DR ROBINSON : AOKA IZAY MAHERY, MAHAY NO MANDRESY

ROBINSON à NOSY MALAIMBADY 16-10-2013 600K-24

ROBINSON à NOSY MALAIMBADY 16-10-2013 600K-24

Malaimbandy, Belo sur Tsiribihina,  ,Morondava, ireo indray ny toerana nanohizan’ny dokotera Robinson ny fampielezan-keviny androany Alarobia 16 oktobra 2013. Nafana dia nafana ny andro tao Malaimbandy ka dia nafana tahaka izany ihany koa no nandraisan’ny vahoaka ny kandida Robinson, sy I Neny tany an-toerana. Nifanitsakitro tanteraka ny vahoaka tonga nihaino ny fandresehan-dahatra nataon’ny mpikabary. Ny kandida Robinson raha nandray fitenenana dia nanambara fa nijaly ny vahoaka nandritra izay efataona mahery izay, noho izany dia tonga aho hitsabo ny fery. Namaly avy hatrany ny hetahetan’ny vahoaka ny tenany ka nilaza fa omena rano fisotro madio ao an-toerana, vatsiana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny mponina ialana amin’ny fahamaizinana, amboarina ny làlana, ny hopitaly, asiana ambulance raitra, atao izay anefana ny karaman’ny mpampianatra Fram, ary hananganana tobin’ny zandary any an-teorana hiadiana amin’ny asan-dahalo izay manjaka tanteraka. Neny kosa raha nandray micro, teo anoloan’ny vahoaka marobe, na tao Malaimbandy, na tao Belo dia naneho ny hafaliany, tena faly aho hoy izy satria tonga marobe ny vahoaka, tsy nanadino an’i dada sy Neny. Tena faly aho hoy izy fa notahian’Andriamanitra ka mbola tafahoana eto isika. Neny hoy izy dia manana fon-dreny ka mino aho fa hahay hifankatia ka hifamela isika. Izany indrindra no ahatsapana fa marary ny firenena ka ny dokotera Robinson no hitsabo azy. Tongava mifidy ny laharana faha 33 amin’ny 25 oktobra izao hoy izy, isika. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy diso anjara tamin’ny kabary, izay niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby avy any afrika Atsimo, na tao Malaimbandy na tao Belo. Nambarany fa faly tokoa aho hoy izy naheno ny horakorakareo, na dia aty an-tany lavitra aza aho dia tsy manadino anareo. Ianareo ihany koa hoy izy dia tsy manadino ahy. Midika izany fa misy ny fifampitokisana. Matokia ahy ianareo fa tsy maintsy tafaverina I dada. Azoko sary antsaina hoy ny filoha Ravalomanana ny nahazo anareo, ao ireo nalahelo. Nanaiky ny hanolotra kandida aho hoy izy satria raha nisy ny fivoriana taty Namaibie dia nilaza izy ireo fa tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana, ary raha mandray anjara ny movansy Ravalomanana dia mody I Dada. Nanaiky aho hoy izy ary nanolotra an’I dokotera Robinson. Matoky aho fa ny kandia dia hanao izay hiverenan’I Dada haingana aty an-tanindrazana. Nanohana ny Robinson isika hoyizy satria iarahantsika mahalala fa marary ny firenena, tsy maintsy faranana ny krizy. Ny hafatra hoy izy dia fidio ny dokotera Robinson, ilay favori, tongava mifidy daholo isika rehetra amin’ny 25 oktobra 2013 izao. Ny kandida Robinson kosa raha nandray fitenenana tao Belo dia nanambara fa aoka izay mahery , mahay no mandresy. Nampanantena ny vahoaka marobe sesehena tao an-toerana ny tenany fa tsy maintsy mody I Dada, ary Praiminisitra I Neny, atao maimaim-poana ny fampianarana ambaratonga voalohany, omena fitaovana ihany koa ny hopitaly, jerena izay hisian’ny fandriampahalemana, izay iarahana amin’ny miaramila mahomby. Ireo rehetra ireo moa dia narahan’ny fanazavana hatrany ny mahakasika ny bileta tokana. Namaranana ny hetsika ho an’ny kandida Robinson sy ny delegasiona miaraka aminy androany dia  ny teto Morondava. Vory lanona hatrany ihany koa ireo vahoaka tonga nijery sy nihaino ny kabary nataon’ny kandida Robinson, niaraka amin’I Neny sy ny filoha Ravalomanana. Velombolo ny vahoaka nandritra izany ka nampiseho ny hafaliana teo imason’ny delegasiona, tamin’ny alalan’ny hiakam-pifaliana, sy ny kopakopan-tànana, na dia efa hariva aza ny andro tsy nahasakana ny vahoakan’ny Morondava vory maro be izany.Nanakoako teto ny hiran’ny Bodo : « avereno aminay ny bois de rose-nay, avereno aminay ny Dada » .Tao anatin’ny fahendrena sy ny filaminana tanteraka no nanatanterahan’ny movansy Ravalomanana sy ny Avana izany rehetra izany.

HETSIKA  TAO MORONDAVA

HETSIKA  TAO BELO SUR TSIRIBIHINA

HETSIKA  TAO MALAIMBANDY

 

15 pensées sur “DR ROBINSON : AOKA IZAY MAHERY, MAHAY NO MANDRESY”

  1. Izany ny olona mipoapoaka mihetsi2 tsara mihintsy.
    Mankasitraka Tompoko ô!!zanahary hitahy ė!!!
    Ary naninona no rovitra ity T.shirt ry tonaka e???inona no teo??fanainiana sa???

  2. fa misy inona no toa misy tsy milamina atsy @ tsikera atsy???
    vao tonga vao nafarana angah ireo handoto rano??
    Toa teny sinoa be tsy hifankahitana nàma ???fa misy inona ???voavidin’i sinoa niaraka @ BR angaha
    Mydago???

  3. izay angah ka tsy mifaka aho ry akama!!
    misy tsy milamina sa inona iretsy teni2 sinoa makarary maso iretsy???

  4. Miresaka sinoa ihany ianao ry ranavalona, fa dia mba mahagaga ihany koa ny fangatahan’ireto hoe boursiers any Chine (Madagascar Tribune androany izy izay ) ireto ! Araky ny filazan-dry zalahy dia toa hoe zanam-poza ny ankabeazany !

    Dia mba ahoana ny fahitanareo an’izao fangatahan-dry zareo izao ? Tezitra be hono fa 245 « sisa » fa tsy 485 euros ny vatsim-pianarana na bourses ; 650 no nantenaina !
    Tss !!!!

    Asiana fanazavàna kely, ary miala tsiny raha teny frantsay :

    France ( avec un coût de la vie connu de tous les « missionnaires malgaches » ) :
    – Salaire moyen : environ 2100 euros
    – Salaire médian : 1700
    – Salaire minimum : 1100
    – Bourses octroyées par la France aux étudiants étrangers : 800 à 900
    – Revenu mini réclamé aux non boursiers étrangers : 650 euros mensuels

    Chine :
    – Salaire moyen : 300 euros
    – Salaire minimum : 180 à 190 euros ( salaire mini parmi les plus élevés, car fonction des régions )

    Etudiants malgaches en Chine :

    Bourses : 485 euros, c’est-à-dire deux fois plus que le salaire d’un travailleur chinois, et même ramenées à 245, le boursier malgache gagne plus qu’un travailleur chinois !

    Fanontaniana : Nalefa hianatra sa hanao bizina ireo mpianatra ?

  5. Ary aona io sarin’i Hajo io vo manokatra Mydago eeeeeeeeee;tsy mba hoe sarin’iDR ROBINSON no eo fa le foza lahy io

  6. Misaotra anao ry Piso.

    Aiza ny mpikirakira ny informatika; Maninona ny sarina FOZA Hajo no eto amin’ny pejy. So de misy zavatra tsy milamina.

    Tsy tokony mahita zany FOZA mampidi-doza izany ry Mydago a

    Ar 10 000 000 no nividian’i Hajo ny maires atsimondrano. pauvres cons.

  7. Ory hava-manana e !
    Fa maninona raha mandray misimisy ny mpianatra gasy nohon’ny mpiasa sinoa ? tssssss! Ny an’ny olona vao maika aza faly !

  8. Kintana ô! tsy hoe foza daholo FA raha te ahazo vola ianao dia tsy maintsy FOZA na
    mivadika foza vao mahazo .
    Ny momba ilay sarin’i Hajo dia aza taitra fa mbola ho ataony eo akilany eo koa i dada vao gaga nareo ,
    BIZINA daholo izany, any aminy ny volam-BAHOAKA ka izay tiany ho vidina VOAVIDY DAHOLO rehefa MIAHAKA.
    May volo-tratra fa tsy zakan’ny TSENAN’IZY ireo ny zava-niseho t@ alahady ka MITADY HIRIKA e!!!!ho an’i sisa dia
    fotoanan’ny FANGORONAN-KARENA izao FARAPARANY e!!FARA-DOBOKA!! sao matiantoka, aiza no hisy vola
    hikararana ohatra izao intsony???SADY VOLA TSY NANASATRA e!!!

  9. Misy havan’i Mangidy angaha mianatra an’i Chine ?
    Tsy ny fanjakàna ara-dalàna mihintsy amiko aloha, no hanome vatsim-pianarana betsaka lavitra noho ny karaman’injienera sinoa !

    http://www.lanation.mg/article.php?id=7136

    Efa misy fanehoan-kevitra tsara, fa…..

    La Nation : La colère dans les urnes
    ….
    « C’est en tout cas par coup de chance, que les dirigeants de la transition ont pu se maintenir au pouvoir, au cours de ces dernières années ».
    ….

    Les dirigeants de la Transition ont pu se maintenir au pouvoir, GRÂCE AUX REPRESSIONS SAUVAGES, AUX INTIMIDATIONS POUVANT ALLER JUSQU’AUX MEURTRES, etc….. !

    Iza no malagasy tsy mahafantatra an’izany ? Matimaty foana tahaky ny valala nosamborim-boka fotsiny izany ireny malagasy namoy ny ainy, nanomboka tamin’ny avril 2009 ireny ?

    Tokony anaovanareo ao amin’ny La Nation fandihadiana lalin-dalina io sujet io !

  10. Miarahaba antsika rehetra e! arabaina fa feno Antsonjobe e!
    Nefa ny hendry ihany hono no hanarina, mba misy fanontaniana manitikitika ny loha ka dia zaraina , hono hoy aho e! ireny tany rehetra nolalovana nanaovana propangady ireny ve efa mba misy olona tomponandrraikitra daholo momban’ny fanentanana ireo mpifidy mba hijery ny karatra isan’ny fokontany, efa misy tomponandraikitra napetraka ve manazava ny bileta tokana amin’ireo mpifidy antsika, ary farany ny fanisana ny vato , efa misy olona ve hiandraikitra izany rehetra izany , sao dia faly eto isika hoe nahazo olona izay nolalovana nefa ny fanamafisana tsy misy, ireny olona rehetra manatrika propangady ireny izany dia tokony tsy misy very an-dalana e! izay fa samy ho tahian’Andriamanitra e!

  11. Raha mba fantatrao mantsy ry Vonifanja fa Tana aza anie ka betsaka ny tsy nahazo karam-pifidianana e!
    ireo hafa indray dia ny adresse marina fa ilay anarana no hafa.Dia na ny fotoana hizarana ilay izy koa aza
    tsy misy hono fa ilay tompony no maka azy , de refa tsy tonga izany ilay tompony dia efa vaton’i FOZA e!!!
    izany no tsy dia hiasako loha loatra @’ ity fifidianana AMBOLETRA @ antsoin’i dada ity.Ny valim-pifidianana
    efa vita any moa dia efa tsy ferana.
    Manantena tsy misy mantsy no sarotra fa leo mamoy mora foana.
    Misy koa FIRAISANA mihintsy aza tsy mahazo ny sarin’i Robinson akory, dia miandry izy ireo fa foza no feno
    @ tanana.Ny sarin’i Hajo aza tonga aty @ Mydago.

  12. Dia inona no atao izany e! tokony hantsoina i Mme cenit e! dia efa manao reserve dia eny izao , milaza fa tsy tomombana ny fifidianana , aleo alaina sary mihitsy .

  13. Aza mikoropaka sė fa ny foza efa mifampihinana manta atsy.
    Jereo koa ny vao2 FIGARO , efa manakaiky ny farany fa aza taitra @ tsy maintsy
    mitsipaka rehefa miala aina na FOZA aza.
    Matokisa Zanahary!!tsisy afa-bela eo.
    Ny ahy ny hafatro fotsiny hoe: raiso raha misy manome vola fa kosa ny tanindrazana avoty fa tsy afaka ny haninona
    eo reo fa vitsy loatra fa ireo aza no handositra satria ho matin’n olona, raha ireny olona t@ alahady ireny fotsiny no
    mitraotra dia VITA TOMPOKO!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *