FILOHA RAVALOMANANA : TONGAVA MIFIDY AN’I ROBINSON DIA MODY I DADA

Antanikatsaka 06 okt 13 (25)

Antanikatsaka 06 okt 13 (25)Teny amin’ny faritra atsimondrano, Itaosy, Ambohitrandrimo no nanohizan’ny kandida Dr Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomananana sy ny antoko Avana ny fampielezan-kevitra ny Alahady 06 okotobra 2013. Teny amin’ny kianjan’ny tanikatsaka Itaosy no nanombohana izany, ka ny kandida Robinson no tonga teny an-toerana, niaraka tamin’ireo delegasiona avy amin’ny movansy Ravalomanana, izay nahitana ny filohan’ny CtRakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanantsoa, ny VPM Botozaza Pierrot. Nitorajofo ny kianja satria dia feno hipoka tanteraka. Alohan’ny nanombohan’nylahateny samihafa dia nisy ny iray minitra fahanginana izay nentina nahatsiarovana an’i Bebe Razay. Ramatoa Lalao Ravalomanana moa noho ny fahoriana mihatra aminy dia tsy tongateny an-toerana. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana. Fido ny Dr Robinson hoy izy, ary tongava mifidy na vavy na lahy, entano daholo ny olona rehetra. Ho an’ireo izay tsy mahalala ka tsytapa-kevitra hoy  izy fa misalasala dia fidio kandida laharana faha 33. Fantatro ianareo fa niasa sy nanentana amin’ny fo manontolo ny kandia natolotry dada. Aza lmatahotra ianareo hoy izy faisika tsy matahotra fifidianana. Tongava mifidy dia mody i dada. Ny Me Hanitra dia nanazava tamin’ny vahoaka ny fampiasana ilay bileta tokana, iindrindra fa ny laharana 33 misy ny kandida Dr Robinson. Ny kandida Robinson raha nandray fitenenana dia nilaza fa maharesy aho, maharesy isika, mody ny filoha Ravalomanana. 5taona lasa izay hoy izy , tsaroanay tsara ny nataon’ireo tsy mataho-tody. Tonga izao ny fotoana hanakisahantsika ilaikely, akisantsika ny foza satria tsy mahay mitantana. Esorintsika ireo foza ireo. Bye bye ny foza hoy izy Dokotera hitsabo ny aretina izay napetraky ny foza ny tenako. Nampafahatarin’ny kandida Robinson tamin’io fotoana io ihany koa ny fandaharan’asa hotanterahiny rehefa lany filoham-pirenena izy, ka ankoatra ireo efa voalazany ombieny ombieny dia nilaz aizy fa hamboarina ny lalam-by Itaosy sy Antananarivo, ary Alarobia -Analakely. Rehefa avy eo dia nihazo ny faritra Ambohitrandrimo ireo delegasiona.

 

6 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : TONGAVA MIFIDY AN’I ROBINSON DIA MODY I DADA”

  1. F’ angaha tsy mody dada alohan’ny fifidianana????
    inona indray ity loha-teny ity ray olona???
    io aza fa mitady hisy sembana sahady!!tsy tė halala zay fa ny fantatray dia:
     » mody dada alohan’ny fifidianana » sady tsy azo hatao an’izany izy ity hoe:
    rehefa tsy lany Dr Robinson dia tsy mody dada, fa sao dia mamono tena,
    ny vao2 miely mantsy dia hoe:efa vita ny VALIM-PIFIDIANANA fa sarisary fotsiny
    io fifidianana io fa mazava ho azy fa ny Frantsay no manao izany ka izy ireo
    tsy handany an’i Olon’i dada mihintsy, dia hijanona any mandrakizay izany i
    Dada raha TSY HO LANIAN’I FOZA Dr ROBINSON????mampanahy be ihany an!!!
    tsy tokony ahankina @’n-javatra mihintsy ny fahatongavan’i dada fa rehefa noterena
    ianao hanaiky dia tokony ho terena koa ry zareo @ FIFANEKENA FA MODY DADA
    REHEFA NAHILIKA SY NOTERENA HANOANA OLONA.
    MBA MISY AFAKA MANAZAVA BEBEKOKOA VE AZAFADY NY MOMBA ITY FIVADIANA
    ITY INDRAY?????TSY HOE: MODY VE DADA ALOHAn’NY FIFIDIANANA NO NIFANARAHANA????

  2. Marina ranavalona io voalazan’ny lohateny io: ny sofiko no naheno tao anatin’ireo olona marobe ireo

    « Mody dada, mody dada, mody dada… » nila tsy nifarana
    hoy ny hiaka mafibe nasetrin’ny olona nohon’ny avy teo

    ___
    maika hanoy asa
    manome soso-kevitra
    rehefa

  3. Misaotra an’i sė @ fampitana ny vao2 rehetra Hoaiza a!
    Fa ahoana no nifanarahana e???eto vao VITA TOMPOKO!!!!
    tsy tokony mihintsy manome fampanantenana poakaty lava izao, io anie PAIKA NA FOZA e!!
    @’izay dia mitovy a@’izy ireo @’ilay LAINGA SY FITAKA LAVA VE????
    Sao dia mba tsy mety e????eto no hampihintsana an-drangahy ity dia izay voa miala maina .
    Tsy ho tafody mandrakizay dada , tsy hisokatra mandrakizay TIKO sns……

  4. Ranavalona o! raha tsy lany I JLR dia tsy mody i Dada, izany no hatraminny voalohany nifanarahany tany , asain’ny SADC mandray anjara @ fifidianana izy ho sahala amin’ny referandum manontany hoe tianareo ve ny hiverenan’ny R8. NY kabary rehetra na nataon’ny R8 na i Robinson de samy milaza anio daholo , raha lany izy dia tafody eto i PRM fa raha tsia dia tsy hay. raha vao mipetraka mantsy ny filoha dia efa bye bye zany article 20 FDR izany ka izay sitrapon filoha vaovao eo indray no hahatafaverina azy. izay no hitsipahako marindrano izao fifidianana izao ary efa nilazako tany @ fb rehetra fa raha naka risk tahaka izao ihany dia aleo ho naka risk niala tao @ system dia niady ho @ fifidianana madio sy mangarahara fa izao dia ni-valide ny fanonganam-panjakana isika , nanohana tanteraka ny fihetsiky ny senatrice Naika Eliane aho. Ireo mpitarika ny Mouvance mitsy no tena mpamitaka ka tsy hitan’ny PRM izay hataony ka manaiky izao fifanarahana rehetra izao izy

  5. Na za koa aza aloha dia tsy mankasitra io fifidianana io mihintsy vao tsy i dada e!
    Efa hay fa fifidianana feno FENO FANDRI- POZA IO.
    marina ary manohana anao 100% aho ry Mijoro @’ilay resaka MPITARIKA,zana-baratra.
    Tena tain’alika mihintsy ireto mpitarika ao @ ankolafy Ravalomanan an! tsy misy azo hianteherana fa
    hazo boboka maimbo foza daholo.
    D
    Dia mbola haveriko eto ihany ilay hafatra farany hoe: » rehefa i Dr Robinson no tohananareo dia tohano
    FA AZA MANANTENA NA INONA NA INONA NA MANDISO FANANTENANA ANAY MPANARA-DIA ANAREO .
    Amiko ny nifanarahana dia NOTERENA sy NAHILIKA i DADA hanoana olona dia MAHAZO MODY hay
    MBOLA ANY AN-KIBOn’NY OMBY ITY FODIANA???fa isika ve VOAOZONA E????

  6. EFa hita fa halabato manarapenitra mintsy no efa miandry ity fifidianana karakarain’ny foza ity ary raha ny foza ihany no ho eo dia ho potika tanteraka ny firenena. Tena manontany tena mihintsy hoe « Hanao ahoana loatra ity madagasikara ity e! tena potika tanteraka nanaovan’ny foza azy????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *