LALAO RAVALOMANANA : MILA VAHOAKA MANAO NY ADIDINY ISIKA

CAMPAGNE_ROBISON_IVATO_26-09-2013 (15 sur 30)

CAMPAGNE_ROBISON_IVATO_26-09-2013 (23 sur 30)Mahitsy, Ambohindratrimo, Ivato ireo indray ny toerana nanatanterahan’ny kandia Dr Robinson ny fampielezan-keviny androany.Niara-dia hatrany taminy, i Neny sy ireo delegasiona maro avy amin’ny movansy Ravalomanana sy ny Avana.

Tao Mahitsy no nanombohana izany Feno olona hatrany ny toerana malalaka nanaovana ny hetsika tany an-toerana. Faly sy ravo ireo vahoaka nahita maso an’i Neny sy ny kandida atolotry ny movansy. Nisy hatrany moa ny fifandimbiasam-pitenena natao tamin’izany. I Neny raha nandray fitenenana dia naneho ny hafaliana fa nifanatri-tava amin’ny vahoakan’ny Mahitsy.  Mila manana vahoaka manao ny adidiny isika ho izy ary mahafaly an’i Neny dia mahita vahoaka hendry. Ny angatahana amintsika hoy izy dia tongava mifidy ilay favori, mialy amin’ny fanantenana, rehefa hitantsika fa tsy misalasala intsony dia mandehana mifidy an’i Dr Robinson. Dokotera kosa raha nandray fitenenana dia nilaza fa 5 taona no nahatonga antsika ohatra izao. Marary ny firenentsika, ka mila dokotera, inty aho Dr Robinson hoy izy ilay favori. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorany ny fandaharan’asa ho entiny hampandrosoana ny firenena, kany voalohany amin’izany dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana, manome toky anareo aho hoy izy fa vao tonga eo dia eo an-kavanako izy. Atao maimaimpoana ny lafiny fampianarana amin’ny ambaratonga voalohany, omena asa ny tanora ary ny miaramila dia omena lanaja. Hamboarina ihany koa hoy izy ny autoroute.

Ambohindratrimo

Rehefa niala tao Mahitsy dia nizotra nakany Ambohindratrimo ny dian’ireo delegasiona mafonja nanentana ny vahoaka hifidy ny kandida Robinson. Efa feno olona nitadahatra eran’ny làlana izay nandalovana nitsena azy ireo. Efa tomefy olona ihany koa ny sisin’arabe tao Ambohibao izay efa niandry ny delegasiona movansy Ravalomanana sy ny Avana. Nafana ny nandraisan’ireo olona izany.

IVATO

Nifarana tao Ivato ny fampielezankevitra tamin’ity androany ity. Faly avokoa ireo mponina izay tonga nanatrika ny fanentanana tamin’izany. Tsy nisy hetsika ankalamanjana fa teny ambony sono mobile no nanaovana ny hetsika. Aiza i Neny hoy ny hikiaka nataon’ireo olona marobe tonga nanatrika. Horakoraka tsy nifandrenesana no nasetrin’ny vahoaka ny fahitana an’i Neny. Ity farany raha nandray fitenenana dia naneho hatrany ny hafaliany nahita ireto vahoaka ireto. Nambarany fa entano ny olona hifidy amin’ny 25 oktobra 2013 izao dia ny Dr Robinson izay favori. Ny kandida Robinson dia mbola namerimberina hatrany ny fandaharan’asany tamin’ireo vahoaka tonga nihaino teny antoerana. Tsy maintsy mandresy isika hoy izy ary 1eur tour dia vita. Fahombiazana tanteraka hatramin’izay nanombohan’ny fampielezankevitra izay ny an’i kandida Dr Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana.

40 pensées sur “LALAO RAVALOMANANA : MILA VAHOAKA MANAO NY ADIDINY ISIKA”

  1. Aza miafiafy ianao r’Ingahy Robinson !

    Mba lazao amin’ny vahoaka ny raharaha « Tozzi Green » sy ny namarotana ny BNI ! Sady tsy mazava no VOARARAN’NY TONDROZOTRA !!

    Tantaraho amin’ny vahoaka ihany koa ny resaka CSPI, sy ny fahoriana mahazo ny Air Mad izay FANANAM-PANJAKÀNA ! Ampahafantaro an’ny vahoaka iza no mitantana an’io orin’asa io amin’izao fotoana ! Azo ekena ve ?

    Mihaino ary manaraka tsara ny kabarinareo isan’andro izahay ! Mba miangavy re, mba asiana bemôla kely ilay resaka autoroute na dia ilaina aza ny lalana manarapenitra toa ireo nataon’ny Filoha Ravalomanana !

    Mba averintsika fotsiny ny fanamboarana ny lalana rehetra hoe ! Miala tsiny rahatoa ka maneho hevitra ny madinika !

  2. @ izao fotoana ny fifidianana izao dia ny olona tsotra na candidat manaratsy be fahatany ny mpifanandrina aminy dia mitarika ankolaka ny olona tsy hifidy azy ireo.Toetra ratsy mantsiny zany manompa na miteny ratsy ny adversaire-ny zany , ka izay toetrany izay no tsy hitiavan’ny olona azy sy ny olona tohanany.Koa samia misaina tsara alohan’ny itenenana.Aza mihevitra ny gasy ho vendrana foana.

  3. Ilay famantaran 5/5 n’ny Neny no manavanana sy mahasarika ny olona kokoa fa tsy ity 33 ity. Tokony samy hatao daholo.

  4. Otran’ny tiako be izy izany!!Velombelona indray ny Gasy ! mankasitraka tompoko isany ô!!
    Tsy dia ilaina tokoa ny tsikera Kintana fa aleo eo @ fiodinana faharoa no MANALA AZY a!!
    avelao hilamina fa ny vahoaka tsy MITAMPINA akory ary mbola ho azontsika koa ny TV hanelezana ny zavatra tsy nety rehetra.
    Tiako be fa tsy dia be safara Rangahy ka ho hita eo e!!aleo aloha tsy dia ho be teny.
    Ary rahoviana ihany i dada hono no hody???
    Tiako be koa ilay vahoaka nitady an’i Neny , tena TOHINA MAFY NY FOKO!!mamy be anie izany Neny izany e!!!
    Dia ilay Dada sy Neny ilay nifampitady t@ tėlėphone …..tena ONTSA BE ZA!!!!lasa zao,tsa mipoly koa!!!
    Homba antsika mandrakariva Andriamanitra!!

  5. Atrizao dia mety ny resaka sy diniky santatra..Tsy maintsy mifanaraka amin’ny toro-hevitry ny  » comité directeur de campagne « , fa tsy izay hevitra mievitrevitra dia ho raisina !

  6. OK. MATOA NY MPANOHANA MANEHO HEVITRA ETO DIA MISY DIKANY LALINA IZANY. KOA TSARA MBA AMPITAINA AMIN NY MPANDRINDRA NY FAMPIELEZAN KEVITRA. NY MPANDRINDRA KO TOKONY MIJERY ITONY FAMPITAN KEVITRA ITONY SATRIA SERA ZANY.
    AOKA TSY HO ENTI MIONDRIKA NY MAHA-GASY AHY SY ANAO. FANDROSOANA = JLR, FAHANTRANA = FOZA ORANA HAJO HERY CEMILLE VONINAHITSY EDGARD
    MAMPAHERY NY KANDIDA JLR. FANTARO FA ANY AMBADIKA ANY BETSAKA NY OLONA MIASA MANGINA SATRIA MBOLA RAVALO ALO NO NAHAVITA NY TSARA INDRINDRA TETO. ANTENAINA FA HAHAVITA BETSAKA SY TSARA LAVITRA IANAREO RA MIARAKA.
    ALEVENO IM 10 MANDIFOTRA OLONA NY FRANTSAY FA MPANANAKA AMIN NY LAFINY REHETRA FA TSY MAMPANDROSO

    NAMPALAHELO NY NAHITA AN I VONINAHITSY NADEHA LIMOUSINE NEFA NGA OLONA 200 NO NANOTRONA AZY TEO ANKAZOMANGA. MITRANGA FOANA NY TENA MARINA E

  7. zay zah vo mba tsirim-panantenana!!! ela ny ela! raiso ny andraikitra ry MALAGASY fa ref betsaka isika no mifidy de resintsika ho azy ny ala-bato!! reseo ary roasy hiala any reo saribakolin’ny frantsay reo fa efa hatr@ fanjanahantany no efa nijaly ny MALAGASY noho ny nataon’ireo!

  8. OK RNS. TSY VOATERY MANDEHA PROPAGANDY ISIKA FA METY SAMY MANANA NY SEHATRA HAMPITANA VAOVAO SY HANDRESEN DAHATRA FA I JEAN LOUIS ROBINSON NO AFAKA HANDROAKA NY FRANTSAY FOTOTRY NY FAHANTRAN NY MALAGASY ETO
    TSY MAINTSY MANDRESY NY TENA MALAGASY

  9. « Tsy dia ilaina tokoa ny tsikera Kintana fa aleo @ fiodinana faharoa no MANALA AZY a » !

    ranavalona :
    – Miandry fiodinana faharoa izany mihintsy angaha ianao io ?
    – Tsy hoe, 1er tour dia vita angaha ny tanjona ?
    – Hiandry volana desambra ve ??

    Tsy lasa mihintsy izany, ka manao aza fady amin’ny fihavanana !!

    Matoa mandroso hevitra eto dia misy antony ; ary izay mamaky an’ity soratro ity, indrindra fa ireo nandeha sy nahita ny zava-nitranga tany Talatan’i Volonondry dia tokony hahafantatra ny tiako ho lazaina !

  10. Azafady lesy fa misy zavatra tsy arako koa anie e!!
    Araka ny fahitako azy dia maimbo rà daholo ny olona ka tsy dia tsara ny mbola
    hanisy lasantsy ny afo sady vao manomboka ity ka aleo hilamina aloha fa sao vao maika manimba zavatra.
    Efa lasa anefa ny torohevitrao ka mino aho fa ho ataony @’ilay FOTOANA MAHAMETY AZY.
    Efa zaza hendry bavy ka mandamina lesy fa miala tsiny a! asa raha azonao ny tiako hambara??

  11. gasy aho, misy zavatra azo lazaina eto ary eo koa izay ho lazaina hoe « tsiambaratelo » ; noho izany miala tsiny aminao aho rahtoa ka tsy arak’izay andrasanao ny valim-panontaniana omeko.
    Na izany aza, ireo mahafantatra dia mahazo tsara ny tiako ho lazaina satria maro amin’izy ireo angamba no mihiditra ato amin’ny MyDago !

    ranavalona,

    Asa na mitovy na tsia ny resaka, fa izao fotsiny ê :

    – Rehefa noterena handray anjara amin’io fifidianana « kitoatoa » io ny Fiherenana Ravalomanana, dia tsy maintsy atao ny hezaka ary raisina araky ny voalazan’i Ramatoa Ravalomanana ny adidy ! 1er tour dia vita ihany no ady eo !

    – Tsy tokony hisy kisafosafo sy bizou-bizou amin’ireo mpanongam-panjakàna sy ny tariny izany ! Zo ary adidin’Andriamatoa Robinson ny milaza ny marina rehetra amin’ny vahoaka !

    – Lazaina amin’ny vahoaka ( maro ny tsy afaka mividy gazety ary ny ankabeazan’ny radio tsy mitantara ny zava-misy ) ny ratsy vitan’ireo mpanongana ireo, atramin’ny nangalarany ny fahefàna.

    Ny praograma indray dia efa ny fanohizana an’izay natomboky ny Filoha Ravalomanana ; fa ilay « voambolana auto route », miala tsiny aho tsy dia mety « amiko » loatra.

    Io farany io ve no lazainao fa hoe « tsikera » ? « Soson-kevitra » io amiko fa tsy tsikera velively ! Izaho tsy hijery arona an-tava sy hisolelaka, toa ilay olon’ iray izay ato !
    Efa nolazaiko vao tsy ela hoe, sao dia ho raisin’ny vendrana tahak’ilay resaka 4 L indray io ! Ankaotr’io, dia mety amiko !

  12. 2 ny mpisolelaka ato fa tsy iray .
    De any @’iza io vola be io hono???ary misy vola ihany ao izany fa fanainiana vonoina mihintsy ny vahoaka an??
    MAHONENA!!!
    eny e raha ny mari2 ve tsy ho izay hoe: » 1 er tour  » ??? saingy …………
    ary mba manahoana ny Radio sy TV ve efa mba nisokatra ho an’ny maro sa izay manome tsolotra ihany???

  13. Ny tena mampalahelo dia ny gazety !

    Tsy mamoaka vaovao raha tsy omena an’ilay « mendrik’azy » na « felaka » moa no fitenin-dry zalahy izay !
    Dia na gazety tokony hivohy ny marina sy hiaro ny ara-dalàna aza, dia tsy menatra manao « dokam-barotra » ho an’ireto tsy alehany ireto !

    Aiza ity atao hoe « fahendren’ny malagasy » ity ? Mba jereo anie ny isan’ny lahantsoratra natao « hanohanana » an’ireto foza ireto ê !
    Vola avy aiza, na volan’iza anefa ?

    Nisy niresaka tamiko. Nanao sondage hono ny frantsay, ary mihaotry ny 80 % no manohana an’i Dr Robinson ao Antaninarivo !

    Na marina, na fika entina hamitahana an’ireo kamo be tenda indray ! Tsy hanao ny adidy, tsy hifidy satria efa betsaka ireo « solon-tena » vonona hisahirana sy hilahatra !
    Tsy maintsy mandeha mifidy daholo izay mbola afaka manao izany ! Na ireo sahirana, marary na malemy aza, dia tokony mba ampiana !

    Tsy vitan’ny hoe zo fotsiny ny mandeha mifidy, fa adidy sy andraikitra lehibe tsy maintsy raisina, ho fanoherana an’izao fanambaniana ny vahoaka malagasy izao !!

  14. Ity hitako tao amin’ny ampitampitao:

    Diniho kely ireto, azafady, dia hazava aminao ny fahamarinan’izany :
    « Nafana fo ny fokonolona, ka tafatsangana haingana ny sekoly. » Izany no fiteny, fa tsy hoe : « nafana saina » ny fokonolona… »
    « Niteraka risipo tao amin’ny vahoaka ny kabarin’ilay olomboafidy », fa tsy hoe : « niteraka risitsaina. »
    « Namoifo ny vahoaka fa fitaka avokoa ny toky nomena … », fa tsy misy amintsika malagasy izany hoe « namoisaina ny vahoaka. »
    « Nahafapo azy ny zavatra reny tany am-pivoriana… » fa tsy hoe « nahafa-tsaina azy ny zavatra reny. »
    « Vao reny ilay vaovao dia nentim-po izy ka lasa … » fa tsy misy amintsika izany hoe « nentin-tsaina. »
    « Dia mba samy nahazo fahafahampo ny mpihaino rehetra, » fa tsy misy ny hoe « nahazo fahafahan-tsaina ny mpihaino. »
    « Nanala ny fony izy raha vao nandre ilay hafatra nalefa taminy. Fa tsy fiteny ny hoe « nanala ny sainy » izy.

    Mbola azontsika tohizana ireny sy ny tahaka ireny, fa be dia be. Mazava amintsika àry izao fa ny fo no tanamilina ao anatin’ny olona, ka manentana ary manome azy toetra entiny miatrika toe-javatra iray. Ny enti-manentana ny fo kosa anefa, dia ny Teny ihany.

    Koa raha te hanentana ny fon’ny vahoaka amin’ny Fampandrosoana isika dia ny Teny Malagasy ihany no afaka manao izany. Dia teny malagasy madio, tsy safiotra na vandambadana. Teny malagasy feno ohatrohatra amana ohabolana sy hainteny, fa ireny no mamoha varavarana ny fo.

    Izany tsy akory tsy midika hoe : foany sy avalony any izay teti-pandrosoana amam-pivoarana novolavolain’ny saina, na fafao avokoa izay rehetra noheverin’ny saina. Fa azo atao tsara kosa ny mampisoka sy mampando Teny Malagasy azy ireny, ka hahatonga ny vahoaka hahatakatra avy hatrany izay lazaina aminy. Na inona na inona mantsy hasoan’ny tetika sy paikan’ny saina, raha tsy voampaly amin’ny Teny Malagasy dia tonga amin’ilay hoe : « langilangy zozoro, mitefoka ihany fa tsy maharary, ary rano an-damosim-borombazaha : mitosaka ihany fa tsy mahakotsa ». Ary raha tsy teny malagasy no anentanana ny fon’ny vahaoka, dia « sasara ny olon-ko hariva ny andro hoy ny ntaolo, fa sasa-poana manao saha maina fa tsy ho tompon’ny tany tsy akory ».

    Rahateo, mbola malagasy tsy mahay teny vahiny, na izay dikan’ny nvoambolana vahiny milaza haitao sy hairaha ny 85 isan-jaton’ny malagasy tian-koentanina eto Madagasikara. Izy ireo, anefa, no kitro ifaharan’ny fampandrosoana, koa raha tsy Teny sy Fiten y azony am-po no itaomana azy dia horaisina ho didy aman-dalàna fotsiny ny toro-lalana omena azy, na sanatria aza, raisiny ho asa an-terivozona mihitsy ny paika rehetra torina aminy, ka sady tsy inoany no ataony fe ataony noho ny tahotra izay mety ho vokany avy eo. Raha tsy hoe, angaha, ho vitan’ny manampahaizana sy ny mpitndra samirery ny fampandrosoana ity tany ity, fa avela ho mpitandamba fotsiny ireo 85 isan-jaton’ny malagasy ireo.

  15. HAFATRA HO AN NY MPANDRINDRA NY FAMPIELZAN KEVITRA AVANA -MOUVANCE RAVALOMANANA. TSARA AMPAHAFANTARINA MIALOHA NY OLONA. OHATRA ILAY TENY AMY MAGRO ANDROANY. TSY MISY FAMPAFAHANTARANA MIALOHA MIHITSY. MARAINA VO NAHALALA TAMIN OLONA FA MISY FAMPIELEZAN KEVITRA TENY.
    TSARA HATRANY VOKATRA REHEFA TSARA NY FANOMANANA.

    RAHA TE HIALA AMIN NY FAMPAHANTRANA ISIKA DIA FONGORY NY FOZA REHETRA (FRANTSAY NO AO MABADIKA). FIDIO ROBINSON NATOLOTRY NY FIREHANA RAVALOMANANA.

    TSY MATY SATRIA AO AMPO SY AO ANTSAINA NY ADY SY TOLONA NANOMBOKA NY 2009. ILAINA NY FAMPIELZAN KEVITRA TOY ITONY MANAITRA KELY AZY DIA TENA VELONA TSARA.

    1 ER TOUR DE VITA JLR.

  16. Milay eeeeee!!!
    « Avereno aminay ny dadanay  »
    Miverina ho azy izy fa aza taitra eeeee

    Ary te hanambotra an’iza indray ny FOZA fa nisy nanimpy « vovoka kapoaka » indray hono ny CES ny lehibeny mihintsy an???

  17. Ekena à 100 % ry gasy aho !
    Mpamboly ny 80 isan-jaton’ny malagasy, ary mahafantatra tsara fa ny vokatra dia miankina amin’ny fikarakaràna ny tanim-boly, ary koa ny fikojakojàna an’izay zavatra volena !
    Azonao angamba ny tiako ho lazaina, ary mety ao anatin’io ny valin’ny fanontanianao iray !

  18. Le vin est tiré, il faut le boire dès maintenant. Ne pas attendre le mois de décembre, pour qu’il ne puisse pas de tourner au vinaigre !!

    Autrement dit : 1er tour de vita !!!

    Noël 2013 sera l’un des plus Joyeux !!!!! MDR !!!

    Ary mba nankaiza i HoAiza-ko izay ???

  19. Mba esory kely ny « de (tourner) » aza fady ! Sady mieritreritra an’izay fandranitana no manoratra ! Hi hi hi !!!

    Raha izao no mitohy, tena hilay be ny Krisimasy 2013 !!!

  20. MILAY BE ILAY HOE « TE HANOKATRA FERY VAOVAO »INDRAY HONO NY FOZA MIARAKA AMIN NY HERY VAOVAO. TSY ILAY FERY AKORY NO MILAY FA LE HEVITRA AMIN ILAY FEHEZAN-TENY FENO NARAHANA FANONTANIANA NAVOAKAN I MAITRE HANITRA.
    TENA MANAITRA NY TENA MAHAGASY LE HIRA « AVERENO AMINAY ».

    EFA TSARA DR JEAN LOUIS ILAY TENA MAMOTSITRA NY VAY. DOKOTERA IANAO KA AZA MATAHOTRA MANDRAY LE « PINCE » KELY FAMOAHANA NY NANA INY. TENA « FERY VAOVAO » MARINA MANTSY RA VO TSY VAKY INY. FANTATRAY FA EFA EO AKAIKY EO NY BETADINE SNS. FONGORANTSIKA MANTSY NY FOZA ORANA HOY IZY. ARY TSY MAINTSY MIVERINA DADA.

    TOKONY HATSARAINA IHANY KOA NY FANAJANA ORA SATRIA BETSAKA NY OLONA NO MANDEHA TONGOTRA LAVITRA ITAOSY -TANJOMBATO HONO ILAY OLONA 3 MBA SENDRA NIRESAKA ARY NODY ALOHA IZY FA TSY NAHANDRY.

    MAHAVELOM BOLO FA MBOLA BETSAKA NY TENA TIA TANINDRAZANA. MIPAO TSATROKA AMIN NY LUC SY MAHERY IZAY METY MBA NAHAZO VOLA BETSAKA IHANY KO RAHA TANY AMBADIKA TANY. HIRA TENA MANOME AINA NY TOLONA NO NATAONY. TOY IZANY OZY MIANAKA ARY TSYA LAZAINA TSONY BODO…
    MANANA ADIDY ISIKA REHETRA ARY AFAKA MIASA AMIN NY TOERANA MISY AZY AVY MBA HAMONGORANA NY FOZA ORANA. FAHAVALON NY FIRENENA SY NY TARANAKA.

    50000000 FMG NA AR 10000000 ARAKA NY FANTATRA NO AZON NY BEN NY TANANA TIM MBA HIARAKA AMIN I HAJO. MIAMPY NY JINJANY TAMIN IREO LALAM POZA KELY ELAKELAN TRANO SY ARABE VITA PAVES. MILA ASIANA SORATRA IRENY HOE « LALAM-POZA … (ANARAN NY BEN NY TANANA SY HAJO » FA TSY RUE ….

  21. Mijery Dreaming tv fijerin’ny tanora: kiriko mahita itony Camille & Hajo, miseho milay eo amin’ny fangalarana fitondrana,
    kay nefa tena ZERO eo @ chorégraphie publicitaire no RIGOLO raha mba mihetsika kely ny vata-tenany

    I Pierrot: mampatory
    ________

    Ito aho ra-KM ô: Miainga avy amin’ny post-nao ery ambony MISAOTRA KINTANA AN!
    Dénoncer dénoncer les malfrats

    Rehausser ireo asa vita nefa nopotehina, ohatr MAP: nohezahin’ireto tsy vanona nangalarina – nosolokoina atao sora-dia

    Ny any ambanivohitra ê: agro alimentaire

    ________
    Misia mande any @ faritra atsimo,
    de rehefa roa andro alohan’ny fifidianana dia MIJANONA any mihintsy!

  22. Tena nahatsapa angah Kintana fa nangidy ny Fetin’i Noely hatr’izay
    fanonganam-panjakana izay???marina izany lesy ( sento kely…..)tena nangidy tokoa .

    Mba olona ve ireto tanisainao eto ambony ireto ry Hoaiza???ary mba mazoto kosa sė mijery ireto
    alika tsisy fehy vozona rehetra ireto an (MDR).

    Azafady fa hadinoko ny nisaotra an’i Bema t@’ilay hira dia misaotra an’i Bodo TSY NIVADIKA , tiako be bodo!!!
    mankasitraka ry Dà a!!faly be za! afa-po koa @’ilay hira,hisaorana koa ny vahoaka fa MAHAY MANKASITRAKA.

  23. Tsy tia hiteny aho hoe ankaotr’ireo mpanongana, olona efa maty eritreritra no nifaly nandritr’izay dimy taona izay !

  24. Tsy maintsy mandresy JLR e! Mifidy Jean Louis Robinson isika rehetra. Tsy misy boycotte na vato fotsy izany eo!
    Resintsika ireo foza nanimba, nangalatra, nandroba ary namotika firenena ireo e!

    Ry Hery totakely(n’i madagasikara)
    Ry Camille vita alina
    Ry roland ratsy
    Ry Noé sambo rotika diso gara
    Ry Hajo boboka
    Ry Pierrot le sola
    sns, sns.

    Lasa izao, ary mandresy no tanjona. Raha mangala-bato ireo dia efa vonona izahay handeha @ étape manaraka e!

  25. fidio Robinson de hiakatra ny vidin’ny vokatra ny tantsaha izay lazaina fa 80% eeeh!!!miakatra ny vidin’ny ronono ny vary ny rehetra eeeh,de samy hanao krismasy sambatra daholo eeeh.
    tena saika tsy hifidy aho fa tsy maintsy hifidy indray sady hiantso ny akama daholo hifidy,satria ireo foza indray zao no kivy de mitarika olona tsy hifidy fa mody hoe be loatra ny mpilatsaka e….rannno e,FALY AHO TENA FALY AHO FA HODY I DADA mba hiadana ny havanay rehetra any Ambanivohitra de samy ho tahin’ANDRIAMANITRA daholo e azaadino fa « TONGA MIARAKA NO FANOMBOHANA ARY MIASA MIARAKA NO FAHOMBIAZANA »
    33,4*4,55 milay daholo ireo e 33:JLR 4*4:DADA 55:NENY tokotelo mahamasaka ny nahandro eee

  26. Miaiky za Beloha a!!tena marina!!!
    Aza mbola be famaritra aloha e!!aza misika raha tsy tafavoaka ny ala.
    Manilika aloha dia manadio izay vao MANARINA fa mbola ezaka be Beloha a!!

  27. zaho an,olo-tsotra tsy mahay politika fa ny asa vita ihany ka noho izany, ny havanay rehetra tany ambanivohitra rehetra tany tsy mba nahatsiaro sambatra raha tsy tamindRa8 ka noho izany izaho no mba solontenjareo akany ,tsy maintsy manentana aho indrindra ireo atao hoe ambassador ny tantsaha misera ato mba hanentana andry zareo hifidy 33 LJR satria io no hampody an’i DADA izay antoka mampiverina ny fiadanan’izireo (IREO TANTSAHA) no tiako ho tenenina.Miadana ireo refa tonga i DADA.
    Tsy be famaritra aho RANA fa MINO tsy hoe MINOMINO FOANA an fa tena MINO!!!! azafady Ranabavy fa tsy maintsy mino de arahan’asa raha tsy izany zava-poana koa arahako asa ny ahy minoa ahy ianao fa miady ho an’ireo HAVAKO TSY MBA AFAKA MITENY AHO eny fa na dia ny sandriko aza no hilaina tsy maninona .azafady tsy hoe masiaka aminareo namako aho fa masiaka ho azy aho raha vao miheritrerritra ny havako mijaly nohon’ny foza.
    I’m first for all.I’m here,rest here until end ….

  28. MINOA FOTSINY IHANY FA MASINA NY TANINDRAZANA. MISY FARANY NY REHETRA RY FOZA ORANA ISANY.
    LASA IZAO.
    BELOHA . NY LALANA TANY AMBANIVOHITRAY – AMBATOLAMPY VAKINAK – TAMIN NY 75 NO NOSOKAFANA DIA TSY NISY FANAMBORANA INTSONY. VITA TSARA IZANY TAMIN NY ANDRON I DADA. ARY TSY NISY FANAMBOARANA INTSONY TAMIN NY ANDRON4 NY FOZA ORANA.

  29. izaho ry Gasyaho an,avy any Ankaratra sy Ambohimandroso Antsirabe. Tamatave izao no tananako.haiko tsianjery daholo ireo tanana ireo. ireo havako ireo(VAKINAK,BETSIMISARAKA) no hiadiako satria izay lay atao hoe antson’ny ra,koa noho izany etano ny HAVANA jiaby hifidy 33 LJR entano zareo eeh

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *