NY DAHALO NO HANAKATONA NY BIRAOM-PIFIDIANANA

IMG_0023

IMG_0023Isika rehetra hoy ny Ct Sandros androany teny amin’ny Magro Behoririka dia samy mahalala fa nisy nytondrozotra izay nifanarahana ary niarananao sonia isika. Nilaza ny Sadc hoyizy fa tontosa io ary nanaiky izany ny lehiben’ny governemanta. Nanao fanerena ny sehatrairaisam-pirenena rehefa izay tiany atao no atao. Tsy nisy kosa anefa hoy izy ny fanerena natao tamin-dRajoelina tsy nanatanteraka ny tondrozotra. Aza mieritreritra fifidianana izany hoy ity mpanao politika ity fa tsy hisy izany. Nambarany ihany koa fa izahay avy any Vatovavy dia tsy miala eto ankianja raha tsy tonga i dada, ary vonona izahay amin’ny fivoahana rehefa mahazo baiko. Ny Ct Tsianihy kosa dia nilaza fa isika tsy manaiky ny hanaovana fifidianana raha tsy atao ny fampihavanana, raha tsy tonga i Dada, raha tsy mandray anjara ny movansy Ravalomanana. Izaho mino hoy izy fa isika eto Antananarivo dia tsy ho tonga any Betroka, ka noho izany iza no hanaramaso ny biraom-pifidianana any. Ny dahalo hoy Tsianihy no hanakatona ny biraom-pifidianana voalohany, tsy isika no manome baiko fa Andriamanitra. Raha niteny Atallah hoy izy fa efa voatonta ny bileta tokana. Ny zavamisy anefa dia tsy nety nanatonta izany ny ao Afrika Atsimo rehefa tsy misy vola. Hay misy vola ihany ilay izy hoy Tsianihy fa tsy araka ilay nolazaina. Ahita loza hoy izy izay hanatanteraka io fifidianana io. Ny Ct Hilarion dia nanambara fa Beriziky no sakana amin’ny tsy fampodiana ny filoha Ravalomanana. Izy no nilaza fa nytondrozotra no mibaiko azy nefa tsy tanteraka izany. Ao anatin’ny tondrozotra hoy izy dia milaza fa avelao halalaka ny olona haneho ny heviny, kanefa ahoana no hidina ny radio. Mikasika ny fidinana an-dalambe dia nambarany fa miandry toromarika avy amin’i dada izahay fa rehefa miteny izy hoe tanteraho dia ho taritiko io na higadra any am-ponja aza.

13 pensées sur “NY DAHALO NO HANAKATONA NY BIRAOM-PIFIDIANANA”

  1. RAHA TSY MISY IO FIFIDIANANA IO DIA I Rajoelina Andry fako no faly fa ho tafajanaona ela eo @ io tetezam bo io izy ,ary hihemotra enim bolana indray io fifidianana io dia ho Hahilin izy sy ny colon indray Ny candidat tsy hilainay .

    KOA NOHO IZANY ,RAHA TSY MISY NY FIFIDIANANA DIA TOKONY KARAKARAINA KOA NY ASIANA AN i Rajoelina Andry .

  2. Tsy misy mpandrindra angaha ny site no teny fanompana ohatr’izao ataon’i denise izao dia avela eo maharitra oh !

  3. Eo ihany aloha tohizo ihany ny hafokana fa hotsarain’ny karatra eo ihany! Izao ny izy samy izy no mifanala baràka amin’ny varo-boba atao amin’ny BNI, fa misy maty ny tosi-drà nohon’ny tsindry samy foza. Alefa fa izahay mijery é!

  4. Fanontaniana tsotra : Iza no faly miara-miasa amin’ny dahalo amin’izao fotoana ? Miara-miasa amin’ny dahalo, dia miray tsikombakomba no dikany !

    Mba asio resaka sy fandinihina kely ny antony nahafaty an’ilay dadatoan’ny mpanongana vavy, dia ilay governora-n’ny Banky foibe izany !
    Lasa ihany ny saina mantsy, satria raha tsy diso ny tenako dia ny Banky foibe no mpandrindra ny famoahana ny volamena izay haondrana any ivelany ; ary eo koa moa, ny raharaha samy hafa toa ilay seky sandoka mitety 20 miliara (izay nandefasana eny Tsiafahy ireo mpiasa rehetra be tantara) ; dia izao indray, tonga io raharaha mahakasika ny Crédit agricole sy BNI io, izay marihina fa anisan’ny fandikàna mibaribary an’ilay tondrozotra!

    1) Matin’ny fandrahonana ?
    2) Namono-tena ?
    3) Nisy namosavy ?
    4) Matin’ny aretina (izay tsy eken’ny fianakaviany sy ny namany ) ?
    5) Maty, tsy nahazaka ny lanjan’ny nenina sy eritreritra, satria tsy maintsy mifarana amin’ny fitsaràna ny natao rehetra ?

    Inona no tena marina, ary iza indray no hanaraka an- dRatompokolahy izay lasa namonjy an-drenin’ny vadin’ny mpanongam-panjakàna ?

    Manao ny asany marina ve ny Fitsaràna ??

  5. Ingahy Ravalomanana Marc indray zao no ambadik’io famonoana ny gouverneur io! Ingahy Ravalo manko mitady izay irika rehetra mba hanakorontanana dia io indray no nafitsony!

  6. Aza mody mba ny anaran’ANDRIAMANITRA no enti-miteny eo fa tonga de ny marina lazaina eh… Efa tsy hita intsony ve izay lazaina ao @ magro ao de atramin’ny anarany avy no teni-tenenina??? Ahoana hoy ny didy folo??? mba mieritrereta eh…

  7. Aza valiana fotsiny izay teneniny i Denise fa izy aza mampalahelo fa adaladala miteniteny foana, aleo izy hanoratra eo foana fa aza mety rangitiny fa manjary mitovy aminy, ny olona haotrany i Denise itony dia mamelatra ao anatiny lehilahy zato.

  8. Vola adala Tompo sy harena adala-tompo Kintana a!

    ireto mody denise sy ny tariny ireto olona iray fa mody mitapy ,miakapokapoka fa
    tsy nahaomby ny tetika hangalarana ny toeran’i neny.

  9. Toa marina ny voalazanao ry elas !
    Avelao ny dahalo hanokatra sy hanakatona ny biraoam-pifidianana, satria izay no sitraky ny rehetra !
    Aoka izay ny resaka be ! Tsy ho vokin’ny lalitra ny vahoaka malagasy, fa vary ihany ny azy na inona na inona ataony miarak’aminy ankaotry ny lalitra !

    Mba diniho itony, ary nofinofiso raha matory sy mitsangàna raha tonga saina !

    « La francophonie :  » Ce sont des valeurs, la liberté d’abord, et aujourd’hui même je n’oublie pas les populations francophones dont les libertés fondamentales sont bafouées et dont la sécurité est menacée ».

    « Hier c’était le Mali, aujourd’hui ça peut être la République démocratique du Congo (???). Partout où un pays francophone voit ses droits bafoués, nous devons, nous les francophones, être les premiers à venir leur apporter notre solidarité et notre concours ».

    « Vous avez RAISON DE VOUS INDIGNER FACE AUX MEURTRIERS,… et à la crise économique ».

    Extraits du discours de F. Hollande lors de l’ouverture de la 7e édition des jeux de la francophonie !!!!!

    Pas d’indignation, ni d’action ???? CONSENTEMENT manara-penitra !!!!!

    https://www.jeux.francophonie.org

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *