Dada : « Tsy maintsy mandresy isika amin’ity fifidianana ity »

ROBINSON_DIEGO-SUAREZ_10-10-13  -8

ROBINSON_DIEGO-SUAREZ_10-10-13  -8Fahombiazana tanteraka ny hetsika nataon’ny kandidà Dr Robinson sy Neny Lalao Ravalomanana taty amin’ny faritra avaratry ny Nosy. Vahoaka nangorompotsy no nandray ny vahiny tany Ambatoria-Bealanana. Tanana lavitra andriana raha Ambatoria, sompitry ny vary aty amin’ny kaomina Bealanana, kapitaly ekonomika ny faritra mihitsy kanefa noho ny faharatsian’ny lalana dia tsy tafavoaka ara-dalana ny vokatra ka ny mpijirika no mahazo tombontsoa amin’izany. tonga eto aho hoy Dr Robinson hitsabo ny aretinareo. Amboarintsika ny lalàna hoy izy.

Avy ao Ambatoria dia nihazon an’Ambanja. Tsy navelan’ny tompon’andraikitra hanao hetsika teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ny kandidà Robinson. Nanaovana antsojay ny mpikarakara ny hetsika teto Ambanja hany ka niova hevitra nanavao ny toerana hanaovana fampielezan-kevitra. Natao teo amoron-drano izany, tsy nahasakana ny zanak’i dada ho tonga maro anefa izany.

Nitohy tany Ambilobe indray n y hetsika. Karavana lava reny niodidina ny tanana no nanombohana ny hetsika, avy eo nitohy tamin’ny famoriam-bahoaka teo amin’ny kianja filalaovana basikety teo afovoan-tanana izany. Tsy nisy vitan’ny mpanongam-panjakana nandritra ny dimy taona koa aza misalalasala amin’ny fifidianana ny kandidà Robinson hoy ny kandidà notohanan’ny Ankolafy Ravalomanana.

Fa nifarana teto Diego ny hetsika tamin’ity androany ity. Rakotra vahoaka hatrany izay halehan’i Neny sy Robinson, porofo izany fa tsy ho ela dia handresy ny tolona natao. « Tsy maintsy mandresy isika amin’ity fifidianana ity » hoy Dada Ravalomanana raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby, nanentana hatrany ny mpomba azy ny tenany hifidy ny kandidà Robinson.

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO  ANTSIRANANA I

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO AMBILOBE

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO ANIVORANO

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO AMBANJA-SAMBIRANO

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO AMBATORIA

17 pensées sur “Dada : « Tsy maintsy mandresy isika amin’ity fifidianana ity »”

  1. efa akaiky ny fandresena!! mankahery anareo rehetra miara dia @ JLR sy Neny @’zao fampielezan-kevitra izao. mbola maro ny toerana tokony aleha ka herezo ny dia fa miandrandra anareo ny vahoaka Malagasy natao tsinontsinona nandritra izay tetezamita izay.

  2. Mankasitraka anareo !
    Mbola lavitra ny ezaka fa mahavelombolo ny mahita ireo vahoaka tonga mamaly ny antso.
    Misy lesoka betsaka eo @ ny communication ra Doko a!
    Mba jereo fa mba mety ho vita indray mandeha ihany ra ny fijerena ireto vahoaka maro be!

  3. Tandremo fa misy tetika maizina miainga any an, dia ny hoe atao vato maty izay vato azon’i JLR ka aoka isika hiomanana tsara sy mailo hatrany, ny fomba hanaovany izany dia asiany croix fotsiny aminy efitra misy ny kandida hafa dia maty hoazy ny vato MAILO MAILO MAILO….

  4. Sarotra io fifidianana io , mbola averina eto izany ary haverina foana mba hatonga antsika rehetra hisaina sy hiheritreritra izay tokony atao ka tsy handry andro aman’alina fa hitady hevitra mba hazoana mifanampy ,io fifidianana io no entintsika manamporofo fa mandresy isika , io no bainga iray azo havadika ho vokatra azo nandritra ny efa-taona nitolomana ka samia samy misikina, aza miandry an’i JLR amin’ny fampielezankevitra fa izy tsy maharaka fa isika zanak’i dada no aoka handray an-tanana ka manao porte à porte na aiza na aiza indrindra any ambanivohitra rehetra any e! io efa fantatra fa tsy misy radio , tsy misy télé fa isika no manao ny asa e! koa mahereza daholo e!

  5. Akaiky ny fandresena, enga anie tokoa, saingy zao, tsy maintsy hisy alabato eo, ka samia isika mitandrina, mitandrina ahoana moa, na idaho aza tsy mahita valiny…

  6. Eny ary fa tsara daholo izany, fa rahafakampitso, alahady 13 oktobra dia eny Antsonjombe daholo ny fotoana. Ho hita eo raha tena maro tokoa iska na tsy. Ny foza teny aloha dia tena marobe, Anjarantsika ny manoao avy roa heny farafaharatsiny.

  7. AOKA HIFANAMPY AMIN NY FAMPIASANA BULLETIN TOKANA.

    TSY HISALASALANA NY FANDRESENA FA NY FAMMPIASANA NY BULLETIN TOKANA NO OLANA. TANY AMBANIVOHITRAY DIAA 95% N NY OLONA TSY MBOLA NAHITA NY BULLETIN TOKANA. KO MAMPIRISIKA ANTSIKA MISY AZO ATAO. PHOTOCOPIER O NY BULEETIN TOKANA DIA ALEFASO ANY AMBANIVOHITRA MBA HOHITAN NY OLONA .
    AVERIKO FA IO NO SAKANA TSY HIBATANA NY PREMIER TOUR DIA VITA
    REO MPANAO PROPAG KANDIDA HAFA TSY MIVAKY LOHA AMIN IO KA TSARA ARARAOTINA.
    TENA GASY TSY MAINTSY MANDRESY

  8. « Comments are closed » ary amin’ilay sujet momban’ Arivonimamo !

    Ny tiako ho lazaina dia izao : Fa dia tena entin’ny hakamona sa ahoana marina, fa dia tsy misy fanion, banderole, affiche, est… hita amin’ny sary fa dia toa minimum syndical araky ny fitenin’ny akama izy ity ?

    Raha mitohy izao, tsy ho tafita 1er tour izany, ary mety ho 1er tour aza dia rendrika !!

    Sao dia tazominareo, entina hikarakaràna législatives fotsiny ny vola ?

    Asaivo maka izany entana voageja izany ilay ramatoa manao sikina maitso tany Arivonimamo io, fa anisan’ny asany izany ; ary tena tokony ataony rahatoa ka mpanohana an’i Dr Robinson sy Dada marina io olona io ! !

    Tsy hampiova zavatra ny fitsanganany eo !

    Dia ahoana koa itony Tweeter-n’ny foza itony ry MyDago â ?

    Toa ny mpanongana indray no hita maza eto ny tavany ?? Mba esory tany anie ireo aza fady, fa dia tena mandreraka be ny mahita ny tavan’ireto olona tsy alehany ireto â !

    Fery vaovao ho an’ny Firenena ve no lasa manao pub ato ?

  9. Nametraka post fisaorana « ao amin’ny sary iray » fa tsy mivoaka foana ê !

    Misaotra ny rehetra, tamin’ny fankaherezana sy fanohanana tamin’ny fo mazazava sy feno fitiavana !
    Ho an’Ingahy Henri Roger : Andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ilay fotoana lehibe, ary mba hanehoana ny fitandrovana ny fiandrianam-pirenena ihany koa, dia miangavy anareo mpikarakara ny « campagne », mba asaivo manofahofa sainam-pirenena ny vahoaka ê !
    Mino aho fa samy mba manana an’io daholo ny fianakaviana malagasy rehetra !

    Ho fahatsiarovana sy fankaherezana ihany koa !

  10. SAHIKO NY MITENY FA NY ASA SU EZAKA KELY ENTINTSIKA TSIRAIRAY AVY NO ANTOKY NY FANDROSOANA. TENA MANKAHERYNY TENY AMY COLLISEUM. RAHA MIJERY SARY SIKA DIA OLONDEHIBE NO NANDRAKOTRA NY KIANJA FA TSY ZAZA TOY NY TAMIN NY AN NY FOZA FARANY TEO

    SAMIA MIEZAKA AMIN NY FAMPIANARANA SY FAMPAHALALANA NY VATO TOKANA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *