Tsy fanekena ny baikon’ny iraisam-pirenena : Hiditra amin’ny vava ady ho fanafaham-pirenena ny FLN

FLN

FLNHiasa avy hatrany. “Hamondrona ireo mitovy hevitra aminay, olon-tsotra sy fikambanana ho tsy fanekena ny baikon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay, manomboka izao. Io ilay atao hoe “Vava ady ho fanafaham-pirenena”. Hidina eny anivon’ny kartie sy ny fokontany, avy eo hampahafantatra sy hanentana ny olona momba izany”, hoy Rajaonah Andrianjaka, anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Mandatehezana ho fanafaham-pirenena (FLN), androany . Nanteriny fa ny vahoaka ihany no hany manana hery hanohitra izany tsindrin’ny avy any ivelany izany. “Efa eo am-pandaminana ny paikady hitondrana ny hetsika izahay ary hotanterahina amin’ity herinandro ity izany… Chissano rahateo efa niteny fa kandidàn’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo 33 ireo”, hoy ihany izy. Momba ny fifidianana kosa, nambarany fa vita sy ho tontosa ao anatin’ny amboletra izany. “Matoa tsy nisy ny fifidianana ny volana mey sy jolay teo, tsy mbola hitan’izy ireo ny kandidàny… Mbola teo koa ny kandidà, tsy levon’ny vavonin’izy ireo. Efa nanery yn Sadc ny frantsay ny amin’ny hanaovana ny fifidianana ka tsy maintsy vita foana ny anaran’io”, hoy ihany ity mpanorina ny Otrikafo ity. Nomarihiny fa saika nahitana FLN tahaka ny eto avokoa ny tany Alzeria sy Indochine… Niady ho amin’ny mpanjanantany.

2 pensées sur “Tsy fanekena ny baikon’ny iraisam-pirenena : Hiditra amin’ny vava ady ho fanafaham-pirenena ny FLN”

  1. ho hita eo foana ry denise-poza raha rediredy na vanja mampipoka basy a,aoka ny ho avy ny anambara azy fa aza be vava

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *