NOVEREZIN-JO NY MPIFIDY SASANY TETO AN-DRENIVOHITRA.

CIMG5143

CIMG5143Tamin’ireo biraom-pifidianana izay notetezinay androany dia maro ireo fitarainana nataon’ireo olom-pirenena mpifidy, tao ireo tsy nahazo karatra ny fianakaviana iray trano, na olona iray ihany no nahazo kara-pifidianana nefa olona miara-mipetraka, ny sasany kosa dia nahazo karatra saingy tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana, ny hafa dia sady tsy nahazo kara-pifidianana nefa efa nanoratra anarana tamin’ny fanisambahoaka nataon’ny Ceni-T. Tsy nahavaha olana anefa hatreto ny sefo-pokontany raha nitaraina tamin’izy ireny ny olona dia ny valinteny azo dia izay baiko nomen’ny Ceni-T no navalin’izy ireo dia ny hoe raha voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana dia afaka mifidy rehefa mitondra karapanondro. Ankoatra izay dia miandry amin’ny fihodinana faharoa indray vao mifidy. Dikan’izany dia famerezan-jo ny vahoaka mpifidy tsotra izao. Fomba hitan’ny mpitondra fat hanilihana ny olom-pirenena tsy hifidy mantsy izany satria matahotra izy ireo fa mirona any amin’ ny dokotera Robinson ny safidin’ny maro an’isa eto Antananarivo sy ny manodidiana. Anisan’ny voalohany amin’ny fahabetsahan’ny olom-pirenena mpifidy eto andrenivohitra eto. Na dia teo aza ireo lesoka tazana itetsy sy teroa dia nilaza Ramatoa Fatma Samoura fa tomombana araka ny fenitra iraisampirenena ny fanatanterahana ity fifidianana ity, nambarany ihany koa fa izay tsy afaka nifidy androany dia miandry amin’ny fifidianana ben’ny tànana indray vao afaka  hanefa ny adidiny. Ho hitantsika eo ny fanisambato rahariva fa ampitainay eto ihany.

14 pensées sur “NOVEREZIN-JO NY MPIFIDY SASANY TETO AN-DRENIVOHITRA.”

  1. Kala vorondolo ( fatma ) ragidrom-bazaha, tomombana @ baiko frantsay ho azy ireo
    fa tsy ho an’i Malagasy velively.Terena fotsiny ilay zavatra hanaraka ny hilany azy.

  2. Samy ho velon’aina e!
    Aoka tsy hisy hamela ireny fitarainana rehetra ireny ary aoka ho raisina antsoratra daholo ireo tsy afaka nifidy.

  3. mbola tsara daholo:
    miarahaba ny Manankasina rehetra nahavita ny adidiny. Izaho moa dia sady tsy tao anaty lisitra no tsy nahazo kara-pifidianana fa dia niandry izay mety ho fiovan-javatra teny @ birao sady nijery ny lisitry ny mpifidy fa dia izao no teny azo farany hoe : »@ fihodinana faharoa fa tsy maintsy misy io ». Dia akory atao fa izao efa aty antrano izao. Fa mba ilako, fanazavana kely dia ity tenin’ny kala fatintsamoina hoe : « @fifidianana ben’ny tanana indray vao afaka anefa ny adidiny ». Iza re no afaka manazava izany fa tena tsy mampilamina izany.

  4. Tsotra anie no tokony ataonao ry zazanakdada ê !
    mandeha mankany amin’y biraon’ny fokontany dia manontany hoe :

    – Nandeha nisoratr’anarana ve ianao tamin’i Neny nirotsaka ireny, sa dia variana nitolona ?
    – Nahoana ianao no tsy tao anaty lisitra ?
    – Inona izany hoe amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray vao mahazo mifidy ?

  5. Ho an’ny rehetra izay niaran’ny tsy nety indray, efa nolazaina fa tokony anisy cahier eo ivelan’ny biraom-pifidianana dia misoratr’anarana daholo izay manan ho kianina !

    Mora kokoa ny manao fitoriana avy eo !

  6. « MANAO veloma FERY » hoy ny ao @ tim

    ny aty aminay indray raha nanontany ilay niantso phone ilay olon manisa vato any: « victoire… totale »

    _____

    mifalia zanakadada an!

    mamporisika ihany koa ny fitoriana isan-karazany an

  7. Miandry atramin’ny farany isika ry HoAiza â !
    Omeo vaovao matetitetika ô, mba ho tahian’Andriamanitra ianao !
    Mba firy sy firy ny baolina tao aminareo ?

  8. Mandeha sahady ny resaka hoe i fery sy JLR. No hanao fidinana Faharoa .Nefa dia hala-Bato fotsiny ny an’ilay fery vaovao.

  9. Mba afk manaraka kely vety2 ny tenanay dia miteny hoe trotroina am-bavaka ity raharaha ity.
    Mahereza daholo

  10. tokony atao isaky ny fokontany ny fiantsoana ireo very zo fa tena maro be. izaho izao no anisany saika hanampy 33 iray . ary ny mouvance ravalo tokony hanisa ny vatony very fa ita fa olona mpifidy ravalo no tena tsy afaka nifidy. 100 ka hatramin’ny 300 isaky ny BV

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *