« DADA MODY » NO HIAKIAKAN’i VAHOAKA !

CAMPAGNE_ROBISON_TANJOMBATO MAGRO-27-09-2013 (1 sur 23)

CAMPAGNE_ROBISON_TANJOMBATO MAGRO-27-09-2013 (1 sur 23)

Mihazakazaka hatrany ireo kandida amin’ny fanohizana ny fampielezankevitra ho amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ny 25 okotobra izao. Efa manomboka mampiasa angidimby izy ireo amin’izany. Ny kandida Robinson dia angidimby roa no nitondra azy, niaraka tamin’i Neny sy ireo olona vitsivitsy nisidina nihazo an’Ambatolampy androany. Ireo delegasiona sasany kosa dia efa niandry tany an-toerana. Nahaliana ny mponina izay tonga marobe tao antoerana ny fahitana ity angidimby ity. Niditra mivantana tamin’ny antso antariby ny filoha Ravalomanana toy ireo tany amin’ny faritra izay efa nandalovan’ny kandida Robinson. Naneho ny hafaliany izy naheno ireo vahoaka marobe nihorakoraka. Nandray anjara tamin’ny fifidianan isika hoy izy na dia tsy araka ny sitrapontsika satria nailikilika i neny. Izay hoy izy no nifanarahana rehefa mandray anjara ny movansy dia mody i dada. Noho izany dia nanapankevitra hoy fa handray anjara ka hanohana ny kandida Robinson.  Aza matahotra na misalasala fa mila mandresy isika ary samia mijoro na vavy na lahy.  Zavadehibe hoy izy ity fifidianna ity iankinan’ny fiainan’ny tsirairay , noho izany tsy maintsy tonga mifidy isika Manentana aho hoy izy fa hihoatra ny 80% amin’ity taona ity. Tamony ny havana fa izay no hahafantsika manana firenena vanona. Ny kandida Robinson dia nilaza ireo fandaharanasany hatrany tamin’ny vahoaka. Ireo miatraika mivantana ami’ny mponina any amin’iny faritra Ambatolampy iny no nambarany toy ny fanomezana maimaimoana ny vakisin’omby, amboarina ny barazy ao Tsinjoarivo. Tsy adinony ihany koa ny nampianatra ny olona ilay bileta tokana misy ny laharana faha 33. ehefa avy tao ireo delegasiona dianizotra nankany Ambohitompoin a. Vahoaka marobe hatrany no niandry azy tao. Magro Tanjombato Sambany no nanitsaka ny Magro Tanjombato ny kandida Robinson sy i Neny androany. Hipoka tanteraka ny kianja teny an-toerana niandry azy ireo.  Raha nandray fitenena i Neny dia nanamafy ireo voalazany tany amin’ny faritra hafa izay efa nandalovany. Aza misalasala intsony hoy izy mifidy ny kandida favori dia Robinson. Ny kandida Robinson dia namerimberina ireo fandaharanasany hatrany izay ho entina hampandrosoana ny firenena rehefa eo aminny fitondrana izy. Niditra mivantana ihany koa tamin’ny antso antariby ny filoha Ravalomanana. Mody mody hoy ny horakoraky ny vahoaka marobe raha naheno ny feony. Henoko tsara hoy izy izay antsonareo izany fa tsy fidiny ho ahy ny hijanona aty fa zarako aza mody. Hifidy isika amin’ny 25 okotobra hoy izy ka ataontsika izay hahalany ny Dr Robinson amin’ny 1eur tour dia vita. Samia samy ho tonga mifidy hoy izy hampandany ny Dr Robinson.  Namafaisiny ny filoha Ravalomanana tamin’ny vahoaka teny an-toerana fa efa ela no nahafantarany azy satria efa niaraka niasa taminy ary izy no hampody ahy eto an-tanindrazana ary hitady ny fomba rehetra amin’izany. Tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra ity hoy izy ka ny movansy Ravalomanana tsy matahotra izany.

 

Ankafizo an-tsary ny hetsika tao Magro Tanjombato

Ankafizo an-tsary ny hetsika tao Ambatolampy

Ankafizo an-tsary ny hetsika tao Ambohitompoina

14 pensées sur “« DADA MODY » NO HIAKIAKAN’i VAHOAKA !”

  1. Aoka tsy hisy hihemotra fa manjary very ny herin’ny vahoaka. Aoka ampahafantarina ireo mpanjanaka ireo fa i Madagasikara dia an’ny malagasy. Ity fifidianana ity dia tokony sady hatao référendum hoe: mialà amin’izay ireo mpamadika rehetra isan-karazany.
    Mitohy ny tolona.
    http://www.gttsra.org

  2. Mankasitraka ny vahoaka malagasy TONGA SAINA REHETRA.
    Ny tena manaitra eto dia noheverin’i sasany fa izay no vita ny @ dada……..
    KINANJO….. nozon-kofaty vao ela velona ,na dia tsy nilatsaka aza izy dia VAO MAIKA MITAKY NY FODIANY
    NY VAHOAKA……….. tena ontsa ny fo ray olona a!!MISY INONA LOTRA INY DADA INY e??MAMY BE ZANY
    DADA IZANY !!!
    Andriamanitra tsy andrin’ny sasany endrasantsika eto ihany e!!!!
    TENA MIAIKY NY FAHENDREN’NY VAHOAKA MALAGASY AHO !!!!MAHEREZA DAHOLO e!!!homba antsika
    hatrany Andriamanitra.

  3. Ny tena tiako ahatongavana dia:
    na dia NAHILIKA TSY HO FIDIANA aza i dada sy NENY dia tsy nahasakana ny
    FITAKIAN’ IREO VAHOAKA ny FODIANY sy ny mbola FITIAVANY AZY izany.
    Dia gaga elah!!!!!nanantena tokoa ny tsy tia rehetra fa vita ny @ dada an!!!SANATRIA TOMPOKO!!!!
    Soa fa olon-kendry ny MALAGASY.
    « efa voalahatra ny ho @ zanak’olona fa loza ho an’izay NAMADIKA AZY »
    ary Andriamanitra tsy manary ny olony velively.
    Misaotra ry dada sy Neny tsy nihemotra ary mitraka hatrany. MANKASITRAKA e!!

  4. Mandehana miangona aloha ry raozy fa aza manambàka eo â ! Aza manonononom-poana ny anaran’Andriamanitra hoy ny fitenenana ! Tena tolona izao no tadiavin’ny vahoaka !

    http://www.tananews.com/2013/09/courrier-lecteurs-hery-vaovao-bni-cl-air-mad-les-autres/

    ….
    « Signalons au passage que le PCA, est resté à la tête de son Cabinet CGA, CHARGER DE VALIDER LES COMPTES d’Air Madagascar. Et qu’il s’agrippe de toutes ses forces et de tous les poids de ses milliards à son poste de PCA malgré sa démission du Ministère des Finances et du Budget.
    Sous d’autres cieux, dans un Etat « manara-penitra », Air Madagascar aurait été déclarée en faillite, et mise sous surveillance et sous liquidation judiciaire.
    Si le trafic de bois de rose est réputé comme source de financements de certains candidats à l’élection, le PCA ne s’en est pas contenté. Avec la complicité du DG, mainte fois dénoncé par ses pairs comme n’étant juste qu’un pantin, le PCA fait d’Air Madagascar une source de financement intarissable, par le truchement du pseudo augmentation de capital ou encore par les rétro commissions que le tandem réclame des fournisseurs ».
    …..

    Le lecteur a oublié l’affaire SRDI/ACM/CSPI, une des causes également des malheurs d’Air Mad !

    Dia mbola hijery fotsiny ihany ve isika ? Olona tahak’io olon’io ve no mba hoe hitantana ny Firenena ?? Tsy azo ekena !!

    Prises illégales d’intérêts, malversations et combines, non respect des lois éléctorales,…..????

    Il y a vraiment des coups de pied aux culs qui se perdent ! Sous d’autres cieux, les arrestations et autres mises en examen seraient légions !

  5. Na mety na tsy mety ny fanam-pahan-kevitra dia aoka isika rehetra hijery ny fomba hampandresena an’i JLR. hatr@ izao aloha dia io irery ihany no lalana ka samia mandray ny andraikiny. Asaivo mandray andraikitra ko i Andriamanitra fa tsy miandry ny vahoaka hivavaka aminy foana vao hihetsika (teny ho an’izay mahatakatra ihany).
    Zavatra roa lehibe no tokony himasoantsika dia ny 1) fandraisana anjara @ fifidianana. izany hoe miala any an-trano mihitsy dia makany @ toeram-pifidianana ary mandatsaka ny vato JLR. 2 manrak’izany dia ny fanaraha-maso ny fifidianana fa ireo mpanaramaso avy ay @ COI, OIF ary ny afrikanina ireo dia Taranak’i Gallieni Vaovao daholo.

  6. Na tsy hita maso aza dia ny eritreritra no mahita ireto « FOZAORANA » izay efa manavy ny sasany , mitady lalana hitsoaka , hamono tena , tapaka lalan-drà sady korotana be ao anaty harona ao ny fozaorana rehetra masiso maimbo be

  7. Mdr aminao aho ry LAZALAZAO !! Hi hi hi !!!
    Fa izao hono ê : Andriamanitra tsy azo omen-tsiny, ary Zanahary tsy omem-pondro, fa ny malagasy no be siasia ! Tsy mety tonga saina, tsy mahafantatra izay tena tokony atao !

    Misy fianakaviana efa hatry ny ela no nieritreritra ny hitsaoka any Sina !

    Misy hiran’ilay Njakatiana manao hoe : Valin’ny natao !!

    Asa raha mba nieritreritra i lery amin’izao fanoahanany an’ilay nivarotra ny BNI tamin’ny karana sy môrisiana !

    I Bodo ka tena malagasy !

  8. AZA MIANGATRA KOSA LESY A! tsy hitanao koa angah i M Hanitra???
    Kotovelo mbola lasa NISIKIDY miaraka @ FOZA, mitady hirika hatrany e!!

    Tiako be Bodo sy ny tariny ao an! Mankasitraka an’i M Hanitra izay lasa mpihira tampoka hihihi
    Ho an’i Tanindrazana daholo izany ka tsisy bedy zalah a!!dia misaotra ny VAHOAKA TONGA SAINA ARY KOA
    MAHAY MANKASITRAKA.
    Za aloha dia tsy dia ilay fifidianana loatra izay efa tsy nankasitrahako fa feno FANDRIKA io no tohanako ,fa kosa ny
    vahoaka sy NENY ilay mahay mankasitraka ary ilay firaisankina, ilay mana -Malagasy ny Maladasy izay mbola tsy rava,
    izay no TOHANAKO ARY TENA MIAIKY ny fahendren’i GASY AHO.
    Homba antsika Andriamanitra ! tsy maintsy mandresy ny tolona!!!

  9. Hi hi hi angaha ?? Mpihira kosa anie mety mahazo vola be noho ny avocat ê ! Tsy fantatrao fa mety tonga tampoka ny fitiavany hanao « reconversion » sady tiany be izany mahazo tehaka izany ! Tsy dia hiditra amin’ilay hoe tahaky ny inona ilay tehaka !

    Fifidiana ? Iza moa no anisan’ny voalohany nitaky mafy an’io ( araho ny masoko ) ?

    Mba nanao ny asany ve ny CSC, ary indrindra ny CENIT ?

    Aiza ianao ( indrindra any amin’ny tany mahantra ) no nahita an’izany hoe fifidianana, tsy asiana fetra ny vola enti-manoman’azy ?

    Any Frantsa izao izay tany manan-karena, tonga dia feherana hoe 22 509 000 euros ny vola ho atao fonds de campagne !
    Ramalagasy izay any amin’ny tany mahantra, misy tonga dia manana 20 000 000 de dollars fotsiny izao !
    Ny an’ilay vital moa, izay hoe candidat « sans parti » donc membres, ni militants (militaires ??), tonga dia nahita fiara 4×4 350 fotsiny eo !!

    Dia azo ekena ve izany ??

    Lazainy fa hoe homeny an’ny miaramila sy ny mpitandro filaminana na lany izy na tsia !
    Amiko izany dia pimaso mazava ho an’ireo miaramila nanongam-panjakàna fotsiny izao !
    Amin’izay indray lazainy fa tsy avy any aminy ny vola fa namany izay tena tsara fanahy ary tia ny vahoaka malagasy no nanome an’ireo fiara !

    Tsy mitady tambiny na dia kely aza io olona io fa tena samaritana tsara fanahy ê !

    Malagasy hendry ??

    Litera roa sa litera telo ??

    Trop bON, trop cON
    Diso hENDry, diso vENDrana !

    Aza atao mahatofoka rahatoa ka sendra eo am-pisakafoanana ianao !

  10. Mba asio hasiny ihany ry zareo io sari-bakoly be mandende io fa aza de tsy raharahina ahatran’io an…hihihi… efa izy aloha no milatsaka ho fidiana de tohano tsara izy… fa olona any @ tsy hita maso any no menomenomana nefa izy no mitsangana eo alohanareo eo… tena mahalatsaka eh….hihihi

  11. Mahonena ianao » Darih » angah????hihihi
    Voadakan’i dada fa nandaka azy angah??voan’ny daka tsy hita maso??
    nihevitra koa angaha Ingahy io fa vita ny @dadanay??efa nalohan’ny olona???SANATRIA!!!
    volamena latsaka am-bovoka ireny ry akama taloha a!!!
    Arakaraka ny haniliana ny dadanay no HITIAVANAY AZY ary HIRAHIRAINAY NY ANARANY fa
    MAMY LOTRA IZANY DADA IZANY ARY MAHAVITA AZY FA TSY MPISOLELAKA ohatra nareo.
    Ary @ manaraka tonga dia tsory ny resaka fa  » efa ahilika ilay Ra8 ka mbola tadiavin’ny vahoaka ihany  »
    « Efa voalahatra ny ho @ zanak’olona fa LOZA HO An’IZAY MAMADIKA AZY »
    Andriamanitra tsy manary ny olony izany « Darih » ngah???hahahahaaaaaa
    Ozonok’ofaty dadanay vao ela velona.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *