Dada : “Tongava mifidy na vavy na lahy, fa izy no mampody ahy”

ROBINSON_ANDAPA_09-10-13 (15 sur 5)

ROBINSON_ANDAPA_09-10-13 (15 sur 5)Mitohy hatrany ny dian’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis miaraka amin’ny Neny Lalao Ravalomanana , notronin’ny Praiministra Lefitra Botozaza Pierrot amin’ny fitetezam-paritra ataony androany. Maroantsetra, Mananara Nord, Antalaha, Andapa, Sambava  no notsidihana .Isaky ny mandray fitenenana i Neny tamin’ireo toerana nalehany dia nanamafy hatrany fa hanangana firenena vanona no tanjona koa aza misalasala hoy izy hifidy ilay « favori ». Hamafiso ny firaisan-kina eo amintsika, ny fiara-miasa miaraka amin’ny antoko avana  sy ny movansy Ravalomanana dia hampandresy ny kandidàntsika hoy i Neny. Ny  dokotera Robinson  no hampody an’i Dada koa entano ny namana sy ny mpiara-mivavaka ary ny mpiara-monina hifidy azy. Lalàna tsara no hitondran’ny dokotera antsika koa fidio i dokotera hoy i Neny. Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Kandidà Jean Louis Robinson no namerimberenany ny fampanantenana ho an’ireo mpifidy azy. Ho tohizana ny lalana izay nataon’ny filoha Ravalomanana.  Hamboarina ny  lalana mikodàna Maroantsetra mihazo an’ny Fenoarivo antsinana, Vavantenina mipaka any Toamasina. Hojerena manokana ny tsy fandriam-pahalemana, ho foanana toy ny andiam-balala ny dahalo ambony latabatra ary hatsangana ny rafitra manokana afaka mitsara ny mpitondra ambony hoy izy.

Ny filoha Ravalomanana indray raha nandray fitenenana tamin’ny antso mivantana dia nanainga ny mpifidy handrotsa-bato ho an’ny kandidà Jean Louis Robinson. “Tongava mifidy na vavy na lahy, fa izy no mampody ahy” hoy ny filoha. Nanantitrantitra ny filoha fa tsy maintsy mandresy isika amin’ity fifidianana ity, rehefa mandresy Dokotera Jean Louis, dia mandresy isika ary handroso ny firenena hoy izy.

 

ANDIAN-TSARY HETSIKA TAO MANANARA AVARATRA

ANDIAN-TSARY HETSIKA TAO MAROANTSETRA

ANDIAN-TSARY HETSIKA TAO  ANTALAHA

ANDIAN-TSARY HETSIKA TAO ANDAPA

ANDIAN-TSARY HETSIKA TAO SAMBAVA

9 pensées sur “Dada : “Tongava mifidy na vavy na lahy, fa izy no mampody ahy””

  1. Mba fantatrareo ve ny dikan’ny hoe mankalaza ny « 14 oktobra » indray i Gasikara –
    tsy fiasana nefa andraisana karama mantsy ny datin’io @ alatsinainy ho avy iry

    ????? 14 octobre 1958: état indépendant MEMBRE DE LA COMMUNAUTE FRANCAISE !!!!

  2. Maha velom-panantenana no mahita ireto vahoaka marobe tonga hijery sy hiahino ny hafatra i Dada sy Neny ary ny Dr Robinson betsaka ny ezaka tokony mbola atao mba hazava ny fandresena ra izao ny mitohy dia ho lavo tanteraka ireo fahavalom-bahoaka nampitondra faisana azy nandritran’ny dimy taona izay ary ny tena tsara dia mba indray miodina ihany dia ho lany ny candidatsinka .
    Hombatsika mandrakariva Andriamanitra

  3. Dr CELESTIN Robin dit :

    09/10/2013 à 21:05

    Nanantena mafy ny »coup de force ou coup de tête « namapanaovin’ny françafrique azy rajoelina : fanampiana ara-bola ,fab=nampiana ara-pitaovana miaramila ,fanampiana ara-diplomatique…nefa dia atody lamokany no navoakan’i rajjoelina !Ohatrany tapaka ny fifandraisan-drajoelina amin’ny fifandraisan’nt Fitondrana frantsay sy rajoelna..
    Io fifandraisan’ny Fitondrana Frantsay izay baikon’ny Président HOLLANDE FRANCOIS dia tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana izay nankasitrahan’i Sarkozy !
    Tsy nisy ministr’io Fitondrana vaovao ( 15 mois izao no nisiany ) mba nifandray tamin’ity Fitondrana vaovao ity..izay tsy ita maso dia tsy ita maso ,fa fomba moa ny manao zavatra « mangininginina « .
    Ny zavatra mahonena niseho tant Nosy Be : ny frantsay dia nanokatra enquête ,izay nankininy aminy crpj ao Bobigny.Tsy fantatra ny hetsika ara-pitsarana nataon’ny Mpitondra malagasy..
    Ny mahagaga dia ny tsy rototra na no tsy mamaky loha ny Malagasy..
    Tsy misy firaharahiana ilay zazamaty : mba manampy ny rayamandren’ity zazaaty ve mpitondra ?
    Ny Fitondrana frantsay dia sahirana fa ity rajoelina nasoasovin’ny françafrique dia napetrapetraky ny françafrique , izy tsy miankina amin’ny Elysée ,raha ny rafi-pitondrana ara politique frantsay no tsihavina ( domaine réservé-n’i De gaulle izy io )..
    Nanao fanambarana ny Elysée fa hanao vsite d’Etat any amin’ ny RSA ny Président HOLLANDE…amin’ny talata 16 octobre 2013.

    Nous ne pouvons exciure une telle rencontre entre les deux Chefs d’ETAT FRANCAIS ET LE CHEF D’ETAT MALGACHE !.
    Je ne veux pas non plus feindre de ne pas souhaiter une telle rencontre.: ce sera ,pour le Président HOLLANDE la confirmation desprincipes de démocratie , de liberté , contenus dans son discoursà DAKAR…!

    Pour MADAGASCAR et la FRANCE..il faut repartir sur de bonne base dictée par l’Histoire commune douloureuse mais obligée par un partenariat , qui respecte la souveraineté et les intérêts supérieurs de chacune des deux Nations égales devant la Charte des Nations Unies et le Droit de l’Homme et du Citoyen !

    Docteur CELESTIN Robin
    Paris

  4. Izany hono ry ranavalona !
    Misy hira ity, atolotra ho an’ireo rehetra sahiran-doha, indrindra fa io voatonona io ambony io !

    « Misy olona any ambadika any ho any, misy mahatsiaro « anareo » lalan-dava !

  5. Ny 14 octobre 1958 DIA FETIN4NY rEPOLIKA §
    tsy nety ho membre ny Communauté frantsay Isika satria tsy mbola nitsangana ity Communauté ity tamin’io daty io

  6. 14 oktobra ????? ny fantatro kosa dia ny alahady 13 oktobre 2013 dia eny Antsonombe daholo no etanina ny olona, fa ho avy eny ny mpifaninana Jean-Louis Robinson miaraka @ ankolafy Ravalomanana.

    Entano ny manodidina.

  7. Ho faly i Raozy !

    http://www.tananews.com/asides/hmf-contribution-prochaine-campagne-electorale-jean-louis-robinson/

    Hanohana an’Ingahy Robinson ianareo ? Asa na ny ara-dalàna na inona no tena tohananareo fa dia efa tsara izany ! Fa ny vahoaka tsy mila an’iny Péri-Péri iny, sao dia ho péri tsy sazoka any marina iny !

    Démonstration de force amin’ny alahady ! Tongava maro, na ho bloqué tanteraka aza ny lalana rehetra ! Ataovy tahaky ny tamin’ny fitsenàna an’ny Filoha Ravalomanana teny Ivato mihintsy !

    MILA TOERANA MALALAKA HIPETRAHAN’IREO LIKÔPTERA !

  8. Miampy ihany ny fahafaham-baraka !!
    Nanao filaharam-be ireo naman’ilay vazaha saoferan’ny Ratp, ary nilahatra, namonjy ny ambasadin’i Madagasikara !
    Paolisy maro be ary mpanao gazety no tonga teny io maraina io !!

    Ny fiaran’ny ambasady izay efa simba sy tsy misy taratasy « en règle » moa dia efa nafenina daholo !

    Rehefa hametraka fanontaniana ireo vazaha ireo, inona no mba mety ho valinteny azony ?

    « Il n’y a pas d’ambassadeur ici. Demandez plutôt à Mr le Président de la Transition, Mr Je ne serai pas plus nul que l’autre ; plus rapide, à Genève il y a une dame surnommée la Pouffiasse par des journalistes et qui vient d’être nommée ambassadrice (parce qu’il lui faut ce titre avant de se faire botter ou…. le derrière ), et qui pourra vous donner de plus amples renseignements » ?

    http://www.ouest-france.fr/odermin_-Lynche-a-Madagascar-une-marche-en-son-souvenir_40771-2237359-pere-pdl_filDMA.Htm

    Mbola tsy nisy tahak’izao ê !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *