FILOHA RAVALOMANANA : ATAOVY NY ADIDINTSIKA AMIN’NY 25 OKTOBRA IZAO

ROBINSON à MANAKARA 15-10-2013 600K-29

ROBINSON à MANAKARA 15-10-2013 600K-29Sioka tokana fotsiny  dia efa vonona ireo vahoaka marobe tao Ikongo sy Manakara namonjy ny toerana nanatanterahan’ny kandida Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana ny fampielezan-keviny androany Talata 15 oktobra 2013. Vao nahita ny angidim-by roa nisidina tao an-tanàna izay nitondra ireo delegasiona ny olona dia tsy tana fa nihazakazaka namonjy ny kianja. Tsy nataon’ny olona ambanin-javatra ny hetsika na dia teo azan y fampielezan-kevitra nataon’ny kandida iray nifanindran-dàlana tamin’izany. Naleon’ny vahoaka nahita sy nijery mivantana ny kandida Robinson sy I Neny.Nanomboka nazava tamin’ny vahoaka mpifidy tao Ikongo sy Manakara ny kandida  ho filoham-pirenena amin’ny 25 oktobra izay natolotry  ny movansy Ravalomanana sy ny Avana dia ny dokotera Robinson. Ny filoha Ravalomanana dia nanamfay izany raha nandray fitenenana tamin’ny antso antelefaonina tao Ikongo. Matoa izy no tohanatsika hoyizy dia fantatro fa izy no afaka hampody ahy, ary efa naira niasa tamiko. Tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana atao amboletra  isika hoy izy satria izay no hampody ahy ary hanalana ny mpanongam-panjakana. Matoky aho hoyny filoha Ravalomanana fa hanentana ny manodidina , ny any an-trano, ny Havana ianareo. Ataontsika 1eur tour o dia vita, ary vita hatreo ny tetezamita. Neny kosa raha nandray fitenenana dia nilaza fa tafaray ny tia sy ny manina androany ka isaorana Andriamanitra. Tsy adinony ihany koa ny nanao fanentanana ny olona hifidy ny dokotera Robinson amin’ny 25 oktobra izao. Izay rehetra izay hoy izy dia arahitsika finoana sy entina am-bavaka. Maro ny olana sendrain’ny mponina any Ikongo amin’izao fotoana izao, ka anisan’izany ny lafiny fampianarana, ny fandriampahalemana, ny fitsaboana sns. Nilaza ny dokotera fa hotsabointsika izany, ary tsy mila fery vaovao intsony isika. Nampatsiahiviny teto fa atao maimaim-poana ny fampianarana any amin’ny ambaratonga voalohany, averina ny kits scolaire miampy kiraro, atao maimaim-poana ny fitsaboana, ary fongorona tahaka ny mamono valala ny asandahalo. Santionany ireohoyizy fa ho tohizantsika ny MAP nataon’ny filoah Ravalomanana. Tsiahivina fa nisy hatrany tany an-toerana ny fanazavana tamin’ny vahoaka ny bileta tokana indrindrafa ny misy ny laharana faha 33 dia Robinson izany. Rehefa avy tao Ikongo ny delegasiona dia nihazo ny faritra Manakara. Betsaka ireo vahoaka nanoina ny antso amin’ny fampielezan-kevitra tao an-toerana. Horakoram-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka ireto delegasiona ireto.  Nanotrona tany an-toerana ihany koa ny ben’ny Tanana Giscar Andriano izay nesorin’ny fat, ny Ct Me Rakoto, ny Ct Marcel. Raha madio io fifidianana io hoy ny Me Rakoto dia atao androany ihany ny fianianana, rehefa lany ny kandida Robinson. Nampiseho ny hafaliany kosa I Neny tamin’ny kabary izay nataony.  Mifalia amin’ny fanatenana hoy izy isika. Tsy maintsy entintsika ambavaka ny kandidantsika Robinson, ka nohoizany dia aza   mitsahatra mivavaka. Tamin’io fotoana io ihany koa dia niditra mivantana tamin’ny antso an-telefaonina ny filoha Ravalomanana. Ataovy ny adidintsika hoy izy amin’ny 25 oktobra izao. Tongava mifidy ny kandida natolotr’I Dada Ravalomanana, fa izay no hampody ahy. Mato I Neny tonga eto hoy  izy di a olona azo antoka iarahana ny dokotera Robinson. Noho izany dia miantso antsika rehetra vahoaka eto Manakara hifidy , ampandany ny dokotera Robinson dia mody I dada. Namarana ny lahateny tao Manakara ny kandida Robinson. Nanome toky ny vahoaka tao an-toerana ny tenany ny amin’ny hanamboarana ny tetezana, ny làlam-by, ary ny fananganana orinasa ho an’ny tanora mba hahafahan’izyireo mivelona sy miaina.

HETSIKA TAO MANAKARA

HETSIKA TAO IKONGO

 

3 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : ATAOVY NY ADIDINTSIKA AMIN’NY 25 OKTOBRA IZAO”

  1. Hihihi nahazo vinanto vao2 ndray angah ????io indray angah no izy???Gasy ka manja e!!!
    tsara loko be Manakara sady miavaka be @’ilay elo be dia be, mankasitraka Tompoko isany ô!!!

  2. TSY AZO ESORINA ETO AMIN ITY SARY TY VE NY SARIN ITY LE HAJO TY FA MAMPI-DEGOBA NY MAHITA AZY.

    AVERIKO IHANY FA RAHA MANANA FAHAFAHA-MANAO ISIKA DIA MBA PHOTOCOPIER O LE BULLETIN UNIQUE DIA ASIO TORO-MARIKA ARY ALEFASO ANY AMBANIVOHITRA MBA HANAMPY NY OLONA.

    TENA HITA MIHITSY NY KITOATOA ATAON NY CENIT MOMBA NY FAMPIANARANA NY OLONA FA DIA BETSAKA NO HOFANINA FA TSYHAHAY HIFIDY
    NY TENA GASY MIFIDY AN I DR ROBINSON JEAN LOUIS

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *