Dr Jean Louis Robinson : nahazo tso-drano tamin’i Dada sy i Neny

DSC00064

DSC00063Nanao be fiavy teny Imerintsiatosika ny movansy Ravalomanana niaraka tamin’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, androany, notarihan’ny Neny Lalao Ravalomanana. Nafana ny hetsika ary ny masoandro mody no nampalahelo .

Nifandimby nandahan-teny ny solontenan’ny  vahoaka avy eo an-toerana notarihan’ny depioté Rodin Rakotomanjato. Nanolotra ny kandidà tamin’ireo vahoaka vory lanina ny filohan’ny delegasiona ny Ankolafy Ravalomanana, Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo.

Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Dr Jean Louis Robinson no nanambarany ny hafaliany : « Faly aho tena faly aho fa nahazo tso-drano tamin’i Neny, nahazo tso-drano avy amin’i Dada, nahazo tso-drano tamin’ny movansy Ravalomanana ary nahazo tso-drano taminareo vahoaka. Tsy mbola manao fampielezan-kevitra no ahatongavanay eto fa hanentana anareo hifidy haneho ny safidy amin’ny 25 oktobra izao hoy hatrany ny tenany.

Nosafidiana manokana  Imerintsiatosika tamin’izao hetsika izao, « Tsy azo atositosika i Dr Robinson miaraka amin’i Dada sy Neny ary ny Movansy Ravalomanana » hoy Dr Jean Louis Robinson. Nanamafy hatrany ny kandidà avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana fa  marary ny firenena ka mila dokotera hitsabo azy, «  inty aho » aho hoy izy. Fa tamin’ny hafatra nampitainy teto dia namerimberina ny tenana fa , tsy maintsy tafody eto i Dada.

Nididtra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby teto ihany koa ny filoha Ravalomanana.Toy izao ny kabariny raha fintinina :

Misaotra an’Andriamanitra isika fa mahay ny lalana tokony hitondrana  antsika izy, naka andinina soratra masina teto ny filoha, nalainy tamin’ny  Korintiana II 5- 7. Mandeha amin’ny finoana isika fa tsy amin’ny fahitana hoy izy. Mbola nanamafy hatrany ny filoha fa baiko no omeny dia ny handraisana  anjara amin’ny fifidianana . Ny movansy Ravalomanana tsy matahotra fifidianana hoy hatrany izy. Sahirana ny vahoaka Malagasy, marary ny vahoaka, maika ny hody i Dada  koa tsy maintsy hatao izay hahalany ny kandidàntsika hoy izy. Nitondra hafatra ihany koa teto ny filoha Ravalomanana : « Tandremo ry havana vao tonga, manilikilika ny mpitolona niharitra ny nandritra ny efa-taona teto.Mila anareo miara-miasa aho » hoy Ravalo.

8 pensées sur “Dr Jean Louis Robinson : nahazo tso-drano tamin’i Dada sy i Neny”

  1. si ça continue comme ça LA FRANCE RISQUE DE NE PAS FINANCER UNE LELECTION où les proRavalomanana a de forte chance de gagner .

  2. izao fisehoana voalohany Dr ROBINSON JL miaraka amin’INENY ary nahazo resaka an-tarobia ny Filoha ary notronan’ireo mpitarika ao amin’ny mouvance RAVALOMANANA MARC
    dia ampy ampangina ireo mila voa tsy ary ary mitady tandroka moka !
    Rahoviana ny fisainantsika vao mba hahay mandray izay omena , hahay hankasitraka ny fitondran’ANDRIAMANITRA ka tsy hanao kajikajy tsy ho aiza..
    Marina fa tsy araka izay nantenaintsika ny seho-javatra..fa aza adino fa miankina amin’ANDRIAMANITRA Isika , ka sarotra amintsika ve ny manaiky ny làlana itondrany Antsika ?

  3. Nety ny hevitr oe manohana candidat ra ts izany dia maty antoka ny tolona natao. Mila manazava @vahoak tsar momb ny anton’izay fanohanana candidat izay satria ny vahoak dia olon’ny fo no betsak ka mila fanazavan mazava mba ts andiso fanantenana an’izy ireo ny mpanao politika.
    Momb propagandy, tadidio fa ny teny dia mitoetra ka aoka mba ts hamitaka vahoak @izay kabary atao fa ef betsak izay lesona azo tsohahin t@ fitondran nisesy izay.

  4. Mirary fahasalamana ho an’i Dr Robinson sy Neny fa mbola mafy ny hetsika ho atao. 4 taona nijaliana.Mankahery anareo fa tsy maty ao am-po ny tena fitiavana tanindrazana. Mahonena tanteraka ny mijery ny irenena viravirain’ny FOZA ORANA. Betsaka ny olona miasa ambadika any manohana ny kandida tohanan’ny movansy ravalomanana. MAHEREZ FA EFA SAIKA TAFAVOAKA NY FIRENENA NY TAONA 2008. MANANENTANA FA HAHAVITA BETSAKA NOHO NY EFA VITAN’I DADA

  5. SOS santé : Norotiana Rajesson a besoin d’une aide urgente

    Soumis par admin le lun, 23/09/2013 – 08:00

    Norotiana Hajasoa Rajesson est diabétique, et elle a une insuffisance rénale chronique en phase terminale. Ce qui l’oblige à suivre trois séances de dialyse par semaine, alors que chacune d’entre elles coûte 250 000 Ar (1 250 000 fmg). Pourtant, à l’heure où l’on parle, elle en est à sa 34e séance. Ainsi, si l’on fait un simple calcul, sa famille a déjà dépensé 8 500 000 Ar soit 42 500 000 fmg pour financer ses dialyses. Toutefois, elle ne bénéficie d’aucune prise en charge. Ceci étant, sa famille ainsi que ses proches se trouvent actuellement dépourvus de moyens pour poursuivre son traitement. D’avance, elle remercie toutes les âmes généreuses qui vont lui venir en aide en versant leur contribution sur le compte BOA : 00009 05050 16089850004 86.

    Arnaud R.
    . – See more at: http://www.midi-madagasikara.mg/societe/sos-sante-norotiana-rajesson-besoin-d-une-aide-urgente#sthash.VDiWhXiL.dpuf

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *