AMPITOMBOY AVO ROA HENY NY FITIAVANAREO AN’I DADA

mamisoa

mamisoaAza mino ny teny alefan’ny fahavalo amin’ny sofintsika hoy ny Ct Tsianihy androany teny amin’ny Magro Behoririka, ka izay no ataontsika amin’ny namantsika. Ny vehivavy hoy izy no nidiran’ny fahavalo voalohany, noho izany raha vao manda ny tenin’ny filoha Ravalomanana ianao dia manaiky ny tenin’ny fahavalo. Alaviro hoy izy ny fihainoana ny tenin’ny fahavalo fa mampiditra viriosy. Raha tsy esorinareo ao anaty saina izany dia tratra farany eo ianao. Tena tiantsika amin’ny fo amam-panahy ny filoha Ravalomanana hoy Tsianihy dia ampitoboy avo roa heny ny fitiavanareo azy. Ny Ct Mamisoa kosa dia nanambara fa saika kivy ihany nanomboka ny Zoma teo fa rehefa navadimbadika dia niarina indray. Maty aho hoy izy raha miala amin’ny filoha Ravalomanana. Raha nitsidika tany amin’ny fototra, tany ambanivohitra ny tenanay hoy izy ny faran’ny herinandro teo dia i Dada mihitsy no nasaiko niditra mivantana nanazava tamin’ny vahoaka tany. Nisy ny fanontaniana napetraky ny olona tamin’izany ka nahazo toky izahay. Matoa dada nanaiky iny hoy izy dia nisy fifanarahana tamin’ny Troika. Tokony ho tonga eto amin’ny Magro hoy Mamisoa ny kandida natolotr’i dada hanao velirano mba tsy hivadika. Ny Ct Manoela dia nilaza fa efa miova ny tantara. Ny sasany hoy izy efa manao propangady sahady. Misy ny fifidianana dia ny dokotera ny antsika. Raha tsy misy dia izy efadahy mifampiresaka eto. Dokotera mahay mitsabo hoy izy, mahay mamboly vary. Marary i Madagasikara ka mila dokotera sy mpandraharaha mahay tsara. Ny Ct Lova dia nilaza fa mino aho hoy izy fa tsy maintsy ho avy i dada alohan’ny propangady. Efa betsaka hoy izy izay fandeferana nataon’ny movansy Ravalomanana izay. Izaho hoy izy tsy mino fa hisy ny fifidianana. Any aminay hoy izy dia miakatra antanana ny dahalo amin’izao fotoana izao. Mila miditra amin’ny telefaonina foana i dada rehefa misy ny hetsika ataontsika.

14 pensées sur “AMPITOMBOY AVO ROA HENY NY FITIAVANAREO AN’I DADA”

  1. Mba hateveno @ izay ny fampieleza-kevitra eran’ny nosy fa ny foza efa nangalatra départ aoka mba tsy ho taraiky intsony fa efa sasa miandry ny vahoaka

  2. O rey olona an! tsy aleo ve aloha hajanona @ izay ireo kabary tsara lahatra fanaon’ireo mpitarika mampihomehy ireo e! dia aleo hitady ny fivelomany isan’andro ireo vahoaka efa vizana 5 taona izay, naharitra ange zareo e! fa angaha moa mbola misy mouvance Dada ihany ao @ transition ao no hoe kabarin’ny CST zao e! kabarin’ny CST zaroa?
    Efa hita eran-tany fa tsy nahomby ireo mpitarika satria:
    -ny radio nakatona tsy tafasokatra
    -ny gadra politika h@ izao tsy tafavoaka
    -i Neny tsy afaka nilatsaka
    -ary ny tena mampahonena dia i tsy mety tafody
    Ka noho izany re milela-paladihy anareo mpikabary ireo , aoka izay, rehefa tamana tsy te hiala ao @ rafitra foza ao ianareo dia mijanona ao miara-mihinana ao fa ho mbola ho tsarain’ny tantara ianareo. Efa impiry moa ianareo no tokony efa niala tao fa dia mamy loatra ilay seza. Ka na tianareo na tsy tianareo dia tompon’andraikitra @ izao fahantrana sy fahapotehana izao ianareo satria « miara-mitantana » @ jiolahim-boto

  3. Aza mampandradry adrisa intsony ry mpitarika tsy mahomby an! miaraha foana @ TGV miara-mampijaly anay vahoaka ao, aoka izay ny bla bla ao @ magro fa mba avelao @ izay ireo olona efa vizana nandritry ny 5 taona ireo fa fitahanareo fotsiny !!!

  4. Tokony tsy ho be kabary intsony ianareo fa efa manomana izay hampandaniana ny kandidà izay natolotry ny filoha Ravalomanana.

  5. Fanontaniana ho an’dRanaivo :
    – Iza no tokony tsy ho be kabary intsony ?
    – Ny Filoha Ravalomanana angaha no « nanolotra na koa nanendry » an’Ingahy Robinson ?

    Fanontaniana ho an’ny rehetra :

    – Inona marina moa ny antony nanaovana sonia an’ilay Fifanarahana natao tany Maputo sy « ilay Tondrozotra farany » io ???
    – Hamerenana ny « ara-dalàna » fotsiny sa « mba hamerenana » ny Filoha Ravalomanana ?

    Ny hita atramin’izao, dia ny Fiainam-pirenena miha-potika andro aman’alina, ary ny Filoha tsy mbola tafaverina ! Tena kivy, raha nihaino sy mahita ny zava-misy !

  6. TSY TOKONY H KIVY ZANY E .ADY IO. NY FOTOKEVITRA IJOROANA JERENA:

    « TSY HO AVELANTSIKA AMIN’IREO MPIVAROTRA TANINDRAZANA NY FIRENENA »

    manan ny ressourcee isika iatrehana fifidianana, dia ndao fa efa tapaka ny hevitry ny mpitarika.. BASTA

  7. Ny fotokevitra ho ah jerena

    « TSY HO AVELANTSIKA AMIN’IREO MPIVAROTRA TANINDRAZANA NY FIRENENA »

    Ny filoha Ravalomanana ary efa nametraka izany ho priorité fa tsy ny ambopony no napetrany ka hoe tsy nanolotra kandidà izy.

    Raha azo nosorihana anie ireo efa nosorohana e fa izay fitaovampiadiana ananana no ampiasaina ka samia tonga saina fa aoka ny jentilisy no himonimonina

  8. Ny teniko antsika rehetra ao aminity MYDAGO ity dia mampalahelo fa lasa tsy mifanaraka intsony ny ao aminy mouvance ny Ravalomanana Marc,ny sasany manaiky any i Robinson ny sasany indray toy ry Naîka Eliane dia tsy izay mihitsy.Inona no tena mahatonga anizany.Diso vé I Ravalomanana raha nanendry any io Dokotera io? Ny Sasany indray milaza woe:saribakoliny ny frantsay io olona io, nefa nahoana i Ravalomanana no nanaiky nanendry aza fa tsy olona afa no finidiny, tsy hay intsony izy ity, raha izaho manokana aloha dia matoa angamba i Ravalomanana nanendry anizy io dia efa nieritreritra hatry ny ela izy ary koa manantena izy fa hiverina eto an-tanindrazana alohany ny fifidianana satria izay no efa namafisiny i Robinson, ary mbola izay koa ny ao anatiny FEUILLE DE ROUTE ary koa ny fifanarahana taminy SADC, nefa kosa ka raha mbola tsy tanteraka foana foana foana foana foana foana foana foana io fiverenana an-tanindrazana io dia tokony tsy misy koa izany ny FIFIDIANANA, zay ilay atao woe: MANOME MANOME.Tsy ho lava resaka izaho fa enga anie ka ho tafaverina soamantsara eto aminy Tanàna ny HAVANA Ravalomanana, raha sanatriaviny moa tsy voahaja io fifanarahana io dia arahina ny hevitry i NAIKA ELIANE, izany woe ny fahatongavany i Ravalomanana zay vao tanteraka marina woe: hanohana any i ROBINSON isika, ankaotrizay PATALOHA MIVADIKA. OKAY.

  9. MOUVANCE RAVALOMANANA :
    Naika Eliane, après avoir présenté ses lettres de démission auprès du Conseil Supérieur de la Transition, a annoncé qu’elle se retire également de la mouvance Ravalomanana. Naika Eliane avait déjà indiqué ne pas être d’accord avec la décision de l’ancien chef d’Etat de soutenir la candidature de Jean Louis Robinson.Date : 18/09/2013

  10. Mahavariana isika, ilay mpitarika victime voalohany ary efa miteny hoe « ROBINSON » , ny taritina indray no misalasala..

    Tsisy fotoana isalasalana intsony ry zareo zao an..

    na miady na manaiky resy fza ny manaiky resy = mamela ny firenena am mpivarotra tanindrazana, mamela an Ravalomanana ho resy..

    Ka izay ve ny fotokevitra ijoroana sa hijoro foana e?

  11. Ny ahiahiko ry zareo dia: toy ny terena hanaovana chantage na menace an-kolaka ny filoha Ravalomanana mba hanainga ny mpanohana azy hifidy!

    Tsy haiko aloha io Dr Robison io fa ny ahy dia izao:

    Tsy izao no nitolomana, voafandrika sy voafitaka hatrany amboalohany daholo na ny Filoha na ny vahoaka mpanohana azy tamin’io Fd tsy tanteraka an-tsipirihiny io!!!!

    Manahy ny ho ampitso aho! Eny fa na dia ny anio aza.

    Fanontaniako:
    Voatery ve, terena ve ny filoha R8 hanohana candidat…????
    Tena misy zavatra tsy mazava sy ratsy ao am-badimbadika ao raha ny ahiahiko, fa toa izany no fahitako azy!

    An-tsika tsirairay no mandinika izay hatao momba ity resaka candidat sy fifidianana TENA FOPLA ity!!!!!

    ARY AZA MANEVATEVA NY VEHIVAVY IANAO ATOA CT TSIANIHY, FA MBA NATERA-BEHIVAVY KOA!!!

    Ary maba hainao moa fa « VEHIVAVY NO NAHAZAHOANA FAMONJENA….!!??? »

    « J’ADMIRE NAIKA ELIANE, IZANY KA VEHIVAVY!! »

  12. ianareo izany dia hiandry vasoka be eo fotsiny ? io ilay midika hoe sokafo ny fo dia hidio lakile ny vava ary tsetsemo bosoa ny ati-doha.

  13.  » Naika Eliane avait déjà indiqué ne pas être d’accord avec la décision de l’ancien chef d’Etat de soutenir la candidature de Jean Louis Robinson …  »

    Bien sûr …on aurait préféré Lalao comme Candidate …
    La menace de Boycott pour imposer sa candidature
    mais cela n’a pas fonctionné
    Alors que propose Naika Eliane ??
    C’est une fervente Démocrate …
    et Dans une Démocratie
    On vote d’abord pour des Idées …
    des Valeurs
    pour le Parti ou la Mouvance qui les représente
    Et Surtout quand on est un politique
    on est solidaire des décisions de son Parti
    Mais Naika Eliane n’a jamais été favorable à cette Election Présidentielle …
    Alors que le Peuple attend un changement
    Alors on fait confiance au Président Ravalomanana
    et on fonce
    on aimerait bien un ticket avec Lalao – Robinson pour la Campagne Présidentielle
    Sinon le Peuple ne marchera pas …

  14. I naika anie ka tsy avy ao amin’ny tim fa avy any amin’izany  » légalistes  » izay tsy mifanaraka amin’ireo mitady ny fampodana ny Filoha mba hafahana manohy ny fampandrosoana ny Firenena..Niditra tao amin’ny mouvance azy tamin’ny alalan’ny antoko iza..
    Mino fa na dia teo aza ny eazka nataony mba « ho tena ho membren’ny mouvance  » dia tsy nety izany ,ary dia nanararaotra an’io fanekena nataon’ny Filoha fa hanohana candidat dafa ny Mouvance ,dia iny naika no niala..
    Very inona moa isika ? An-tapitrisany nyMalagasy niandry ,nitolona ary mbola miandry sy mitolona ,koa raha olona iray no « mivaha « ,raha volo iray no miala amin’ny randrana ,tsy hampiova ny tao volo izany !
    Nisy ny fanekena (maro aza izy ireo)nifanaovana tamin’ny Troika vaovao am’ny fodian’ny filoha Antanindrazana..
    Tsy varotra io fa misy dikany…
    Ny fifanarahana atrany MAPUTO ka atramin’ny GABORONA dia miankina amin’ny fifanarana (consensus )ary ny tsy fanavakavahana ( inclusivité)..
    Kanefa i chissano izay natosiky ny frantsay dia NANAVAKAVAKA tamin’ny fanalana ny candidature-n’INENY (izay fomba nentiny nanaovana izany tsy dia mitmbona ).
    Vokatry izany « manipulation izany  » dia tsy MISY CANDIDAT avy amin’ny Mouvance RAVALOMANANA MARC hiatrika ny fifidianana..Nandringa ilay izy ary tsy nanaja ny consensus sy ny inclusivité !
    Dia nanaiky ny fivoriana tany WINDOEK hihaino ny fanoherana nentin’ny Filoha !
    Valin’io fanoherana io dia ny hoe : »io tinapaka ( frce de la choe jugée) koa tsy maintsy mandroso ny fifidianana..
    Nefa misy mpikambana namana tao amin’ny fivoriana izay tsy « nandry eritreritra  » ka
    nanolotra io « compromis « io ,izay mamela ny mouvance RAVALOMANANA MARC hanohana candidat amin’ireo candidats neken’ny ces ,ka ho setrin’izany dia malalaka ny fodianao Antanindrazana!
    Aza sarotina ny fiainantsika !Mitohy ny Tolona !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *