Lalao Ravalomanana : ny finoana arahin’asa no fanohitra amin’ny fampandrosoana

Neny RAVALOMANANA Lalao tao amin'ny Magro Toamasina (35)

Neny RAVALOMANANA Lalao tao amin'ny Magro Toamasina (35)Ambohipihaonan’ny zanak’i Dada eto Toamasina tao amin’ny Magro androany. Tonga nitarika ny lanonanana i Neny niaraka tamin’ny delegasiona VPM Botozaza, ny CST isany Ramahefalahy Rasamimaka sy Leriva Manahirana, ny CT avy aty amin’ny faritra antsinanana , ny lehiben’ny faritra teo aloha Julien Andriamorasata, sns… Nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro ka tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny enina hariva ny fihaonana. Nizara roa ny hetsika natao. Ny tapany voalohany no nanomezan’ny mpitarika ny toromarika rehetra, ny tapany faharoa kosa dia ny fihainoan’i Neny ny hetahetan’ireo vondrona sy fikambanana samihafa.

Tamin’ny kabary nifandimbiasana no nilazan’i Botozaza fa ny firaisankina sy ny fifankatiavana ary ny fifampitokisana no mampandresy ny tolona. Matoa tonga maro be eto isika dia mampiseho ny fitiavantsika an’i Neny koa na dia mbola tsy fotoan’ny fampielezankevitra aza izao dia efa vonona hatrany isika hoy i Botozaza.

Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’i Neny no nitondrany hatrany ny hafatra avy any amin’i Dada. Faly aho tena faly mihaona aminareo eto, tafaray ny tia sy ny manina hoy izy. Koa izao fitiavan-tanindrazana asehontsika izao dia   ho an’ny taranaka fara aman-dimbintsika. Vonona hanangana firenena vanona aho hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana.Namafisiny hatrany fa ny finoana arahin’asa no fanohitra amin’ny fampandrosoana.Taorian’ny kabary samihafa dia nihaino ny vahoaka isan-tsokajiny I Neny.

4 pensées sur “Lalao Ravalomanana : ny finoana arahin’asa no fanohitra amin’ny fampandrosoana”

  1. LALAO RAVALOMANA SERA écartée de la course à la presidentielle comme souhiate la communauté internationale dirigée par la FRance.
    IL EST PRESQUE SUR QUE LES MAMY ET COMPAGNIE VONT SE PLIER.

  2. Tant que ce n’est pas officiellement annoncé, nous demeurons confiants!
    Et si jamais c’est le cas, on avisera.

  3. Mémoire en défense. La mouvance Ravalomanana ne reste pas les bras croisés face aux requêtes qui demandent l’exclusion de sa candidate Lalao Ravalomanana. Hier matin, une délégation de la mouvance de l’ancien président dirigée par Mamy Rakotoarivelo, a fait le déplacement à Ambohidahy pour déposer un mémoire en défense qui vise à défendre la légalité de la candidature de l’ancienne Première Dame. Ce mémoire en défense apporte notamment des éclaircissements sur les motifs qui n’ont pas permis à Lalao Ravalomanana de rentrer au pays à l’époque. Cette dernière étant taxée de ne pas remplir les conditions de six mois de résidence sur le territoire national. A rappeler que Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana et Didier Ratsiraka ne sont pas les seuls à être dans le collimateur de la Cour Électorale spéciale. Il y a également des candidats qui n’ont pas pu remplir les conditions de six mois de résidence, pour ne citer que le général Camille Vital et Ny Rado Rafalimanana. – See more at: http://www.midi-madagasikara.mg/#sthash.ZI4zErHl.dpuf

  4. Envoyé par: picpus (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 14 août 2013 21:12:00

    Ny GTT inter Ge dia tsy mahay afa-tsy ny mitsikera ary efa an-taona maro izay miaraka am GTT hafa ireo no milaza foana hoe mpamadika i Lita, mpamadika i Bozy fa mbola eo ihany anefa i Lita sy Bozy satria mbola atokisan’ny Filoha Ravalomanana. Hoy aho hoe: Fanambaran’ny Malagasy tsy miray saina amin’ireo GTT ireo :
    – Mangataka ny filoha RAVALOMANANA mba handray andraikitra entitra mikasika ireto mpomba mafiloha tsy manaraka torimarika fa manao izay dan’ny kibony fotsiny.
    – mba hitey mafy ireto tena mpandrava tolona, satria ny fanambarana toy izao dia mampiseho ny fampizarazarana ka manimba ny tolom-bahoaka nanomboka tamin’ny taona 2009, eny fa ny tolona nataonay ny 2002 aza izany;
    – mba hiteny mazava ny tena heviny mikasika ny raharaham-pirenena ary hametraka torimarika mazava hoharahina fa manaraka izahay vahoaka.
    – mba tsy hanaiky intsony ny hevitra atolotr’ireo mpanolo-tsaina vilana satria manimba ny asa natao izany.
    Mangataka kosa ireo mpiandraikitra ny movansy:
    – mba haneho fahamatorana amin’ny fandraisana fepetra isan-karazany
    – mba handray andraikitra amin’ny fampivondronana ny olonn’ny filoha Ravalomanana rehetra fa tsy ho variana amin’ny raharaha eo an-toerana ihany, miparitaka ny ondry manerana an’i Madagasikara anefa isika dia variana amin’ny adalan’ny HAT eo an-drenivohitra.
    Ataoko fa efa vita ny ady matanjaka amin’ny HAT satria efa fasika rahateo izy ireo fa ny ady lehibe mila hatrehina dia ny fampandaniana an-dRtoa LALAO RAVALOMANANA izao no atao .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *