FILOHA RAVALOMANANA : Tsy ho vita ny tolona raha tsy tonga aty i Dada

mydago.com Dr Robinson tao amin'ny Magro 26 okt 13 (9)

CIMG5200Tena faly aho hoy ny filoha Ravalomanana androany raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby tetsy amin’ny Magro Behoririka, fa miteny aminareo mivantana . Ny voalohanteniko hoy izy dia midera an’Andriamanitra. Averiko aminareo foana hoy izy fa tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra ity fifidianana ity, raha tsy ny  herin’Andriamanitra sy ny fanahy masina dia tsy ohatra izao. Tsy  maintsy mandresy hatramin’ny farany isika. Tsy ho vita ny tolona raha tsy tonga aty i Dada. Misaotra anareo , ny mpitarika hoy izy  fa fantatro fa mizara roa mazava tsara ianareo taty. Ao ireo mino ny hafatra napetrako hoe mandray Anjara isika amin’ity fifidianana ity. Ao ireo nisalasala  mody tsy te  hahalala ka nanao hoe tsy hivadika amintsika ve ity kandida ity. Averiko aminareo eto amin’ny Magro hoy ny filoha Ravalomanana fa tonga aty amiko ny hafatra, na  vahoaka tsotra na olontsotra, nilaza fa tena hampody an’I Dada ary azo itokisana ve io. Matokia ahy ianareo hoy izy fa matoa aho nanohana sy nifidy azy ho kandida dia matoky aho fa eo ampelantanan”Andriamanitra ny toromarika. Ny toromarika hoy izy dia voalanjalanja tsara  ka noho izany dia aleo ialana izany ahiahy  sy tahotra izany, izay no nahatonga ireo « coach » , ao no tonga dia nino ka nahavita zavatra, arahabatsika izy  ireny, ao ireo nilaza fa atao fotsiny dia mba atao. Tsy mba matahotahotra izany miaraka amiko hoy izy fa rehefa ity no tanjona dia tanterahantsika. Esory ny tahotra fa matoa tsy nitandro hasasarana I Dada ary izaho niteny foana teto aminareo dia misy dikany. Aoka hoy izy tsy hanaotao foana fa rehefa manao dia amin’ny fo. Mila manova ny paikady reheat hoy izy ny tomponandraikitra ary mila miara miasa amin’ny eo an-toerana fa tsy misy fialantsiny izany ary tokony hiara hiasa amin’ny vahoaka. Rehefa tenenina hoy izy dia tanterahana, fa ohatra ny tena faizin’I Mananjary isika satria tsy nijery azy.Ny politika hoy ny filoha Ravalomanana dia fifampitokisana.  Ny fandresintsika dia miankina amin’ny finiavanao. Tsy ho vita mihitsy izao tolona ataontsika mitaky ny tany tan-dalàna sy ny soatovaina Malagasy, tsy iala mihitsy ny vahoaka Malagasy fa mitaky  izany. Tandremo hoy izy, aza misioka fa tsy mbola tafavoaka, ary tandremo manao fihetsika tsy voahevitra.  Mendrika isaorana ny  vahoaka Malagasy, mendrika ho tohanana ny tolona ataontsika. Matoa I Dada hoy izy mamporisika , tsy mialangalana fa tena manao amin’ny fo mihitsy, fa r aha tena sahy manao izany dia tsy misy matahotra intsony isika amin’ny manaraka. Manome toky anareo aho hoy I Dada fa matoa aho nanapankevitra dia mino aho fa hitana ny teniny Robinson, ary matoa izy tonga eto aminareo dia nitana ny teniny. Ho anareo Avana hoy izy dia aza matahotra fa mino fotsiny ihany. Raha manaraka ny toromarika omeko ianareo hananganana firenena vanona. Tandremo tsar a ny fakampanahy mety ahazo, fa matoa aho manafatra dia te hanana vahoaka Hendry. Ny tena zavadehibe hoy izy dia ny fifampitokisana amin’ny mpamantsy vola.  Raha tiana handroso ny firenena dia mila vahoaka matotra sy mpitarika sahy. Fantatro hoy izy ny hahasoa anareo. Dada dia tsy milaza zavatra tsy marina aminareo.

7 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : Tsy ho vita ny tolona raha tsy tonga aty i Dada”

  1. Mila mandray anjara @fandresehan dahatra ny Mpifiry an i JLR ,rehetra ,Mila fandraisan anjara ny tsirairay @ entimanana.
    Ny foza dia manana 4×4 350 ,….
    Mial eritreretina daholo izany .

  2. dinihana ny statistique: na tahiry geographie, na oronan-tsary marina teo aloha, na valim-pifidianana izao

    ny avy aty 1er toa efa acquis
    ny toerana naha-be an’isa ny laharana faha-telo tomorina akaiky

    raiso ny hafatra nomen’ireo nisera teto mahakasika an’Antsirabe sns
    – toa nahitako arỳ, filazàna fa NOESORINA TSY NATAO ANATY LISITRA NY ZANAK’I DADA tao an-tanàna?
    (ilay fianakaviana iray trano eto an-tanàna nitondra ny reçu milaza fa nameno ary namerina soa ny recensement an’i cenit, anefa dia OMIS tsy nahazo na karatra ary TSY HITA tao anaty cahier be

    Raha ny hevitra manokana dia hasaina mankaty @ QG ireo any an-toerana
    SOLIDARITE ary mifanome toky

    + plus

    voalazan’i MICHEL eto ambony ny zava-misy!

  3. Ny fanatrehana ny 2e tour dia tena mila organisation vaovao, satria ny lakile dia ny fanentanana ny tsy tonga nifidy, probleme carte electorale/recensement ary farany ilay resaka delegue de vote 60%. Io resaka delegue de vote io dia tokony atrehana manokana fa rehefa tsisy delegue ao dia ho vay ny halabato. Izao vao tena ady e! Mahereza daholo! Tsy maintsy tonga DADANAY!

  4. delegues sy ireo tsy tsy afaka nifidy t@ fiodinana voalaohany tokony jerena haingana o,izao vao tena ady an
    marina mintsy tenenin’ny fatidrà io an
    tokony tsy hamaivanina ireo an
    malaky malaky ry mpikarakara aza matory andro sy alina fa vtvt anie de tonga ny december atsoy zay te hilatsaka antsitra-po fa mino aho bdb izireo
    TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA AN

  5. Mba ireny artiste malaza tian´ny any ambanivohitra ireny aminízay koa alaina e! ,tahaka ry Viavy CHILLA, Tsiliva, …. Ireo ilaina ihany koa manampy an-dry BODO .

    Ny an´ny artiste manko vola no ilaina ,ka raha karamainareo izy dia iny iza manao propangande.

    Ary zarazarao ny mpanao propagande ,mba ho rakotra i Madagasikara, ohatra ny tarikin´ny mouvance ravalomanana miaraka amin´ny artiste malaza @ toeran-kafa dia ny Dr robinson miaraka amin´ny artiste malaza @ teoran-kafa . Mba sarotrarotra ho an´ny mpangalam-bato ny hangalatra raha toa ka be ny elanelana

  6. Mba jereo kely aloha ny voalazan’ny sasany ato ê ! Hendry be hono ny zanak’i Dada nandritry ny transition ary dia misaotra azireo ny mpanongana !

    http://www.leparisien.fr/international/madagascar-l-election-presidentielle-deja-endeuillee-25-10-2013-3258323.php

    La CENIT traîne les pieds pour traiter les PV des bureaux de vote. Il est évident que les foza savaient depuis fort longtemps qu’ils allaient recevoir la plus belle claque de leur vie ; d’où ces fraudes et manoeuvres illégales de toutes sortes.
    Comment imaginer d’après ce que j’avais lu quelque hier, que des PV de bureaux de vote ont été laissés ou délaissés dans une cour d’école, dans la nuit de vendredi à samedi ?

    Le journal Le Parisien avait également souligné que plus de vingt quatre heures après la fermeture des bureaux de vote, seulement 510 procès verbaux sur 20 001 avaient été acheminés vers le QG de la CENIT, soit les voix de 218 000 électeurs sur les 7 800 000 !

    La CENIT avait osé aussi avancer qu’un deuxième tour aura lieu, puisque les estimations qu’elle peut avancer seraient de l’ordre de 35 % pour le DR Robinson et de 15 % pour le fery vao.

    Il serait prématuré d’avancer ici nos propres estimations ( car des précautions avaient été prises par le Président Ravalomanana), mais attendons et voyons si la CENIT est aussi intègre comme elle le prétend !

    Pour l’instant, on fait mariner le peuple et pendant ce temps, tous les foza se concertent ici et là afin d’affronter le jugement du peuple lors « des » législatives.

    Comme elle dit HoAiza, les résultats avancés par la CENIT ont été bien étudiés, les PV bien triés afin de nous faire croire que les résultats obtenus par les putschistes sont quand même assez « honorables » pour ces derniers !

    1er tour dia vita ? Why not ? Wait and see and qui vivra verra !

  7. Eto izao dia milaza fa raha mbola ireny teknika natao t@ 1 er tour ireny no atao dia tsy hahaleo any Hery isika satria tsy misy mihintsy ny mpanentana any ambanivohitra any na affiche io na delegue aza to tsy nahazo solontsakafo, ka manainga ny staff rehetra ao ny tenako mba ho mailo. Taminy propangady ny DADA ange taloha ireny ka tena mipaka hatrany ifotony e, anjarantsika no mieritreritra ok

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *