COLISEUM ANTSONJOMBE : NAMPISEHO NY HERINY NY ZANAK’I DADA

PROPAGANDE ANTSONJOMBE 13 OKT 13  (27)

PROPAGANDE ANTSONJOMBE 13 OKT 13  (3)

Nafana tanteraka ny ambiasy tao amin’ny coliseum Antsonjombe androany Alahady 13 Oktobra 2013 nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahin’ny kandida Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana. Tsy arakaraky ny feo aely etsy sy eroa fa hoe tsy ahazo olona ny fampielezan-kevitra, ny nifanohitra amin’izay aza no nisy satria tsy omby ny vahoakan’Antananarivo ny kianja fa nisy ireo olona izay tsy tafiditra tao anatiny ka niandry tany ivelany. Nangorompotsy ny kianja manarampenitra nandritra izany. Horakoram-pifaliana no nandraisan’ireo vahoaka marobe ny fidiran’ireo delegasiona izay notarihan’ny kandida dokotera Robinson niaraka tamin’i Neny, sy ireo delegasiona avy amin’ny movansy Ravalomanana sy ny Avana. Narahan’ny onja izany toy ireny fanaon’ny mpijery baolina eny Mahamasina ireny. Na dia avy aza ny orana dia tsy nisy niala ny vahoaka fa niharitra hatramin’ny farany ny kabary izay nataon’ny filoha Ravalomanana izay niditra mivantana tamin’ny sary sy feo avy any Afrika Atsimo.Fanompoam-pivavahana fohy izay notarihan’ny mpitandrina ao amin’ny HMF no nanombohana ny fotoana.Amin’ny maha Fotoanany fampielezan-kevitra   dia nanentana ny vahoaka ny filoha Ravalomanana mba hifidy any dokotera Robinson,izay favori. Fido ny kandida natolotr’i dada Ravalomanana hoy izy.Tsy afaka mifanatri-tava aminareo aho hoy izy noho ny ataon’ireo tsy matahotody ka tsy avelany hody. Nanafatra ny vahoakan’Antananarivo ihanykoa ny filoha Ravalomanana hoe tandremo tsara ny fifidianana amin’ny 25 oktobra sao hanenina eo indray. Mila olona vanona ny ho filoham-pirenena ka aza mifidy ny mpanongam-panjakana. Ramatoa Lalao Ravalomanana kosa raha nandray fitenenana dia namerimberina tamin’ny vahoaka fa mifankatia ny vahoaka malagasy ary rehefa mifankatia dia mifampatoky. Rehefa misy ny fifampitokisana dia miara miasa ny movansy Ravalomanana sy ny Avana, dia mody i Dada. Izany hoy izy dia tohanana amin’ny vavaka, ka noho izany dia aza mitsahatra ny mivavaka fa ny vavaky ny marina dia mahery hatrany. Ny finoana dia miasa ho antsika amin’ny 25 oktobra izao. Tongava mifidy an’i Robinson iska hoy i Neny amin’ny 25 oktobra 2013. Hanangana firenena vanona isika izay hisian’ny tombontsoa iombonana, izay midika fa Robinson dia hijery ny isan-tokantrano. Miara mizotra isika hoy i Neny miaraka ho any amin’ilay làlana tsara. Ny kandida Robinson dia nampahafantatra hatrany tamin’ny vahoaka tonga teny an-toerana ny fandaharan’asany hitodnrany ny firenena rehefa lany ho filoham-pirenena ny tenany. Nandray fitenenana fohy ihany koa ireo solontena avy any amin’ny faritra manerana ny Nosy ka ho an’ny Toliary dia Andriamatoa Mahafaritse no nisolontena izany. Izahay hoy izy ia vonona handany an’i Robinson, ampy izya fangalarana ny harempirenena izay, mila mandroso isika, ary mila mody i dada.