21 pensées sur “Andian-tsary fampielezan-kevitra tao Toamasina”

  1. Aiza jiaby le mba be reasaka hoe tsy hisy fifidianana ireny toa tsy misy enoeno tsony eh…. nga tena tsy azo nampifilafilaina intsony le FAT??? de lasa manoana kandida sisa no atao??? hihihi

  2. Angaha tsy mety aminareo foza, ny spectacle ataon’ireo hoe artista mifaly amin’ny vola azo avy amin’ny halatra manara-penitra ?

    Ilay FAT-n’amboa izao no voan’ny heviny !! Torakovitra sy mipararetra ny foza mpitondra loza !
    Na hisy fifidianana na tsia, vonona foana ny mpiaro ny ara-dalàna, satria ny marina tsy ho faty mihintsy !

    Voasoratra ary voatahiry mandrak’izay ao anatin’ny tantaran’i Madagasikara ny ratsy rehetra nataonareo FOZAORANA !

    Tsy menatra akory ny sasany mandainga sy manamboatra CV ao amin’ny Wikipedia !

    Miafara amin’ny fitsaràna tena izy ny zava-drehetra fa aza mikoropaka !

    Na fefena Mahamasina, Malacam sy Alarobia, na tsy avela ho divian’ny vahoaka aza ity lazaina fa kianjan’ny Demôkrasia ( izay aminay kianjan’ny démoncratie), tsy misy quoi mihintsy, fa 1er tour ihany dia vita io !

  3. Amin’izao fotoana izao dia misy ireo milaza azy ho mpandala ny ara-dalàna fa tsy tokony hiroso amin’io fifidianana io hono. Ny Antony dia hoe i reny masay no mikarakara izany.
    Misy tsy fahatakaran-kevitra angamba amin’izireo no mahatonga azireo mivoy izany fisaraham-bazana amin’ny filoha Ravalomanana izany.
    Eto dia tiana ny manambara fa tsy mahazo maneho hevitra mihitsy hatreto ireo mpandala ny ara-dalàna na aiza na aiza (tv, radio,…). Indro misy làlana malalaka ahazoantsika manao izany, aoka hiray hina amin’ny filoha aloha. Andao hanohana an’io kandida nolazainy io satria fomba malalaka hilazana mibaribay amin’ny firantay hoe tsy mila ireo olona notendreny ireo ny malagasy.
    Hanao izay azony hatao ireo firantay hanakorontanana io fifidianana io satria izay no zavatra fantany fa mety aminy. Nefa kosa ho hitany raha miray hina isika fa ny lazain’ny filoha Ravalomanana no arahin’ny vahoaka fa tsy ny fanerena ataon’izireo. Raha mahatanteraka izay firaisan-kina amin’ny filoha izay isika dia hazava amin’ireo firantay ireo fa tsy hanaiky handevozina ny malagasy.
    Ireo rehetra mitsipaka izao làlana sarotra nidiran’ny filoha izao dia anisan’ireo manome vahana ny hoe zarazarao hanjakana.
    Rehefa hita ny valin’ny fifidianana dia hazava ny resaka. Manana « marge de manœuvre » malalaka indray ny mpandala ny ara-dalàna. Aoka hitsahatra ity teteza-miitatra ity satria tsy ahazoana mampisaraka tsara ireo tena tia tanindrazana sy ireo manao sinema.
    Ireo tsy manohana ny filoha Ravalomanana amin’izao fotoana izao dia mirary ny tsy hiverenany eto antanindrazana no sady dia hampiitatra ny tetezamita.
    Ampy izay ny fisaraham-bazana. Ateveno ny fanohanana ny n°¨33, avy eo mifanazava amin’ny firantay.
    Mitohy ny tolona.

  4. Miandry anareo re ry Neny ny vahoaka malagasy â !
    Dimy taona izao ny vahoaka no janga reny ka botry anaka ! Atao ahoana moa, ary tsy mahaga satria « mpanetsiketsika » any amin’ny toeram-pandihizana amin’ny andro alina, no tena talentan’ilay milaza ho rain’ny vahoaka ê !

  5. Miverina kely amin’ny resaka etsy ambony !
    Marina fa tsy mora ny fanapahin-kevitra ! Rehefa tsy navelan-dry vital sy risara baomba naneho ny heviny ny vahoaka nandritr’izay taona maro izay ( na dia eo koa aza ireo niray tsikombakomba ), fotoana izao mba haneohan’ny vahoaka ny tena hetahetany !

    Fotoana izao mba hahitàn’ireto hoe Fikambanana iraisam-pirenena ireto, fa tsy ankatoavan’ny vahoaka ny zavatra hiainany amin’izao fotoana !
    Tsotra ny fomba hanehoana an’izany ! Mifidy, ary mifidy an’Ingahy Robinson !

    Ny manaraka tonga ho azy eny ihany !

    Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrin-tsika eny ihany, ry raozy ! Na dia izany aza, ny tolona hitan’ny maso ny vokany, no tena manan-danja !

  6. TSAPA FA VELONA TANTERAKA NY FANANTENANA EO AMINTSIKA REHETRA TIA TANINDRAZANA.

    HAFATRA HO AN NY MPIKARAKARA FAMPIELEZAN KEVITRA HO AN I DR JLR SY FIREHANA RAVALO. ATSARAO NY FANOMANANA. MBA ATAO MAHORAKA SY MATOTRA KOKOA. BETSAKA NY TIA TANINDRAZANA NO TSY MANDRE KA TSY MBA TONGA MANANTEVINA NEFA MARINA NY VOALZA ETSY AMBONY FA 5 TAONA IZAY NOTAMPENAM BAVA ISIKA NOHO NY ASAN NY RICRHARD BAOMBA SY NY EKIPANY ARY RADOMELINA MPAMBOTRY FIRENENA.

    ATAOVY MAHORAKA TSARA NY FANOMANANA FA HO AVY NY NAMANTSIKA REHETRA HANAVOTRA AN I GASIKARA.

  7. Manahoana daholo eeee!

    Marina mihintsy ny voalazao ry i KM a!

    Tena tiko be ilay teny nosoratanao manao hoe: « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrin-tsika eny ihany, ry Raozy! » 😉

    « Mety ela fiavy Izy! Fa tsy tara fidona eeeee!! »

    Mila matoky mandrakariva

    Mahereza daholo

  8. Toa ilay fitenenana hoe « Izay maharitra vadin’andriana » io ê !

    « Tsy mahandry tantana fa manao domelina mangala-paiso manta, sady sendran’ny marikivy no mbola voan’ny tifôidra », dixit KM mdr !!! Voa dobla tahaky ny poule, hoy ry zalahy sasany !!!

    Aiza izato ianao ry Neninoro â ? Fotoanan’ny tolona anie izao ê ! Aza dia manao tsidi-pahitra fa samy manana ny fahasahirànany daholo ê !

  9. Manahoana daholo

    Aza dia mamely mafy ry KM a! Hi!hi! hi!hi!
    Nivezivzy fotoana maharitra sy matetika e! tsy manadino velively ny adidy amin’ny Tanindrazana iombonana ity sanatria ny vava!

    Nanaraka araky zay azo atao ny fandehana ny toe-draharam-pirenena, saingy tsy afaka mi-ragir fa tsy ny clavier-ny tena no anarahana!

    Na izany aza, miasa am-badika mivantana manazava ny toe-drahara amin’ny olona, indraindray aza mifanehatra amin’ny mpifanohitra amin’ny tena, ary dia henjana sy mafana ny fifanehoan-kevitra, i Neninoro anefa vatolampy ampy handihizana, hoy ny fitenenana.
    Ary tsy mikoso maso, na mataho-masomena!!

    Na tsy mahasoratra matetika aza, tsy mandrimandry velively e!

  10. Mety ihany aloha le spectacle be @ propagandy fa tena nahazakako sipa mihitsy ny ambiansy t@io eh…. Oviana ndray ny spectacle manaraka ry saribakoly ah…???

  11. Mba jereo keli ny faritra ambanivolo fa tsy hita ny affiche sy ny fanentanana e, ohatra zahay aty ankazobe raha vao miala ny distrika dia tsy misy tsony zany affiche zany aiza ny ratsamangaika , aleo mitandrina fa mila any DADA daholo ny olona nefa tsy fatany zay ho fidiany

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *