RAKOTOAMBOA JEAN LOUIS : MIALA NY CES , CENI-T FA TSY MAHAVITA AZY

MyDago.com-27 Aout 13 (16)

MyDago.com-27 Aout 13 (16)Amin’izao dingana misy antsika izao hoy ny Cst Rakotoamboa Jean Louis teny amin’ny Magro Behoririka androany dia mila manana « répere » sy mitandrina isika. Raha niditra tao anatin’io tondrozotra io isika hoy izy dia efa fantatra ny « rapport de force numerique » fa vitsy an’isa isika fa nampisehoana izao tontolo izao sy ny vahoaka malagasy hoe tsy avy aty amintsika movansy Ravalomanana no misy ny sakana, fa nampiseho fahavonona isika. Sahy izahay niditra tao na dia vitsy an’isa aza. Mbola noterena indray ny filoha Ravalomanana hoy ity olomboantendry ity tary sy tatsy hoe Ni..Ni.., niteny ny filoha Ravalomanana hoe tsy hilatsaka raha izay no hahasoa ity firenena ity.Efa fandeferana lehibe izany ary mbola namboarina indray ny lalàm-pifidianana hanaovana fifidianana. Nanolotra kandidà ny movansy Ravalomanana. Nanao sodazy ny frantsay hoy izy ka 68,32% lasan’ny Lalao Ravalomanana, ka nihiratra ny mason’izy ireo. Nantsoiny indray Rajoelina hoy izy ka nasainy tany Vatican, ary nasainy niditra tamin’ny lisitra amin’izay tsy afaka milatsaka i Neny. Tsy handefitra amin’izany isika hoy Rakotoamboa fa tsy misy kandidà afa-tsy Lalao sy Marc Ravalomanana eto. Raha misy sasantsasany te hilatsaka hoy izy dia isika tsy hamerinjo azy fa soavadia.Tsy azo ampiasaina ny anarana movansy Ravalomanana. Efa fantatra hoy izy hatrany amboalohany ny zavatra ataonao hoe tongava eny Ambohijatovo nefa ianao aza tsy hita. Ny hafatra ampitaina amintsika hoy Rakotoamboa dia kandidà Lalao Ravalomanana dia nahavita ny adidiny, madio ny dossier-ny ary efa tafiditra teto Madagasikara. Ho verezinjo ve izy sy ny vahoaka 68% hoy ny fanonataniana napetrany. Ny lalàm-pifidianana hoy ity mpanao politika ity no nahatonga izao famerezanjo izao satria enimbolana tsy teto dia tsy mahazo milatsaka.. Io ihany koa no nametraka ny CES izay mampikorontana, ka miala teo sao amotika ny firenena. Mbola io ihany koa no nametraka ny Ceni-t, izay any amin’ny distrika dia tsy misy azy, noho izany dia tsy misy inona vita fa tsy miala teo. Be dia be ny vato maty any ambanivohitra any satria tsy manana karapanondro. Ny Kmf Cnoe izay manaramaso dia any amin’ny disitrika sasany tsymisy azy fa tokony ny fiangonana no manao izany, fa manerana ny nosy dia tsy misy fokontany tsy misy fiangonana.

15 pensées sur “RAKOTOAMBOA JEAN LOUIS : MIALA NY CES , CENI-T FA TSY MAHAVITA AZY”

  1. Tsy misy fifampidinihana mihintsy izany tolona izany satria dia ry Rakotoamboa milaza ny tokony hialan’ny CES nefa ny sasany ao amin’ny ankolafy mbola hametraka fangatahana ao anio na rahampitso mba hamoahana ilay kandida.F’AHOANA IHANY IZY ITY E!SAMY MITENY IZAY TIANY VE?

  2. MISAOTRA TOMPOKO FA MAZAVA ARY MARINA SY MAHITSY TOKOA NY TENINAO.
    MANKASITRA !!!MAZAVA BE!!!mbola musy olona tsara ihany kay ao ry zareo a!!!
    MBOLA TSY TERAKA ILAY HISOLO AN’i RAVALOMANANA.
    REHEFA TSY RAVALOMANANA NA DADA IO NA NENY NA ZANAKA DIA = TSY MISY Ô!!!!!

    Olona tainalika tsy mataho-tody mihintsy anie ireo zana-baratra ireo e!!!!jereo izato hataony!!!
    MPITARI-BATO VILAM-BAVA.

  3. Averina aminy ny toerany nangalarin’ny sasany. Tsy misy hafa tsy izay ny tanjona. Izao no fotoana tsara indrindra iadivana amin’ny françafrique. Tsy misy vahiny mibaiko ny Gasy izany eto! ampy izay! Ravalomanana Marc ihany no mahavita an’izay iraka izay! Amen.

  4. Fa ahoana , iza no tena manapaka ao aminareo ao, toa samy manana ny ambarany , tsy milamina anie izy izany é.Mifanaraha ranga nareo , aza aodokodina ny resaka fa miraisa feo dia ambarao zay tena marina.

  5. Ravalomanana koa no tohanan’i olona ao fa tsy izao MPISOLELAKA rehetra izao.
    Mazava io tenin’ i Rakotoamboa io » Raha misy te hilatsaka dia TSY MAHAZO MAMPIASA NY ANARANA
    movansy RAVALOMANANA fa tsisy kandidà HAFA AFA TSY DADA SY NENY RAVALOMANANA IHANY NO IZY EO « ekena 100% .

  6. Aoka isika tsy ho mody fanina daholo ka tsy mahalala ny tetika efa masaka atrany am-
    boalohany fa tsy avela hody dada HIVIDIANAN’i la frantsa olona MOAKA ao @ Ankolafy Ravalo
    azony atao FITAOVANA mazava ho azy.
    Vao nandeha ny tantara dia efa fantatra fa tsy i NENY mihintsy no tiany halatsaka ao fa …………???????
    ilay anarana mihintsy no tsy mety @ la frantsa nefa ny VAHOAKA TSY AZO AHILIKA dia izao mihevitra ny GASY ho
    tena paiso izao izy hoe OVANA ho fafana hiala ao @ tanana mihintsy RAVALOMANANA. MAHONENA!!!!

  7. Ny nataon’iza moa no naha trotraka ny vahoaka raha tsy ny fitiavan-tenanareo fa tsy mba
    ilay vahoaka no JERENA vao MANAIKINAIKY MANAO KSONIA FAHATANY?????dia izao koa dia mbola
    HANDAINGA INDRAY FA HAM-PODY AN’i DADA ka HISOLANTSOLANA HAKA NY TOERANY HO FIDINAY????
    MANONOFY!!!SANATRIA!!!!!MBOLA TSY TERAKA NY HISOLO AZY .

  8. Tapidalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato tokoa ny zanak’i dada ankehitriny! Ny azo lazaina manko dia tsotra e: tsy mba foto-kevitra no tohanana ny an’ity mouvance iray ity fa olona, kanefa i Ravalo mivady ireto dia olona tsy mifototra amin’ny fahamarinana fa amin’ny lainga sy ny fitiavan-tena! Ka izao dia mifototra amin’izy ireo ny lainga marivo tototra nataon’izy ireo.  » Ny lainga hono manko toy ny salaka ka ny tompony ihany no fatorany ». Tsy mahita lalan-kelaha itsony ireto forngon’i dada ireto satria ny SADC izay nataon’izy ireo ho andriamanitra kely dia nandaka azy ireo teo amin’ny ambavafony! Ireo mpitarika kosa dia manohy hatrany ny fampandriana adrisa ireo olona badolahy sy badovavy mpanaraka ambokony. Ireto mpitarika manko dia sady voky amin’ny vola be ararak’ingahy Ravalo, no mbola mitavana ny vola be karama avy amin’ny Tetezamita. Aza manody ny manjo ireto zanak’i dada ireto, fa efa nandritra ny efa-taona izao dia nampiainana tao anaty nofy rirnina hatrany! Tena mahaontsa tokoa an!

  9. Tsara ilay kabary ary tena mazava !
    Saingy indro kely hoy ny mpandrafitra ?

    – Tsy efa ela vê ianareo no nilaza t@ ny vahoaka fa hesorina eo rajoelina izay nampalaza ilay fitenenana hoe TSAR ( Tetezamita Sans Andry Rajoelina ) ?
    Aiza izao ? ianareo indray aza no mi-cautionner ny maha Filohan’ny Teteza-mita azy izao noho ny nidiranareo tao @ ny fitondrana FAT!

    *** Efa leo ny kabary ambony vavahady ny vahoaka ary miandry ny zavatra  » concret « :
    – Ampodio ny Filoha Ravalomanana
    – I Ravalomanana no kandidà na Lalao
    – Sokafy ny haino aman-jery ( indrindra fa ny radio fahazavana )
    – Ataovy izay ahatafavoaka ny gadra politika rehetra
    – ……………….
    IREO NO NILOKALOKANA TENY @ ny MAGRO sa TSIA ?

    >>> Misy tanteraka vê ireo na iray aza izao ?

    –> Ambava homana am-po miherotra ka aoka samy hieritreritra fa tsy mihevitra ny sasany ho mora azo fitahana lava izao.

  10. Efa hoe ny « tranom-pody no vitan’ny vava » hoy Rajao malok’ila. Ary vava tsy tonga aiza fa mifampientan’entana fotsiny ao anaty tambohon’ny Magro. Rehefa hafa-po t@ teny sy kabary henjana izany ny mpanaradia anaty tamboho dia samy faly sy ravoravo mivoaka ao ?

    Fa ny tetika hanatanterahana sy ny mpitarika @ fanatanterahana ? lasa aiza daholo ? sa ampy ny sandrin’ireo extremiste ireo hampiasa vatana fa tsy hampiasa saina ? Vao lakrimozena fotsiny dia rifatra mandositra daholo !!!!

    Izay mba miketrika mampiasa saina hahazoana fitondràna indray no enjehina sy lazaina mpamadika. Nery anjavony t@ fizirizirina nefa tsisy atokony @ fanatanterahana ny ziriziry fotsiny ny efataona maninjitra. Tena tsss….

  11. Tsy hita moa izy ity ry zareo fa mamerimberina manana ny antitra.
    Ireto angamba ny azontsika mbola atao:

    a./ Akatso tanteraka ny asam-panjakana rehetra.Misy olona manantoka ao amin’ny tobim-bola rehetra fa tonga ny karaman’ny mpiasa rehetra.

    b./ Tsara raha manantona an’i Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo i Raymond Ranjeva mba hanoro hevitra ny filoha izay zavatra tokony hatao amin’ny fanoherana ny lalàna manjaka ao Mada satria nahita traikefa ihany iny Rangahy iny ny amin’ny mety hiadiana amin’ny tsy ara-dalàna.Raha aseho eto daholo mantsy ny tetik’ady dia ho raisin’ny mpitsikilo fotsiny.

    c./ Mba azontsika hiverenana vakiana ve itony:

    Envoyé par: Rayan (Adresse IP journalisée)
    Date: jeu. 22 août 2013 14:42:16

    Ity Tompoko misy drafitra entiko hitondràna sy handaminana ny tolona alefako ho dinihan’ny ny mpiara-mitolona Tia Tanindrazana rehetra sy ny vahoaka malagasy tsara sitrapo (Ampitao any amin’ny Filoha Ravalomanana, Ramatoa Lalao Ravalomanana,. Ampio ny tsy ampy, hahitsio izay tsy mety. Ny hevitry ny maro mahatakatra ny lavitra.

    1- Voalohany aloha, tsy voatery hankinina @ ny Filoha Ravalomanana irery ny Tolona satria samy zanak’ity Firenena ity ary ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko. Ny dikany izany dia tsy voatery miandry baiko lava izao. Ary tokony hisy VOVONANA na KOMITY FOIBE (Comité Centrale) mitarika ny tolona eto an-toerana. Hatsangana maika io vovonana io handamina sy handrindra ny tolona rehetra. Tsy azo atao ao anatin’ny Vovonana intsony ireo efa nanompo sy niara-niasa tamin-dRadomelina (Rakotoarivelo, Hanitra,…).

    2- Hatsangana ny KOMITIN’NY MPITOLONA (Comités de Grêve) isaky ny sehatra rehetra izay mampifandray ny Vovonana amin’ny mpitolona rehetra isaky :
    – Ny Fokontany
    – Ny Commune
    – Ny Faritra rehetra
    – Isaky ny ministera
    – Isak’ireo orin’asa miankina amin’ny Fanjakàna – Secteurs Clés (Jirama, Assurance, Air Madagascar, Banques…).
    – Isaky ny toera-piasàna
    – Isaky ny toeram-pianarana
    – Ny mpitatitra, Cooperatives sy Associations an’ireo mpitatitra…)
    – Ny mpivarotra
    – Isam-piangonana tsy hanavahana finoana.
    – Isam-pikambanana (Fanatanjakan-tena, artistika, fianakaviana,…) .
    – Hatrany anaty tobi-miaramila.
    – Miara miasa amin’ireo Fikambanana Tia Tanindrazana rehetra ny eto an-toerana na ny any ivelany (GTT).

    3- Folo andro hananganana ny VOVONANA sy ny komity isan-tsokajiny. Izay mbola tsy nahatsangana ny azy aoran’ny folo andro dia manangana malaky. Ny vovonana no mandrindra ny fandaminana sy ny hetsika hiarahan’ny rehetra manao.

    4- Hasiana fiheverana haingana ny Communications (Fifandraisana anatiny sy ny fifandraisana amin’ny Vahoaka) : Tracts, Affichages, Indrindra ny Radio sy ny TV. Misy komity teknika manokana hatsangana miandraikitra an’io.

    5- Grêves générales illimitées manerana ny Faritra rehetra. Miaraka amin’ny Blocage n’ireo Machines Administratives. Ireo Comités de Grêve no miaraka manetsika ny vahoaka midina an-dalambe. Ny eto Antananarivo manokana, tonga dia eo amin’ny 13 mai, vahoaka 750 000 olona no indray hetsehina mba tsy ho rava na hovakin’ny miaramila fotaka andevom-bazaha.

    6- Hatsangana koa komity manokana mikarakara ny filaminana (Sécurité). Mitsikilo ireo manao infiltrations sy mitady hanakorotana ary koa hiaro ny hetsika atao rehetra. Manao ny stratégie rehetra mikasika ny Sécurité.

    7- Manangana Gouvernement parallèle na Gouvernement en exil (Tsy dia tsara loatra ity faharoa). Takiana ny hialan’ny Governemanta saribakoly ankehitriny. Rehefa tafapetraka io Gouvernement antsika io dia mikarakara ny fifidianana miaraka amin’ny FFKM. Tsy manao na inona na inona afa tsy ny manao Expédition ny affaires courantes fotsiny io Gouvernement io ary laharam-pahamehana ny Fifidianana.

    8- Miverina amin’ny Constitution farany tamin’ny 3è République aloha no lalàna fototra. Ravàna daholo ireo rafitra petatoko (HAT, CT, CST, FFM, HCC, CES,CENIT…) napetraky ny saribakolin’ny mpanjanaka (Radomelina), izay napetrany hanompo sy hiloloha azy. Diovina ny tanàna. Diovina ny Foloalindahy.

    9- Miverina ny Filoha Ravalomanana.

    10- Atao ny Fifidianana karakarain’ny Gouvernement vaovao sy ny FFKM sy izay rafitra sy fandaminana vaovao hapetrany eo . Atao farany izay haingana io fifidianana io ary ny Malagasy ihany no mikarakara io. Observateurs no azon’ny vahiny hidirana. Dia izay soutiens logistiques eken’ny Malagasy, tsy manelingelina ny souveraineté. Tokony vita mialohan’ny faran’ny taona ny Fifidianana rehetra. Miasa andro amanalina ny rehetra.

    FOTOKEVI-DEHIBE HIJOROANA SY IOMBONANA :

    – FITIAVAN-TANINDRAZANA, FAMPANDROSOANA HAINGANA, MITSINJO IREO TARANAKA FARA MANDIMBY. (Havaozina sy hatsaraina ilay Plan de Développement MAP ny Filoha Ravalomanana).

    – Tsy manaiky ny Fifidianana karakarain’ny saribakolin’ny La Frantsa (Na saribakoly vahiny na sari-@#$%& tera-tany).

    – Mitaky ny Fampiharana ny Accord de COTONOU.

    – Mitaky ny hitsaràna ireo nahavita heloka be vava teto amin’ny Firenena. (Nandroba, nanao Tantely afa-drakotra harem-pirenena, namotika Firenena, Namono olona,…).

    Mila miasa maika sy maty paika tsara isika. Aoka izay ny tolona Goragora ataon’ireo tia tena sy tsy mandray ravin-dena nahakivy vahoaka sy tsy nahitam-pahombiazana.Hatsaharo miaraka amin’ny vava ny miara-miasa, miara-miosona sy manao fifampiraharahàna amin’ny jiolahy.

    Masina ny Tanindrazana
    Homba ny Malagasy Andriamanitra.

    Rayan.

    d./ Dia ovaina ny « haute sphere » ao amin’ny ankolafy Ravalomanana.Efa nandefa fomba fitadiavana olona tia ny Malagasy sy vonona hiasa ho an’ny tanindrazana izahay.

    Trafok’omby ome mahery…

  12. Misy tompon’andraikitra voalohany ao alohan’i TEZA fa aza mody mifanilika,
    izay mitady hitraotra VOADAKA daholo izay manohitra akaiky ilay fisolelahana @ foza,
    na hiady aza ireo olona ireo ny MPAMANTSIKA ny sezan’i domelina EO DIA EO ilay tena TOMPON’i TOLONA
    koa inona no hanomezana tsiny ny olona MIJORO @ RARINY TOY IZAO E???aza mody mifanilaka fa MISY
    TOMPON’ANDRAIKITRA MAVITRIKA AO ary izao efa MIHARIHARY NY TETIKA RATSY REHETRA .
    KOROROY FA OLONA TSY FAKA TARANAKA , mbola foza noho ny foza raha izay MANGIDINAREO izay
    mbola misolelaka aminy ireo.MAHONENA!!!

  13. efa ela no nitenenako teto fa tsy misy ilana azy i kotovelo ary nataony fitaovana mba hitazomana ny sezany ihany ny tao @ magro asa mbola tsy tonga saina ihany mbola misy ihany ve ny olona handeha ao @ magro ao

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *