RAKOTOAMBOA JENA LOUIS : TADIAVIN’NY SASANY HO ENTINA ANY AN-KADY ITY FIRENENA ITY

rakotoamboa

rakotoamboaZava-dehibe roa no tsara ho fantatrareo tamin’ny haino aman-jery hoy ny Cst Rakotoamboa Jean Louis androany teny amin’ny Magro Behoririka. Ny voalohany hoy izy dia raha nijery gazety Express nivoaka ny 3 Septambra teo isika izay mazava ao ny geostrategie de la France aty amin’ny ranomasibe indiana, sy ny secret pronfond de la crise à Madagascar. Mazava be , izay tsy ny gazety Express akory no nanao azy fa nalainy tamin’ny gazety mpanao fanadiahadiana tany ivelany tany. Ao hoy izy no ahitana hoe maninona moa ny frantsay no misary gaingy eto hanao izay fomba rehetra hametrahana saribakoliny. Ny faharoa hoy izy dia ny frantsafrika izay nandeha tao amin’ny Tv+ ny fomba fiasany. Ao no ahitana  ny habibiana ataon’ny frantsay sy ny franc mançon rehefa te hametraka ny saribakoliny sy te haka vola izy ka anisan’izany ny orinasa Elf, Total, ary ireo orinasa frantsay izay tsy velona. Ireo tahirinkevitra roa ireo hoy Rakotoamboa dia tsara hanananareo satria misy harem-be eto amintsika toy ny solika, gazy voanjanahary. Isika hatramin’izay ary ny filoha Ravalomanana hoy ity mpanao politika ity, nidradradradra hoe tsy mety raha io fifidianana  atao ankeriny eto Madagasikara no atao. Niala nenina ny movansy Ravalomanana,  nandefitra hatramin’ny farany hoe na dia tsy mitovy aza ny “rapport de force” ao anatin’ny fitondrana, kanefa nanaiky fa hoe raha izay no hamaha ny olana dia ndao hiditra ao isika. Na dia fantatra aza hoy izy fa ny lalàna rehetra izay laniana ao dia resyisika dia niditra ihany . Na dia nanery aza ny frantsay tamin’ny fikambanana iraisampirenena hoy izy ny hampandresy an-dRavalomanana amin’ny NI ..NI.. dia nanaiky ny tenany raha hampandroso ny firenena. Notohizan’ny filoha Ravalomanana izany hoe raha ilaina aza  dia aorian’ny fifidianana aho fa hody  tsy
hampaninona izany. Notenenina indray hoy Rakotoamboa fa hiroso amin’ny fifidianana dia nanaiky isika, fa rehefa narotsaka ny kandidà Lalao Ravalomanana, dia nanao sondazy ny frantsay ka ny 68% an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. May ny frantsay hoy izy ka nantsoiny indray ny saribakoliny, hoe izao indray atao ka io izy io. Ataon’ny frantsay izay fomba rehetra isan-karazany tsy ho kandidà intsony ramatoa Lalao Ravalomanana.Izay hoy izy no fomba fiasan’ny frantsay miaraka amin’ireo mpiaradia aminy. Fomba maro no ampiasain’ny frantsay ka anisan’izany ny COI, ary izyihany koa dia aza adino fa firenen-dehibe ao amin’ny firenena mikambana mandresy lahatra atsy sy aroa. Ny antony hoy ity olomboantendry ity dia averiko indray mandeha fa misy harem-be eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy Bemolanga fotsiny, ary nisy ny lisitra navoakan’ny Elyseé Razaka fa 2 miliara de baril no solika mety ho azo ao.500 de dolara ny solika mety ho azo ao Tsimiroro. Izany harem-be izany hoy izy no tadiavin’ny frantsay ho tazonina satria ireo firenena vao misandratra dia mila izany amin’ny vidiny lafo. Ny ankamaroan’ireo kandida hoy izy dia casserole avokoa ka jereo amin’ny saina tsy miangatra. Hanaiky izany ve ireo 68% n’ny mpifidy hoy ny fanontaniana napetrany? Verezin-jo ka kandida hafa no tiana apetraka eto, ka izany no hitenenana amintsika hoy izy anao ity tany ity, fa tsy an’ny frantsay.Raiso ny andraikitra ary hazavao amin’ny olona manontolo fa rehefa tonga saina daholo ny vahoaka rehetra  dia tsy hanaiky io fifidianana io, tsy handeha hifidy, ary mihahaka eo ny frantsay. Ny fomba handresena ny franceafrika hoy Rakotoamboa dia tsy misy afa-tsy ny demokrasia handraisan’ny daholobe anjara, fitsinjaram-pahefana ary indrindra madio tsar any lalàm-pifidianana. Noho izany hoy izy dia manao antso avo ho an’ny FFKM. Ianareo efa nijoro ary ianareo no atao hoe tranon’ny fahamarinana, tsy mitongilana na amin’iza na amin’iza. Ambavahoana hoy izy ny firenentsika. Hiroso amin’izany fifidianana tsy tiankano tsy tiankano izany isika. Aza andrasana, ampananenoy ny lakolosy, antsoy ny hery velona manontolo eto amin’ny firenena hiaraka hikaondoha hamoaka ny atao hoe “tendance national” , inona no tian’ny vahoaka marina izay fifidianana anti-demokratika ve sa kosa aleo hilamina tsara ny firenena, aleo hiady hevitra ny vahoaka ka na iza na iza lany eo dia manaraka izany ny vahoaka. Raha manaraka izany ianareo FFKM hoy Rakotoamboa dia aza andrasana tafapetraky ny sasany eto ny saribakoliny izay ianareo vao hijoro. Manana adidy lehibe hoy izy ianareo ray amandrenim-piangonana, fa tadiavin’ny sasany ho entina any ankady ity firenena ity.

5 pensées sur “RAKOTOAMBOA JENA LOUIS : TADIAVIN’NY SASANY HO ENTINA ANY AN-KADY ITY FIRENENA ITY”

  1. tsy dia mifanalavitra mintsy ny anaranao mpikabary io sy ny Totoako aty antranako. mivovoha , d
    mivovoha, d
    mivovoha toy ny chien de salon fa ao ankiloty tsisy voniny hoy ny fitenin’ny frantay.
    Ny sefo sarim-bavy mitsaoka sy faly mipetraka ao @ trano be misy zaridaina ( asa mety misy azo fohana koa ao!!! mapalemilemy any radadabe 8 ao!!! ) 38HEKTARANY ZARIDAINA MANODIDINA NY TRANO HONENAN’NY ra8 any Afrika Atsimo ary tranony Frederick de clerk pésida tany taloha!!!
    Faly ampiesonin’ny mpanelanelana voavidy vola sy genabe faly mahazo vola sy faly zanahina toy ireo tany zanatany frantay taloha rehetra …., tsy misy fivoarana fa toy ny biby rehetra misy aty afrika ihany na ny tavany ( chisano, salamao, zuma, mugabé..hayhayhay marikoriko…!!!
    Ny kandida 33 aroson’ny frantay koa dia toy izany: r ratsy iraka izany!!! Mon ami pierot zany!!!
    Vavy niriko zany!!!d gara zany!!! Hajo sns… be nangy tsisy bika fa matavin’ ny vola halatra sy volambahoaka daholo!!! de ny sanana sy valala be mandry (gasy zatra miesona sy kamolahy sy katahotra (lay hoe majorité mangina sy mpandefitra 68%io an!!!)
    very efa nanomboka t@ 1896 namidianan’ praiminisitra …. lay amboa tsy fiteny anarana ny mpanjaka gasy t@ frantsay sy Madagasikara dia zao no vokany.
    Mangina daholo de hoano ny … omen ‘ny mpanjanaka anareo.
    Mazava ngamba zay ry Magro sy ra8 sy ny rehetra…, niaraka isika fahiny ary nanoana anao aho fa aoka izay, avelao ny olona hiady sy andray adidy sy famaky toy ny
    MENALAMBA SY NY VVS SY NY MDRM SY NY MARITIORA T@ 1947!!!

    MIJOROA RY TIA TANINDRAZANA SY MBOLA MISY SAINA KELY MAHITA NY TSY RARINY, MIJOROA HOAN’NY TARANAKA.

  2. Marina ny anao ry Rakotoamboa.Ary ireo mpanao biriky vozongo ireo anie ka miaraka amin’ny mpanao biriky malagasy ary mifanohana ireo.Ireo no tena rangory fototry ny afo ary misimisy ihany ao amin’ireo telo ambin’ny telopolo nilatsaka ho fidina.Mampalahelo fa ireo no mamarina ny firenentsika.
    Asa raha tadidinareo ireny raharaha Ratsimandrava,Joël Rakotomalala sy ny mpiara-dia aminy, ry Sibon Guy sy ny mpiara-dia aminy dia OLO-MARINA daholo.Mandry am-piadanana tompoko isany.
    Mampalahelo ahy Ravalomanana fa mety irery angamba izy amin’izao fotoana izao.Asa aloha fa ho hitantsika eo ny marina.

  3. Mila tonga saina koa isiaka fa tsy mionona amin ny hoe mbola mitady ny harotsaka dia nony mahita dia OLP leo politika e atody tsy miady amam-bato e
    Geopolitique e geostrategie e. Ny miptarika tsy misy e.

  4. RAHA @ TOERAN MISY NY RAHRAHAM PIRENENEA @ IZAO FOTOANA IZAO ,SY NY FANDEHAN NY RAHRAHAM PIRENENENA ,ny fandraisan ny « communauté internationale »(voasaron ny frantsay eto madagasca) dia resaka tahaka itony izay havoakan ny GTT international dia tsy hisy na tsy hampihotsina ireo izay handefasana azy ,ka noho izany dia
    Hiova fihevitra sy fihetsika mihintsy ny Mouvansy ary mbola tia handresy .

    REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

    PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE / Le président

    pour

    H. E- Dr- Slergomena L. TAX

    Secrétaire exécutif de la SADC

    5 Septembre 2013

    Excellence,

    Je suis sûr que nous sommes d’accord que quatre ans et demi, c’est un temps très long à attendre, mais plus encore pour le peuple malgache qui espère voir une fin à la crise politique à Madagascar A cette heure tardive nous ne devons pas sacrifier la stabilité de Madagascar par opportunisme politique. La course récente vers des élections à Madagascar – une entreprise téméraire hors du champ d’application de la feuille de route de la SADC – ne saura pas garantir des élections ni libres et équitables , ni crédibles et démocratiques.

    Je tiens à partager avec vous mes pensées sincères sur les développements récents dans le but d’éviter une crise imminente encore plus grande à Madagascar. Notre pays a été gravement blessé par le coup d’État de 2009 et quatre ans de régime illégal. Madagascar a besoin d’une base solide à partir de laquelle re-construire. Moins ne fera que mettre en mouvement une crise future. Ce serait désastreux pour Madagascar et un revers majeur pour le renforcement de la SADC.

    En Décembre dernier, après un examen sérieux et avec le conseil de SE Jaksys Kykwete ainsi que de mes conseillers, j’ai personnellement décidé de ne pas participer aux prochaines élections. J’ai pris cette décision avec le peuple malgache à l’esprit. J’avais l’espoir que cette décision mettrait un terme à la crise politique à Madagascar , à travers un processus de paix et de réconciliation , ainsi que la mise en œuvre de la feuille de route. Malheureusement , ce résultat n’est pas venu. Le non respect de la Feuille de route représente une importante occasion manquée dans la résolution de la crise.

    Au lieu d’adhérer à une feuille de route préalablement convenue, des partis malgaches sélectionnés, aidés par l’équipe de médiation, ainsi qu’une partie de la communauté internationale, se sont engoufrés dans la tenue d’élections qui ne sont pas libres et équitables. Dans le procédé . ils ont réussi à exclure quelques-uns des plus grands noms de la politique ayant le soutien le plus large à Madagascar. Ils ont aussi prétérité le vote de millions de malgaches qui ne seront plus en mesure de voter en raison des élections prévues pour le 20 Décembre durant le pic de notre saison des pluies à Madagascar. Une telle décision est paradoxale et compromet gravement la légitimité de tout résultat.

    Une de mes conseillères s’est réunie à Johannesburg avec le médiateur de la crise, le Président Chissano, qui l’a informée que les élections auraient lieu sans la participation de notre parti. On nous a dit de soutenir un autre des trente-trois candidats malgré que notre parti n’a pas un seul représentant. Le rôle et les actions des médiateurs sont devenus de plus en plus discutables et franchement à l’encontre d’un Madagascar pacifique et stable. Les actions des médiateurs vont à l’encontre de ce que les leaders des États et des gouvernements membres de la SADC ont déjà décidé.

    Je vous encourage dans votre rôle de chef de file en tant que secrétaire exécutif de la SADC de recommander un sommet d’urgence convoqué afin d’envisager sérieusement les conséquences négatives que cette ruée prématurée vers des élections aura sur Madagascar, le pays continuera à souffrir. La volonté du peuple malgache ne sera pas réalisée. La stabilité ne reviendra pas. Et le développement de Madagascar dans le cadre de la communauté de la SADC ne sera pas possible.

    La voie la plus prometteuse est pour tous les individus et les partis à Madagascar de se recentrer sur un processus qui doit être libre, équitable, ouvert et démocratique. En rapport avec un mouvement vers des élections doit venir la paix et la réconciliation. Enfin, il doit y avoir le strict respect de la protection des libertés des individus ainsi que d’un environnement sûr pour la tenue des élections. Pratiquement aucune de ces conditions n’existe aujourd’hui Nous avons besoin de votre aide pour éviter la grave erreur d’organiser des élections injustes et illégitimes, et à la place concentrons-nous sur le processus qui assurera la plus grande crédibilité

    S’il vous plaît acceptez les assurances de ma très haute considération

    Marc RAVALOMAMANA

  5. amiko dia ny fisian’ny mpamadika toa an’i Mamy Rakotoarivelo no voalohany no tena nandamoka ny tolona. Niditra tao @ io tetezamita sandoka io fa te ahazo seza, manakana ny vahoaka tsy hihetsika fa izay no efa nifanarahana t@ Andry Rajoelina, mamitaka an’i Marc Ravalomanana sy manao tatitra vilana. Olona marobe anie no nahilika tao @ MAGRO tao e, ny FRDL ny PSD, ny Pro-Ravalomanana, ny V.O.T, ny VAMI, sns.. natao resaka fivavahana sy fambotrian-tsaina fotsiny ka teny botry tokoa ilay olona. I Mamy Rakotoarivelo no tompon’andraikitra voalohany t@ tsy fahalasan’ny tolona,miara mihinanana @ mpanogam-panjakana no natao …
    Ny zanak’i Dada anefa tsy maty fa tsy maintsy mbola hiverina indray, ary itony Mamy Rakotoarivelo itony no asiana voalohany.
    Aza hadino anefa fa ny Mpanogasm-panjakana dia tohanan’ny frantsay sy ny miaramila ka ireo koa no tena fahavalo.. averiko ihany tsy resy akory ny zanak’i Dada fa tsy maintsy mbola hihodina io tantara io…
    Mamy Rakotoarivelo DEGAGE…………..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *