO VAHOAKA NITOLONA NIANDRY
    NANDRITRY NY 5 TAONA NIARITRA NY MAFY REHETRA???????SAO DIA TSY RARINY e!!

  7. Raha ny fahitako azy dia tsy maintsy hanolotra mpifaninana ao anaty lisitra ny ankolafy Ravalomanana satria koa mety mitetika ny ho praiministra ihany koa i Domelina ohatran’i Ravalomanana.Koa iza amin’ireto ary?

    – Fetison Rakotoniaina:Mahalala ny momban’ny harena ankibon’ny tany fa tsy mbola fantatry ny mpamatsy vola.Nisitaka moramora ny TIM anefa satria nanana hevitra hafa.
    – Dr Jean-Louis Robinson:tsy hita tabilao nisy fotoana.Ministra ny fahasalamana tamin’ny andro’i Ravalomanana nefa HONO mpanao biriky malagasy??Fantatry ny mpamatsy vola.
    – Radavidson Andriamparany:fantatro kely.Toa nianatra tany amerika.Ministra noroahan’ny filoha Ravalomanana ka mety hamaly faty na mody manaiky azy ary amin’ny voalohany.Mahafantatra ny rafitry ny famatsiam-bola.
    – Rajerison Rakotomaharo:Tanankavan’ny filoha nefa namadika azy amin’ny tsy antony.Masoivoho tany Soisa.Malaza mahay fa izay namadika izay.Ka azo antoka ve??

  8. Tsara aloha rehefa ny saina no miasa fa tsy ny fo
    Tsara rehefa tsy manao politique de la chaise vide na mitarika ny olona tsy hifidy
    Tsara raha afaka manolotra candidat fa jereo sao ataon’ny CI toa an’i DJ na tsy credible rehefa avy eo
    Omeo consigne de vote amin’izay candidat tsy maimbo foza na mamofona traitrise toa an-DRajemison na Radavidrason ne vahoaka tsy tia foza e

    Raha dieny voalohany mankop mba nijery ny sondage ianareo ka nanolotra an’i Botozaza tsy ho toy izao ny raharaha

    Aza kivy nefa fa ny lalao mbola ho ela

  9. Mazava hoa azy fa fantany tsara mihintsy ny hataony sy olona azony VIDINA MORA,
    tsapan’ ny mpanjanaka koa fa RAVALOMANANA IHANY NO TSY LAITRAN’NY BALA,
    KOA AMIKO TSY AZO HASOLO NA IZA NA IZA IZANY RAVALOMANANA IZANY.
    KELY NY FINOKO ny @’izay olona HISOLO AN’i Ry Ravalomanana aloha e!!IZA ???
    Ny ahy ny ahiako eto indray dia ho FITAHANA indray i dada fa AHAZO HODY dia TERENA INDRAY HANAIKY
    ho SOLOINA dia izay vao tena ho VIIITTTAAAAAA!!!!!IZAY NO VITA TOMPOKO!!!!!

  10. nenah ndray alou ny fahitako azy dia zao e!
    Ny tsy manao ihany no mahita ho tenenina sy be vava, ‘reo olona mahay vava manaratsy reo mpitarika ato amin’ity Mydago ty d foza daholo mints ka aoka isika tsy ho taitra,indrindra fa ny Mpitarika.Hianao rehefa manao zavatra dia tadidiho fona fa tsmaintsy misy tsy tia, ary mankahala anao tanteraka; ary sahiko ny milaza eto fa isan’andro aho mamaky ity blog ty fona fa isaky ny misy lahatsoratra eto dia matetika reo mahay vava reo fona no miteny.Mampahery anao Atoa filoha RAKOTOARIVELO Mamy,matoa hianao napetraky ny Filoha RAVALOMANANA eo dia atokisana zay enao.

  11. Na i neny na tsy misy kandida atolotra ZAY HIANY! Mba mikomy ohatry ireo mpanongana tamin’ny 2009 ireo. Ny fianalanareo Mouv R8 ao amin’io Tetezamitatra io no fanafody. Milamina ny tany, mahazo olona hianareo amin’izay.

  12. Tsy misy miala izany, izany no fahendrena – <hohitantsika eo anie raha ho rkrn'ny CES indray io é ! Tsy maintsy manatrika fiainana ary miady hatramin'ny farany tompoko, – aza be tsikera loatra fa Andriamanitra anie homba azy ireo –

    Tsy vitan'ny fimonomononana akory ny fiainana
    Efa izao ve no mitranga dia an'inona ianao ? Tsy maintsy mijoro, sahy miady é !

    Tsy hisy hogejaina amin'ny tsirariny akory

    MADAGASIKARA HO AN'NY MALAGASY
    Malagasy irery ihany no manjaka eo miaraka amin'ANDRIAMANITRA
    NANOME AZY IREO NY TANY

  13. Politika no dikan’io e!: manao izay tsy hisian’ny fifidianana !!, satria efa fantatra mialoha fa ho lavin’ny CES io, dia hifanditra eo dia tsy misy fifidianana. na koa mety ho eken’ny CES dia ho avy indray i rajoelina hilaza fa hilatsaka indray koa izy dia hikorontana eto isika dia tsy hisy fifidianana. Amiko dia mety io paika vaovao io. Fa ny haingana indrindra dia ny fidinana an-dalambe ihany, efa miandry top fotsiny sisa ny vahoaka fa mila mpitarika maharesy lahatra, mila fandaminana maty paika dia GO!

  14. Ny Zanak’IDADA dia olona misaina ,mandinika ary diso manaraka ny ara-dalana sy ny fifehezana ato ain’ny fikajbanano sady mahay anaja ny fikambabana.
    Ilaina izany rehetra izny ankehitriny..,rahampitso , satria tsy zandriny infsony ianareo fa zoky azo hianterarana , zoky hanoro sy hitantana..
    Hamelana ,y voninkazo ,ho vaky ny amboaty..Ho be ny asa ..!
    Koa aaza koivy
    MINOA , MINOA FOANA !
    MAHAY ZAVATRA ANDRIAMANITRA…
    NY FITAHIANY SY NY FANAMPIANY DIA ARO SY TOKY HO ANTSUKA REHETRA …………………………………………………………2

  15. Ho antsika eto, amin’izao ora androatako izao, dia « ady be » tsy misy toa izany ao Faravohitra !
    Manao an’izay andresen-dahatra an’i Ramatoa Ravalomanana Ingahy Rakotoarivelo « sy ny tariny » na dia efa fantatra daholo aza ny mety ho voka-dratsin’izany rehetra. Ny ankabeazan’ny ao amin’ny movansa dia tsy manaiky !

    Anisan’izany io voalazan’i Manjaka io hoe : Tsy hisy ny fifidianana ! Nefa kosa, raha samy tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana « tsy mangarahara sy tsy ankatoavan’ny vahoaka », fanolorana olon-kafa ve no tena mety ? Tsia amiko ny valiny !

    Sady fanitarana ny krizy ( fanomezana tombontsoa an’i domelina araky ny volazan’ilay Onitiana ), no famotehana ny voninahitra, hasina, hajan’ny vahoaka malagasy, ary indrindra indrindra ny tolona natao nandritry ny efe-taona sy tapany !

    Rehefa tsy zakan-dr’Ingahy Rakotoarivelo sy ny tariny intsony ny fitantànana ny Fierehana Ravalomanana, dia tokony mametra-pialàna tsotra izao fotsiny ry zareo, fa tsy andrebireby vahoaka lava izao ! Raha milala izy, tsy ny movansa mihintsy no handefa azy eny Tsiafahy, izay hoe natahorany mafy ka nahatonga azy hanao sonia an’ilay tondrozotra.

    Aoka izay ny resaka be ! Mila mitsangana ny vahoaka ary tokony hanaraka an’ity voalazan’i Einstein ity !

     » Je suis un pacifiste convaincu, mais pas un pacifiste absolu ; je veux dire par là que je suis opposé à l’emploi de la force en toutes circonstances, sauf quand je suis confronté à un ennemi qui a pour objectif, la destruction de la vie comme une fin en soi. » A. Einstein – 1953

  16. Ya!KM

    Les seules richesses des gouvernants doivent être la justice et l’équité(Confucius)

    Les premières richesses des gouvernés doivent être la légalité et la liberté

  17. L’ Idée d’ un représentant pour la Mouvance Ravalomanana ne marchera pas
    Le Peuple ne suivra pas
    Seule Lalao peut remporter ces Elections
    Un report des Elections est necessaire
    Cette Election est un choix de Société
    seule Neny Lalao peut le mener à bien

    Vu le Contexte international au bord de l’ Implosion
    La donne peut changer
    Les Etats Unis vont avoir besoin de bases à Madagascar
    et Madagascar va avoir besoin d ‘une Présidente Protectrice …

  18. MBOLA TSY TERAKA ILAY HISOLO AN’i RAVALOMANANA Ô!!!!!
    NY SISAN’iZAY FOZA! SANDOKA! ZANA-BARATRA Ô!!!!
    TANDREMO NENY FA MANDADY NY TRAMBO a!!!

  19. Ka inona ihany ary no atao e! ny vahoaka efa reraka sy trotraka, mbola hirotsaka andalam be indray dia lany eo ny roa taona afarafahakeliny.

    Ny fandrosoana akory tsy hiandry antsika eo, ary ny fanampiana tokony nankaty madagasikara aza lasa any antany hafa.

    Raha tsy nandrotsaka teo ny movansa ra8 izaho tsy maintsy nisafidy izay tsaratsara programa t@ ireo fa miala tsiny aho.

    Izao haihay mba manantsafidy isika ary raha mifidy maro an’isa miverina ho azy ny filoha teo aloha.

    Izao mantsy tena tsy mbola fatatra tsara ny rapport de force.

  20. FA MISY MANDROSO ANGAHA EO RY MPAMAHAN-DALITRA????
    Rehefa ianareo no mahazo tombon-tsoa any dia MANDEHANA fa aza aty no MAMAHAN-DALITRA.
    Efa mazava fa mandehana @ anaranareo IRERY raha manan-kambo fa aza ny dadanay foana no
    atao FITAOVANA LAVA hampiakaranareo ny FOZANAREO.
    Aza miatsara ivelatsia intsony fa mazava ny teninao teto fa  » EO @ MAGRO NO TOERAN’i DADA SY
    NY RENINAY » ampy anay izay, izahay koa mahatanty.

  21. Tapidalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato tokoa ny zanak’i dada ankehitriny! Ny azo lazaina manko dia tsotra e: tsy mba foto-kevitra no tohanana ny an’ity mouvance iray ity fa olona, kanefa i Ravalo mivady ireto dia olona tsy mifototra amin’ny fahamarinana fa amin’ny lainga sy ny fitiavan-tena! Ka izao dia mifototra amin’izy ireo ny lainga marivo tototra nataon’izy ireo.  » Ny lainga hono manko toy ny salaka ka ny tompony ihany no fatorany ». Tsy mahita lalan-kelaha itsony ireto forngon’i dada ireto satria ny SADC izay nataon’izy ireo ho andriamanitra kely dia nandaka azy ireo teo amin’ny ambavafony! Ireo mpitarika kosa dia manohy hatrany ny fampandriana adrisa ireo olona badolahy sy badovavy mpanaraka ambokony. Ireto mpitarika manko dia sady voky amin’ny vola be ararak’ingahy Ravalo, no mbola mitavana ny vola be karama avy amin’ny Tetezamita. Aza manody ny manjo ireto zanak’i dada ireto, fa efa nandritra ny efa-taona izao dia nampiainana tao anaty nofy rirnina hatrany! Tena mahaontsa tokoa an!

  22. MAINKA BE

    VAOVAO FARANY

    urgent>
    20h05 MOUVANCE RAVALOMANANA :
    La reuquête de Lalao Ravalomanana sollicitant la Cour Électorale Spéciale de statuer sur sa demande d’autorisation de déposer une autre candidature de remplacement est déclarée irrecevable.

  23. Rehefa nolaviny ny C.E.S izany dia anjarantsika VAHOAKA tompony teny farany no manapakevitra woe: INONA HAINGANA NO TOKONY HATAO.Satria efa tsy izy intsony ity.Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha i Rajoelina no nangataka haotrizao dia OK.
    Izaho moa niteny tetsy aloha tetsy woe :AZA KIVY ARY AZA RESY TGSY MIADY, nefa jerevo indray fa mbola voadaka am-bavafo ity ny MOUVANCE RAVALOMANANA;ka ny ahy dia izao é tsy misy afa-tsy isika vahoaka sisa no maha eo any i ANARANA RAVALOMANANA;Hita mihitsy izao fa i RAVALOMANANA no tena TSY TIANA eto.

  24. Ratsimilaho ô !

    I RaDenise iany io fa manova anarana toy ny fanaony hatrizay. Vao miala any ny fomba fanoratany dia KOBO !!!

  25. Parlons peu mais parlons juste
    Monsieur RAKOTOARIVELO MAMY n’est pas un insensé ni un obtus ni bouché à l’émeri..
    Il est jusqu’à preuve du contraire jusqu’à cette conféférence de presse ,chef de la délégation de la Mouvance RAVALOMANANA MARC
    Le fait qu’il est allé à Faravohitra , domicile officiel du couple présidentiel pour faire la conférence de presse aux journalistes prouve, si besoin en est , qu’au moins il a obtenu l’accord , le consntement de Madame RAVALOMANANA LALAO..
    Et je dirai même plus que Monsieur RAKOTOARIVELO MAMY a eu un entretien avec le Président RAVALOMANANA MARC sur le ou les sujets de cette conférence de presse..
    Si Monsieur RAKOTOARIVELO MAMY avait des idées différentes de celles du Président ,je pense sincèreent qu’il aura quitté sa fonction de chef de délégation..
    Sur le fait qu’il a demandé une candidature de substitution qui remplace celle de madame RAVALOMANANA LALAO constitue une demande faite au nom de la Mouvance et le fait que c’est lui RAKOTOARIVELO MAMY qui a posé la demande ne signifie pas qu’il serait automatiquement le candidat -remplaçant.
    Si la demande avait été acceptée par la ces actuelle , le candidat remplaçait aurait été désignée par la mouvance..
    Du coup toute la Mouvance s’est noyée dans un verre d’eau et cette histoirette a traduit le malaise qui existe entre les « getroka  » de la Mouvance..et comme la place de chrf de délégation revêt indéniablement une certine notoriété les « contre MAMY  » disent que MAMY a la rage ,il faut le noyer « Et dire que Nous voudrons diriger le Pays ,avec cette mentalité  » du pousse-toi de là que je m’y mette ,le pouvoir sera vite mort-né !
    Faites attention car les traître d’hier sont derrière la porte..et peut-être sont -ils – déjà installés dans la maison !
    Le Président RAVALOMANANA MARC n’ignore pas cet état d’esprit ,non pas conquérant pour la réussite du Pays , mais rétrogradant et pénalisant notre lutte pour reprendre arriver à ce pouvoir !
    Oui heureusement que le Président de la République RAVALOMANANA MARC n’est pas dupe et connaît ceux qui se disent être ses amis..mais qui ne cessent de vouloir lepoignarder dans le dos en s’attaquant à ses hommes de confiance !

    OUI DIEU EST GRAND !

  26. METY HANOHANA AN’I TABERA RANDRIAMANANTSOA I RAVALOMANANA MARC????

    —— Raha ny tena tian’ny zanak’i Dada ankolafy Ravalomanana dia i Ravalomanana Lalao no nilatsaka ho fidiana na farafaharatsiny nosoloina izy. Ankoatra an’izany dia tena fanirianay mpomba ny Filoha Ravalomanana ny hanaovana izay tsy hisian’ny fifidianana fa ho atao ‘andrompikomiana » ny famielezankevitra rehetra sy ny andron’ny fifidianana, saingy raha ny famakafakana nataoko dia:
    —- METY HANOHANA AN’I TABERA I RAVALOMANANA MARC.
    I Camille Mektoub SG-n’ny antoko Kintana an’i Tabera dia ao @ Magro foana hatr@ izao mandray anjara fitenenana. I Tabera t@ Avril 2009 dia efa saika notendren’ny Filoha Ravalomanana ho PM teny Ambohijatovo saingy nosoloiny an’i Manandafy. I Tabera dia tsy mbola nanaratsy na nanilika an’i Ravalomanana Lalao fa nanohana azy hatrany aza. Miampy izany koa ny vaovao avy t@ olona ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana nilaza tamiko fa:  »METY HANOHANA AN’I TABERA NY FILOHA RAVALOMANANA ». Mety hoy aho, averiko indray fa METY raha hisy ny fanohanana olonkafa ataon’ny Filoha Ravalomanana Marc.
    —- Ny Filoha Zafy Albert dia milaza foana fa tokony fifidianana Lalampanorenana no atao ary i Tabera koa manohana izany hevitra izany. Ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia mitsipaka ilay lalampanorenana tsisy fotony t@ 2010.
    —- I Tabera dia Federalista niaradia t@ i Deba, avy eo dia niaradia t@ i Zafy Albert ary efa saika notendren’ny Filoha Ravalomanana ho PM ihany koa.
    —– IZAHO DIA HANOHANA AZY RAHA TOA KA HANOME IZANY BAIKO IZANY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ARY KOA MANAO IRETO FEPETRA IRETO I TABERA:
    Miverina eny ankianja i Tabera milaza fa hametraka tetezamita vaovao rehefa lany izy ary hanao fifidianana Lalampanorenana vaovao, ary izay vao hanao fifidianana Filohampirenena tena izy handraisan’ny rehetra anjara.
    —- Io tetezamita vaovao io dia atao tahaka ny efa nolazaiko hoe: Misy Filohampirenena-3 miara-mitantana ka ny voalohany dia Filoha hisahana ny Fampihavanampirenena ka i Zafy Albert no eo, ny faha-2 dia Filoha hisahana ny Fahefana mpanao Lalàna ary i Deba no eo ary ny Filoha faha-3 dia hisahana ny Fahefana Mpanatanteraka ary i Ravalomanana Marc no eo. Dia avy eo mametraka Fahefana mpitsara tsy mitanila mba hampifandanja ny fahefana-3 hisian’ny tena fototry ny demokrasia.

    —- Azo antoka fa ho lany i Tabera raha tohanan’ireo Filoha telo nailika ireo, raha toa ka manome toky ampahibemaso fa hametraka tetezamita vaovao avy eo. Ho maro ny mpomba an’i Ravalomanana no hanaraka ny toromarika. Tsy very maina ny asa sy ezaka efa natombok’i Ravalomanana Lalao fa dia mora ny hanohy izany.

    Ahoana ny hevintsika mpanohana an’i Ravalomanana Marc @ izany????? Ny ahy dia efa io nolazaiko teo ambony io fa raha ny tena tianany dia tsy manohana tsy mifidy fa manao izay tsy hisian’ny fifidianana saingy raha manome toromarika @ izany ny Filoha ARY KOA manaiky ny fepetra i Tabera dia hanohana azy aho ary hitarika ny vahoaka hifidy azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *