RAHONANA SA TEREN’NY “SEFO MILITERA” I ATTALAH BEATRICE ?

fatma et beatrice

fatma et beatriceTSY MANAIKY  HO TSIKILOVINA NY CENI-T

Anisan’ny malaza amin’izao fotoana izao ny resaka fitsikilovana , izay ataon’ny Amerikana amin’ny mpitondra Eoropeana. Tsy manaiky izany anefa ireo mpitondra any an-toerana sady tsy manana zo hanao izany izy ireo satria fitsabatsabahana amin’ny fitondrana izany. Eto amintsika ny Ceni-T, rafitra mahaleontena, nilaza fa hanao ny mangarahara amin’ny fitantanana sy ny famoahana ny voka-pifidianana dia nanambara omaly fa nisy nitsikilo ny tranokalany ka hampitsahatra ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ao amin’io tranokala io izy. Tsy manaiky  ho tsikilovina ny ceni-T araka izany ary tsy mampiseho ny mangarahara. Ny Ceni-T izay mahazo famantsiambola goavana avy any ivelany indrindra ny vondrona eoropeana mba hahafahany mamoaka vokatra. Be dia be anefa ny menomenona amin’ny vokatra avoakany satria dia mbola vitsy dia vitsy no nivoaka efatr’andro aorian’ny fifidianana. Ny vahoaka mpifidy anefa dia manana zo hanaramaso ny safidiny.

Vazaha ny patron-ny ka izay lazain’i Fatma no arahin’i Beatrice. Ny vahoaka Malagasy anefa no mitabataba amin’ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana fa dia arirariran’I Beatrice fotsiny izao.

RAHONANA SA TEREN’NY “SEFO MILITERA” I ATTALAH BEATRICE?

Nanaitra ny sain’ny mpanaram-baovao ihany koa ny zavanitranga tamin’ny Tvm  omaly hariva izay nanaovan’ny Praiminisitra Berziky sy Attalah Beatrice fanambarana iombonana. Fanerena sa fandrahonana ankolaka no natao tamin’ny filohan’ny Ceni-TAttalah Beatrice ? Lazaina anefa fa mahelontena izy ireo. Raha tena tany demokratika anefa isika dia tsy tokony hisy endrika fampihorohoroana na ankolaka na mivan sefo miletera toy ireny.  Noho izany dia mikonokonona zavatra izy ireo? Hanambaka ny vahoaka Malagasy indray ny tafikany ?  Manomana fangalara-bato izy ireo satria raha ny tsikaritra dia lazaina fa misy manao “piratage” ny site web-ny Ceni-T  izay efa nisy ampahany amin’ny voka-pifidianana nivoaka tao, izay kajikajy hampiakatra ny vaton’ny kandida Hery Rajaonarimampianina  ho lasa 38%.  Raha ny tena marina dia misy paipaikady iarahan’ny mpitondra hanodinana ny vaton’ny mpifidy ao. Hatramin’izao dia tsy mahafa-po ny vahoaka Malagasy ny famoahana tsitaitaika ny vokatra fa tena miadana dia miadana ny fiasan’ny Ceni-T  ary ny mpanao gazety dia efa nolazaina fa tsy afaka mamoaka vokatra hafa ka mihinana amam-bolana daholo ny mpanao gazety Malagasy sy vahiny. Mampanahy ihany koa  ny resak’I Beatrice , nilaza izy fa hifidy solombavam-bahoaka isika amin’ny volana desambra ary raha hisy ny 2eme tour. Midika ve izany fa ny fifidianana solombavam-bahoaka no hotanterahina fa hahemotra ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Manana solontena ao amin’ny Ceni-T ny movansy Ravalomanana ary antenaina fa afaka manaramaso sy haneho ny tsy mety ao anatin’io rafitra io. Ny tsikaritra aloha hatreto  dia mandrimandry manana aretina, tsy miteny sa tratran’ilay hoe vato iray ve dia mba ho aiza.

BYE BYE NY FOZA

Nilaza ny dokotera Robinson tamin’ny Sabotsy teny amin’ny Magro ny hoe “bye bye foza”. Efa fantany mazava anefa ny vokatra tamin’io fa mitarika izy ary “foza” no mpifanandrina aminy , mbola “foza” ihany koa ny kandida telo aorian’izay. Midika ve izany fa tsy hanambatra hery amin’ny “foza” toa an-dry Hajo, Edgard, Vital,  Roland Ratsiraka izy sa handeha  irery? Raha io no làlana alehan’I Robinson dia  tena mamy  hoditra eo amin’ny vahoaka maro an’isa izy indrindra raha tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ireo tsy nahazo karatra izay mahatratra 8% eo ho eo dia azo antoka ny fandreseny. Na izany aza dia tsy maintsy volabe no laniany vao mety handrombaka ny fihodinana faharoa izy.

HIARA HIASA AMIN’NY MPANONGAM-PANJAKANA ?

Nanambara ihany koa ny dokotera Robinson fa ny firaisankinam-pirenena no hotanterahiny voalohany, manao pimaso amin’ireo kandida nahaazo salan’isa ambony ve izy ? midika ve izany fa hamondrona ny hery velona rehetra izy?. Omaly dia efa nisy niteny toan-dry Fetison , Ny Rado Rafalimanana izay mitovy hevitra aminy sy ireo kandida hafa izay nilaza fa hanohana azy. Inoana fa mora ny hamondrona ireo kandida mitovy fomba fijery aminy kanefa  niaraha-nahita fa kely dia kely ny salan’isa azon’izy ireny.Raha hanaiky ireo kandida manana salan’isa ambony izy dia  hisy  ny fiadian-tseza goavana . Hisy ny fiaraha mitantana kanefa efa nidradradradra Rajoelina fa tsy tsara amin’ny fitantanana ny firenena. Hiantso ny foza hizara seza aminy Robinson, mety hisy ampahany ao amin’ny  vahoaka mpanaradia ny movansy Ravalomanana mety handà izany. Efa be dia loatra mantsy ny fandementsaina natao tamin’ny vahoakan’ny Magro fa tsy tsara ny fiarahamiasa amin’ny mpanongam-panjakana.  Araka izany dia manana safidy roa ny kandida Robinson hiatrehana ny fihodinana faharoa.

30 pensées sur “RAHONANA SA TEREN’NY “SEFO MILITERA” I ATTALAH BEATRICE ?”

  1. Misy seho-javatra nefa tsy araka ny fijery sy ny eritreritra arosn’ny sasany..
    Asa ny fandikana amin’ny teny malagady no mandiso izany famakafakana izany »Le site de la CENI-T a été piraté .Ce piratage n’ a pas atteint le comptage des voix , mais a pu sortir des faux résultats par pdf . »
    Noho izany najanona ny asa amin’ny ordinateur..
    Izay ny zava-nisy..
    Ny « fitsidihan’ny moaramila  » ny CENI-T dia mety mifandraika amin’izany ( enquêtes…etc .

  2. misy ireo azo hiaraha-miasa fa… tsy omena seza akory avy eo toan an-dry Rajemison Rakotomaharo, Guy Ratrimoarivony, Sylvain Rabestsaroana, Patrick Raharimanana, Fetison,Radavidson Andriamparany sns.. fa ny hitako tokony hiaraha izao @ io fiodinana faharo io dia i Georget Rabeharisoa. Iretsy voalaza etsy aloha mantsy dia 0, … na 1, .. daholo nefa ilaina ihany koa satria mty hisy fiovana ny fiodinana faharao.
    Aloahn’ny izany anefa dia tokony asiana ny mangaraha eny alarobia eny @ CENI-T. Inona no antonian’ireo miaramila tany ? ahoana ny fiasan’ilay lociel satria ny frantsay nanao ilay logiciel manova anarana, aiza ny vokam-pifidianana avy eo Tana ? ary ahoana ny fiarovana ny site-ny CENI-T.

  3. Ilaina ny fiverenan’i Naika Eliane mba hampahomby ny fandresena. Mila miresaka aminy ny mpitarika fa tsy miziriziry fostiny nefa ianareo ihany no narey azy hisintaka tamin’ny filazana fa tsy maintsy maniky ny fanapekevitra ny rehetra fa raha tsy izany miala. heverin’ny maro fa ilaina ny fanomezana sehatra an’i NAIKA Eliane hahazahoana ny vaton’ireo izay tsy nanaiky an’izao fifidianana forcing izao.

  4. Gaga aho mahita, raha te handresy @ 2e tour Dr dia tsy maintsy miara-miasa @ foza logique be izany, nefa nareo inty to be vava sahady, tadidio ireo olona nifidy anareo t@ 1e tour ihany no hifidy anaraoe, Izaho izao nifidy an’i Hajo fa na inona na inona ny consignes de vote tenin’i Hajo dia TSY HIFIDY VELIVELY an’i dr Ronbinson aho, soa ihany fa hitako ny toe-tsainareo

  5. TOE-TSAIN’IREO MPANAKROTANA IZANY FA TSY AN’NY REHETRA E….

    TSY TSARA MIHITSY NY MIFANGARO AMIN’NY FOZA AMIN’IZAO FIODINANA FAHAROA EFA AZO ANTOKA IZAO E…….HANAKIVY NY OLO-TSOTRA MAROBE IZANY….

    TSY AZO ATAO NY MIAVONAVONA SY MANENJI-DRESY SAINGY AOKA ALOHA HO VITA TANTERAKA NY ADY…

  6. Traitement des résultats : Camille Vital invite les candidats à se donner la main
    29/10/2013 à 15:16
    Le Hiaraka isika de Camille Vital invite les candidats à la Présidentielle à collaborer dans le traitement des résultats du premier tour. Il suggère la confrontation et la conciliation des données des procès-verbaux en possession de chaque candidat pour établir un document final aux fins de comparaison avec les données de la CENI-T. L’idée n’est pas si mal, mais implique de la volonté.

  7. Hevitra fozaorana fa hevitra tsara. Tsy misy afaka mangalatra @ izay. Tokony hatao mihitsy io. Resy lahatra @ izany anefa ve ny hafa i JLR ohatra ?

  8. Na dia hevitra avy @ foza nefa tsara dia hatao ihany ! I Camille dai hita fa te hiaraka amintsika e ! Ndao ary « hiaraka isika » @ 2è tour !

  9. Raha hisy confrontation io dia ho hita eo fa 1er tour dia vita ! Tokony hanaiky zany daholo ry Hajo Roland sy Edgard

  10. Inona no olana raha ohatra ka resy lahatra ny rehetra fa ny fiandrianam-pirenena no
    himasoana aloha???na iza izy na iza , izay tsy nanonta no aoka hitora-bato????
    tsy aleo aza ve miara-miasa @ olona tonga saina toy izay miara-miasa @ voalavo ao an-trano tsy haninona fa
    handrotika fotsiny.
    Isika ve hijery tavan’olona sa HANARINA NY FIRENENA e????amiko izay rehetra vonona ny hanarina dia tokony
    ho raisina an-tanan-droa satria io TSY VITA IRERY , devoly no hiadivana fa tsy olom-belona.
    Amiko ny fanapahan-kevitra noraisin’i Hajo dia efa zava-dehibe ary TSY NAMPOIZIKO, hisaorako azy manokana fa
    tsy hanoana ity JIOLAHIM-BOLA  » FERY VAOVAO » ity izy,maromaroà ny tonga saina ohatra azy.
    Roland Ratsiraka koa tsy tia an’i Hery fa iny indray tsy azo ahatokisana fa raha vao mitontona eo ny MILLIARA dia
    mety ho taraiky lėry, izay no blem-ny.
    Tsy isika tonga namana indray no ho mavomavo sa?????ilay asa tsy vita raha tsy hifanakonana.

  11. Ô ra-Kiki a! sao dia misy hilana ilay firaisan-kina alohan’i fiodinana faharoa ihany
    ohatra hanilihana ity JIOLAHIM-BOLA « FERY VAO2″ ity ??so lasa haingo dison’Iarivo eo
    ity tantara, manaraka be ny hevitrao aho fa mety amiko koa ilay izy fa » indro kely « fotsiny ny ahy.

  12. NANAO RECOUP MIHITSY ALOHA AHO TEO…TENA TSY RADOMELINA NO NANDEFA MIARAMILA TENY FA NY PRAIMINISTRA. ARY TSY HANAO PRESSION HO AN’NY FOZA KOA…

    EFA TSARA ALOHA ZAY E..

    ALEO IHANY MANAMARINA FA MISY MANARARAOTRA MANDEMY NY SAIN’NY EKIPA KO ANIE MIDITRA ETO E….

    NY AZO ANTOKA ALOHA DIA TSY MAINTSY TAFIDITRA 2eme TOUR JLR…

  13. Entam-be ho entin’i Beatrisy io kosa ve dia avelany ho tsikolovinareo fa
    nareo ve ahoana e????MBÁ MAHALALÀ MENATSA!!!matoa izy tsy manaiky dia misy
    ZAVATRA HAFENINY e!!fa iza anefa ity beatrisy hono e????ny fondaian’i Merkel aza voatsikilon’i
    Amerikanina, hihihi !! sao diso hevitra rabeatrisy ô!!!!aiza ho aiza ianareo sy MERKEL???MAHONENA!!!
    fa na izany aza inona koa no dikan’ity hoe:  » tsy hitovy ny valiny azo avy @ Cenit sy ny CES ???? » fa iza
    no mibaiko azy 2 tonta ireo sy harahiny ???

  14. Fa ireto mpanara-maso avy any ivelany ireto koa ve mba misy azo ahatokisana ihany e???
    ilay valim-pifidianan mantsy mba azo lazaina ho rariny ihany tsy araka ny niandrasana ny
    isam-baton’i dokotera nivoaka , tena mba tsy nampoiziko na dia teo aza ny kolikoly nanaram-penitra.

  15. Rahonana fa tsy terena kosa ê !
    Marina fa na ho teren’ny miaramila aza i Fatma sy i Attalah B. nono, tsy hafeno tapaky ny sotro intsony !!
    Ny omby vavin’ny Prezidà aza mbola mamokatra zavatra tsara ho an’ny vahoaka !

  16. Efa manomboka ny chute libre ankehitriny an! Tsy mbola rahampitso no hody dada e! Aza mamoron-dainga hoa. Aiza koa no hisy miaramila gasy afaka hanao pression amin’ny Communauté internationale e! Ianareo zanak’i dada ireto milaza fa tena mba mpivavaka nefa olona feno lainga sy mpamafy lainga.

  17. Misy tsetsatsetra tsy aritra ity izay tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny ady hevitra eto. Tena manitikitika ny saiko asa raha mba hitanareo ny gazety midi??? 3 andro talohan’ny fifidianana dia tsy nandeha fa hoe tratry ny « piratage koa »…. Dia lasa saina aho fa aminizao fotoana izao dia mandeha ny site midi fa dia manao propagande sy manamanimanitra ny candidat foza rehetra amin’ny vokapifidianana ary tsy
    miteny na dia indraimbava aza ny candidat JLR. Ary dia gaga aho fa hoe an’i Mamy Rakotoarivelo i midi. Ka inona no tena position andrangahy io??? Nefa toa nanao propagande an’i JLR indraindray??? Tena tsy lasa fa tokony hiteny mazava izy na FOZA na tsy FOZA fa mankaleo!!!!!Na tonga dia miala toa an’i naike Eliane dia miandry aloha fa tsy misehoseho ary tsy miteny, fa tsy manao tahaka izao!!!! Ny foza indray ve no hatsaraina!!!! Pffffhhhhh!!!!

  18. Fanainia atao izany ry tsetsatsetra a!satria voadaka lėry nanantena mbola hamahan-dalitra.
    Ka fantany fa ireo izay namadika rehetra dia lasa BASIn’ARIFITO de izay no hifikirany eo fa eo
    koa no hilan’i FOZA azy ho hatao fitaovana HAMELY AKAIKY e!!!

    Aza mody mamadibadika anarana ry akama fa tonga dia mipotrà a!!!efa fantatra tsara anie ianao io e!!
    mitovy tsara mihintsy nareo mitsamy lohalik’ alika ry DENSIE a!! i Kamily ihany no Vitaly lesy ry akama a!!!
    Ramatoa Naika Eliane olona manana ny maha izy azy izy ary SAHY MIJORO, fa ny sasany RAMASA-
    BOMANGA.

  19. Azafady Antenaina fa zao vao hitako ny fanontanianao, nilaza i Hajo fa,
     » Tsy hanoana an’i  » FERY VAOVAO « , tsy hay na hitana ny teniny lzy na tsia fa
    haintsika fa any @ ity JIOLAHIM-BOLA ity moa ny VOLA ka asa raha ho voavidiny ireto mpanohitra azy akaiky.
    Na ny mijery an’ilay iny kosa aza anie ka mampi-tė hanisy totohondry ity vavany e!!tsisy tahotra sy henatra mihintsy,
    hireareahany mihintsy ilay VOLANTSIKA NANGALARINY e!! dia roboka koa ny sasany , soa fa efa MARO NY OLONA
    TONGA SAINA.Ilay fitsarana hiandry azy avy eo mihintsy koa no tena HIKIRIZANY HIALANY mafy io anie e!

  20. IO KOSA FA MBA NIAKATRA E

    08h30>
    TENDANCES CENI-T :
    Récapitulation nationale. 6.040/20.001 (bureaux de vote) Taux de participation 58,10%. Jean Louis Robinson 27,70%. Hery Rajaonarimampianina 14,85%. Hajo Andrianainarivelo 9,72%. Camille Vital 6,72%. Roland Ratsiraka 6,06%. Edgard Razafindravahy 5,10%

  21. MISAOTRA ANY RY ZAREO BE KINTANA

    Premier tour : les félicitations des Etats-Unis
    30/10/2013 à 8:53 1 commentaire

    STATEMENT ON FIRST ROUND OF PRESIDENTIAL ELECTIONS

    We congratulate the people of Madagascar for participating peacefully in the first round of presidential elections.

    The United States shares the hopes of the Malagasy people that this historic election will be the first step to the return of democratic rule in Madagascar. We also encourage the Malagasy authorities to ensure that the tallying of election results proceeds in an orderly fashion and produces a credible result. The Malagasy people have suffered too long from the devastating social and economic effects of the 2009 coup d’état. They deserve elected leaders who reflect the will of the public.

    The United States remains committed to the people of Madagascar and is the country’s largest bilateral donor, providing nearly $60 million (132 billion Ar) for assistance in 2013, with a focus on health programs and food security. We do not recognize the current de facto government, but we do recognize and seek to help address the legitimate needs of the Malagasy people.

    =================

    Traduction libre

    STATEMENT ON FIRST ROUND OF PRESIDENTIAL ELECTIONS

    Nous félicitons le peuple de Madagascar d’avoir participé pacifiquement au premier tour des élections présidentielles.

    Les États-Unis partagent les espoirs du peuple malgache que cette élection historique sera la première étape vers le retour de la démocratie à Madagascar. Nous encourageons également les autorités malgaches afin de s’assurer que le dépouillement des résultats électoraux se déroule de manière ordonnée et produit un résultat crédible. Les Malgaches ont trop longtemps souffert des effets sociaux et économiques dévastateurs de l’édition 2009 de coup d’État. Ils méritent des dirigeants élus qui reflètent la volonté du public.

    Les États-Unis demeurent résolus à la population de Madagascar et est le plus grand donateur bilatéral du pays, fournissant près de 60 millions de dollars (132 milliards Ar) pour l’assistance en 2013, avec un accent sur les programmes de santé et de sécurité alimentaire. Nous ne reconnaissons pas le gouvernement de facto en cours, mais nous ne le reconnaissons et nous cherchons à aider à répondre aux besoins légitimes du peuple malgache.

  22. Rajoelina syu ny forongony no zatra mpandainga teto amin’ny firenena, dia toy izay koa ianareo mpanaradia azy e!

  23. @Tsetsatsetsa tsy haritra

    Mitandrema fa mpandoto-rano fotsiny io mitondra pseudo: « Tsetsa…machin » io! juste pour diviser! Faut pas tomber dans son piège

  24. Ranavalona a, entmbe hoy anao i Béatrice Katala (avadiho), dia hoy aho hoe ataon’ny olona inona koa io sarin-dahy be io??? Pelaka toa andry Hery rajao ihany no tia anio…
    Conseillère spéciale-ny mantsy Be Katala taminizy minisitra!!!
    Mazava be e!

  25. HAFATRA HO ANTSIKA REHETRA AFAKA AMAMPITA HAFATRA AMIN NY AMBARATONGA REHETRA.

    NY TENA GASY TE HANDRESY MIARAKA AMIN I DR JLR. VITAN NY HERIM PO SY NY ENTI MANANA KELIKELY AVY AMINTSIKA TSIRAIRAY AVY NY 1 TOUR. NY 2ND TOUR KOSA DIA TOKONY RAISINA HO TENA ADY MAVESATRA AMIN NY FOZA KA TSY MAINTSY MANANA NY ENTI MANANA AMIN IZANY ISIKA. MINO AHO FA TOKONY HO 1ER TOUR DE VITA LE TEO RA NANANA NY HOENTI MANANA REHETRA ISIKA.

    ADY IO FA TSY KABARY. QUI VEUT LA FIN MANEGE LES MOYENS?

  26. AIR- BAG BEU 2 io koa lazain’i Halabato fa sarin-dahy????
    mba mahiratra ve sė e????i Fatma indray aza lasa SEXY ,efa natsotsatsotsa
    ny volo, efa miova fiakanjo , efa mandimandina , efa mampiasa menaka lafo vidy fa tsy Pandalao toy ny
    teo aloha intsony, efa MATAVITAVY @ haren’i Gasy e!!!isika Gasy ihany no tsy maintsy atao MANDADY
    @ TANY fa ny GENA IZAY METY HO RAGIDRO SY RAJAKO SY NY VAZAHA RERAKA avy any @
    any rehetra izao no tsy maintsy TOTOFANA ny HARENTSIKA e!!!MAHONENA OAH!!!!mbola ho ela e!!!

  27. « densie dit :
    29 octobre 2013 à 15 h 48 min

    Efa manomboka ny chute libre ankehitriny an! Tsy mbola rahampitso no hody dada e! Aza mamoron-dainga hoa. Aiza koa no hisy miaramila gasy afaka hanao pression amin’ny Communauté internationale e! Ianareo zanak’i dada ireto milaza fa tena mba mpivavaka nefa olona feno lainga sy mpamafy lainga. »

    Tena marina ny andrazoky e! Pression inona no ataony eo fa efa misy solotenany ao amin’ny cenit: miaramila responsable informatique MDR! Izy ihany no mibaiko ny tenany hangalabato fa iza no hotereny eo? Aminizay misy miaramila iray responsable informatique an’ny cenit tafiditra ao anatin’ilay liste 109 voasazin’ny OUA…ampiana Béatrice Katala ancienne conseillère an’i Hery Rajao (enga anie!) ka inona moa fa tsy fifidianm-poza no atao? Ny mahavariana dia izao: ohatry ny hoe vongatay daholo ny olona tsisy mahay informatika sy statistika dia naleo miaramila no nalefa tao… Sa noterena ilay miaramila voasazy tao anatin’ilay liste 109 voasazy navoakan’ny OUA hoe migadra ialahy raha tsy miditra ao amin’ny CENIT???
    AZA MBA MANAIKY HO ATAON’NY OLONA HOE BADRAODRA ISIKA MALAGASY!!!!!

  28. ranavalona dit :
    2 novembre 2013 à 14 h 01 min

    AIR- BAG BEU 2 io koa lazain’i Halabato fa sarin-dahy????

    Misy mitovy aminio mihitsy etsy akaikinay etsy ary tena tra ve s t i. Tsy ny entana no inona fa…
    Tsapao ra te ahita ialahy e. Tsapao aloha ny herin’i Bea Katala izay ianao vao miteny hoe air-bag be io lol! sao dia air bag be anakiroa mikirazorazo eo amin’ny devant no hitanao vao tapaka lalandrà tahakan’i Denise eo ianao…

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *