FAIZO AMIN’NY ZOMA 25 OKTOBRA IZAO NY MPANONGAM-PANJAKANA

Raveloson Constant
Raveloson Constant
Raveloson Constant

Marina fa mifamahofaho, ary betsaka ny mitaraina hoy ny Ct Manoela androany teny amin’ny Magro Behoririka, fa tsy mahazo kara-pifidianana, mampieritreritra izany hoy izy satria ny sasany mahazo sosona nefa tsy mahazo karatra. Mila mandeha mifidy isika hoy izy fa eto no handresentsika ny ratsy rehetra. Tsy misy olom-banona hoy izy ireo 33 ireo afa tsy Robinson ihany. Nanafatra ny rehetra ihany koa ny tenany hoe apetraho tsara ny delegue any amin’ny biraom-pifidianana manerana ny nosy. Ny Ct Raveloson Constant kosa dia  nilaza fa zavatra tsy dia vaovao loatra hoy izy dia 100 andro manova ny fiainanao. Vao indray andro fotsiny anefa hoy izy dia nisy naratra, maty, ka ataovy 100 andro dia ho hitanao eo. Na dia ny angindimby nao aza hoy Constant tsy voaaronao dia tsy ankiniko aminao ny firenena. Hitan’Antananarivo tsara izay fa na misy manao fety aza dia misy maty. Io hoy izy no asainy atao amin’ny mahantra eto Antananarivo. Tsy dia vaovao loatra ihany koa hoy ity mpanao politika ity ny mandihiza rahitsikitsika fa alehanay Mahamasina raha fararano. Vao kandida mitsipozipozy iny aza hoy izy dia tsy manaran-dalàna sahady. Taorian’ny nilazan’ny kandida Robinson tamin’ny fandaharana Tv+ hoy izy dia barrage anti-Robinson no misy any amin’ny faritany. Tsy miera aminao izany ny mpanongam-panjakana ka raha mbola misalasala ianao dia tsy hitsitsy anao izany ireo. Tsy ampy hoy Constant ny miteny hoe mpanongam-panjakana fa faizo amin’ny Zoma. Noho izany hoy izy dia na ny Zoma aza ianareo dia mbola mahazo miantso ny havanareo rehetra hoe mandehana mifidy. Ny zava-baovao indray hoy izy dia misy milaza fa aza mifidy. Ramatoa Fatma dia efa nilaza fa tsy maninona raha tsy hisy kara-pifidianana, misy tsikombakomba eo amin’ny fokontany izany ary izay miteny hoe aleo tsy mifidy dia iray tsikombakomba aminy.  Ny antony dia rehefa hifidy an’I Robinson ny movansy Ravalomanana, Avana dia ho sosotra ka tsy hifidy Rehefa Pety hoy Constant no miteny fa aza mifidy dia barrage anti-Robinson izany ka aza sodokan’izany isika. Tsy kisendrasendra no nipoiran’iny fa hitany fa mandeha ny favori  dia sakanana. Tsy vitan-dRajoelina ny nandrava ny fifidianana ka Fatma milaza fa avelao handeha.Tandremo hoy izy fa poizina misy fandrika izay voalazany. Mahay mandrava fifidianana ianareo hoy ity olomboantendry ity dia ravao fa tsy mampaninona anay io fa vonay ianareo.Izahay mahavita refondation  miaraka amin’I Robinson.

9 pensées sur “FAIZO AMIN’NY ZOMA 25 OKTOBRA IZAO NY MPANONGAM-PANJAKANA”

  1.  » MBOLA MIFONO MYSTERY VE NY RAHAMPITSO ?

    1.- Misy maro no mifanontany na hisy fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena sa tsia..?
    .ny fitondrana dia milaza fa amin’ny 25 octobre izao ny fihodinana voalohany ..!
    Moa ve ampy ny antoka manaja ny fahalalahana , ny safidy malalaky ny Mpifidy , ny démocratie ho amin’izany fifidianana izany ?
    Moa ve ho vonona amin’io fotoana io ny cartes d’identité ho an’ireo Malagasy mahazo mifidy 250000 ,nefa tsy manana izant CIN izany ?
    Ho vita amin’io fotoana io ve ny fanontana ireo bulletin unique ?

    Moa ve afaka hifanandrina amin’ny herin’ny Droit de l’Homme et du Citoyen io fanakavahana nataon’ny CES faharoa ,izay nanala candidatures ,izay tsy mitobona ny antony Ary indrindra fa tsy naseh ny chambre d’accusation ny chef d’inclpation mba ho dinihany na mifanaraka amin’ny lalàna na tsia ?
    Tsy afaka ao an-tsaina mantsy ny tarehin’io fomba nitsaran’ny ces faharoa ,izay tarehy mitovy amin’ny didi-jadona !
    Ary oviana moa no tambazana ny mpitsara teto ? Tsy midika ho fitsarana sy mpitsara voavidy ve izao ?
    Ary raha tsy misy ilay fifidianana ,fa kosa hatao fa hanaraka izay voalazan’ny tondrozotra ,tsy rariny ary tsy ara-dalàna ve raha hesorina amin’ireto mpitsara ireto ny automobiles nomena azy ireo ?
    Satria maro mitory fa sarintsarim-pifidianana ny baiko nefan’ny ces faharoa ,koa raha manampy izany ity tamby na tsolotra nomena ireto mpitsara ireto ?
    2.-Tao aorian’ny resaka an-téléphone tamin’ny 31 août nataon’ny Filoha RAVALOMANANA MARC , dia ireo olona mifanontany ireo ihany no maminaviana ka milaza hoe :
    -ny Filoha RAVALOMANANA MARC hivory miaraka amin’ireo GIC-M vaovao izay nisolo an’i chissano sy ny namany
    Mety handinika ny asan’ireo nosoloiny izy ireo na hanontany ny Filoha izy ireo mikasika ny zava-bitan’ny ekipa chissano
    Ary raha tsikarin’izy ireo moa fa nataon-dry chissano halasafay ny fametrahana ny tondrozotra ary tsy vitan’izay fa toa nisy havakavaka ( sélection des articles) ny andininy notanterahana ary misy tsy notanterahana fa nahilika.
    Ary lasa ny revirevy…Raha tezitra izy ireo na raha tsapan’ireto vaovao fa be ny hadisoana vita na fanahy iniana na tsy fahaiza-manao dia tsy hijanona eo izy ireo fa hamerina atrany am-piandohana ary hilaza sy hanoratra izy ireo « fa tsy nanara-dalàna ilay asa natao vonjy maika ,ka tsy hafaka hanohy anio izahay fa ho fehezinay ary hampiriminay satria TOUTES LES DECISIONS PRISES ONT ETE PRISES SANS AUCUN DISCERNEMENT ER DE FAçON TENDANCEUSE POUR NE PAS DIRE PARTIALE ET INJUSTE DONC NOUS CLASSONS CE DOSSIER NUL ET NON AVENU …!ET NOUS REPRENONS LA MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE INTEGRALE »
    ….Dia aleonay manomboka fa toa tsy nisy zavatra natao teo alohanay..
    Toa izay ny resaka ireto be fandinihana..
    Iza moa no hanohitra raha tian’izy ireo ny manomboka ny mise en oeuvre de la feuille de route INTEGRALE manomboka ny article 01 ka atramin’ny article 45..
    Izany hoe ireo articles mikasika ny haino amanjery ,mikasika ny gadra politiques , ikasika ny Filoha RAVALOMANANA MARC..!
    ….Vita ny fametrahana ny tondrozotra , dia apetraka ny rafi-pitondrana : présidence sy ny gouvernement !
    …..Raha tafatsangana soamantsara ny tetezamita vaovao ifanarahana ,tsy manavaka ,dia andraikitr’io tetezamita io no mikarakara ny fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena sy ireo solobavabahoaka !

    HOY NY GAZETY HEHY MOMBA IZAO NOFONOFY IZAO :
    « REVIREVY D’AUJOURD’HUI ,PERSPECTIVE DE DEMAIN ! »
    ENY
    « MAHERY SY LEHIBE ARY BE FITIAVANA ANDRIAMANITRA!
    MAHAY NY ZAVATRA REHETRA IZY :IZY NO NANAO NY LANITRA SY NY TANY ARY NY RANOMASINA !
    LEHIBE JEHOVAH ! »

  2. Efa resy reo e!!
    amiko koa na misy io fifidianana io na tsy misy dia efa RESY reo.
    miseho ho inona loatra ka tratry ny DAKA TSY HITA MASO fa mbola …TSY FAY e!
    mivonoaná foana ry vahoaka fa aty amintsika ny fandresena a!!
    Efa manaiky resy ihany ireo, efa fantany izany, FA ilay FITSARANA nambaran’i Dokotera no
    tena olany eto, koa nihinana tsy nahalala nanasa fa KENDA vo domy aho ranaotra????
    Tsy nisy NAMALY reo na iray aza t@ nilazan’i Dokotera fa FOZA daholo sady nadio tsisy pentina
    Dokotera ka KENDAaaaaaa tsy nisy azony nitsikerana an’i Dokotera mihintsy , MAHONENA!!!
    Tė hanao aminy eo koh!!tsy musy afa-bela eo !!tany masina io!!!homba antsika Andriamanitra e!!

  3. Aza mitoky teny fatratra ianao Ranavalona a! Ny aty Antsirabe izao tsy re mihintsy izany Robinson izany. I Hery vao nametraka poster géant eto Antsenakely! Ny mpanao fampielezan-kevitra JLR matory sa manodina ny vola tokony hatontona amin’ny fampielezan-kevitra. Mba lazao an’izay tomponandraikitra any ambony any ny amin’izany fa mampalahelo. Efa in-telo aho no nanao io remarques io nefa toa tsy misy fiovana mihintsy. Mety hisy surprise hiainga aty Bira raha izao ko! Nefa aty tena be mpifidy! Toa nisy olana ohatran’izany ny tany Fianarantsoa. Mba henoy ihany lahy fa sao dia…. Adidy ny ahy no mba milaza izany e.

  4. Raha misy tanàna tokony ahazoana 100 % dia Antsirabe !

    Tsara ho fantatry ny rehetra fa ny mpiaro ny ara-dalàna, dia tsy misy miantso na miteny izany « Hery vao » izany !

    FERY VAO NO FANTANY !!!

    Fery vao sy ny mpanongana namany dia tsy hiatra ny 20% ny fitambaran’ny vato azony !

    Hamafiso ny tolona NATOMBOKA NANDRITRY NY HO EFA DIMY TAONA IZAY !!!!

    Ny retour de manivelle, dia ny « Fitsaràna tena izy » fa tsy ilay lazaina fa « manarapenitra » no hikarakar’azy !

  5. Izay no vao maika tsy hitiavan’i olona azy fa habaribariny loatra ilay FANGALARANY
    mihevitra ny Gasy ho matim-bola ohatra azy daholo angah ny olona ity FERY VAO2 .
    Ny tiako ahatongavana dia TSY MISY VALERA itsony ireo na hangala-bato aza na ho foana aza io.
    Fandresena ho atsika daholo izany, fa ho hitan’ny havany eo daholo.
    RAISO DAHOLO IZAY MANOME VOLA FA VOLANTSIKA IHANY IRENY FA NY ANTSIKA DOKOTERA IHANY
    TSY MANKAIZA EO REO FA EFA MAIMBO, NY FIRAISANKINA NO HAMAFISO, SADY TSISY TARATASY INY
    DE KAPOY AMBONIMBONY FA TSY FAHAFIRIN’ VOLA NANGALARIN ‘IREO IZANY DIA AVELAO HANDRAVA
    IO FIFIDIANANA IO RAHA SAHY.

  6. zao d efa araho maso avokoa reo e,tsy misy afa bela reo vo vita eo io fifidianan io,ndrindra le bala rora 2 lahy ao amin’ny VIVA ao;tonga reo d vizanina tanterak d omena ny alika ny fatiny;miseho azy ho mahay mantsy reo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *