Ankolafy Ravalomanana : hamerina an’i Dada an-tanindrazana no tanjona

MyDago.com- arrivé Ivato Mouv Ravalomanana (12)Tonga tamin’ny roa sy sasany atoandro teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina  Ivato,  tamin’ny zotra Airlink,  ny delegasiona Ankolafy Ravalomanana notarihan’ny filohan’ny delegasiona Mamy Rakotoarivelo, nahitana an’i  Hanitra Razafimanantsoa, Botozaza Pierrot, Roland Ravatomanga, Olga Ramalason, Manandafy Rakotonirina, Ihanta Randriamandranto, Jean Pierre Rakotoarivony,  Andrianarijaona Andriamanampy.

Zavadehibe ho anay no nihaona sy nitafa mivantana ary nifanakalo hevitra tamin’ny filoha Ravalomanana tany Afrika Atsimo hoy  Mamy Rakotoarivelo teo am-pahatongavana. Antony iray lehibe nihaonan’ny delegasiona sy ny filoha Ravalomanana ny fampihavanana ny ao anatin’ny Ankolafy. « Atao aloha ny fampihavanana aminay ato anatiny vao mitohy amin’ny hafa izany » . Mahafaly ahy no milaza aminareo hoy ny filohan’ny Kongresy fa tsy mizarazara ary efa miray hina tanteraka ny Ankolafy Ravalomanana. Manao antso avo amin’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana rehetra izahay, ireo izay mahatsiaro ny soa vitan’i Dada na teo aloha na izay mbola ataony amin’ny ho avy hanambatra ny hery. Miantso azy ireo izahay hanatevin-daharana ny Ankolafy Ravalomanana. Ny tanjona kendrena hoy hatrany Rakotoarivelo dia ny hamerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ary ny hamerenanan ny tany tan-dalana .

Momba ny fanohanana kandiddà hafa dia nilaza izy fa tsy mbola misy hevitra tapaka momba izany tany Afrika Atsimo. Ny filoha RAvalomanana no tompon’ny teny farany mahakasika izany . Averinay ahatrany anefa  fa raha fifidiananana tsy misy ny ankolafy Ravalomanana izany dia fifidianana tsy eken’ny rehetra hoy hatrany Rakotoarivelo .

Tazana nanao pimaso amin’ny Ankolafy Ravalomanana teny an-toerana ingahy Jean Louis Robinson, raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny fahatongavany teo ny iray tamin’ny delegasiona tonga dia nilaza mazava fa ity farany fa dia tsy nisy fifanarahana na dia kely aza ny momba izany . Samy te ho kandidàn’i Dada daholo ireo efa nandao ny ankany hatrizay !

15 réflexions sur « Ankolafy Ravalomanana : hamerina an’i Dada an-tanindrazana no tanjona »

  1. MATY NY FIRENEKO
    raha hisy izany fifidianana

    Mahagaga ahy ianao RAJAOFERA Eugène, mpanao gazety ao @ midi milaza itony:

    [ … Reboza Julien
    … perdant, c’est le Pr Zafy et sa mouvance dont les revendications n’ont pas été exaucées par Ambohitsorohitra et Mahazoarivo. En tout cas, Andry Rajoelina et Omer Beriziky ont opté pour un petit remaniement à moins de deux mois de l’élection présidentielle. –
    CETTE OPTION FAVORISERAIT UN CLIMAT!!! D’APAISEMENT???? à la veille des élections.]

    De manohana 100% ny fanontanian’ny namana eo ambony,
    rahoviana ihan re…

  2. Hoy ny Gazetiko ny 05/09/13
    Henjana ny fampitoviana tadin-dokanga tany Afrika Atsimo
    Mazava be fa ny fanapahan-kevitra horaisina amin’ny fifidianana no mahatonga an-dry zareo tsy hitovy hevitra. Hiala ao anaty rafitry ny fitondrana sa hanohana kandida ?
    Ary t@ Asabotsy 01/09/13 lasa teo dia nilaza ny filoha hoe hanotany ireo mpitarika izy hoe mbola hiara-hiasa ve sa tsia ? mbola hibaka ve satria ? Nefa toa tsy mba nilaza izany akory i mamy rakotoarivelo mpamitak’olona.

  3. fanitsiana

    …mbola hisabaka ve sa tsia ?….

    Eto koa i Mamay rakotoarivelo milaza fa ny fampihavanana no resaka tany , nefa ny fitondrana ny tolona mihitsy no tsy nety satria nisabaka i mamy Rakotoarivelo ary nanakana ny zana’i Dada tsy hihetsika

  4. NY MARINA, NY TSOTRA ARY NY MIENDRIKA IHANY ATAO !
    Ireo mpanazimba ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC anie tsy iza fa ireo TIM namadika taany Paris notarihin’i zoarimihaja tamin’ny volana février 2007
    Ireo no manely tsaho nanaratsy an 4aToa FETISON aloha ,iza nigadra satria nanampy tosika ny putschiste.
    Dia tatoato dia Atoa RAKOTOARIVELO MAMY sy Maître RAZAFIMANANTSOA..
    Tsy ita ary fantatra ny Antony..Izy ireo sy ny mpitondra ao amin’ny Mouvance RAVALOMANANA MARC dia saro-toerana:
    -solontenan’ny Filoha Rizareo ary tsy miteny raha tsy nahazo alalana amin’ny Filoha na miera amin’ny Filoha ary milaza aminy ny resaka tiana ho resahina amin’ny Vahoaka..
    Mila toe-tsaina militant izany ,mila fadavan-tena ,mila fahamarinana sy fanajana eo amin’ny andraikitra nomena azy ireo Ary ankasitrahana ny zva-bitany..
    -aza adino ary izy ireotsy manadino fa mpikambana ao amin’ny mouvance izy ireo.
    Mandeha ny mouvance dia noho ny fahendren’ny Rehetra ,tsy mandeha ny mouvance dia izay akaiky vilany feno arina..ary noho izy ireo akaiky ny vilany dia mora aratsiana sy viraviraina..
    Eto amin’ity lafiny ity dia mampianatra anareo fomba fanao ao anaty fikambanana
    Raha sanatriavina misy zavatra tsy tantinao dia roa ny fihetsika :
    –manatona ny lehiben’ny Mouvance ao amin’ny fokotany ianao dia miangavy azy mba hiaraka aminao hijery an-dRANONA..
    Dia mihaona amin’i RANONA ianao ,dia mifanazava ianao ..Ho tsapanao fa nety ny fihetsika satria nazava ny raharaha
    -fomba iray dia manoratra..Manahirana io ,afatsy ho an’ny olona lavitra toa anay..
    Aleo mandeha am-pahatsorana ary aza mety verezin’olona fisainana..Ny marina atao dia miroso ho azy ny fiainantsika..
    Ary nahoana moa isika no hitady izay tsy hampandeha ny Mouvance na ny Antokon’IZANAKIDADA ?
    Mahereza ary manaova be !

  5. Tsisy dikany mintsy izany zavatra lazain i Mamy Rakotoarivelo izany!mampiesona fotsiny ihany!efa fantatry ny olona rehetra fa ianareo no nanao izay tsy nodian dRavalo hatreto,manohy ny asa fanapotehana ny anaran dRavalomanana ianareo hatreto.asakasak’izay mbola hino anareo,fa ny olona eo am magro tsy hino anareo intsony!ny mpomba ny ara dalana tsy hanaraka anareo intsony!Ianareo aza tsy miafina intsony mankato sy mandadilady @ foza!

  6. Amin’izao fotoana izao nomanararaotra manoratra ny nofinofiny sy erotrerotra ao an-dohany ny mpanao gazety satria tsy mazava ny saha politique fa feno rediredy ,feno fika ,feno vola ho zaraiana amin’ireo mpandainga ,mpamorona sy mpanely tsaho
    Ho hitanareo ireo mahita volana aloha’ny biby ,ireo milaza fa mahalala ny tsiambaratelo tany amin’ny fivoriana tany Afrique Atsimo..
    Misy sahy miniania fa hotapahana ny lohan-dRanona sy Ranona..ary Ranona dia ho sloin’i Ranona..
    Izay no fomba entina mivarotra gazety.
    Na ny fontaniana toa itony:
    -Tsy fantatrao angaha fa..?
    -fa taiza kosa ianareo no tsy nanatrika itony..?
    -Aleo Rangahy manajatena toa izay nanao…!
    Tandremo fa ny marina goragora tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra !

  7. Ary amin’ity serasera ity ,izay malalaka, dia misy maka tahaka ny mpanao gazety :tsy misy halahatra dia mamorina
    Ohaatra ny filazan’ity soapeta ity.Na tsy mahafantatra ny seho-javatra izy na tsy maharaka..
    Mahagaga ihany raha efa taona aty aoriana no miteny fa ny mpikambana ao min’ny ankolafy RAVALOMANANANA MARC no nanakana ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..
    Aleo tsy miteny raha izany no fisainana..
    Hitondra aiza ny fijery toa izany ?

  8. Azo lazaina fa ny fifidianana no anisan’ny resaka.Tsy hamisavisa izany isika fa ny Filoha RAVALOMANANA MARC no hanazava izany ,indrindra moa rehefa avy nifandahatra tamin’ny GIC-M vaovao izy..

  9. dr celestin,ianao tsy eto an toerana,izaho eto an toerana!!!Averiko ihany izay efa nolazaiko:na dia tena faran zay dondrona ny mpitarika ny mouvance ra8,na efa voavidin ny foza,ka lasa fozatay koa!ny mpitarika no manakana ny fandrosoan’ny tolona:anontanio ireo Mamy sy Hanitra ireo hoe inona avy no deals efa nataony tam Rajoelina,anontanio io Mamy io hoe nanahoana ilay saika notorahan ‘ny olona ny vato teo am magro fa mitonantonana manao fanambarana unilateral foana;tsy gaga aho raha miaro azy ireo ianao satria tahak’azy ianao:tsy misy finiavana hivoaka am crise satria tsy mahakasika anao izany:ianao tsy miaina izany eto @ tanana;ny olana dia miaina eto ry Mamy sy ry Hanitra,tsy maheno crise anefa satria miha be atoka sy miha be tongotra fotsiny tahaka ny foza,ny vahoaka etsy andaniny tsy manan kohanina:Aza be theorie tsy mande lalana re tompoko o!

  10. hAJANONY ITY FANAVAKAVANA ny Malagasy eto Madagasikara sy ireo Malagasy miasa aty ivel’ny Maikara..
    Tsy mitombona izany Nipetraka teo Mkara ary nankaty ivelany fatsy ..tsy manjary ny ftitondrana..
    Ny mpikambana ao amin’IZANAKIDADA sy ny ao amin’ny ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC tsy mihambo ho olona manana-fahaiza -manao , na tena anisan’ireo Malagasy tia ny Firenena na na olona tsy mieritreritra na tsy misaina…
    Ny Malagasy aty ivelany dia mahalala tsara ny zava-misy sy ny tsy fahamendrehan’ireo mpanongam-panjakana ,ary amin’ny vola karama azony dia manampy ny havan’izy ireo..
    Tsy dondrona na tapena masso izahay aty koa na fahanan-dalitra
    Tandremo nt teny tsy ambina ,ary aza miresaka ny zavatra tsy hainao !

  11.  » RY AMPITSO IZAY MIFONO MYSTERY ! »

    1.- Misy maro no mifanontany na hisy fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena sa tsia..?
    .ny fitondrana dia milaza fa amin’ny 25 octobre izao ny fihodinana voalohany ..!
    Moa ve ampy ny antoka manaja ny fahalalahana , ny safidy malalaky ny Mpifidy , ny démocratie ho amin’izany fifidianana izany ?
    Moa ve ho vonona amin’io fotoana io ny cartes d’identité ho an’ireo Malagasy mahazo mifidy 250000 ,nefa tsy manana izant CIN izany ?
    Ho vita amin’io fotoana io ve ny fanontana ireo bulletin unique ?

    Moa ve afaka hifanandrina amin’ny herin’ny Droit de l’Homme et du Citoyen io fanakavahana nataon’ny CES faharoa ,izay nanala candidatures ,izay tsy mitobona ny antony Ary indrindra fa tsy naseh ny chambre d’accusation ny chef d’inclpation mba ho dinihany na mifanaraka amin’ny lalàna na tsia ?
    Tsy afaka ao an-tsaina mantsy ny tarehin’io fomba nitsaran’ny ces faharoa ,izay tarehy mitovy amin’ny didi-jadona !
    Ary oviana moa no tambazana ny mpitsara teto ? Tsy midika ho fitsarana sy mpitsara voavidy ve izao ?
    Ary raha tsy misy ilay fifidianana ,fa kosa hatao fa hanaraka izay voalazan’ny tondrozotra ,tsy rariny ary tsy ara-dalàna ve raha hesorina amin’ireto mpitsara ireto ny automobiles nomena azy ireo ?
    Satria maro mitory fa sarintsarim-pifidianana ny baiko nefan’ny ces faharoa ,koa raha manampy izany ity tamby na tsolotra nomena ireto mpitsara ireto ?
    2.-Tao aorian’ny resaka an-téléphone tamin’ny 31 août nataon’ny Filoha RAVALOMANANA MARC , dia ireo olona mifanontany ireo ihany no maminaviana ka milaza hoe :
    -ny Filoha RAVALOMANANA MARC hivory miaraka amin’ireo GIC-M vaovao izay nisolo an’i chissano sy ny namany
    Mety handinika ny asan’ireo nosoloiny izy ireo na hanontany ny Filoha izy ireo mikasika ny zava-bitan’ny ekipa chissano
    Ary raha tsikarin’izy ireo moa fa nataon-dry chissano halasafay ny fametrahana ny tondrozotra ary tsy vitan’izay fa toa nisy havakavaka ( sélection des articles) ny andininy notanterahana ary misy tsy notanterahana fa nahilika.
    Ary lasa ny revirevy…Raha tezitra izy ireo na raha tsapan’ireto vaovao fa be ny hadisoana vita na fanahy iniana na tsy fahaiza-manao dia tsy hijanona eo izy ireo fa hamerina atrany am-piandohana ary hilaza sy hanoratra izy ireo « fa tsy nanara-dalàna ilay asa natao vonjy maika ,ka tsy hafaka hanohy anio izahay fa ho fehezinay ary hampiriminay satria TOUTES LES DECISIONS PRISES ONT ETE PRISES SANS AUCUN DISCERNEMENT ER DE FAçON TENDANCEUSE POUR NE PAS DIRE PARTIALE ET INJUSTE DONC NOUS CLASSONS CE DOSSIER NUL ET NON AVENU …!ET NOUS REPRENONS LA MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE INTEGRALE »
    ….Dia aleonay manomboka fa toa tsy nisy zavatra natao teo alohanay..
    Toa izay ny resaka ireto be fandinihana..
    Iza moa no hanohitra raha tian’izy ireo ny manomboka ny mise en oeuvre de la feuille de route INTEGRALE manomboka ny article 01 ka atramin’ny article 45..
    Izany hoe ireo articles mikasika ny haino amanjery ,mikasika ny gadra politiques , ikasika ny Filoha RAVALOMANANA MARC..!
    ….Vita ny fametrahana ny tondrozotra , dia apetraka ny rafi-pitondrana : présidence sy ny gouvernement !
    …..Raha tafatsangana soamantsara ny tetezamita vaovao ifanarahana ,tsy manavaka ,dia andraikitr’io tetezamita io no mikarakara ny fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena sy ireo solobavabahoaka !

    HOY NY GAZETY HEHY MOMBA IZAO NOFONOFY IZAO :
    « REVIREVY D’AUJOURD’HUI ,PERSPECTIVE DE DEMAIN ! »
    ENY
    « MAHERY SY LEHIBE ARY BE FITIAVANA ANDRIAMANITRA!
    MAHAY NY ZAVATRA REHETRA IZY :IZY NO NANAO NY LANITRA SY NY TANY ARY NY RANOMASINA !
    LEHIBE JEHOVAH ! »

  12. Mankaleo ny mihaino ilay filazana hoe:

    Ankolafy Ravalomanana : hamerina an’i Dada an-tanindrazana no tanjona ?

    Efa hiarahira nandritran’ny 5 taona no nahenoina an’izany !

  13. Ilay dr iray izay ihany no mbola mino an zao hirahira tsisy vokany nandritry ny 5taona izay e !sady tsy vita ny mamaky ny gazety be ataony eto fa mampiesona ohatran ireto mpitarika mouvance ihany hoa!Ajanony hoa ny theorie lavareny,dia araho fotsiny izay toromariky ny ray aman dreny avy any SA sy izay lazain i neny!rehefa tsy hanao an izay dia mialà tao am mouvance ra8 dia milatsaha @anaranareo manokana!!!

  14. Raha mbola i Kotovelo no eo tompoko isany ô! dia mamoiza voatay e!!!
    Hafa ny kabary dia hafa ny lazainy, izay baiko azony any @ ambadika any ihany no lazainy.
    Aza atao mahagaga loatra fa MPISOLELAKA ireny ry Soapeta a!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *