RANDRIAMAMIARIZAFY IGNACE : AZO ATAO NY MITORY NY CES

vahoaka

vahoakaMbola mitohy sy mihamafy ny tolona ataontsika hoy ny Ct Ignace Randriamamiarizafy androany teny amin’ny Magro Behoririka. Ny vavahady mbola niadiana tamin’ny 2009 hoy zy dia mody ny filoha Ravalomanana, izay mbola tsy tanteraka izany , ary eo ihany koa ny fandavana ny kandidàtsika. Manana fikambanana sy manampahazaina maro isika hoy izy ka zavatra roa no làlana hahafantsika mandresy. Na hirotsaka an-dalambe ka izay hiafarany , na hanao ny làlana amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra. Ny tsara tadidiana hoy Ignace dia ny fanjakana tsy hamela anao hidina an-dàlambe izany fa tsy maintsy hampiasa hery, fa raha fanehoankevitra ara-tsosialy dia avelany ianao. Ny làlana amin’ny ambaratongam-pahefana hoy izy dia be dia be ny fandikan-dalàna nataon’ny CES ka azo atao ny mitory azy any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Tamin’ny 2002 hoy ity mpanao politika ity dia nisy mpitsara iray nahita fa tsy ara-dalàna ny fanendrena ny mpitsara tao amin’ny HCC ary ny nifindrany tany Mantasoa. Misy olona marina ihany ao hoy izy, ka noho izany dia hanaovana antso ho anareo SMM. Andininy telo fotsiny no novana tao amin’ny CES, ka eto dia mampatsiahy ny tenin’i Christine hoe tsy azo ivalozana ny didy avoakany. Anisan’ny nolazaina fa tsy azo iverenana ny didy avoakany kanefa nodikaina. Noho izany hoy Ignace dia mandika lalàna io CES io. Manana foibe ny fitsarana ho izy fa raha afindra io dia tokony hahazo alalna izany, kanefa ny zavanisy dia tany Mantasoa izy ireo no namoaka ny didy voalohany nanesorana an’i Neny. Tsy ara-dalàna izany amiko hoy izy. Ny zavatra efa notsaraina dia tsy azo tsaraina intsony amin’ny fitsarana instance fa na miakatra any amin’ny fitsarana ambony kanefa natao ihany izany. Tamin’ny fotoana nanaovan’ny Ratsiraka fifidianana tamin’ny fahavaratra hoy izy dia nilaza ianareo fa tsy azo atao izany kanefa ataoanreo indray izany ankehitriny. Fa maninona no mangina ny FFKM manoloana izany hoy izy nametraka fanontaniana? Noho izany hoy Ignace dia azo atao tsara ny manatitra taratasy any amin’ny ambasady eto amiintsika ary izay no iantsoana antsika fikambanana tsirairay anao izany.

7 pensées sur “RANDRIAMAMIARIZAFY IGNACE : AZO ATAO NY MITORY NY CES”

  1. RANDRIAMAMIARIZAFY IGNACE : AZO ATAO NY MITORY NY CES ?

    >>> Ka ataovy ary fa aza be kabary fotsiny ê !
    IZAY ANIE NO ANDRASANA ETO foana ê !
    Satria lasa délires fotsiny ilay izy fa ny fanantanterahana tsy misy !

    –> Firy izay : – Tsy maintsy mody Dada
    – Tsy maintsy mirotsaka i Dada
    – Tsy maintsy miala rajoelina ary hatsangana ny TSAR( tadidinareo io )
    – Tsy maintsy mivoaka ny gadra politika rehetra(nefa ampahany fotsiny)
    – Tsy maintsy mivoha ny haino amn-jery nakaton’i rajoelina
    – Tsy maintsy Neny no kandidà satria tsy mis plan B izany !aiza izao?
    ……….sns tsy voatanisa nokabarinareo tao @ ny MAGRO !

    — Misy tanteraka vê ireo efa ho 5 taona izao no niaretan’ny mpomba an’ Ravalomanana ?
    Hianareo mpitarika ao ihany no aoka hamaly izany.

  2. Inona no mahasamihafa ilay hoe » TOKONY  » sy  » AZO ATAO « ????
    Dia inona no andrasana e????andraso eo Paoly hitarika fa tsy avy dia lasa zao!!!
    Paoly mbola mivarotra ny sezan-drainy no andrasana eo???

  3. Tsy hiraharaha ny fitoriantsika intsony ry zareo e ! Apetraho ny taratasy fitoriana saingy omanina koa ny fidinana an-dalambe. Tokony hanarama mpanao grève noyaux durs hiatrika sy hitari-dàlana.

  4. Hatao daholo izay mety..Tsy misy tompon’ny hitsivolana na ny lalana..koa tsy maintsy hapetraka ny fitoriana !

  5. @ Alidera A.R.

    Fa angaha misy mitsikera eo ?
    Milaza fotsiny izahay ny zavatra nampantenaina teny @ ny Magro nefa tsy nisy tanteraka na iray aza !
    Fampatsiahivana no ataonay mpanohana nandritra ny 5 taona izao azafady fa tsy fitsikerana be fahatany akory.

    >>> Ary ianao inona ny zava-bitanao io Alidera ? Lazao anay eto.

  6. Alidera A. R
    Amiko dia anay sy Andriamanitra manokana izany ,izy no mahita sy MAHALALA
    izay ataoko ho FANAFAHANA ny tanindrazako ary mbola tsy very fanantenana aho miaraka aminy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *