ANDRO VOALOHAN’NY PROPANGADIN’NY KANDIDA DR ROBINSON : FAHOMBIAZANA TANTERAKA

IMG_0271Feno hipoka tanteraka ary nivoaka hatrany ivelan’ny kianja ny vahoaka tonga nanatrika ny fanomboahana ny fampielezankevitra nataon’ny kandida Dr Robinson teny amin’ny Magro Behoririka androany. Teny no toerana nosafidiany hanombohana izany, ka fotoam-pivavahana fohy ny maraina no notanterahana tamin’izany. Tonga teny an-toerana ny kandida Robinson mivady, Ramatoa Lalao Ravalomanana ary ireo delegasiona movansy Ravalomanana sy Avana. Ny Pasitera Mamy Tiana Ravelonanosy no nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’izany, ka nalaina tao amin’ny  Marka 5 : 35-37 ny hafatra « …minoa fotsiny ihany ». Rehefa avy eo dia nisy ny lahara-manjohy ny fiara maro be izay niainga teo amin’ny Magro Behoririka , nihazo Ankorondrano, Ambohimanarina sns ary niafara teo amin’ny toerana niangana.

Tsy maintsy mandresy ny kandidantsika

Nisy ny lahateny nifandimbiasana tamin’izany. Ny filoha Ravalomanana dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina.  Nambarany fa ny andro anio 24 septambra no andro hanambarako amin’ny fomba ofisialy ny zavatra efa nandrasanareo vahoaka.  Miantso ary manambara aho hy izy fa iaraha-mahita fa ity fifidianana ity dia tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra, koa tsy hamelantsika raha tsy mandresy ny kandidantsika Dr Robinson. Izy no hitako fa « favori », tsy voatonitonona tamin’ny fanonganam-panjakana, tsy nivadimbadika fa nipetraka mangina. Aza misalasala ianareo hoy izy fa efa ela no nifankahalala izahay. Ny tanjontsika tsy miova fa ny vahoaka no andrianina. Vonona isika hoy izy hampandresy azy, vonona hampody ahy izy. Mino aho fa tsy ho ela dia hihaona isika. Raha vita 1eur tour dia arahaba soa. Nanafatra an’i Neny ihany koa n tenany. Mahaiza manentana fa ny  diavolan-ko lava. Ny kandida Robinson dia tsy olona miova fitia. Tsy miova izany « favori » zany fa tsy maintsy mandresy. Fidio hoy izy ny kadida Dr Robinson Jean Louis. Fa anisan’ny nandray fitenena ihany koa ny kandida Robinson teny an-toerana. Nambarany fa ny tenako no voafidin’ny filoha Ravalomanana ho tohanana amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika . Tandremo hoy izy fa nahazo tso-drano tamin’i neny  , avy amin’ny vadiko,avy amin’ny movansy Ravalomanana, zank’i dada sy ny maro hafa. Dikan’izany hoy izy dia miverina amin’ny laoniny dada sy neny. Vao nahita teto aho hoy izy dia nitomany ary nalahelo mahita izao zavatra izao izay nopotehina. Isika tsy hiady fa marobe ny azo atao dia ao anatin’ny fifidinana no analana ireo. aza matahotra  fa minoa fotsiny ihany ho izy. Olona tsy matahotra an’Andriamanira no nanao ireny fa isika dia matahotra an’Andriamanitra. Faly aho hoy Dr Robinson mahita anareo tonga maro eto, miara miasa miaraka isika. Ampandehanantsika hoy izy ny hopitaly manarampenitra. Efa niaraka foana izahay sy i dada fa raha mandeha irery aho tsy mahavita azy Dikani’zany dia tsy maintsy mody I dada. Nambarany ihany koa fa noho ny fandaminana dia androany vao tonga teny amin’ny Magro ny tenany. Ny tanjona anefa hoy izy dia iray ihany dia ny hampody an’i dada, hampandroso hainga an’i Madagasikara. Isaorana ianareo eto amin’ny Magro fa mpitolona mahery fo, niaritra ny mafy nandritra ny taona maro. Eto amin’ity kianja ity no tena kianjan’ny demokrasia, kianjan’ny fahamarinana koa ndao hiaraka hifampitantana. Aza adino hoy izy ny tolona fa tsy maintsy mitohy. Tonga ny fanaovako fianianana hoy Dr Robinson dia eo ankavanako i Dada.

 

13 pensées sur “ANDRO VOALOHAN’NY PROPANGADIN’NY KANDIDA DR ROBINSON : FAHOMBIAZANA TANTERAKA”

  1. Tsy mbola resilahatra aho satria raha ny fandrenesako ny kabary de ny fahalanin’ity candidat Ty no hampody an-dr8 ka raha tsy izany no miseho dia ahoana?

  2. Mahavelombolo tokoa ! Hay ve ry « KintanaMananDrambo »misy mihevitra ny tsy hisian’io fifidianana io ny ao @ndry zareo foza!Koa tsy ho bedin’ny renimalalany?

  3. FOZA ORANA = FRANTSAY = FAHAVEREZANA HO AN’NY MALAGASY. NOMEN’NY FRANTSAY PROJETS BE DE BE NY MAIRES « TSY MENDRIKA » FA MATIM-BOLA TOY NY AO ATSIMONDRANO SATRIA ATAO BALAN’I HAJO SY NY FOZA. TSY MENATRA FA NIVADIKA NEFA TIM SY DADA TALOHA. MAMPALAHELO FA TSY HITANY NY FAHORIAN’NY VAHOAKA NANDRITRA NY FANJANAHAN-TANY SY NY 5 TAONA FARANY TEO. MANAING ANTSIKA REHETRA HAMPITA VAOVAO FA TSY NY FANAOVANA LALANA PAVES VOTANY KELY ESTY SY EROA VATSIAN NY AFD NO ATAO TAKALON’NY MAHAMALAGASY SY NY FIRENENY ARY NY HARENANY. TSY MENATRA NY MAIRES ITAOSY ANDRANONAHOATRA BEMASOANDRO TSY LAZAINA INTSONY AMBALAVAO ANKADIVOY SNS…CE NE SONT QUE DES LACHES . TSY MENDRIKA NY VAHOAKA AO AMINY. KOA MANAINGA ANTSIKA TOY NY TAMIN NY REFERENDUM FOZA 2010 IZAY LATSAKY NY 20% NO NIFIDY. TSY HOE TSY HIFIDY FA HANOHANA NY KANDIDA ROBINSON – DADA SY NENY. TSY MBOLA NISY FAMPANDROSOAN TOY NY TAMIN NY ANDRON I DADA. NANDROSO NY HARIN KARENA REHETRA

  4. Mahita an’ireny izao ny foza dia efa nikitika azy indray i Meur Lucifer hoe : inona indray ry zalahy no atao @ ireto a ! Tsy misy hafa afa tsy ny « HANAO RATSY » ihany no specialité-ny « FOZAORANA » maimbo masiso

  5. Mijoro — tsy handresy lahatra anao akory aho fa mba haneho hevitra fotsiny,na tsy ho resy lahatra koa aza aho ka mbola misalasala ny hifidy an’i Robinson, ny azoko antoka dia ny hoe raha ataondry zalahy Fozaorana ambioletra iany ity fifidianana ity raha tsy ho lany ary i Robinson fa FOZAORANA no lany, dia azo antoka ve fa hamerina an’ i dada ireo? ka raha i Robinson no mampisalasala ahy, tsy maninona, fa i Dada sy ny teniny kosa hankatoaviko, diatsy mampaninona ahy ny hifidy an’ i Dr. faha 2 raha be no misalasala ka mety ho be ny tsy hifidy dia ho kely ny elanelam- bato, dia mora ny hangalarandry zalahy vato, fa ny hezahantsika dia ny hampifidy ny olona rehetra zanak’i Dada sy ny tsy tia an’i Domelina mba ho 70% mihoatra no ho vatony ka ho sarotra amin’ ireo ny hangala- bato amin’ izany. MANENTANA IHANY AHO HOE MIFIDIANA IHANY E, D Dr ROBINSON NOHO LANIANA 1e TOUR DE VITA;

  6. Dia inona ary ny vaha olana rehefa tsy hifidy an’i JLR e! mahita basy ve ? sa hanonofy eto foana, nefa ny vahoaka efa tena vizana , ny any an-tsimo efa ripaka maty vonoina fotsiny tsotra izao dia tsy hihetsika ve isika e! io no paika hita fa mety izao satria afaka maneho hevitra malalaka mandritran’ny propangady, afaka mampiseho hery fa betsaka ny manohana an’i Ravalomanana ahoana moa no tonga dia lazaina fa midona ampoto rehefa mivoaka ny valimpifidianana , na izany aza tsy maninona fa ny ady mafy , toy izay hoe mijanona eo foana.

  7. Tsy fotoanan’ny fisalasalàna intsony izao ry zareo â ! Vetivety dia ho tonga ny 25 octobre !
    Rehefa tsy afaka na navela haneho ny heviny atramin’izay ny vahoaka, dia ny fandatsaham-bato amin’ny fifidiana sisa, ary azo lazaina fa adidy masina ho an’ny taranaka sy ny Firenena ny fandehanana mifidy. Aza adino ary tadidio mandrakariva, fa ny tsy fanaovana an’izany adidy izany no nahatonga an’ilay domelina io ho eo amin’io toerana io.
    Nihevitra ny tenany hop milay noho ny hadisoan’ny sasany, dia iny nangalatra fahefàna mihitsy ! Anisan’ny tokony azavaina amin’ny vahoaka izany !

    http://www.tim-madagascar.org/index.php?option.com_content&view=article&id=4159:pourquoi-faut-il-appeler-a-voter-pour-robinson-&catid=84:iceslideshow

  8. Hita tao anaty gazety androany !

    Mangataka ny rehetra hono Ingahy Beriziky, hitandro an’izany hoe RESPECT MUTUEL izany !
    Toa lasa vorona azon’adala ilay fomba fitenenana !
    Ahoana no asahian’ity olona ity hiteny an’izany kanefa ny tenany na ny zavatra avoaky ny vavany aza tsy hajainy akory ?

    Iza ilay nilokaloka fa ny Tondrozotra ihany no mibaiko azy ?

    Tafaverina an-tanindrazany ve ny Filoha Ravalomanana atramin’izay nanaovana sonia an’ilay tondrozotra izay ?
    Toa adinon’ny rehetra koa ireo nogadraina amin’ny tsy antony, ary izay lazaina fa tsy gadra pôlitika ! Ireo tena nahavita heloka be vava indray no navotsitra !!
    Nisokatra ve ny haino aman-jery rehetra, indrindra fa ny MBS ?

    Mitodika any amin’ireto lazaina fa mpitarika ny tenako. Mba tena niady marina va ianareo, raha hitanareo (satria hitan’ny vahoaka koa) fa tsy tanteraka antsakany sy andavany ilay tondrozotra ?
    Amin’izao fotoana izao, misy olona nirotsaka ary tokony nametra-pialàna amin’ilay toerana izay tsy tokony notazominy akory aza, mbola tsy nanao an’izany atramin’izao ; dia ahoana fotsiny ? Mbola avela hitantana, hihinana sy hanao fampielezan-kevitra amin’ny volam-bahoaka fotsiny ve ?

    Tokony mitory ianareo fa tsy avela amin’izao fotsiny ! Rehefa tsy hanao an’izany ianareo, lazao amin’ny vahoaka fa tsy vitanareo ny adidinareo, mba hitsanganany !

    Marihina fa ilay tena tohan’ireto ekipan’ny mpanongana ireto ilay olona, ary olona « nahita » ny kaomiberaka rehetra ! Ry Hazo tokana sy Ed s’egarre tsy mikaonty amin-dry zareo, fa any anaty lavaka ! Ankamantatra !

    Zavatra hafa !
    Mpitady « spon’s » no betsaka !

    La Nation : Aleo miala !

    http://www.www.lanation.mg/article.php?id=6614

    LAZAO AMIN’NY VAHOAKA NY MARINA REHETRA, ARY NY TANJONA LEHIBE INDRINDRA : TSY MAINTSY MIALA NY MPANONGAM-PANJAKÀNA !

  9. Za aty Ambovombe @ zao, tsy fantatrao ny olona aty Akony zany jlr izany , Hajo sy Ratsiraka sy Lahiniriko no misy affiche aty. Kely zeal ahy ny fanantenako a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *