Raha tsy miasa araka ny tokony ho izy ny CES : Na isika hanohy ny làlana na isika hiala ao anaty rafitra

MAGRO 13 aout 13 (1)

MAGRO 13 aout 13 (1)Nitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany 13 Aogositra 2013 ny hetsika ataon’ny vahoaka mpomba ny movansy Ravalomanana. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny solontenan’ny mpivarotra eo an-kianja Ramatoa Vicky. Nambarany fa matoky anareo CES handray fepetra tsara izahay. Aza misy ovaina hoy izy ireo kandidà 41 ireo. Tsy manaiky izahay raha esorina ny kandidànay I Neny Ravalomanana. Ny solontenan’ny RCM Andriamatoa George kosa dia nilaza misy toeram-pitrandrahana volamena ao Fianarantsoa ao. Trongisin’nySinoa izany hoy izy ary mahazo betsaka izy ireo. Toy izany koa ny ao Andrefan’Ankazomiriotra. Hitondran’ny Sinoa fitaovana ny tanety hoy izy ka fantany ny misy ny volamena. Ny ao Vohilava Nosivarika dia  mbola misy volamena ka ny Sinoa ihany no mbola mitrandraka izany. Ny tiana ambara hoy izy dia variana sy arirarin-dRajoelina sy ny frantsay aty ambadika aty isika kanefa ny harem-pirenena lanin’ni Sinoa. Maninona hoy izy raha manao fifanarahana amin’ny Sinoa ka ny vatosoa sy volamena izay trandrahan’izy ireo dia andefasana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra any Sina. Ny frantsay hatrany no ao ambadika amin’io resaka mpianatra io satria fantany far aha tonga tany Sinai reo mpianatra ireo dia mahay teny Sinoa sy Anglisy. Mampalahelo azy ireo izan ka io sakanany io. Ny Ct Mamisoa dia nanambara fa manantena isika amin’io CES io fa hiasa amin’ny rariny sy ny hitsiny izyireo. Tsy azo ihodivirana intsony hoyizy ny maha kandidà an’I Neny. Vao mainka mitombina raha ny 12 Septambra hoy izy ny fifidianana. Enimbolana katoka ny nipetrahany teto. Momba ny GIC-M sy Cps dia nilaza ity mpanao politika ity fa ireo no tokony ho saziana fa tsy izy telo mianadahy. Tsy manaraka ny zavatra nolazainy izy ireo. Noho izany dia tsy tokony hisy mihitsy ny fikitihana ireo kandidà. Isika hoy Mamisoa dia manohana ny FFKM. Tsy ny tombontsoan’ny frantsay no arovana eto. Ao anatin’ny tsotsorimamba isarahana isika hoyizy raha sanatria ka tsy miasa araka ny tokony ho izy ny CES. Na isika hanohy ny làlana na isika hiala ao anaty rafitra fa tsy misy mpihaino isika. Miomana amin’ny vavaka hoy izy isika.

6 pensées sur “Raha tsy miasa araka ny tokony ho izy ny CES : Na isika hanohy ny làlana na isika hiala ao anaty rafitra”

  1. Tsy efa somary tara ve @’izany fialana izany sa MBA te ho derain’i alika Tompoko ô!!!
    Efa tapitra ritra ny OMBY sy ny OLONA any atsimo , izao efa PÔTĖPÔTĖKA izao ny FIRENENA
    satria NANKASITRAHA ILAY JIOLAHY HANATANTERAKA IZANY REHETRA IZANY koa izao vao MODY HOE:
     » HIALA?????? » VOKY ANGAHA!!!!ho tsarain’ny tantara ianao ianareo izay rehetra NANAIKY NANAO KISONIA
    niara-tsikombakomba t@ ratsy nahatanteraka izao FAHAVOAZANA MIANJADY NY FIRENENA IZAO.
    TSY MISY HO AFA-BELA EO TOMPOKO ô!!!TANY MASINA IO e!!!ary Andriamanitra misy fa tsy araka ny FIHEVERANAREO
    azy TOMPOKO ô!!!
    Ny fiarahana tsikombakomba sy ny fankasitrahana ny RATSY dia mbola loza lavitra noho ilay mpanao ratsy ny SAZY miandry
    azy koa HIFANKAHITA ISIKA fa samy ho velon’aina eto e!!!fantatray ny HITOKIANAY fa tsy FOZA kosa aloha e!!

  2. Efa fantatra dia ny mialoha fa tsy natao ho HENOINA ny nidiranareo tao fa natao
    FITAOVANA sy hanampy ny MPANOMPO AN’i domelina , efa fongana tsy misy ny harem-pirenena vao
    hoe: domy aho ranaotra???EFA TARA OAH!!!
    Lalana hafa indray tadiavina raha mahita fa rehefa tsy mahita dia aza mampiesona .
    Tsy ny harena ihany no fongaan fa ny zaza amam-bevivavy lasa BIZZINA tsy hay intsony izay TSY HATAO
    AMIN’IZY IREO . TSY RARINY fa izany tompoko no vokatry ny TSIKOMBAKOMBA @ RATSY a!!

  3. Aoka koa isika tsy ho HIRONA @’izay kandidâ hafa izay atao fitaovana haniliana an’i
    NENY any fa ny antsika hatrehana TOMPOKO ô!!!NENY ny antsika ka izay HALANY ao tsy misy
    HIDIRANTSIKA fa tsy isika indray no hilatsaka anaty vovom-POZA ka hankatoa ireto FAKO sy ALIKA TSISY
    FE-VOZONA ISANY IRETO. izay ESORINY any HESORINY fa tsy isika indray koa no HIARO izany SANATRIA!!!
    Izay esoriny azy ny azy fa NENY MIJANONA no edivantsika hatr@ FARANY RAHA HANAO INDRAY NY MPITARIKA???
    any mihintsy mantsy ny lesoka , toa manaki2 lembenana foana nefa efa hita fa TENA EFA LOZA MITATAO no mianjady
    ny FIRENENA. MBÁ aoka izay ilay FAMPIESONANA e!! AMPY KOSA ANGAMBA IZAY!!

  4. Ny frantsay tsy mahagaga raha maniry ny hahafaty ny malagasy hanjakany amin’ny harenatsika.
    Fa i Rajoelina sy ireto Miaramila ireto no dia mahagaga : lasa afobe i Madagasikara noho ianareo : faty olona etsy sy eroa, hanoanana etsy sy eroa, harempirenena ringana etsy sy eroa, vazaha frantsay sy karàna manao ny lohany etsy sy eroa tompoinareo, ….
    Misoratra amin’ny dossiers Tetezamita anie ny anaranareo ka sao hiafara amin’ny taranakareo ?
    NA HIALA NA TSY HIALA AO ANATY RAFITRA IANAREO NA TSIA DIA NIARA NIOSINA TAMIN DRAJOELINA NANATANTERAKA IO AMBONY IO..
    koa tomponandraikitra izany I HANITRA , MAMY ,RAVATOMANGA , IMANOELA ,ZAFILAHY, IREO CT MARO MPIKABARY AO @ MAGRO…

  5. Leo be koa za @’ilay FIVOIZANA ilay « fotoana tsy naha-teo an’i NENY » ,MANKALEO !!!
    fa iza no sahy miteny fa tsy teo NENY ary INONA NO ANTONA TOMPOKO ISANY ô????
    dia sahy mamerimberina io ve ianareo miara MISARY ADALA @ FOZA toa vao maika MANAMAFY NY ADALANY:
     » raha ahemotra ny fifidianana dia feno 6 mois izany ny nijanonan’i NENY???????????? » mody adala KOA VA SA
    TENA DOMA ka izany koa no atao HIRAHIRA????INONA NY ANTONY TSY NAHATEO An’i NENY e???sa tsy maintsy
    manaraka ny adalan’ny foza fa efa miray VOVO AMINY????Azafady tompoko fa leo be za!!miala tsiny tompoko!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *