CES VAOVAO : NAHAZO 4X4 HO TAMBIN’NY NANALANA AN’I NENY

Araka ny nanampoizan’ny maro azy dia nahazo tambiny sahady ireo mpikambana ao amin’ny CES vaovao. Notoloran’ny fitondrana tetezamita fiara tsy mataho-dàlana 18 izy ireo, ary mandray karama 7 tapitrisa ariary miampy ny tombontsoa sesehena. Vita tanteraka ny “mission” andiany voalohany nampanaovin’ny GIC-M sy ny frantsay ary Rajoelina azy ireo tamin’ny fanalana an’i Neny tsy ho kandidà ho filoham-pirenena. Anisan’ny nahazo vahana tamin’ity tetezamita ity ny tsy fijoroan’ireo manampahaizana rehetra amin’ny fahamarinana teto amin’ny firenena toy ireo mpitsara izay voakasika amin’izany. Voaviraviran’ny vola sy ny tomboantsoa izy ireo ka tsy nijoro marina amin’ny fampiharana ny tena lalàna sy ny fitiavan-tanindrazana.Ataon’ny mpanongam-panjakana mpanamarina ny adalana ataony sy fitaovana hanilihana ny hafa ny fitsarana. Feno fahalovana tanteraka ny raharaham-pitsarana eto amin’ny firenena. Araka ny tsilian-tsofina dia nisy ny fizarana vola amina miliara ho an’ireo mpikambana ao anatin’ity CES vaovao ity talohan’ny namohan’izy ireo ny didim-pitsarana farany teo nilaza ny lisitr’ireo kandidà 33 hilatsaka ho filoham-pirenena. Tsy fantatra intsony izay manara-dalàna na ny mpanao lalàna na ny mpampihatra lalàna, na ireo mpikirakira lalàna eto Madagasikara.

8 pensées sur “CES VAOVAO : NAHAZO 4X4 HO TAMBIN’NY NANALANA AN’I NENY”

  1. Madagascar, c’est une île paradisiaque
    Madagascar tu nous rends paranoïaque
    Madagascar, il paraît que t’ es mosaïque
    Madagascar, l’île en face du Mozambique

    Madagascar, très riche en diversité
    Madagascar, si pleine en capacité
    Madagascar, novice en modernité
    Madagascar, apprenti en célérité

    Madagascar, on sait que tu as été trahi
    Madagascar, on voit que tu as été servi
    Madagascar, on veut que tu sois épanoui
    Madagascar, on parie que tu seras embelli

    Madagascar, tu es notre ruche de miel
    Madagascar, tu nous es promise du ciel
    Madagascar, tu nous lègues tes potentiels
    Madagascar, tu nous as appris la vie réelle

    Madagascar, je te rendrai aussi la gloire
    Madagascar, on va tous refaire l’histoire
    Madagascar, ils te rétribueront tes avoirs
    Madagascar, Il te bénira avec son pouvoir

  2. Mais c’est tout à fait la suite logique de la politique politicienne à Madagascar ça! Après l’accomplissement des missions les récompenses!

    Qui est ce qui ne pratique pas cela parmi tous les politiciens malagasy ? Ratsy iraka, dada, rajoelina. Peut-être seul Zafy qui est trop naif ou trop exigeant et qui ne pratique pas trop le paiement après mission accomplie ?????

  3. Izao ve atao hoe démocratie ? Tambazana ny olona « voa nohamasinina ho mpitsara « ?

    Ny mifidy koa ve ho tambazana ? Izany hoe ny vola sy ny tomom-bola no hanjaka eto ?
    Sa io ilay fitondran’ny 3 V ?
    VOLA VONINAHITRA VEHIVAVY ?

  4. Moa ve ny fanalana an’INENY tamin’ny listry ny candidats milatsaka ho fidiana amin’ny présidentielles dia ampy no antoka hahalany ny candidat putschiste ?
    Ary ity fifidianana aza mety tsy ho vanona ny fisiany ary mbola maro ny tranga-javatra tsy ampoizina hanakana na hanova tanteraka ny fanomamana azy io…
    Ireto mamono biby tsy nahafaty , dia manisy sira ny Vorona mbola manidina na koa hoe mandihy tsy afa-tavony !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *