HILARION RARISON : HANATITRA TARATASY ENY AMIN’IREO AMBASADAORO VAHINY MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA

hillarion

hillarionTalohan’ny fanambarana nataon’ny filoha Ravalomanana tamin’ny Sabotsy iny hoy ny Ct Rarison Hilarion androany teny amin’ny Magro Behoririka dia nisavorovoro isika fa hoe hanohana olona amin’ireo 33 ireo. Teto hoy izy tamin’ny Sabotsy dia efa saika nisy olona hitorabato sy hanakorontana ny delegasiona avy any Afrika Atsimo. Nisy tokoa io satria nisy nangataka tso-drano tany amin’ny filoha tany. Izany zavatra izany hoy ity mpanao politika ity dia vokatry ny adalana nataon’i Chissano nanao tatitra vilana. Nanao sondazy hoy izy ry Chiissano sy ny farntsay talohan’ny naha kandidà an’i Neny. Nilaza ny olona izay nanontaniana fa mety aminy ny fifidianana ary ny 70% ny mpifidy dia manaiky an’i Neny. Io hoy Hilarion nentin’i Chissano tany amin’ny troika teo aloha.Rehefa voadaka i Neny, Ratsiraka dia tsy sahy nanao sondazy intsony izy ireo fa nanao tatitra vilana. Rehefa tsy ao i Neny hoy izy dia ireo mpifidy an’i Dada tamin’ny 2002 o tsy hifidy. Maherin’ny 50% hoy izy no azontsika. Noho izany dia miantso ny mpiaro ny zon’olombelona isika , inona no ataonareo tsy niaro ireo 50% ireo, aiza ny kmfcnoe ? Entano ny olona hoy izy fa isika tsy manaiky ny hanaovana io fifidianana io. Misy kandida izay mizara vola etsy sy eroa hanaovana fampisehoana. Vola avy aiza hoy ny fanontaniana napetrany izany. Ny vola izay vidin’ny fiaramanidina air force one dia nanaovana io fampielezankevitra ataon’ny Hery Rajaonarimampianiana io. Aiza ny Bianco sy ny Samifin hoy izy no tsy mijery izany. Nambarany ihany koa fa amin’ity herinandro ity isika dia hihetsika ny movansy Ravalomanana, tsy manaiky ny fifidianana. Noho izany hoy Hilarion dia hanao taratasy alefa amin’ireo ambasadaoro vahiny miasa sy monina eto isika, ka hanao rodobe isika amin’io fotoana io.

13 pensées sur “HILARION RARISON : HANATITRA TARATASY ENY AMIN’IREO AMBASADAORO VAHINY MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA”

  1. tsy efa natao ve izany, efa tsy nety ve dia haverina ihany ?
    mba alefa amin’ny andininy ambony sy mafy fihatraika amin’izay e !!!!!

  2. Ny tena mety dia manasa an’ireo masoivoho vahiny ireo rehefa manao asa antsitrapo ny ankolafy Ravalomanana dia hararaotina izany fotoana izany mba hiresahana momban’ny toe-draharahan’ny firenena sy ny tetik’asa(projet) azo atao miaraka no sady mba hahafantarana ny tena hevitry ny tsirairay avy.Ny vola lany amin’izany dia avy amin’ny paosin’ireo nihabota rehetra tao amin’io drafitra io.Ho hita eo raha tena tia tanindrazana na tia tany ngazana(ritra tapitry ny mpanjanaka ny harena).Azo atao ny tsy manasa ny masoivoho vozongo.

  3. Efa natao tokoa izanyna tsy tsapatsika ny vokany : ireo ambasy mandray antsika dia mahatdidy koa tadidiny koa fa tsy nitovy ny Antony namangiana azy teo aloha!
    Betsaka ny fiovana indrindra mikasika ny tolona hatrehantsika..
    vita ny « crrque chissano « !
    Ary dia novàn’by Filoha RAVALOMANANA MARC eomba fitolomana ary ny « circonstances  » koa niova :
    -vaovao médiateur mitondra ny GIC-M
    -vaovao ny Président-ny SADC
    -tratra fa »nahodikodin’i chissano ny tatitra nataony mikasika ny feuille de roue..

  4. NOUS SOMMES DES RICHES… ENCORE PAUVRES !

    NOUS SOMMES DES RICHES..ENCORE PAUVRES !C’EST NOTRE ATOUT MAIS AUSSI CETTE SITUATION DE NOUS L’OBJET DE TANT DE CONVOITISES !
    Un économiste écrit sur la une de TANANEWS ce09 09 2013 concernant la situaton économique de Ma dagascar et dit que la dévaluation à Madagascar est de 4250 pour cent !
    Il faut exposer iuste car nous parlons souvent ,en parlant de monnaie ,de devise , de pib , de banque de quelque chose qui nous dépasse et que avons du mal à imaginer !
    Avec 4250% de dévaluation ,Madagascar est en faillite , croule sous des dettes. qu’l n’arrive plus à payer .Le Petit Malgache des quartiers bas ,sur le dos duquel des vertueux en politique ont justifié leur « démocratie mange-tout  » ,destructrice du coup d’état , qui a été, est toujours un coup d’arrêt de tout à Madagascar ..!
    Et pourtant ,existent toujours des « marchés  » de diférnts niveaux : souterrains , invisibles ,sous les manteaux , marché noir et visibles..Je nesais quelle est la masse monnaitaire qui circule par jour ,mais jusqu’ici aucune banque ne se plaint..
    Et pourquoi tant de Pays se battent jusu’à ignoer la souveraineté des , jusqu’à faire de leur existence physique et morale , pour devenir « le patron ,le proriétaire des richesses malgaches le faiseur de roi à Madagascar « ..
    Ils s’acharnent , font un bras de fer parce qu’ils savent que NOUS SOMMES DES PAUVRES RICHES !
    Ils savent bien que Nos richesses naturelles potentielles sont énormes et que pour 4250% de dévaluation par rapport à nos biens que ces vautours vont accaparer ne sont que des gouttes d’eau..Et pour l’instant ,cette dévaluation énorme n’ étrangle que des Malgaches..
    La luute que mène les Malgaches depuis lle coup d’état est centrée sur cette tentative de reprise en main par la françafrique,qui n’a pas cessé par et depuis de gaulle en juin 1960 de museler et de contrôler les potentialités économiques de Madagascr..
    Ce combat patritiqie et vital ,essentiel des Malgaches contre toute hégémonie consititue la base de développement socio-économique et social et de l’amélioration du bien-être physque et mental des Malgaches….D’où l’importance vitale du ou des partenariats à contracter avec des Pays respectueux de l’état de droit , de la démocratie , des libertés
    Il est logique que les Malgaches choisissent , quand faire se peut , un ou des partenaires honnêtes ,justes ,crédibles , fiables et n’ayant pas de revanche ou de nostalgie coloniale ni colonialiste .
    Et la teneur essentielle du discours du Président de la République RAVALOMANANA MARC a insisté sur l’organisation d’élections présidentielles et législatives libres , sans pression internationale ou de n’importe quelle organisation régionale , loco-régionale ou d’un pays quelconque ,afin que le suffrage niversel libre ,démoctaique et transparent pisse choisir le candidat ou la candidate capable ,digne , crédible , fiable ,méritant(e) de diriger le grand combat de renconstrction et de developpement de
    MADAGASCAR ET DES MALGACHES

  5. Anga izany no nolazain’ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’izy niditra mivantana teo amin’ny Kianja ny Finoana Magro Behoririka ny Asabotsy 07 Septembre 2013 lasa teo ??????????????

  6. Tandremo ary fa rehefa hoe hihetsika dia hihetsika. ho sakanan’i Mamy Rakotoarivelo indray izao ny olona dia tsy hanakolazaina ny vahoaka fa manaiky ity gasy benagy be vadibadika ity.
    Mino aho fa hipetrka soa amantsara ny paik’ady, ary hihomana tsara ny aino aman-jery. Ary hiara hiasa @ maro ny ankolafy Ravalomanana fa tsy hitokatokana takan’ny politikan-dry mamy Rakotoarivelo. Ny mpanohitra, ny Malagasy tia an’i Madagasikara, izay ehetra manohitra io fifidianana sarisary ataon’ny frantsay mba hanjanahany antsika io. Miomana daholo ny rehetra hanaovana ity Rodobe ity. Ary ny tanjona dia aseho an’izao tontolo izao fa tsy ekentsika io fifidianana io. Izay irery ihany no lalana azo aloha izao. Raha miaraka daholo isika ts ahavita inona ny EMMOREG ry raha misy antsika daholo eran’ny tanana dia ho sahirana ny emmoreg mpanao herisetra miasa hoan’ny frantsay.

  7. Mba mitandrema ihany r’Ingahy Hilarion rehefa manao kabary â ! CT ve ianareo dia tokony hiteny an’izany hoe « Rehefa voadaka i Neny » izany ?
    Tsy misy fomba fiteny hafa azonareo ampiasaina angaha, toy ny hoe « nahilika » ???

    Ary inona koa ity hoe mpifidy 50 % ity ?

    Ataovy ao an-tsaina fa ny zo sy ny voninahitry ny vahoaka malagasy rehetra no voahitsakitsaka, na mpanohana an’ny Filoha Ravalomanana izany na tsia !

    Mifandray amin’izany ny lazain’i radokotera ato, izay nilaza any ho any fa hoe « il n’y a ni perdant ni gagnant » !
    Diso dia diso !

    Ny jiolahy no nandresy, ary ny vahoaka malagasy iray manontolo no resy ! Resy satria tsy mety tonga saina !

    Miandry ny baiko farany sisa, fa efa iny naneho ny heviny iny ny Filoha Ravalomanana !
    Tsy azo ekena io fifidianana io, satria tsy nisy tanteraka izay nifanarahana rehetra !

  8. Alohan’ny kabary hatao ny Filohan’ny Firenena manaraka ( alarobia ?)dia hivereno henoina izay nolazainy tamin’ny kabariny farany..!

  9. miarahaba anareo e!
    Ho an’ireo mpisera eto de tandremo fa efa tafiditra @ adihevitra eto koa ny mpandrava ny tolona ka mailo nareo.Diniho tsora fa tsy misy hataony afa-tsy ny mitsikera izay lazain’ny sasany nefa tsy hainy akory zay lazainy.Fomban’ny foza io e!

  10. Si nous y pensons seulement, le pays sera un fiasco.
    Si nous y pensons et réagissons, le pays sera dans le chaos.
    Si nous y pensons, réagissons, et planifions, le pays sera en statu-quo.
    Si nous y pensons, réagissons, planifions, agissons, le pays le verra dans l’éco.
    Si nous y pensons, réagissons, planifions, agissons, et y croyons, le pays le reverra dans les locaux.

    A nous de voir!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *