Fampielezan-kevitra tao Fandriana, Faratsiho, Ambohimandroso, Antsirabe : « 1er tour de vita »

Antsirabe 05 okt 13 (44)

Antsirabe 05 okt 13 (45)Nitohy androany ny fampielezan-kevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, notronon’ny delegasiona mafonja avy amin’ny movansy Ravalomanana notarihan’ny filohan’ny delegasiona Mamy Rakotoarivelo, ny VPM Botozaza, ny vice-Pdt CST Hanitra Razafimanantsoa, ny talen’ny fampielezan-kevitra Ranaivoson Henri , ny filoha nasionalin’ny antoko MFM Manandafy Rakotoniriana. Fandriana, Faratsiho, Ambohimandroso, Antsirabe ni faritra notsidihany. Tamin’ireo hetsika rehetra ireo dia niditra mivantana tamin’ny antson an-tariby hatrany ny filoha Ravalomananana. Nanantitrantitra ny tenana fa Dokotera Jean Louis no kandidà tohanany. Rehefa mandesy dokotera amin’ny fifidianana io, dia mandresy isika hoy iza koa aoka hifanentana amin’ireo mpiankavy sy ny mpiaramonina rehetra isika. Nambaran’ny filoha Ravalomanan tao Antsirabe ihany koa fa antoky ny fiverenany an-tanindrazana ny fifidianan’ireo mpanara-dia azy ny kandidàn atolony. Rehefa lany ihany koa i Dokotera hoy izy dia hisokatra ny orinasa Tiko ary dia maro indray no ahita asa amin’izany. Fa niverimberina tamin’ny hetsika androany ny tetik’asa atolotry ny kandidà rehefa lany izy. Tamin’ireo faritra rehetra naleha dia nanamarika hatrany i Dada fa ny fandraisan’ny rehetra anjara mavitrika amin’ny fifidianana dia azo antoka fa 1er tour dia vita io hoy izy.

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO FANDRIANA

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO FARATSIHO

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO AMBOHIMANDROSO

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO ANTSIRABE

 

10 pensées sur “Fampielezan-kevitra tao Fandriana, Faratsiho, Ambohimandroso, Antsirabe : « 1er tour de vita »”

  1. Na eo aza ny fahoriana tsy maintsy miroso @ ny fanalana ireo mpanogam-panjaka maha velom-bolo ny mahita ny vahoaka tonga manohana ary ho tonga tsy ho ela ny fanavotana.
    Maro koa ny faritra mbola miandry anao ra doko ka mahereza.

  2. HAFA MIHITSY REHEFA MISY SONO MOBILE ATY ATSIMONDRANO.ILAINA FOANA IZANY SATRIA MANAITAITRA SY MAMPATSIAHY NY VAHOAKA FA ANY NY KANDIDA TOHANAN I DADA. MIRARY SOA

  3. TOKONY ATAO ISAN ANDRO NY FANENTANANA NY OLONA AMIN NY SONO MOBILE SATRIA MAHITA NY AN NY HAFA MANDE IANAO DE MANONTANY TENA OE AIZA NY ANTSIKA. TOLONA ITY KA TSY TOKONY HATOKY TENA BE IZANY.
    GASY TSY MAINTSY MANDRESY. IZAHAY DIA EFA MANAO IZAY AZONAY ATAO ATIFOTONY ATY.

    FONGORY NY FOZA

  4. Aoka tsy hisy mandrimandry saina fa ny vahoaka raha variana ny mpitarika dia misy mamitaka.
    Ireo trakta, sono mobile, fampielezan-kevitra isam-pokontany…dia tsy azo avela mandrampahatonga ny daty fifidianana. Ny antony dia misy ny mety alahim-panahy tsy handeha hifidy. Nefa vato iray dia mety ampy hampitsingolika ireo mpanimba firenena ireo.
    Entanina ny rehetra hanao izay azony hatao hahatonga ny firenena hiala amin’izao fahorian lehibe nampidirana azy izao.
    Mitohy ny tolona ary voizina handresy.

    http://www.gttsra.org

  5. Tsy azo hatao ve ny mandinika fifanarahana amin’ny
    -talean’ny fampilezan-kevitry ny Mouvance RAVALOMANANA MARC
    -sy ny Tonian’ny Radio Rindra,
    -ary ny Lehiben’ny Délégation ny Mouvance RAVALOMANANA MARC
    -ary ny Solontenan’ny Antoko Avana ,
    -sy ny équipage-n’ny hélico ( pilote et navigateur , mécanicien( pour évaler la charge de l’hélico ).
    momba ny reportage audio sy vidéo aseho miaraka , fa hialàna raha azo hatao ny décalage misy ankehitriny : ohatra amin’ny 8 ora alina no mandeha ny reportaga audio , ary miandry amin’ny folak’andro ampitso vao « hafaka  » hihaino ny reportage vidéo..
    Hala -olana :
    Miaraka manidina amin’ny hélicoptère ny Mpanao fampielezan-kevitra sy ny cameraman (mpandray feo sy sary) .

  6. Efa afaka mifidy angaha Ra-Celestin ny malagasy mipetraka aty ivelany ???

    Ary efa maty angaha i Benangy no tsy dia misy resaka momba azy loatra intsony ???

  7. eny Antsonjombe indray @ erin’ny anio!

    Raha i Mamy no benangy: tonga teny antanikatsaka izy io hariva teo…

    ____

    Ilaina ny « SONO MOBILE »

    – « MANAITAITRA SY MAMPATSIAHY NY VAHOAKA FA ANY NY KANDIDA TOHANAN I DADA »

    – « TOKONY ATAO ISAN ANDRO NY FANENTANANA NY OLONA AMIN NY SONO MOBILE SATRIA MAHITA NY AN NY HAFA MANDE IANAO DE MANONTANY TENA OE AIZA NY ANTSIKA »

    – ataovy dridrangila oa ny hira faneva sy animation pro-dada ==> androany izao voahoraka ny an’ny FOZA sendra nifanena t@ olona mandeha an-tongotra mody!!

  8. i Freddy dia mihevitra fa zanak’Ikalahafa ny Magasy miaina ,miasa ,mianatra aty ivelany..? Fa na aiza na aiza no mpitetraka sy miaina ny teratany iray da tsy verin’ny zo mahateratany azy ,tsy afaka amin’ny andraikitra mahaha teratany azy izy..
    Koa mba misaina re na dia iray minitra aza vao miteny,,
    Misy Malagasy maro afaka mifidy satria misoratra ao min’ny fokontany misy ny adresse-ny any ANTANINDRAZANA ary tsy manadino ny faavaozana ny kara-panondrony izy ireo..
    Na izany na tsy izany ,fa angaha tsy mahazo manome hevitra ho an’ireo mpiandraikitra ny fampielezam-baovao ao amin’ny Mouvance RAVALOMANANA MARC ,sa tokony hiera amin »ty Freddy ‘ty vao mahazo mandray andraikitra eo amin’ny asa ho any TANINDRZANA ,
    Valio !

  9. OK ho Aiza. TENA MIOMBON-KEVITRA AMINAO MIHITSY ZA. HOY NY OLONA TONGA TENY ANTANIKATSAKA OMALY OE. IRETO ZAHAY TSY NOMENA VOLA FA TONGA. JEREO FA VO TAPITRA NY HAFATR I DADA DIA NODY NY OLONA SATRIA TSY MBA MPANAKANTO NO NAHATONGAVANY TENY. ARY OLONA RESY LAHATRA NO HITA TENY.

    NA IZANY AZA. TSY TOKONY ATORITORY FA TOKONY ISAN ANDRO NY SONO MOBILE MBA HANAITAITRA SY HAMPATSIAHY NY OLONA. ANY AMBANIVOHITRAY ANY HONO EDGARD NO MBA HENOHENO FA NY HAFA TSY HITA.
    TOKONY HETSEHINA NY BASE ZANAK I DADA. ARY AMPIASAINA NY FITAOVANA. ADY ITY FA TSY KILALAO KA TOKONY AMPIANA NY FAHARESEN-DAHATRY NY OLONA.
    TSY MAINTSY MANDRESY NY TENA GASY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *