FAMPIELEZAN-KEVITRY NY KANDIDA ROBINSON : FAHOMBIAZANA HATRANY NA DIA TEO AZA NY HAVIZANANA

marovoayMarovoay, Port Berge, Mandritsara, Befandriana Avaratra, Antsohihy ireo no toerana nanatanterahan’ny kandida Robinson ny fampielezan-keviny androany Talata 8 Oktobra 2013. Vahoaka marobe hatrany no tonga nanatrika ny hetsika tamin’ireo toerana ireo. Ny kandida Robinson, no nitarika ny delegasiona, nanaraka azy ihany koa i Neny, ny VPM Botozaza Pierrot, Lanto Rabenantoandro. Nisy ny fifandimbiasam-pitenena nataon’ny mpitarika tamin’ireo toerana rehetra ireo. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filoha Ravalomanana, izay niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo.  Nambarany tamin’izay fa fidio ny Dr Robinson amin’ny 25 okotobra izao. Tongava mifidy hoy izy na lahy na vavy fa izay no hampody ahy. Entano daholo ny olona handeha hifidy. Ho an’ireo izay tsy mahalala ka tsy tapakevitra fa misalasala dia fidio ny kandida laharana faha 33. Hotohizana hoy ny tetikasa tsara tamin’ny fotoan’androany izay voalaza tao anatin’ny MAP. Nampanantena ny filoha Ravalomanana tamin’ireo faritra tsirairay ireo fa ho jerena manokana rehefa tonga eto ny tenany. Ramatoa Lalao Ravalomanana kosa dia nilaza fa tena faly dia faly mahita ny vahoaka marobe. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny Avana isika hoy izy fa izay no fahombiazana. Noho izany dia tsy mitsahatra isika ny mitondra am-bavaka satria ny vavaky ny marina manova zavatra. Ny kandida Robinson dia mampahafantatra hatrany ireo vahoaka ny fandaharan’asany hitondrany ny firenena rehefa lany ho filoham-pirenena ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandehanana ireo hopitaly sy fanokafana ireo CSB II nankaton’ny “Foza”. Atao maimaim-poana ny fampianarana ambaratonga voalohany mba hahafahan’ny zaza malagasy miditra an-tsekoly, averina ihany koa ny kits scolaire, ary ampiana kiraro ihany koa izany. Averina ny AGOA ahitan’ny tanora asa, atsangana ny fitsarana afaka mitsara ireo mpitondra sns.  Fahombiazana  hatrany araka izany ny hetsika fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana na dia teo aza ny havizanana nahazo an’i Neny izay vao nandalo fahoriana vao tsy ela izay. Ny hariva moa dia tao Antsohihy no namaranana ny hetsika.

Andian-tsary tao Marovoay

Andian-tsary tao Befandrina Avaratra

Andian-tsary tao Port Berger

Andian-tsary tao Antsohihy

20 réflexions sur « FAMPIELEZAN-KEVITRY NY KANDIDA ROBINSON : FAHOMBIAZANA HATRANY NA DIA TEO AZA NY HAVIZANANA »

  1. Il n’est pas possible de pas parler des mouvements de foule dans certaines régions où la population exaspérée par les l’inconduite des forces de ‘ordre se rebiffent ( Nosy Be ? Amboasary-Sud ) sans ignorer les cas de camriolages avec mort d’hommes , vols à mains armées..,qui sont l’apanage de Tana et des environs .
    Eh oui, voilà Nouys sommes !
    Nous sommes arrivés à la phase d’exaspération des Malgaches qui ont accepté de subir ,qui ont ras le bol, qui n’en peuvent plus !

    Voilà ! Nous y sommes !

    Les Malgaches savent attendre…et n’agissent qu’au moment opportun !
    Et combien de fois , ici ou ailleurs les analystes , les concturistes ont prévenu que ces Malgaches qui souffrent , qui peinent chaque jour pour trouver à manger , pour pouvoir dormir en toute sécurité..!
    Quel Malgache accepterait le meurtre d’un enfant des bas quartiers ou du milieu bourgeois ,
    Quel malgache supporterait sans souffrir la perte de son bétai ( dans le sud ou ailleurs , c’est son bien ,son trésor ?
    Quel malgache accepterait d’être humilié ,d’être menotté parce qu’il a protesté telle ou telle décision du gendarme souvent ivre?
    Il y a des cas anodins , des cas pénibles pour le citoyen.Mais tous ces cas témoignent de la mauvaise conduite du gendarme qui ne discerne pas ce qui relève de la Loi et ce que la Loi peut tolérer
    Dans tous les cas pour éviter une bavure ,il vaut faire venir l’intéressé au poste pour ample information..
    Mais la situation en général n’est plus contrôlée , et les forces de l’ordre en particulier sont dépassées car elles sont ingérables car leurs chefs ne sont ni crédibles ni fiables car ils dépendent d’un pouvoir sans loi ni foi , dont les ministres ou ceux qui croient avoir le pouvoir ne sont plus écoutés ou souvent sont complices des chefs dans la gendarmerie , dans la police , dans l’armée..
    La seule solution , cest de tout changer de la tête au pied et la prochaine élection présidentielle consititue l’occasion rêvée pour botter tous ces malfrats dehors !C’EST LE SPOILED SYSTEM DES AMERICAINS !
    D’ailleurs ils sentent le cyclone se lever du fin fond de l’océan et ils ils multiplient les les actes malveillants !
    Souhaitons que ces élections se terminent bien , c’est-à-dire qu’elles ne seront pas stoppées par caprice..!
    Je forme le voeu que les Malgaches aient la force et la volonté de persévérer et d’attendre les résultats des élections !
    C’est un voeu…pieux !

  2. Hanofana ny miaramila hono ny ONU fa sao dia misy contestation aorian’ny fifidianana.
    Izany hoe hilaza ny valin’ny fifidianana alohan’ny HCC toy ny tany Côte d’Ivoire indray ‘zany ry zareo. Raha zovina dia izay tsy lany no hatao lany dia ny lany halefa any am-ponja.
    Aoka iny tany Côte d’Ivoire iny no farany hanaovan’ireo fatin’alika ireo an’izay. Rehefa tsy ekena ny hala-bato dia tsy hisy hihemotra eto. Vitantsika izany tamin’ny 2002, tsy ambaninjavatra ny 2013.
    Mitohy ny tolona.

    http://www.gttsra.org

  3. TSARA HATSARAINA HATRANY NY OUTILS (AFFICHES, FLYERS…) MBA HO TONGA ENY IFOTONY HANAMPY NY OLONA AMIN NY FANDRAISANA FANAPAHAN KEVITRA…

  4. Tena malahelo zahay aty ankazobe fa tsy misy affiche intsony raha vao miala ny distrika fa aiza ny lamin’asa o

  5. Marina tokoa mahatsapa koa izahay fa toa mahatra affiche isika! mila jerene akaiky io problème io. Marina tokoa ny projet à la cote d’ivoire, ny hamisavisana ny ratsy mba misy hiomanana ihany koa. Koa mila mailo isika amn fanisambato sy ny fanaterana izany. Tsisy miala eo e! mahereza daholo

  6. ra ny sondage aty @ faritra dia toa tsy ho tafiditra akory ny 2è tour JLR
    Noho izany dia mila amafisina tsara ny fanentanana @ lafiny rehetra .
    Na ny spot @ tv aza tsy misy mba ampahafatarana azy , tokony atao matraquage ohatran’ny ataon’ny sasany

    Fehiny mbola tsy fantatry ny olona aty akory i JLR ka ataovy izay mety fa sao anenenana.

  7. Rehefa miresaka ny zavatra ratsy nataon’ny mpanongam-panjakàna na « foza » ianao r’Ingahy Robinson, dia lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zavatra ratsy nataon-dry zareo, ary nahatonga ny firenena ho ao anatin’ny haizina tahak’izao â !
    Tsy fiangaviana akory izany, fa adidinao ny mampahafantatra an’ny vahoaka ny zava-misy !
    Rahatoa ka lany soa aman-tsara eo ianao, dia asa goavana be no miandry anao sy izay hiara-hiasa aminao !!
    Adisoana ny manafin-javatra, ary tonga dia lazao amin’ny vahoaka dien’izao fa ny famerenana ny ara-dalàna no adidy voalohany tsy maintsy tanterahina !
    Fitsaharan’ny tsy ara-dalàna, ny gaboraraka, ny kolikoly, ny halatra sy famonoan’olona amin’ny herisetra samihafa, no hitondra fandriampahalemana manerana ny nosy !
    Fandriampahalemana no hitondra fandrosoana ! Lazao mazava amin’ny vahoaka fa asa goavana sy lavitr’ezaka izany, ary mila ny fandraisan’anjara avy amin’ny tsirairay avy !
    Tsy tsara ny mamoron-dainga toa ny nataon-dry zareo, fa ny marina kosa tsy maintsy lazaina !

    Dénoncer les méfaits des foza n’a rien d’agressif ! Ce serait plutôt un devoir, de la part de tout républicain et démocrate !!

    Le journal La Nation serait-il à côté de la plaque avec cet article ?

    La Nation : Début d’aggressivité !

    http://www.lanation.mg/article.php?id=6966

  8. Fa nahoana ny mpikambana ao anatin’ny Avana no misy sahy miteny hoe « Mijapy i Neny » ?
    Ary sao dia mba misy foza tafiditra ao anatin’io Fikambanana io ?
    Tsy voatery nangataka fiara-miasa Ingahy Robinson, rahatoa ka vitanareo irery ny hanaisotra ny foza eo amin’io fitondràna nangalarinny io. Noho izany, tsy dia tsara angamba ny mamoaka teny tsy mendrika tahak’izany !

  9. Sao dia ry zareo kosa no MIJAPY fa tsy NENY???
    Ohatry ny foza ihany io e!! ny azy no ataony tonga aloha mba hanampenana ny MARINA,
    ilay toe-tsaina e!!!mbola ho ela oah!!
    Izay no hilazako dia ny izao fa hoe: rehefa ingahy Robinson no ho tohanana dia tohanana fa AZA DIA MANANTENA
    ZAVATRA INONA LOATRA ,raha misy moa hisaorana fa raha tsy musy kosa dia efa izay izany fa efa IZY ALOHA NO
    TOHANANA DIA TOHANO ZALAH !!!!!ny manantena tsy musy hono no SAROTRA fa ny MAMOY mora foana .
    Za manokana aloha …………. tsy mahatoky maty raha tsy avy mandevina , tsy TE HO ………………. za !!

  10. Misy dingana tsy maintsy arahana ny zava-drehetra ê !
    Efa tsy nisy tanteraka ny zavatra nokendrena rehetra, satria maro ireo tsy mbola tonga saina fa potika ny firenena : ny sasany aza manararaotra, noho izany eo amin’ny fanomanana sy fampielezan-kevitra isika izao.

    Tohano izay tokony ho tohanana ! Ny manaraka ho hita eo ihany ! Aza manao tahak’ilay olona anisan’ireo mpanongana izay mitabataba ankehitriny fa hoe tokony tsy ho atao io fifidianana io ! Ny azy angamba zavatra hafa dia hafa no ao an-dohany !
    Aza manao tahak’ireto hoe HPVM sy FFKM izay tsy nandrenesam-peo intsony koa !
    Aza manao tahak’ireto hoe « foza » mijoro moa sa inona moa izy izay !

    Isika tsy hanao varotry ny mananon-tena, raikitra vao toran-kovitra ! MDR !!

    Chaque chose en son temps ; et le jour venu, chaque personne « à sa place » !!!

  11. Miala tsiny @ fihavanana fa za miandry ilay fampanan-tenana hay POAKATY hoe:
     » mody dada alohan’ i fifidianana « izay voasoratry Solo Razafy t@ le 15 sep teo an!!
    za indray tsy miditra @’io fanohanana io raha TSY TONGA I DADA IZAY NIFANARAHANA,MIALA TSINY!!!!
    Fa raha misy ny fanohanana eto dia i NENY no tohanako.Aleo hazava ny resaka.
    Tadidin’ny rehetra tsara angamba ny NANOHERAKO ilay filatsahan’i NENY ho fidiana izay saika tsy niverenako
    teto intsony ????efa fantatro fa tsy hamela an’i NENY eo zany ry zareo ary tsy i NENY velively no nokotrehiny
    HANERENA an’i DADA HANDRAY ANJARA T@’ ity fifidianana ity fa HAFA, dia inona TOKOA?????
    Inty indray !!!tsy zazakely isika ka hoe : omeo an’itsy aho dia miara-milalao aminay elah ry bandy kely e!!
    Zavatra tsy azo hatao mihintsy izao zavatra izao fa efa MIKIRIBIBY moa nareo dia aleo fa MIFAMPITAZANA ETO
    ISIKA .Ny diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela, samia ho velon’aina e!!!dia aza misy mimenomenona avy eo an!!!

  12. Tsy r’ingahy Robinson na Solo Razafy no mandainga, fa na ny Filoha aza mahatsiaro tena nofitahina toy ny mahazatra, SAINGY TSY AFA-MANAOTRA !

    Aza dia atao mankarary fo ry ranavalona ny toe-draharaha â !
    Tsy misy izay tsy mahalala fa vokatry ny fanaovan-tsonia izao ! Tsy fotoanan’ny fidongiana izao, na dia tsy levon’ny vavoninao aza ny mahita ny sasany mihirahira !

    Mitaky ny ara-dalàna ianao ?
    Mitaky mafy an’izany hoe fandriampahalemana ianao ?
    Mitaky ny fiainana mirindra ho anao sy ny ankohonanao, ary ho an’ny vahoaka malagasy rehetra ianao ?
    Mitaky an’izany tena fahaleovan-tena ho an’i Madagasikara ianao eo amin’ny lafiny rehetra ?
    Manohana mafy an’Andriamatoa Ravalomanana mivady ianao ?

    Tsy misy izay tsy mahafantatra izao tontolo izao, fa hiaran’ny « chantage » foana ry zareo atramin’izao ! Ny voalohany indrindra mahafantatra an’izany dia ny Filoha Ravalomanana mivady !

    Zo-nao ny manohana an’i Neny, saingy izy tsy ao anty lisitra intsony ! Enga fotsiny anie ireo malagasy maro, izay nilaza fa tsy hifidy rahatoa ka tsy mirotsaka ny iray amin’izy mivady, tsy hidongy toa izao ataonao izao !

    Tena olona adala ve Ramatoa Ravalomanana, vao avy nandevina an-dreniny dia iny lasa manohana an’Ingahy Robinson ? Ny harerahina sy alahelo anefa mbola mandifitra ny tenany ?

    Raha lany eo ny foza, noho ny halatra samy hafa sy ny fanakiviana ary ny lainga mbola hafafin’ny sasany etsy eroa, dia iny Ingahy Ravalomanana no tsy ho tafaverina eo intsony ; mino aho fa tsy izany no tadiavinao, koa dia anjaranao no misafidy !

  13. Mamerimberina: tandremo ny fahasalamana!

    _____

    Ny ankamaroan’ny olona any amin’ireo faritra ireo OA (afatsy ireo ngezalahy nanao namadika sy nanao toetra tsy mendrika ary mpiBIZZZINA amin’izao fotoana)
    dia tsy misy tanjona goavana fa dia miaina au jour le jour, tsy mahatsinjo lavitra izany,
    TSY MAHARAKA ny fahaverezana ara-ekonomia sosialy koltoraly
    FA TONGA ETO miaina aty an-drenivohitra vao TONGA SAINA : vola daholo isaky ny mihetsika nefa vary mora tapitra balahazo aza tsy hisy hanome fotsiny anao eo, loto etsy sy eroa ARY tahotra ny fodiana alina sy elan’elan_trano kay no dikan’ity manara-penitra

    Izaho koa mba gaga, effort à fournir (hoy ny appréciation)

    « Rehefa miresaka ny zavatra ratsy nataon’ny mpanongam-panjakàna na « foza » ianao r’Ingahy Robinson, dia:
    LAZAO AMIN’NY VAHOAKA REHETRA NY ZAVATRA RATSY NATAON-DRY ZAREO
    ary nahatonga ny firenena ho ao anatin’ny haizina tahak’izao â! »

    ____

    ary tokony hanohina ianareo amin’itony:

    « batoto dit :
    9 octobre 2013 à 4 h 15 min
    Tena malahelo zahay aty ankazobe fa tsy misy affiche intsony raha vao miala ny distrika fa aiza ny lamin’asa o »

  14. Efa tonga any antsofin’i lehibe ve izany
    olon’ny AVANA miseho milay izany?

    Nefa anie rey olon dia: olo TIA an’i dada @ FO TSOTRA ny ankamaroan’ireo olona tonga eny ireny ê!

    _____

    ranavalona: tadidinao ve fa mitovy ny eritreritsika roa, dia nihaka-peo sy nitaky toa anao io aho!

    fa nitony rehefa notaomin’ny namana mpiara-miasa
    hoe: ‘ndao’

    _____

    Misy mamaky ve ny torohevitra havoaka eto @ mydago?
    misy manaraka na manitsy exetra arak’izay azony atao ve
    na koa manome fanazavana rehefa mitety ireny?

  15. Tena zato kabary arivo fa @ alahady 13 oktobra izao dia eny Antsonjobe i Jean-Louis Robison. Antsoy sy hampafahataro daholo ny namana hanotrona, fa tena zava-dehibe ny fahatongavana sy ny hamaroantsika. Ilay tanan-kavanan’ilay mpanogam-panjakana teny Antsonjombe nahazaka olona marobe. Tsy ho lasa-danja isika fa misy « frappe crane » (guerre psychologique, ao Eny Antsonjobe ny fotoana @ alhady 13 aktobra,

  16. Raha azoko tsara dia SERENA KOA HANDAINGA IZANY I Dr ROBINSON?????
    de @’izay mitovy lasitra @ FOZA????
    Ho aiza! tonga dia nahatsiaro anao aho vao naheno ilay teny hoe: » mijapy i Neny « ? tena efa olona maivan-doha
    izay nilaza izany , ary tsy henony angah ilay hika lava reny hoe » MODIA DADA A! DADA MODY sns »????

    Misy ahitsiko kely fa i Neny no harahako sy tohanako ny heviny fa izy moa efa NAHILIKA .
    Za tsy midongy fa efa zaza hendry fa mba manetraka ny ahiahiko fotsiny aho.

  17. Ny fanohanana an’Ingahy Robinson, dia ny Filoha Ravalomanana izy tenany, no naka ny andraikiny momba an’izany !
    Nomen’ny SADC sy ny CI toky izy fa mahazo mody, fa mandray anjara amin’ny fifidianana na dia tsy afaka milatsaka aza ny vadiny !

    Tsy Ingahy Robinson no tompon’andraikitra amin’ny tsy fahazahoany mody, fa ny vahoaka malagasy izay nanaika an’izao zavatra tsy azo leferina izao nandritr’izay taona maro izay !

    Raha ny zavatra tsy azo ekena rehetra nihàtra taminy atramin’ny 2009 no tanisaina eto, dia ho lany andro ! Rahatoa ka olona ratsy loha izy, dia ny fitariana ny malagasy handray fitaovam-piadiana no nataona na dia hiafara amin’ny ady an-trano aza izany !

    Matoa izy mbola mandefitra dia ny fitsojonvana ny hoavin’i Madagasikara !!

    Forum TIM : Fil infos
    Date : lun. 7octobre 2013 17:49:19
    11 h -> Le nombre de personnes arrêtées dans l’affaire de Nosy Be monte à 26
    -> …………
    -> Selon la famille Ravalomanana, une demande de retour à Madagascar formulée par le Président Marc Ravalomanana a été refusée par les autorités.
    -> ……..

    Iza no homenao tsiny ? Ny Filoha Ravalomanana sa Ingahy Robinson ? Efa mazava ny kabarin’ny Filoha izay nalefako iny !

    Ny fanohanana an’Ingahy Robinson, ny fanentanana ny vahoaka hifidy azy sisa no azo atao, REHEFA TSY MAHAVITA MANDRAY BASY NA MANENDY FOZA, TAHAKY NY NATAON’NY OLONA TANY NOSY BE !!!

    14 na 13 andro akory aza sisa, no hahafahanao mandray anjara mafy amin’ny tolona, raha tsy izany dia very fotoana fotsiny ianao nisera tamin’ny rehetra tato !

    Na voafidy 1er tour aza soa aman-tsara aza i Dr Robinson, mbola ho enjana ny tolona !

    Hafatra ho an’Ingahy Robinson ( ary ny vadiny ) : Si l’on veut avoir les résultats escomptés, il faut donner au peuple et surtout  » à TOUS les militants  » les moyens appropriés pour ce faire.

    Les campagnes doivent se faire au bon moment, aux bons endroits, avec TOUS LES MOYENS LEGAUX !!

  18. Mankasitraka lesy a!!za anie tsy maninona an’iza fa ilay fanararaotana sy
    fanaovana fitaovana ireto olona indrindra i dada izay atao filan-draha tsy mahita fotsiny no
    MAMPALAHELO AHY lesy a!!
    Manohina ahy mihintsy ny fanazavanao indrindra iry ambony iry,teto indray bavy no noraisina, latsaka mihintsy ny
    ranomasoko mamaky ny fanazavanao.Malahelo an’i dada za!!!
    99 andro hono ny an’i Satana fa ny 1 andron’Andriamanitra , ary io no andrasako.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *