KANDIDA FAVORI : 1er tour dé vita

PROPAGANDE ANALAVORY 12 okt 13  (8)

PROPAGANDE ARIVONIMAMO 12 okt 13 (9)

Nitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis. Rehefa nahavita ny fitetezam-paritra tany amin’ny faritry Boina  dia nihazo ny faritr’Itasy izy  ireo ny sabotsy 12 oktobra 2013. Arivonimamo, Fenoarivobe, Ankadinondry Sakay, Analavory, Tsiroanimandidy indray no notsidihina.

Na dia tsy andro tsena aza ny nandalovan’ny Kandidà sy ny delegasion’ny movansa Ravalomanana, nahitana ny VPM Botozaza sy Me Hanitra Razafimanantsoa, dia vory vahoaka ny tao Arivonimamo. « porofo izao fa am-pon’ny vahoaka ny fanohanana ny kandidà tohanan’ny filoha Ravalomanana » hoy ny depioté Rokotomanjato Rodin raha nandray fitenenana. Nanentana hatrany ny vahoaka hifidy azy Robinson : « aisantsika kely ny foza fa tsy mahay mitondra, mandroso mihemotra , tsy misy zava-bita fa manimba ny firenena » hoy izy.

Nanakatona ny trano fivarotana kosa ny ankamaroan’ny mpivarotra tao Fenoarivobe fa te hijery ny kandidàny. Vory vahoaka Fenoarivobe, manome toky izahay hoy ny depiote Njaka Ranaivoson fa 80 isan-jato ny salan’isa  omenay ny dokotera Robinson amin’ity fifidianana ity , marihana hoy hatrany ity solombavambahoaka tanora ity fa i Fenoarivobe dia nandany ny « tsia » tamin’ny fitsapankevibahoaka farany teo. Analavory, Ankadinondry Sakay, Tsiroanimandidy no namaranana ny hetsika. Tamin’ireo hetsika rehetra ireo dia niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby hatrany ny filoha Ravalomanana.

 

Allo, allo, dada ihany ity é, dada Ravalomanana
Samia mihaino tsara fa misy hafatra ambara
Miantso anareo aho hifidy, ary Docteur Robinson Jean Louis
Iarahantsika mahita, fa izy no favori
Tongava daholo, na vavy na lahy
Tongava mifidy hampody ahy.
Fanambintsika ny handresy amin’ity fifidianana ity.
Tongava ary hifidy an’i Docteur Robinson Jean Louis.
Mandresy izy, mandresy isika

Averiko indray ho an’izay tsy mahalala
Indrindra ireo mbola misalasala
Tongava ary fidio ny kandida, laharana faha 33
Fa izy no tohanantsika amin’ny fo manontolo

Izy no kandida atolotr’i dada Ravalomanana
Isika koa tsy matahotra fifidianana
Fidio docteur Robinson Jean Louis
1er tour dé vita, minoa fotsiny ihany

HETSIKA TAO ARIVONIMAMO

HETSIKA TAO ANALAVORY

HETSIKA TAO FENOARIVOBE

HETSIKA TAO ANKADINONDRY SAKAY

HETSIKA TAO TSIROANIMANDIDY