Esorintsika amin’ny fomba demokratika ny mpanongam-panjakana

CIMG3208Nitohy tao Ankazondandy sy Anjozorobe ny fampielezan-kevitry ny Dokotera Jean Louis Robinson. Hafaliana tsy omby tratra no nihaonan’ny tia sy ny manina androany. Toy ny mahazatra dia namelabelatra ny programan’asany tamin’ireo vahoaka maro be tonga teo an-toerana ny kandidà. « Ho esorintsika amin’ny fomba demokratika ny mpanongam-panjakana » hoy izy. Navoitran’ny dokotera tamin’ny lahateniny ny hijerena manokana ny sosialim-bahoaka, omena fitaovam-pianarana maimaim-poana ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ary ho maimaimpoana ny fampianarana amin’izany. Hatsaraina ny fitsaboana , hojerena ny fandriam-pahalemana, ho foanana ny dahalo manaram-penitra, ho ringanina ny valala. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’i Neny Lalao Ravalomanana dia nanentana ny vahoaka hifidy ny  » favori » i Neny .  Tsy diso anjara tamin’izany fanentanana izany koa i Dada tami’ny fidirana mivantana  tamin’ny antso antariby, ho avy i Dada fa fidio ny kandidàntsika hoy izy.

HETSIKA TAO ANKAZONDANDY

HETSIKA tao ANJOZOROBE

28 pensées sur “Esorintsika amin’ny fomba demokratika ny mpanongam-panjakana”

  1. Mefiance ,attention à l’autosatisfaction ,ce qu il faut convaincre ,sont ceux qUI ne VIENNENT pas AUX meeting ….a t on les moyens radiophoniques ou télévisuels pour atteindre le plus grand nombre ??

  2. Mba aiza re mr SOLO RAZAFY ny sary tany Betafo anjozorobe mahasolo …..
    mba liana te ahita e! .
    misaotra indrindra tompoko

  3. LA SADC EN TANT QU’OBSERVATEUR ….FIABLE ?
    LA SADC…EN TANT QU(OBSERVATEUR ….FIABLE ?

    La SADC veut-t_elle montrer sa cohérence ? Est-elle sûre et certaine que ces élections sont démocratiques car lors de leur préparation la Troika / SADC a tout fait pour obliger les putchistes de procéder à « l’éxclusion « des andidatures des deux RAVALOMANANA…
    Et maintenant elle participe financièrement parce que la présence et le soutiens de la Mouvance RAVAOMANANA MARC autour du candidat ROBINSON JEAN LOUIS ne constituent plus un probléme? Cette participation représente-elle la copensation de sa défailance morale et politique lors de la mise en œuvre inachevée de la feuille de route ?
    Et votre participation en tant qu’observateurs ( 300 rssortssants quand même !) fera-t-elle une surveillance ,honnête ,ipartiale et crédible ou facilera-t-elle la victoire des putschistes que vous soutenez depuis le 9 aoçut 2009 à MAPUTO ?

  4. «Ho esorintsika amin’ny fomba demokratika ny mpanongam-panjakana»

    (anaty continent africain isika, HATRETO DIA i France no nametraka ny tiany,
    i HerySETRA = FORCEPS efa miseho mibaribary

    fa ho TSETSEMANA NY SOFIN’IZAO TONTOLO IZAO, amin’ilay hoe: teknikaly manara-penitra démokratika??? )

    ______

    « attention à l’autosatisfaction » hoy ny fampitandreman’i michel ery ambony

    ______

    Y AURAIT-IL « BAIN DE SANG » dixit Andry Raloelina,
    SACRIFICE HUMAINS
    minutieusement préparés je dirais depuis 2006
    mis en oeuvre ce Samedi 7 Février 2009

    _______

    Y a pas à l’horizon de moyens radio-télévision
    ???

    sinon des hommes permanents sur place pour faire le boulot par graphophone

  5. Eny ho esorin-tsika amin’ny fomba demôkratika ny mpanongana, fa ny demôkrasia dia tsy maintsy hampiarin-tsika ao anatin’izao fiaraha-miasa, ataontsika izao aloha !
    Manantena mafy fa handresy ny kandidà izay tohanantsika, ary i Ramatoa Robinson no ho 1ère dame manaraka, renin’ny vahoaka malagasy rehetra !

    Noho izany dia tokony hianatra dien’izao koa izy, mba hahay hitsinjo sy hikarakara zanaka, mba tsy hisy ny fiangarana « ao anatin’ny tokatrano » !
    Reny tia ny zanany rehetra no tena atao hoe reny !

    Vonona ny movansa Ravalomanana hanohana an’Ingahy Robinson, ary mbola nohamafisin’ny Filoha Ravalomanana izany ; manentana ny vahoaka ihany koa ny tenany mba handray anjara amin’ny fifidianana !

  6. Raha ny marina dia tsy manana safidy hafa intsony isika afa-tsy ny fandresen’i JLR. Ny FAT dia saika olont daholo no ao. ka raha tsy mandresy ny mpifaninana JLR dia tsy maintsy ry zareo mpanogam-mpanjakana na mpanohitra an-dRavalomanana ihany no ho lany eo. Na i Rakoto izany na i Rabe, rehefa tsy JLR dia FOZA. Satria ireo mpifaninana telo tsy foza orana dia sady tsy manana mpifidy no tsy fantatr’olona firy.
    Ary raha tsy fihodinana voalohany no lany i JLR dia miomana isika rehetra na @ halatra bevava na @ fanafoanana ny fihodinana faharoa. Ka noho izany premier tour dia vita ihany no vaha-olana.

  7. Misaotra an’ Andriamanitra dia misaotra ny Mpandefa ilay video eto io koa hihiiiiiiii
    Mahatoky ny fahendrenao zahay ry dada malala.
    Misy Indro kely, iza kay no firenena miara-miasa @ Ingahy Robinson??domelina mantsy Zėsta be fa namany be
    hono i OBAMA t@ fotoan’androny hihihiiiii
    Dia tsapa fa hay ny ahiahintsika sy ny disadisantsika dia mitovy @ disadisan’i dada ny @’ilay hoe: » atao amboletra
    fotsiny ilay fifidianana « .
    Aleo aloha hanisy sira kely indray, araka ny fahitako ity RJL-tsika ity aloha dia tsara fa marina ny an’i KINTANA
    ny @ ilay Ramatoa ve AHASOLO AN’i NENY???tena reny ilay andrsan’i Malagasy tokoa ve???tsara be ilay
    fanamarihanao ry Kintana.
    Dia fanontaniana farany hoe: fanainiana nampitoviana ve ilay kiravatin’i Dr Robinson sy dada sa fifandrifin-javatra??

  8. Tsy maintsy nanoana olona toy izao isika fa jereo ireto MPISANDOKA sy mpaka
    pasipaoro @ anaran’i dada , hatr@ ity voninahitsy tsy tahotra tsy henatra ! dia ireto
    Jodasy moa avy dia misalotra tsotra izao ny anarana  » Zanak’i dada ».Izao aza ,asa raha mbola misy mahasahy
    misandoka any ho any???mety tsy ho ferana an!

  9. Marina anie izany ranavalona ê !
    Ny tena reny rehefa mizara vatomamy, dia tsy mba mizara vilana na miangatra, ary tsy mampifilafila an’ireto zanaka !

    Resaka hafa !
    Mba efa azo daholo ve ireo entana nogiazan’ny sasany eny Ivato ? Manao inona fotsiny ireo CT sy CST avy ao amin’ny movansa ireo ?
    Efa tonga daholo izao ny mpanara-maso, maninona no tsy lazaina amin-dry zareo ny zava-misy ?
    Aiza ity hoe fifidianana MALALAKA SY MANGARAHARA ?

    Izao dia mifanilaka fotsiny ny CENI-T sy ny CES, raha resaka tsy fanarahana fitspika no atao resaka !
    Ny CSC moa dia efa nahavita ny baiko ratsy nomen’ny sasany azy, fa raha resaka tsy fanajàna ny tondrozotra no aroso, dia iny mitsaoka daholo !

    TSSSSSSSSSSSS !!!!

    Mba miresaka an’i Madagascar ny televiziôna frantsay, satria nataon’ny sasany kitoza ny terananiny !
    Tsy nasiana resaka akory ny TENA ANTONY IZAY NAHATONGA AN-DRAMALAGASY HO LASA OLON-DIA !

  10. Ka menatsa fa efa maimbo eo anatrehan’izao tontolo izao koa inona
    no ho lazainy eo hoy ianao?miseho ho tsy tiafin-dalitra loatra @’ity lainga tsara lahatra
    foana mantsy ireto frantsay.
    Hoa an’izay tsy nahalala dia nataon’i Gasy masikita ireo teratany frantsay tany Nosy be fa nangalatra taova
    zazalahy kely ilay novonoiny nangalarany taova ka nofaizin’ny olona tsara,ny fahantrany ao France no naparany
    hany ka MPIJOKO VOAJOKO, nodoran’ny olona dia efa nahazo ny afo be-any izy dia ny tety an-tany.

  11. Izany mpifaninana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izany dia mitondra ny anaran’ny firenena mandritry ny fampielezan-kevitra kanefa mahamenatra fa ny ankabeazany dia tsy mieritreritra ny firenena mihitsy fa misalotra ny anarany fotsiny.
    Mba olom-pirenena ve ianareo ireo na olom-pahendrena sa olon’ny hafetsena?Mba valio izahay.

  12. dia samy ho tratry ny fifidianana daholo isika rehetra na rahoviana izany na rahoviana. Ny azoko antoka aloha dia na rahoviana io no atao na rahoviana dia minoa ahy ianareo fa ireo taim-boraka rehetra ireo ihany no hilatska eo satria ny azy ny tanjony dia ny hotonga eo mba hihinana ary sady tsy manam-pahalalana/fahendrena ny @ izay tena dikan’ny hoe FIFIDIANANA. Ny « fanovana ho @ tsara, malagasy miara-miainga, hery vaovao, hiaraka isika sns » dia kankana eo @ lelampitana ka asakasak’izay manaiky ny tenany ho kitoza eo indray fa efa fambara iny tany Nosy Be iny. Ary tsy tany ihany fa efa nisy ny faty olona novonoina aminam-po nanomboka t@ 26 janvier 2009 ka hatramin’izao. Io nosy kely io koa anie no famaharan-drajoelina vao tonga teo @ fitondrana izy. Ary fantaro fa ny resaka pelaka any (izay no mety itiavany azy)dia malaza dia malaza ary tsy misy tahotra sy henatra intsony fa ilay Nosy paradisa ity dia nivadika Sodoma sy Gomoro.Tadidio fa t@ nanokana ny vato fehizoro ny fiangonana FJKM tao ny Filoha Ravalomanana fony androny dia nanipy hevitra hoe hovaintsika famokarana ranom-boankazo ny famokarana toaka satria nitaraina ireo ray amamndreny tany antoerana @ voka-dratsin’izany @ ireo zanany tanora. Saingy nailiky ny mpanamaina sy « mpandihy » (misy dikany hafa io any avaratara any)dia izao no iafarany. Tsy mandatsa anareo aho akory ry rahalahy sy anabavy, anaka isany any avaratara any, ary ny malagasy rehetra manerana ny nosy fa te ampatsiahy antsika fa ho avy ity ny fifidianana ka mahaiza mifidy fa na iza na iza no ho lany eo dia ataoko fa ny ezaka lehibe sy tsy maintsy atomboka dia ny fanarenana ny toetra amam-panahy, ny fahendrena maha malagasy satria io no tena nopotehina tao anatin’izao fitondrana tetezamita tsy misy tanjona izao.

  13. Nodimandry androany i Bebe Razay !
    Noho izany vaovao mampalahelo izany, dia mamangy anareo mivady amin’ny fahoriana, Andriamatoa Filoha !
    Sanatria famendrofendroana ny soratro eto, fa dia fanehoana ny fiara mihory aminareo araky ny tenin’ny Tompo izay manao hoe : « Miaraha ory amin’izay ory, miaraha malaheloa amin’izay malahelo, ary mifampitondrà izay mavesatra ».
    Eny very fitositosiana sy fihantahantàna ary fiangotingotiana i Neny amin’izao nahalasana’i Bebe Razay izao, fa very olon-kendry ihany koa ny vahoaka malagasy satria raha tsy nisy an’i Bebe Razay, tsy nanana olom-banona sy tia tanindrazana toan’i Neny izao ny malagasy.
    Fandalovana ihany ny eto an-tany ary noho ny zavatra vitan’ny teto, hisokatra ho azy anie ny varavaran’ny lanitra, hidirany ho ao amin’ny fiainana mandrakizay, ho eo akaikin’ny Tompo.
    Homba anareo mivady sy ny ankohonanareo mandrakariva anie ny Tompo, ary hanome hery lehibe, mba handresenareo an’izao zavatra tsy rariny mihatra aminareo izao koa.

    Minoa koa ianareo fa ho eo akaikinareo lalandava koa ny vahoaka, tsy ny hanamaivana ny mavesatra ihany, fa indrindra indrindra handresy ny tsy ara-dalàna sy ny fisainana maloto !

  14. Vao ery ambony ianao km miresaka mahakasika ny hoe « reny »,
    tsy nivadika ity lahatsoratra dia lasa i bebe.

    Io ny solontenanay MPIKABARY, mahafaoka ny tian’ny rehetra ho lazaina: ohatran’ny zanaka an-trano izato izy!

    Mamangy amin’ny fahoriana ny fianakaviana iray manontolo.

  15. Mamangy ny fahoriana ry neny malala dia miara ory aminareo rehetra ,
    Eny nahavita be izy satria efa tonga,nody ianao ry Neny, enga anie izy ka handry am-piadanana.
    Aza misosoka alahelo intsony Neny a ! dia mankahery ny fianakaviana iray manontolo.
    Mahaiza mionona Tonmpoko!

  16. MARINA NY VOALAZA ERY ALOHA. TOKONY TSY HO VARIANA NA HIPIK ELIKA ALOHA IHANY FA MILA JERENA NY ASA MITOHY ISAN TANANA NY FAMPIELEZAN KEVITRA. MAZOTOA

  17. http://www.leparisien.fr/international/madagascar-lynchage-de-deux-francais-soupconnes-de-trafic-d-organes-03-10-2013-3192589.php

    L’enfant n’avait plus ….ni sexe ni langue.
    A quel genre d’individus pensez -vous ? A des pedophiles surement 🙁 !!!
    Cette histoire nous fait penser à un pedophile connu des Services du Ministere de la Justice, et qui a pu, moyennant une somme derisoire à cette justice, pour s’acquiter des ses peines.
    Des emeutiers ??? Libre à chacun(e) d’en porter son avis, mais dans ce cas, ce n’est surement pas UNE EMEUTE : c’est de La colere contre « CEUX » à qui, le pouvoir HAT a donné la liberté de se comporter en voyous notoires dans un pays ….CONQUIS.

  18. Bien vu dans analyse de 1ère ligne

    pour ce qui est de la suite: je partage votre avis

    (entre autre: que vient faire foutre à Mada
    pour une longue durée de 2 MOIS BE IZAO
    un chauffeur
    français
    ???)

  19. Tsy maintsy henjahina ny gasy namono vazaha o ????
    Ny vazaha tsy maintsy arovana sy omena fahafaham-po, na dia nanao ny tsy mety amin’ny ankizy gasy aza.
    Izany no hafatr’i DJ amin’ny zandarimaria, andevombazaha.

  20. Manao ny asany tokoa i Risara baomba tsy vanona ka ! Hainy tsara ny manenjika gasy, fa raha hanenjika vazaha, mangery am-pataloha.

  21. AIZA O mba jereo keli zafady fa tsy tonga ety ifotony ny fanentanana sy ny affiche o, eo aminy distrika de tapitra tsy tonga akoruy ety @ kaomina sy ny fokontany ambanivohitra mihintsy, na ny fampianarana mifidy aza tsy misy, aiza le porte porte talopha ireny Misaotra,!

  22. Inona no hivakiany loha @’izany ry Batoto a!!volandry zareo angaha no miala ao fa tsy
    volan’i DADA, ilay dada atao fitaovana fotsiny any alavitra any, atao filan-draha tsy mahita.
    Misy miiihaiinnooo?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *