RAVELONANOSY MAMY TIANA : Rehefa atao fitaovana politika ny fitsarana dia tsy maintsy misavorovoro ny firenena

IMG_0013

IMG_0013Ny momba ny CES, ny Ceni-T, ny fifidianana, ny fikambanana iraisam-pirenena , ny demokrasia. Ireo dia anisan’ny nitondran’ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana fanazavana tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka. Momba ny CES dia nambarany fa nahabe resaka teto an-tanàna ary hatramin’izao ny mpitsara dia mbola anatin’ny adihevitra ny amin’izany. Rehefa atao fitaovana politika hoy izy ny fitsarana dia tsy maintsy misavorovoro ny firenena. Izay indray hoy ity mpanao politika ity no mahatonga  ny fat teo aloha ampiditra ny mpanao Sonia ny tondrozotra ao anatin’io satria ahiahiana hono ny CES teo aloha sao mpomba an-dRavalomanana. Ny marina anefa dia ny movansy Ravalomanana dia tsy nanolotra mpitsara na iray aza tao.  Izy rehetra ihany no mifanolotra tao. Dikan’izany hoy izy dia misy tsy milamina ao. Momba ny fifidianana dia nambarany fa raha mijery isika ny fihetsiky ny iraisam-pirenena dia tsy fifidianana demokratika no tiany atao eto fa fifidianana diplomatika. Izany hoe ny eritreritry ny sasany te hanjaka eto Madagasikara no manao an-terisetra eto. Izany fifidianana diplomatika izany anefa hoy ity filohan’ny vondrona parlemanteran’ny movansy Ravalomanana ity dia tsy ahitana vaha olana. Isaorana antsika hoyizy fa misy mitaiza isika hoe izao no demokrasia. Raha tsyfifidianana demokratika no atao dia toy ny tany Egypta no hiafarany, ka tsy mihodina akory ny volana dia ho rava.  Dikan’izany hoy izy dia ny hanaovana antso ho an’ny vahoaka Malagasy dia sahia mijoro hiaro ny firenena demokratika izay efa natsangana teto. Tsarovy tsara hoy Mamy Tiana fa ny filoha Ravalomanana dia niezaka nampandroso ny firenena tao anatin’izany fitondrana demokratika izany. Noho izany na iny olana tamin’ny 2009 iny aza dia nampiantso ireo mpanao politika reehtra izy. Ny fifidianana diplomatika ankehitriny izay sehatra ifamezivezen’ny iraisam-pirenena dia  terena atao eto dia tsy hamoaka ny Malagasy amin’izao krizy izao.  Mbola eto isika hoy ity olomboantendry ity satria ny tolona mbola tsy vita. Zavatra roa no tazonintsika eto dia manana kandidà ara-dalàna  isika napetraky ny lalàna dia I Neny. Ny faharoa dia tsy maintsy miverina eto I Dada, izay no ao anatin’ny tondrozotra. Io no mahagaga ity fitondrana ity , ny iraisam-pirenena, fa ny andininy faha 20 izay tsy tanteraka dia tsy hanaovana sazy, fa ny zavatra tsy voasonia , tsy vita fifanarahana tsy hanaovana sazy ary ilay sazy apetraka , raha any amin’ny fat tsy maninona satria izy nanongam-panjakana, far aha aty amin’ny movansy Ravalomanana, I Neny dia heverina fa tsy rariny satria tsy nanongam-panjakana izy , tsy nanao fifanarahana tamin’iza, Malagasy ray sy reny manana zo hofidiana. Ampiharo amin’ny fat aloha ny sazy izay saika ampiharina aminy tamin’izany fotoana fa mbola tsy nihatra teto Madagasikara. Manentana antsika hoy ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana sty hiroaroa saina satria maro no manao didy kofehy lehibe hoe tsy maintsy miala ny kandidà izao. Isika mitazona ny ara-dalàna, kandidà I Neny , mody I Dada.

 

5 pensées sur “RAVELONANOSY MAMY TIANA : Rehefa atao fitaovana politika ny fitsarana dia tsy maintsy misavorovoro ny firenena”

  1. Nitondra fiara aho t@ alahady tany ankodahodan-tany tany izay heverina hoe ala. Dia tao anaty fiholanana izay nisy moto misy sidecar (fomba fitanterana aty moa izy io)mifatotra eo amoron-dàlana. Tsy dia tena amoron-dàlana loatra satria tena ao anaty làlana ilay izy no nijanona fa mifatotra fotsiny @ ilay vy arofanina @ làlana.
    Ny tiana lazaina dia izao azo ampiasaina araka izy tiana hanaovana azy ny zavatra rehetra rehefa izay no tiana hanaovana azy.
    Inona no tian’ny malagasy atao?

  2. Tehaka be e!  » mody i dada  » fa @ fomba ahoana???
    Aza dia mampiesona oah!!!mba ny marina lazaina fa sao hanody ny
    harerahan’ireto vahoaka tsy mafaa andro tsy mangasiaka andro tsy orana izay mitanty ny TAINIFINAREO
    rehetra eo e!!!hilaina ilay TOLONA fa mba izay MARINA LAZAINA , ataoko fa efa amp izay fampiesonana
    izay , lazao ny marina ny momba ny ao @ ankolafy ao fa AO DIA AO ILAY SAKANA VOALOHANY tsy maha
    -tafa ilay FAHATONGAVAn’ i dada.
    Eo dia tsy henatra tsy tahotra tsikera kely eto FILAZANA NY MARINA dia tsy tratra fa nesorina sao HIPOITRA
    NY NAFENINA????MAHONENA ary mbola HO ELA OAH eeeeee

  3. Le Chat:Ratsirahonana
    La Belette:Razanamahasoa
    Le lapin:Rajoelina

    Le premier,faiseur de loi, n’assiste plus aux réunions officielles étant maudit et distancé.
    La deuxième,justicière incapable, se trouve par hasard ministre de la justice étant nulle et non-prévenue.
    Le troisième,se croit au-dessus de la loi, cherche toujours la reconnaissance étant
    incompétent et non-instruit.Et un beau jour…

    Le Chat(s’adressant aux deux autres):Quel est votre rêve le plus cher?
    Le lapin: devenir le président
    Le Chat:Mais tu es déjà le président
    Le lapin:Oui, mais de la transition
    Le Chat:C’est mieux que rien!!!
    La Belette:Être à la garde des sceaux
    Le Chat:Tu y es déjà
    La Belette:mais je ne garde rien (même pas une affaire, c’est le conseil des ministres qui gère tout)
    Le Chat:Les sots ne gardent jamais rien.
    Le Lapin et La belette:Et toi,gros minet, quel est ton rêve le plus cher?
    Le Chat:Dépasser Ranjeva Raymond
    Le Lapin:Que compte-tu faire pour y parvenir?
    Le Chat:demander à Ranjeva si j’en suis capable.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *