Fianakaviana Ravalomanana : Niara-niombona alahelo taminy ny vahoaka malagasy

DSC00001Tontosa soa aman-tsara androany Alatsinainy 07 okotobra ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’Itompokovavy Bebe Razay, renin-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Alohan’ny nandevenana azy teny amin’ny fasandrazany teny Ambohimandry dia nentina teny amin’ny Fjkm Ambohimanoa Alasora Betesda, izay nanaovana fanompoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an’Andriamnitra sy ny fianakavian’i Bebe Razay. Ny mpitandrina Andriamalala Zo Solofonirina no nitarika ny fotoana tamin’izany. Ny Salamo 73,28a : » fa izaho dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy » no toriteny nentina nankana fampaherezana. Tanteraka teto tokoa ilay fitenenana hoe voninahitry ny velona ny maro mpanotrona, ary voninahitry ny maty ny maro mpandevena. Niara niombona alahelo tamin’ny fianakaviana Ravalomanana ireo rehetra nanana fifandraisana taminy, toy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina filohan’ny Fjkm, ny mpitandrina ny fiangonana Imerikasinina sy ny FJKM Faravohitra, ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanantsoa, ny VPM Botozaza Pierrot, Ny Cst Rakotonirina Manandafy, ny kandida Robinson Jean Louis sns… Marihana fa efa nanao ny aatontantaratasy rehetra teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny filoha Ravalomanana mba hahazo hanatrika ny fandevenana kanefa dia nolavina izany.

Noho izany rehetra izany dia ny fianakaviana Lalao Ravalomanana iray manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana ireo tonga nidodododo nampahery, nanotrona , hery sy finonana ho an’ny fianakaviana ny nataonareo. Ny tompo anie homba sy hamaly fitia anareo ka hanome ny fiadanana.

11 réflexions sur « Fianakaviana Ravalomanana : Niara-niombona alahelo taminy ny vahoaka malagasy »

  1. Mandrià ampia-danana bėbė Razay a!!ny anjely anie no hitantana azy ho any ambony any
    na dia ny fiaretany ny mafy nahazo ny zanany izay aza.
    Mahereza ry Neny ary misaorâ ny Avo fa izy no naka ary koa izy no manome ary nahavita ny adidiny izy.
    Aza misosoka alahelo intsony Tompoko!!

  2.  » marihina fa efa nanao ny taratasy teo anivon’ny hiraisam-pirenena …… »?????????
    Mahavelom-panontaniana ny naneikinaikena fotsiny fa hanolotra olona i Dada de mahazo mody an?????
    Manomboka mahamahana ahy ity fodian’i dada alohan’ny FIFIDIANANA ity izay nifanarahana t@ antony TSY MAINTSY
    NANILIANA SY NANERENA AZY HANOANA OLONA??????mamofopofona FITAKA VE SANATRIA SAHADY ILAY
    FODIAn’i DADA ALOHAn’ny FIFIDIANANA?????
    Ny hamisavisana ny ratsy anie hiavian’ny soa.

  3. Misaotra and-Ranavalona @ fahazotoana manoratra eto. Manolotra ny fampiononana feno ho an’i Neny sy ny fianakaviana manotolo sy ny zanak’i Dada rehatra.Zao no mba hafatra: Soyez réaliste, aza manantena mihintsy fa haverin’ny foza eo i dada surtout avant election. Ndao hifidy entano ny namana rehetra, aza averina intsony ny erreuran-tsika tamin’ny fifidianana maire tamin’ny 2007 nahalany and-Rajoelina.Tadidio ity teniko ity, tamin’ny 2002 teo ambanin’ny vahohond-Ratsiraka daholo ny fahefana rehetra (TAFIKA, MINISITRA, SENATERA, DEPUTE, MAIRE….) NANAHOANA NY RESULTAT? ANKEHITRINY C’EST LE MOMENT DE REFAIRE LA MEME CHOSE! MINOA FOTSINY IHANY!

  4. RAnavalona o, efa namaly anao aho any @ article hoe fidio JLR dia mody i Dada, aza manantena ny fodiany alohan’ny fifidianana , raha tsy lany i JLR dia asa hiova endrika manao ahoana indray ny tolona hamerenana ny filoha Ravalomanana raha mbola hisy izany. avy eo mantsy ho latsain’ny olona hoe , matoa tsy nifidy an’i JLR ny olona dia tsy ankasitrahany ny hiverenan’i Filoha R8 , fitaka be vava io fandraisana anjara @ fifidianana io , ary izany no hitsipahako izao fifidinana izao satria feno fitaka sy tsy fahamarinana.Tian’ireo handany vola fotsiny PRM fa sady tsy havelany hody no tsy havelany ho lany ny olona notohanany. Efa fahoriana io aza mbola tsy avelany , izany FDR izany efa tsy misy.

  5. Andriamanitra ô!!!
    Miala tsiny aloha fa IZAY NO NIVOAKA TETO AN!!!hoe: mody Lohan’i 23 OCT DADA .
    jereo fa mbola ato izay voalaza izay an!AZAFADY TOMPOKO ISANY AN!!jereo kely TOMPOKO FA MBOLA
    MIRAKITRA ATO IO.
    TETIKA IZAO SA PAIKA SA FANDRIKA s tena fanaovana ts’inona ny vahoaka????

  6. Ranavalona. ADY ITY ARY ADY AMIN NY FOZA IRAY TRANO. INOAKO FA FANTATRAO TSARA NY TERY MAHAZO NY FILOHA RAVALOMANANA SY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA. FANYATRAO TSARA KOA FA IMPIRY EFA SAIKA HODY DADA FA NOSAKANANA. NY VADINY SAIKA HILATSAKA NOSAKANANA IHANY KOA. RAHA IZAHO NO OHATRA ANAO DIA IZAO AHO DIA MIFINDRA ANY AMIN NY FOZA SATRIA MBOLA ADY MAFY NY FAMPANDRESENA AN I DR RJL.
    TOKONY HISIKIM PONITRA IZAY REHETRA VONONA FA TSY HAMENDROFENDRO SY HIFAMENDROFENDRO KA HANAO IZAY MANANDRIFY AZY AVY AMIN NY FANDRESEN DAHATRA.
    TSY FOTOANAN NY FANAKIANANA IZAO FA FOTOANAN NY ASA SY NY ADY.
    NY TENA GASY TSYMAINTSY MANDRESY.
    IZAHO IZAO TSENA ANY AMBANOVOHITRAY DIA ANDEHA MBA HANENTANA NY OLONA ARAKA IZAY KELY METY HO VITAKO. AZA MANANTENA FANDRESENA RAHA TSY MIASA.

  7. TADIDIO RE FA RAHA VAO TSY MIFIDY MIARAKA ISIKA AN’I JLR DIA VITA ATREO NY REHETRA – MAHAIZA MIFIDY OLONA MIARAKA DIA I JLR – MAFY BE NY POLITIKA KA AOKA ISIKA HAHAY MIARAKA SAO TRATRY NY NENINA EO

  8. Ny zavatra fantatro ry Gasy aho dia isaky ny Tonga any Antsimo ireto
    lazaina fa mpitarika ka miteny  » HANDRESY LAHATRA An’I DADA « ???
    dia midika izay fa « HANDETIKA » ary izao no vokany , EFA IMPIRY IZAY e????
    Manasa anao ary aho ry Gasy aho hijery ao @ date 15 SEP tsy vao ela an!!dia mba hilazao kely ary za hoe:
    I Solo Razafy no MAMORONA sa i Dr ROBINSON no MANDAINGA , fa voasoratra ao tsara hoe: » TSY MAINTSY
    TAFODY ……… NY FILOHA R8MANANA ARY ALOHAN’NY FIFIDIANANA NO TANJONTSIKA IO FAMPODIANA
    NY FILOHA IO……. »???????
    Dia ahoana aho no tsy hametraka ahiahy ary ,sa manaiky izao daholo ny rehetra????

  9. Tsara levenana i BB
    BEBE RAZAY ary heni-kaja heni-boninahitra ny FIANAKAVIANY !
    Isika kosa dia manohy ny Tolona ary mitandro sy miezaka izay hahavoafidy ny Dr robinson jean louis ,mba handray ny valin-kasdasaran sy ny valim-bavaka ny Malagasy izay niaripery nandritry ny dimy taona latsaka izao.
    Ary ny lehibe amin’ny fahasoavana hateraky ny fifidianana an’ny candidat-tsika dia ny FODIANA NY FILOHA ANTANINDRAZANA !

  10. Tena avo lenta ry zareo ity tetezamitatra ity a fa : raha tena mandeha @ ara-dalana io fifidianana io dia : 100% aho fa 1er tour dia vita ! nefa ny frantay tsy maintsy hanao sondage indray ka hitany fa ho lany i JLR dia hitady hevitra indray ry zareo satria « Afaka manao izay tiany atao izy » satria ambonin’ny lalàna ry zareo !

  11. Mitandrema isika fa betsaka ny toan-dRanavalona manao politique d’infiltration ka aty amin’ny forum natokana ho an’ny zanak’i Dada mihitsy no mamafy rivotra. Mazava ny teny nataony Prezida Ravalomanana fa i Dr Robinson JL no favori ary atokisany tanteraka fa hampody azy; Koa aza mety ho rebireben’ny resaka samihafa fa andeha hifidy sy hanao izay hampandresy an’i RJL dia avy eo jerena izay hampodiana an’i Dada. Raha tena ny fodian’ny Ra8 no ilaintsika dia lalana iray tsy maintsy ho lalovana io fifidianana io.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *