Fampielezan-kevitra Dr Robinson : Fahombiazana koa ny tao Ambohimahasoa, Alakamisy Ambohimaha, Sahambavy, Fianarantsoa

Fianarantsoa (11)

Fianarantsoa (11)Fahombiazana tanteraka ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà Jean Louis Robinson niaraka tamin’ny Neny Lalao Ravalomanana androany tany amin’ny faritry Matsiatra ambony . Ambohimahasoa, Alakamisy Ambohimaha, Sahambavy, ary Fianarantsoa no notetezina tamin’izany. Feno hipoka avokoa ny kianja nandalovan’ny kandidà. Tao Sahambavy no naheno ny vaovao ratsy momba ny reniny Ramatoa Lalao Ravalomanana, na izany aza dia nanapan-kevitra hatrany hanohy ny fampielezan-kevitra ny tenany noho ny maha ambony ny raharaham-pirenena. Nisy ny fahanginana iray minitra ho fahatsiarovana an’i Bebe Razay tamin’io hetsika io. Nitohy tany Fianarantsoa ihany ny dian’ny delegasiona ary dia namonjy an’Ivato tamin’ny sidina angindimby i Neny io hariva io. Izahay eto amin’ny MyDago.com dia mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo.

 

Hetsika tao Ambohimahasoa

Hetsika tao Alakamisy Ambohimaha

Hetsika tao Sahambavy

Hetsika tao Fianarantsoa

 

9 pensées sur “Fampielezan-kevitra Dr Robinson : Fahombiazana koa ny tao Ambohimahasoa, Alakamisy Ambohimaha, Sahambavy, Fianarantsoa”

  1. Mamangy @ ny fahoriana ry NENY. Aza misosoka alahelo fa Andriamanitra mitahy ny dianao sy DADA.
    Ary aza manahy fa omba ny dianareo Ravalomanana mianakavy Andriamanitra.
    Zay nofy niseho tamiko dia niseho avokoa, ny fodianao teto antanindrazana, ny nidiranao tee amin’ny Magro behoririka, ny filatsahanao ho Kandidat, ny fisomparana izany fikasanao Masina izany!!!, Ary indrindra ny Fodian’ny Vadinao Filoha Ravalomanana izay hoavy amin’ny ora tsy ampoizin’ny rehetra … ary ny hitetezany ny faritra maro (…) izay hitondra ny mariky Davida kely mpiandry ondrin’Andriamanitra miady amin’ny Goliata ary mandresy ao anaty teny finoana sy teny filamatra hoe minoa fotsiny ihany!!!!
    Minoa fa andresy i Dr Robinson sy ianareo mivady ary ny olona matoky anareo sy miara miasa aminareo…sy ny vahoaka malagasy … . Mahereza ary aza kivy ry Neny!

  2. Miara ory aminao ry Neny malala
    dia aza misosoka alahelo intsony
    Mahaiza mionona Neny a! dia homba anareo mianakavy anie Andriamanitra.

  3. Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana Ravalomanana, ary midera ny herimpon’i Neny amin’ny fanavotana ity Madagasikara ity !

  4. Olon’ny finoana isika tompoko ka mahatoky ary mametraka izao fandaharana izao eo am-pelatananan’Andriamanitra Andriananahary. Mirary fankaherezana ho anao indrindra Rtoa Lalao Ravalomanana.
    Andriamanitra mandeha @lalana sarom-pantarina ka angamba izao no fotoana anatanterahin’ny GIC M ny fampodiana ny Filoha Ravalomanana araka ny fanamby nataony @ tokony hanoana kandida sy andraisana anjara @ fifidianana.

  5. Araka ny fanamby nataony @tokony hanoana kandida sy andraisana anjara @ fifidianana dia mody alohan’ny 25/10/13 ny Filoha Ravalomanana. Tsy hoe manararaom-paty re reolona fa tsy maintsy miketrika ny loha.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *