FILOHA RAVALOMANANA : TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA

sab nam 25 sept 13 (7)

sab nam 25 sept 13 (7)  Rehefa avy tao Talatan’i Volonondry ny fampielezankevitrin’ny kandida Dr Robinson dia nitohy tao amin’ny kianjan’ny Sabotsy Namehana indray. Nafana ny fandraisan’ny mponina ny delegasiona avy amin’ny movansy Ravalomanana sy ny antoko Avana tao.   Mbola nandray fitenenana hatrany i neny tamin’izany. Namafisiny hatrany fa manana vahoaka hendry ny eto an-tanàna ka mila fifankatiavana sy firaisankina hatrany izany. Misy asa andrasana amintsika hoy izy ka az a misalasala intsony mifidy ny kandida favori dia Dr Robinson. Ny kandida izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny antoko Avana Dr Robinson kosa dia nanambara fa marary ny firenena ka tsy maintsy tsaboina. Tonga aho hoy izy hitondra fanafody sy hitsabo amin’ny mahadokotera ahy. Vitako izany hoy izy raha manana ilay filoha niaraka tamiko aho dia ny filoha Ravalomanana.Namafisiny hatrany fa tsy maintsy tongantsika eto i Dada.  Ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto hoy izy dia fampihavanana sy fifamelana. Nampahafantariny ny vahoaka teto ihany koa ny fanamboarana ilay « auto route » miainga ao Antsirabe hatrany Maintirano. Ataontsika malalaka ao anatin’ny enimbolana izany hoy izy ka antsangana ny fitsarana avo afaka mitsara ireo mpitondra fanjakana. Niditra mivantana tamin’ny antso antelefaonina ihany koa ny filoha Ravalomanana nandritra izany. Nambarany fa matoky sy mino aho hoy izy fa tsy maintsy mandresy isika. Fantatro tsara ianareio eto Sab Nam hoy izy. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ny vahoaka tonga nanatrika ny fampielezankevitra tamin’izany dia ny hoe tongava mifidy amin’ny 25 okotobra, tsy matahotra fifidianana izany isika.  Matoky aho hoy izy fa ianareo eto Sab Nam no lohalaharana rehefa tonga ny fifidianana ka hojereko tsara ny hoe ahoana ny olona nifidy. Ny Dr Robison hoy izy no hampody an’i dada ary ho avy tsy ho ela i dada.

 

5 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA”

  1. KANDIDA FOZA ORANA = FRANTSAY = FAHANTRAN’NY MALAGASY. ARODANY FA MPANIMBA SY MPAMADIKA FIRENENA. HAREM-PIRENENA (BOIS DE ROSE, VOLAMENA, VATOSOA…) FONGANA. FANANAM-BAHOAKA HAORONA (TANY TOY NY ATAON HAJO…)

    MITADY REBIREBENA AMIN NY LALANA PAVES (FAMATSIANA AFD) KELY ETSY SY EROA NY MALAGASY NEFA NY HAREM-BEN NY MALAGASY (PETROLE …) NO KENDRENA.

    EFA TSY VENDRANA TSONY NY GASY

  2. Firy amin’ny malagasy no mahalala izany sy mahatakatra izany, noho izany manana andraikitra isika hanazava amin’ireo foza orana fa diso lalana ry zareo

  3. ianareo mpanaratsy olona ireo no antenaina hanazava an’izany… ny teny teny aloaky ny vavanareo aza tsy fatatrareo akory… raha lasa foza orana tokoa moa nu taranakareo de mba ahoana no ataonareo??? ny hevitra no tsy mitovy fa aza miteniteny foana….

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *