RAHA TE HO TAFITA ISIKA DIA NY BAIKON’NY FILOHA RAVALOMANANA NO ARAHANA

mydago.com-magro 17 sep 13 (15)

mydago.com-magro 17 sep 13 (15)Takiantsika hoy ny Ct Horace androany teny amin’ny magro Behoririka ny fiverenan’i Dada eto satria izy naongan’ny sasany, nefa lany tamin’ny fomba ara-dalàna izy. Mifikitra amin’izany isika hoy izy satria nitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny tenany ary samy mahatsapa izany isika. Izy ihany no hany nanohitra ny fanjanahantany na ankolaka na mivantana , tsy ekena izay fanjanahana vaovao izany. Ho avy ny fotoana hoy izy dia ho avy isika fa tsy hangalatra depart, maro amin’ireo kandida ireo mantsy no nanao fifanarahana tamin’ny frantsay. Ny Ct Tsianihy kosa dia nanambara fa n’inon’inona resahina dia isika eto amin’ny kianja dia efa nahazo valimbavaka. Tsy misy mpitarika ny lohany ny movansy Ravalomanana hoy izy afa- tsy ny filoha Ravalomanana ihany. Malaky manadino isika hoy Tsianihy. Raha nanary ny renin-dRamatoa Lalao Ravalomanana dia nitabataba isika zanak’i dada hoe avelao ny ny zanany hijery nyreniny marary. Ny movansy Ravalomanana hoy izy no fitaovana nampodiana azy teto , raha tsy nisy izany zavatra izany tsy tonga teto izy. Tonga indray ny fifidianana hoy Tsianihy, ny movansy Ravalomanana , tsy afaka miala fa ataon’Andriamanitra fitaovana ka ny Dr Robinson no tohanantsika.Mino aho hoy izy fa io indray no fitaovana faharoa hahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto. Ankoatra izay dia nambarany fa nilaza ny filohan’ny Csc fa tsy nanatanteraka ny teniny ny fikambanana iraisampirenena satria ny tondrozotra tsy nisytanteraka,indrindra fa ny fodian’ny filoah Ravalomanana. Firy volana hoy izy tsy niteny izany izy ireo ka min’izao vao manao izany. Efa milavo lefona ny Csc.Nanafatra ny vahoaka ny tenany , fa tokony handeha mahitsy isika hoyizy , miara mandroso fa tsy tokony hijery an-dranona na ranona. Raha te ho tafita isika dia ny baikon’ny mpitarika no arahina. Ny Ct Ignace dia nilaza fa ny gazety malaza niseho omaly dia nampiseho ny bileta tokana. Ramatoa Atallah anefa hoy izy tamin’ny volana May nilaza fa tazonina ny laharan’ireo kandida. Raha raisina dia banga ny laharan’i Neny. Ny zavatr a hitako ato anefa hoy izy dia ny laharana fahatelo dia Hery Rajaonarimampianina, kanefa rehefa nivoaka ity bileta tokana ity dia laharana faha2. Dikany hoy izy dia nofitahina indray izany ny vahoaka. Ho an’ny olona any ambanivohitra dia sarotra ho azy ny hifidy satria raha ny bileta tokana dia tsy izanylaharana faha 33 izany no ao fa anarana hafa. Ny Cst Login Fanatera dia nanambara fa raha hitantsika tamin’ny gazety dia nametram-pialana ny Cst Naike Eliane. Ny tenako kosa hoy izy androany dia manambara amin’ny fomba ofisialy fa tsy mametram-pialana amin’ny movansy Ravalomanana fa tsy miala amin’ny filoha Ravalomanana. Nambarany ihany koa fa raha tsy tonga amin’ity faran’ny volana ity i Dada dia tokony handray andraikitra isika hanao fanambarana.

13 pensées sur “RAHA TE HO TAFITA ISIKA DIA NY BAIKON’NY FILOHA RAVALOMANANA NO ARAHANA”

  1. mihaino azy daholo rehefa tonga antanindrazana izy. izao aloha dia lavitra ny maso lavitry ny fo. Nilaza izy fa hilamina ny rehetra ny volana octobre 2013 fa mahareta hoy izy; kay efa octobra 2014 izao ?

  2. Hifanarahina kosa aloha fa raha tsy tonga alohan’ny faran’ny volana i Dada dia tsy hisy ary tsy misy hifidy anao eo ry Robinson BASTA

  3. Aza mody fanina ianao ry Rama a! Ianao io mihitsy ilay voavidim-bolan’ny Foza hanakorontana ny sain’ny mpitolona tia an’iDada . Na hifidy ianao na tsia dia mangina fa aza ny olona no lemena saina . Ianao io no antsoina hoe mpiyari-bato vilambava ,zay tondrin’ny molony hafa ary zay jeren’ny masony hafa.

  4. Je trouve que c’est un grand Courage politique que La Mouvance Ravolomanana
    ne se laisse pas faire
    relève le défi de ces Elections
    malgré que Tous soient ligués contre elle
    La France … La Communauté Internationale
    C’est une grande Leçon pour toute l’Afrique
    qui souffre du Joug Colonial
    de garder la Tête Haute
    Pour le Développement de Madagascar Libre et Démocratique …

  5. La Victoire de la France
    c’est que la Mouvance Ravalomanana soient eliminée
    Et elle est toujours debout …
    prête à se battre
    Sauf certains
    qui sous prétexte de garder leur fierté
    commence déjà à retourner leur veste …

  6. Ny Ahy aloha rehefa tsy tonga alohany ny fifidianana ingahy Ravalomanana dia NOFY izany woe:HIFIDY izany, mazava angamba izay, satria tena misy fandrebirebena mihoampampana bé mihitsy izy ity sy fitaka bé, ka izao TENY HIERANA TSARA SOANIERANA GARA, ny ahy mantsy izao, handeha hifidy any i Robinson nefa i Ravalomanana tsy tonga akory, dia izay no vita fa matiny ry ZALAHY ny baolina dia eo isiaka vao hianàhàna mitovy aminy GANA,sady tara loatra mbola lasany ry zareo mpanongampanjakàna indray ny fitondràna, ka voamaika impolo mitovy aminizao ny FAHASAHIRANANA, satria isiaka koa NANAIKY nifidy azy, ka mbola averiko ihany: ITY SY NDAY VAO MIFIDY RAHA TSY IZANY MIHINANA NY MANGIDY;

    MIERITRERETA ALOHA VAO MIPATALOA SAO DIA NY AO ARIANA NO LASA ALOHA

  7. D’avoir écarté toute candidature « RAVALOMANANA M et l » ne constitue pas une victoire mais la réussite des intrigues conconctées par la troika de chissano et la françafrique dont les résultats ont été avalisés par laSADC divisée..
    Oui divisée car le contrat effectué entre les dirigeants de la Nouvelle Troika et le
    Président RAVALOMANANA MARC , qui stipule que le Président RAVALOMANANA MARC ppourrait rentrer à Madagascar s’il acceptait de soutenir un candidat sur les 33 dont l’enregistrement a été validé par la deuxième ces !
    Ce ce contrat apparaît comme un compromis pour sauver « l’inclusivité  » de cette vaidation des candidats soutenus uniquement par des putschistes..
    Il a bien fallu faire participer aux élections présidentielles la Mouvance RAVALOMANANA MARC pour rendre ces élections  » éthiques « ..!
    Oui la Nouvelle Troika a dû trouver curieuse la sélection faite par la ces ,avalisée par la SADC et surtout amplement justifées les contestatins du Président RAVALOMANANA MARC..contre la décision hâtive de chissano ,qui n’ a eu aucun droit à s’occuper des élections à Madagascar..
    Il a fallu équlibrer cette situation irréelle ,assymétrique car unilatéralisée , manipulée au profit des putschistes !

  8. Maintenant il faut élever les débats au niveu des enjeux socio-économiques ,sociétaux , moraux que nécessite l’élection d’un homme ou d’une femme capable , digne , crédible ,fiable et méritant(e)pour rénover et développer le Pays et édifier les Malgaches dans toute leur humanité et les valeurs humaines..!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *