Morarano, Antsirabe II : nifampizara hafalina tamin’i Neny sy Dr Robinson

Moraran, Antsirabe II 01 okt 13 (5)

Moraran, Antsirabe II 01 okt 13 (5) 1O minitra tsy ahatongavana tao Mahazoarivo, toerana voatendry hanohizana ny fampielezankevitra  androany dia tsy maintsy nipetraka  ny angidim-by nitondra ny kandidà tohanan’ny movansa Ravalomanana, noho ny toetr’andro ratsy no nahatonga izany. Morarano, Antsirabe faha roa no toerana niandrasana ny fisavan’ny toetr’andro.  Na izany aza dia tsy nahasakana ireo mponina manodidina teny  nanararaotra nitafa tamin’ny  kandidà  Dr Robinson Jean Louis sy i Neny Ravalomanana. Fotoana  nahafahana nijery ifotony ny olan’ny mponina izany ary nahafana nanome toro-marika ho azy ireo amin’ny fampiasana ny « bulletin unique ».Afaka nitafa nivantana tamin’ny filoha Ravalomanana ihany ireo mponina teo an-tanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby.

8 pensées sur “Morarano, Antsirabe II : nifampizara hafalina tamin’i Neny sy Dr Robinson”

  1. Mba velom-panantenana ireto vahoaka madinika fa mba misy mpitsidika sy mahatsiaro asa masina ny fanavotana ny firenena ho hataonao Atoa Robinson ka aza mandiso fanantenana fa dia efa mijaly ny vahoaka.

  2. Ireo aloha dia mety ho 100% n°33 satria tsy hisy olona hafa ho tonga hijery andrizareo eny mihitsy.
    Mitohy ny tolona

  3. Maereza @ fampielezan-kevitra fa ts mora ny adidy noraisanareo io. Aoka mba ts handiso fanantenana ny olom-pirenenea fa mba izay programme ho tanterahina no lazaina @ fampielezan-kevtra.

  4. AZA ADINO TOMOKO NY MANASAVA FA I DADA SY I NENY DIA VONONA TOKOA NY HILATSAKA HO FIDIANA ARAKA NY HETAHETAN NY MALAGASY TIA FANDROSOANA FA NOHO NY HASOMPARANA NATAON IREO FOZA ORANA TAMIN NY FOMBA REHETRA DIA TSY AFAKA NIFIDY IZY IREO KA NANOHANA AN I DR RJL.
    NY TENA MALAGASY TSY MAINTSY MANDRESY

  5. Ohatran’ny voatsindry tsara ilay teny hoe « noho ny toetr’andro ratsy no nahatonga izany »… izany hoe raha tsara izany ny andro dia tsy nanana eritreritra ny andalo eny mihitsy ry zareo??? Sa hoe ambanivohitra dia tsy maninona na tsy tsidihana aza….???

  6. Marary fo @’izany eo !!! »Darih » ngah???hihihi
    Gasy aho!
    Aza hadino fa nisy fandraisana anjara MAVITRIKA avy ao @ MPITARIKA ny ankolafy mihinsy aza
    izao tsy fahafahan’i dada sy Neny nirotsaka izao an!!nanantena mantsy izy fa izy no hisolo an’i dada e!!!
    Dia io izy miakapokapoka io ambony io fa voan’ny daka sy hitamason’i dada ilay Ranamana, ilay atao hoe:
    Zana-baratra e!!hainao???mbola ho tsarain’ny tantara ireny fa tsy taitra!!!

  7. Misy antony koa, no nahatonga anireo likôptera nipetraka teo amin’io toerana io !

    NAKA SARY AN’ILAY ANKIZY MITANA ANGADY, IZAY MBOLA MAHATSIARO SY MALAHELO AN’I DADA REHEFA MAMPIDITRA AN’ITY « TABLIER MAITSO », ARY DIA VOATERA TSY MANKANY AN-TSEKOLY INTSONY NOHO NY NATAON’NY FOZAN-DOZA !!

    Izao no manjoa an’ny ankizy aman’alina. Porofo mazava izao fa potika ny hoavin’ny taranaky ny malagasy, indrindra fa ireo tena lazaina fa mitrongo vao omana !

  8. Ohatry ny hitako sambatsambatra be ireo olona izay efa tena ao anatin’ny adim-piainana
    no indro nisy Anjely nilatsaka nandray tanana azy ……..oooontsa ny FO ray olona mahita ireto
    mpiasa tany notronin’i Neny TAMPOKA teo e?? te ho eo @ toeran’izay ireo aho t@’io fotoana io.
    Sambatra ianareo ray olona nilatsahan’i Anjely ( neny ) teo.
    Aleo aloha ahitsy ihany ilay resaka fa sao misy marary Fo eto indray.
    MAMY BE ZANY NENY ZANY!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *