NOSIVARIKA : MBOLA MARO IREO RESY LAHATRA AMIN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA

ROBINSON à NOSY VARIKA 15-10-2013 600K-6

ROBINSON à NOSY VARIKA 15-10-2013 600K-6Nosivarika no namaranan’ny kandida Robinson ny fampielezan-kevitra androany Talata 15 oktobra 2013, rehefa avy tany Ikongo sy Manakara. Nakotroka ny fandraisan’ny vahoaka izay tonga marobe tao amin’ny toerana nanatanterahana ny hetsika fampielezan-kevitra an’ireo delegasiona notarihan’ny dokotera Robinson, niaraka tamin’i Neny ary ireo mpiaradia aminy. Tsy nosadaina vola, na notambazana tee shirt ireo vahoaka ireo, fa noho ny fitiavany ny filoha Ravalomanana, dia tonga tsy noterena izy ireo, eny fa dia ireo lazaina fa maro an’isa nangina aza, izay natahotra ny fandrahonana, fampihorohoroana nandritra izay efataona mahery izay dia nipoitra nanatevin-daharana ny hetsika.Mbola maro ireo olona resy mahatra amin’ny filoha Ravalomanana.  Nahatsiaro kamboty ny vahoakan’i Mananjary sy Nosivarika nandritra izay efataona mahery tsy nahateo ny filoha Ravalomanana izay. Ny nampiavaka ny tao Nosivarika dia ny fahamaroan’ny banderole nentin’ny vahoaka nandritra ny hetsika.Modia, modia hoy ny hikiaka nataon’ireo vahoaka marobe raha nahare ny feon’i Dada tamin’ny ansto an-tariby avy any Afrika Atsimo. Henoko tsara hoy izy izany antsoantso nareo izany raha namaly ny vahoaka ny filoha Ravalomanana. Satriko dia satriko hifanatritava aminareo fa tsy fidiny ho ahy ny hijanonana aty. Ho avy tsy ho ela i Dada fa aza matahotra, fidio ny kandida Robinson dia mody i Dada, tongava mifidy amin’ny 25 oktobra izao. Manana paikady amin’ny fampandrosoana ny dokotera Robinson hoy izy ary efa niara niasa tamiko. Izy ihany koa dia hankasitrahan’ny mpamatsy vola ka noho izany dia handeha ho azy ny fampandrosoana ny firenena. Nanafatrafatra ny vahoaka ny tenany ny amin’ny tokony hanarahamaso ny fifidianana satria efa misy sahady ny mitady hangalabato. Tombontsoa iombonana no tanjontsika hoy I Neny ka mila firaisankina izany. Tsy maintsy miaramiasa isika hahatanteraka izany ka izay no nahatonga ny movansy Ravalomanana sy ny Avana iaraha hiasa. Ndao hifidy ny laharana faha 33 dia ny dokotera Robinson amin’ny 25 oktobra hoy izy fa izay no hampody an’I Dada. Ny kandida Robinson dia nanambara na  tao Nosivarika na tao Mananjary fa hotohizantsika ny MAP  nataon’ny filoha Ravalomanana. Mila tsaboina ny firenena hoy izy ka tonga aho hitsabo izany. Tsy maintsy alantsika amin’ny fomba demokratika dia ny fifidianana ny mpanongam-panjakana. Babon’ny Robinson ny fon’ny vahoaka tao amin’ireo faritra ireo. Fotoana ihany koa moa io nanararaotana ny nanazavana ny mahakasika ny bileta tokana tamin’ny vahoaka.

 

9 pensées sur “NOSIVARIKA : MBOLA MARO IREO RESY LAHATRA AMIN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA”

  1. Maty tsara fa…….

    Aiza ireo sainam-pirenena ê ????

    Mba hitan-dry zareo ve ny sary sy ny zava-niseho tamin’ny alahady ???

    Na dia izany aza, mankasitraka an’ireo vahoaka tonga maro be !!

  2. METY FA TSY ….MATY !!!
    Aza fady indrindra ! Ny tao an-tsaina koa dia ny hoe maty ny foza !!!
    Mdr !!!!!

  3. Vao naheno ny foza hoe i neny no hatao pm dia nikorapaka daholo, mandeha daholo zao fanaratsiana rehetra izao, fa iza moa no tsy mahalala fa ny maro an’isa ao @ assemblée no manolotra ny pm, mazava hoazy anie zany fa maro an’isa ny zanak’i dada ao @ assemblée é,efa fantatra zany fa tsy mila tenenina intsony ……

  4. Kintana ô!!na izaho aza no nanangona olona kosa mbola mahazo bebe kokoa noho ilay io sa???
    Sady mampalahelo no mapmė be, mafy izany te ho atao hoe prėzdà zany, sady vola tsy nanasatra
    angamba ny an’ilay io ka tsy maninona, nefa na izany aza, tsy aleoko hamonjeko izay azoko vonjena aloha raha tena ao marina
    ilay fitiavan-tanindrazana?????
    Saiky latsaka aho t@’ilay kôstara mipilotra be ao anaty sarety hihihiiii de le micro ,tsy hadino fa iny no tena hiadivana moa.

    Ataoko koa fa tafita ny hafatrao fa nitondra banderole be dia be ny olona t@’ ity indray mitoraka ity.
    Dia ny momba ilay TGV azo sary nolazainao, ary aloha ary indray dia, raha nandinika ilay sary tsara ianao dia TGV izy nefa nanatrika
    ARY NANDRAY ANJARA mavitrika niaraka t@ zanak’i Dada koa inona no olana???tsy vao maika ve tsara??izy anie nampiseho ilay
    soratra fa » FIDIO Dr ROBINSON » e!!fa tsy hoe: « FIDIO NY FOZA ». Ireny amiko no TGV tonga saina sady tsy midika inona izay Tee-
    shirt fa mety tsy manana hanaovana afa tsy iny izy sady zaraina maimaim-poana , volam-bahoaka ihany ireny, tsetsatsetsa fotsiny ny ahy.

  5. za tsy dia mahita teny betsaka ambara e
    Fa ny hany teniko fotsiny ry Malagasy
    mpiray tanindrazana amiko dia tsotra
    mitandrema fa rehefa nomena ratra
    nandritra ny 5 taona isika,napijaliana
    nampitondraina faisana dia izao indray
    mitady omena « FERY VAOVAO I MADAGASIKARA »
    Ampitandremo ireo havana sy olom-
    pantatra rehetra fa loza ho an’ny taranaka
    faramandimby io FERY VAOVAO io

  6. TOMPO ô

    Mivavaka Aminao aho

    Tsy mitsa-mitalaho

    Hahazoanay matsiaro

    Fa Hianao no miaro

    An’i Madagasikara,

    Dia hivalona ho tantara

    Irony fahoriana tazana

    Sy ny jaly fahizay

    Tamin’irony andro ngazana.

    Omeo anay saina hendry

    Hahazoanay mikendry

    Izay hahasoa ny taninay

    Ka tsy ao am-po intsony

    Ny efitry ny fisarahana

    Fa mba ho fanahy ambony

    Fanahy azonao tapahina

    No hanjaka hatrany hatrany

    Sy ho hita eto an-tany.

    Ary izao omeo anay

    Fahafahana tanteraka

    Hahazoan’ny hafaliana

    Ao am-po maniteraka

    Andro lava mikoriana

    Tsy hahitana fijaliana.

    Ary hoy ny fanirina

    Izay tsaroana koa entona

    Enga tsy ho vahiny ihany

    No hanjaka eto hatrany

    Amin’ity taninay

    Lova tamin’ny razanay.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *