RAVELOSON CONTANT : DAHALO CHISSANO

cont1

cont1Ny zavatra atrehintsika ankehitriny hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ny fanjakana. Tsy maintsy eo am-pelantanantsika hoy ny fitondrana ny tany sy ny firenena. Be loatra ny atambo teto amin’ny firenena tsy maintsy arenina satria efa nidirana atambo tamin’ny 2009 isika. Amin’izao isika miteny izao hoy ity olomboantendru ity dia misy vato misakana tsy  maintsy resena. Tsy maintsy mandresy vazaha isika amin’ity dingana ity, efa nahavita izany isika tamin’ny 1972.  Niseho moramora ary nihatakataka Rajoelina hoy izy fa hoe mbola hiverina amin’ny vahoaka.

Hafatra ho any mpitolona:

Manomboka izao hoy izy dia tsy misy fitenenana na indray mievina aza eto amin’ity kianja ity afa-tsy ny fiadiana amin’ny vazaha. Eto amin’ity sehatra ity dia tsy misy fijoroan’olona miady an-trano fa fiadiana amin’ny vazaha sy taranak’I Gallieni vaovao. Ny tena resaka hoy Constant dia izao, tsy mahavita ny iraka Rajoelina sady tsy mahay mitondra no tsy mahay n’ inona ka Chissano no nandray ny tsy vitany sy ny  baikon’ny frantsay, nanao ny zavatra tsy vitan-dRajoelina. Ataovy mazava amin’ny havantsika any hoy izy izany. Tsy hoe faly handany rora amintsika eto fa matoa ianareo tonga eto no ilazana izany, faniriana ny ampitana izany. Ny ady amin’ny vazaha hoy ity mpanao politika ity amin’ity taona 2013 ity dia Chissano nampiasa ny anaran’ny mpanelanelana, hanitsindritsindriana antsika hanohizana ny zavatra tsy vitan-dRajoelina. Misy milaza hoy izy fa ianareo manao diplaomasia. Naripaky Rajoelina sy ny miaramila isika hoy izy raha tsy niantso mpanelanelana. Ny amboletra ataon’i Chissano dia hoe ireto no azo fidiana, ireto tsy azo fidiana. Vaky trano ara-pifidianana,fandrobana ara-pifidianana, dahalom-pifidianana Chissano hoy Constant satria efa fantany ny vato  0, amin’ireo . Tsy ilamina io hoy izy ary efa niainana teto izany , nangozohozo ny fitondrana tamin’ny 1971, ireo frantsay ireo no nanao tamin’ny mpitondra hoe arosy ny fifidianana, izay volana desambra tahaka izao tsara, kanefa volana May dia vita. Amin’ity kosa dia efa tonga saina ny vahoaka Malagasy. Miandry ny tenin’ny filoha Ravalomanana isika hoy izy satria androany izy no nihaona tamin’ny Sadc, fa isika kosa mila manome antoka ny filoha Ravalomanana. Desambra 71 hoy izy nasaina nifidy ny Malagas y saingy dimy volana fotsiny dia nitsefotra. Io tsy nahim-pontsika hoy Constant hoe andao korontanina fa ilay paika mihitsy no vanja milevina eto amintsika, atao ahoana ny hijery ny firenentsika  hidran-doza tahaka tamin’ny  2009 amin’ny fomba ataon’I Chissano. Izay hoy izy no antony hiala nenina farany, izay hozan-dohan’ny CES hoe tena lohana

Malagasy marina ve

Niavonavonan’ny CES hoy izy isika nametraka ny kandidà. Tsy azo raisina akory ny fanontanianareo, ny valiny. Avonavona, fanompoana vazaha hoy Constant no ataon’ny CES ary efa fantantsika daholo ireo mpikambana ao. Manantena ireo mpisoloky, manararaotra ny anaran’ny fikambanana iraisam-pirenena.  Rehefa nandeha kelikely hoy izy ny toe-draharaha dia naheno ianao firenena izay   tsy mitovy amin’io ataon’I Chissano io, fa iza no tena manosika io, Ilay Ramatoa aty amin’ny Pnud, ilay rangahikely atsy amin’ny vondrona Eoropena, izay mitantana fifidianana io izay hitsarana Fatma ny hoe  azo vidiana ohatrinona  miliara no vidin’ny lohan’ny  Malagasy iray  rehefa hanao fifidianana. Aminay hoy izy dia tsy atakalonay vola ny fitiavan-tanindrazana. Ny mampirisika azy mianadahy ireo hoy Constant dia tsaraina amin’ny vola hoe nandeha ve ny famantsiambola teto Madagasikara. Tadidio fa an-tapitrisany ny olona verezin-jo amin’ity ataon’I Chissano ity. Ity Kiceni-T ity hoy Constant dia efa manaradia azy satria mahatsiaro tena fa misy ny vola. Ataovy ny biletà tokana dia avelao eon y laharana faharoa fa tsy ho ela dia hiditra amin’ny fifidianana isika, tsy manavakavaka olona, ary Rajoelina afaka mirotsaka, izany no zavatra banjinina sy atrehina amin’ity kianja ity.

12 pensées sur “RAVELOSON CONTANT : DAHALO CHISSANO”

  1. ny ahy dia izao ihany tsy misy izany FIFIDIANANA izany raha tsy tonga eto ny PREZIDA RAVALOMANANA mazava angamba izay, ankaotrizay haotra.Taiza ny mbola nisy anizay woe: C.E.S BIS raha tsy teto aminintsika, ary ireo rehetra ireo na I SISANY NO, na ny communauté internationale, na ireto C.E.S. BIS, indrindra fa ny MENA SOFINA ireto dia hita mihitsy fa manao VOLONGITA MIFANDRAY TENDRO daholo ka anjarantsika no manapotika anireo.

  2. Pourquoi insister sur ce Bicain?

    A mon humble avis,Marc Ravalomanana devrait s’envoler pour les États-Unis afin de rencontrer le numéro deux de l’ONU, Monsieur Jan Eliasson.

    Par ailleurs,il faudrait que Naika Eliane se concerte avec Raymond Ranjeva pour établir un procès-verbal sur l’aspect juridique de la mise en place des institutions à Madagascar qui sera débattu avec Louis Michel à Bruxelles.

    Ensuite, Neny avec Rakotoamboa ainsi que Manoela doivent se consulter pour une revue des effectifs au sein de la mouvance Ravalomanana.

    En outre,Rayan, un forumiste sur le site du tim, prend l’initiative d’aller au Magro afin d’y exposer ses idées.

    Enfin, par la même occasion, il demandera à Manandafy s’il accepte d’apporter la boite à idée remplie d’idées magroistes chez Neny à Faravohitra tous les soirs.

  3. Tena mety io hevitrao io ry Ratsimilaho!

    Tsy hitako intsony izay antenaina amin’io fifidianana karakaraina amin’izao fotoana io!

    Tsy tokony hisisika hampiditra candidat amin’io intsony.

    Sa mbola misy manantena ihany fa mety io fikarakarana fifidianana amin’izao fotoana io ?

  4. Eto ihany Ratsimilaho â ! Niakatra ambonimbony kokoa, mba hahitàna tsara ny paikan-dRamalagasy, ary dia variana sy talanjona amin’ity hagaigena sy hadondrànana mitoetra ao aminy !
    Jamba lava izao, any ka manjaka ny toka-maso ! Izay mihinia mitapi-maso hono no tena jamba hoy ny sasany !

    Ady amin’ny fahabadoana sy havendrànana aloha atao, izay vao miady amin’ny vazaha ê !
    Taomy ny vahoaka, ary ravao io tondrozotra io dia hilamina ny tany sy fanjakàna !

    Lazao amin’ny vahoaka ny zavatra tsy tokony nekena atramin’izay, anisan’izany ny fanaovan-tsonia nataon’i Fetsison tany Maputo !

    Mba nadrenesam-peo ve ilay iny izao ? Efa anisan’ny olona ao anatin’ilay lisitra izy izao, ary efa vonona ny hanohan’azy ireo akamany, ireo izay nihiditra tao anatin’ilay systema !

    Ny vahoaka mihinan’ny angaotany lava izao, fa ny sasany kosa miha-matavy andro aman’alina !

  5. Tiako be daholo ny akamako ato! MANKASITRAKA!!
    Hita fa Kotofetsy mihintsy ity Fetison ity !!!TANDREMO!!!tsy rė tsaika mihintsy lery fa HISOVOKA
    mora2 tena mety aminy mihintsy izao toe-draharaha izao an!
    Manohana 100% ny hevitrao koa aho Ratsimilao.
    TSISY RAVALOMANANA = TSISY FIFIDIANANA. MAZAVA ANGAMBA IZAY!!!!
    NY HABADOANA sy ny HAVENDRANANA MARINA ALOHA EDIVANA VAO MIADY @ VAZAHA.

  6. salama daholo e,
    zaho zany efa hatrany amboalohany no nahita fa tsy misy dinika azo atao zany eto satria le olona hiresahana tsy te hihaino.
    tsy manda le kabary sy fanentanana aho fa mahita kosa hoe ampy izay e,tsy haiko na tsy mahay aho na inona fa ny fantako dia fidinana an-dalambe ihany, ento ny olona fa rah misy 30 ny voalohany ny ampitso de efa feno @ narivony io ,ohatrany t@ 1991 niaraka taminy Zafy,Manandafy,Andriamanjato sy ny tariny teo @ Bibliotheque Nationale no voalohany.
    Ny ahy izay mpitarika manao izany no arahiko,miala Domelina sy ny Foza miaraka @ frantsay izay ihany <GREVE Tompoko o….

  7. Le Directeur General de la JIRAMA avec le Ministre de l’Energie etaient en visite à Mayotte à l’Electricité de Mayotte et ils dirent au DG de l’EDM ,: »comment se fait-il que chez nous il y a beaucoup de delestage et chez vous il n’y en a pas ? » ,alors le DG de l’EDM repondit : »comme nous sommes plus foncés de peau que vous nous sommes au charbon toute la journnée et le soir nous faisons la fete ,donc on a besoin d’electricité tous les jours 24h/24 ,par contre vous etes plus clairs de peau que nous,la journnée vous faites rien et la nuit comme vous etes sages vous n’avez pas besoin de faire la fete ,et les elections chez vous peuvent se derouler dans le noir » ,et les deux responsables Malgache repondirent « vous avez raison! »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *