RAVELOSON CONSTANT : FAIZINTSIKA AMIN’NY FOMBANTSIKA NY MPANONGAM-PANJAKANA.

raveloson

RAVELOSON-CONSTANTNitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny mpomba ny filoha Ravalomanana. Vory lanona hatrany ny vahoaka tonga teny
an-toerana. Nisy ihany koa ireo ct, cst sasantsasany izay nanatrika ny hetsika, ka nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena tamin’ny vahoaka. Ny Ct Raveloson Constant izay anisan’ny nandray fitenenana dia nanambara fa eny amin’ny faritra 67ha iny dia misy amin’izao fotoana izao ireo olona mifanila trano no tsy manana karam-pifidianana.Any amin’ny faritra hafa indray hoy izy dia misy anaran’olona tsy ao amin’ilay  trano Mihitsy nefa manana karatra. Noho izany hoy izy dia miangavay antsika raiso ary adikao ny anaran’ireny olona tsy ao amin’ny tranonareo ireny, ary lazao fa tsy maniky izahay. Tamin’ny isika nanao lisim-pifidianana anefa hoy ity mpnao politika ity dia nasaina nijery ny anarantsika sao misy diso na tsyao. Amin’io androm-pifidiananana io hoy Constant dia aoka ho mailo tanteraka. Efa nisy fotoana teto tamin’ny fifidianana hoy izy  izay nisy nitaona mpianatra avy eny Vontovorona. Nambarany ihany koa fa Samoura Fatma nilaza fan a karam-pokontany aza dia mety na tsy misy karam-pifidianana dia mahazo mifidy. Mampiahiahy hoy izy ny teniny Samoura far aha tena vehivavy tomponandraikitra sy vanona izy dia tsy tokony hiteny hoe na 10% aza mifidy dia ekenay. Tsy tokony hiseho akory amin’ny mahasolontenan’ny firenena mikambana io teniny io. Irresponsable hoy Constant Fatma, fa isika kosa efa vonona. Tokony efa dieny hanamrika izany hoy izy ny observateur fa misy ankinangananga eto. Amin’izao faramparany izao dia  mitsofoka any amin’ny elakelantrano isika manentana ny olona, fa tsy teto amintsika ihany akory no nisy 35 ny kandida, ka noho izany dia 1eir tour dia vita. Aza misalsala hoy izy fa ilazao, telefoneo ny Havana rehetra, any amin’ny faritra any dia hotanteraka io. Mikasika ny fandaharana tao amin’ny Tv+ dia nambarany fa ilay hazo boboka indray no milaza fa sao misy accindent tampoka, ingahy angaha hoy ny fanontaniana napetrany no hanao izany accindent izany? Dikan’izany dia fandrahonana izany. Ny iray indray milaza fa 100 andro dia ho lasa mpiloka daholo ianareo, ny hafa indray milaza fa izao fiainanaizao efa maizina dia mbola ampiana malok’ila ihany. Ataoko hoy Constant fa tsy hisy hijery intsony ny invite du zoma taorian’iny omaly iny fa efa afapo ny olona. Ny kandidantsika hoy izy nilaza fa mpanongam-panjakana tsy afaka milatsaka, izany ihany koa dia aoa anatin’ny code penal antsika. Raha sanatria ny vava ka mahomby ilay halambato dia tsy ahita irika eto amin’izao tontolo izao izy ireo.Amin’ny Alarobia hoy izy dia ataontsika masaka izay tany alehantsika, ny zoma dia hiova tànana ny
fahefam-panjakana. Izaho hoy Constant, nisy niantso hoe andao ary na aty, fa izaho indray tsy mihetsika eto Antananarivo, ny antony dia nodorana velona Antananarivo, izay mihatra amin’ny vahoaka eto dia mihatra amin’ny vahoaka an’ny amin’ny faritra. Inty hoy izy
Antananarivo hanafay ny mpanongam-panjakana ary voasazy miaraka amin’izay ny iraisam-pirenena. Faizintsika amin’ny fombantsika ny
mpanongam-panjakana. Antananarivo hoy Constant amin’ny zoma dia manafay izay nanafay azy.

7 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : FAIZINTSIKA AMIN’NY FOMBANTSIKA NY MPANONGAM-PANJAKANA.”

  1. Misaotra fa mazava Constant ah!
    Samia isika mandray handraikitra hanala ny mpanongam-panjakana eo amin’ny fomba mihaja

  2. Ho an’ny fota mba mety ho tonga saina ! Hira namelàn-kafatra !

    Efa be izay vita izay ! Aoak’izay ! Mandehàna mifona ary ny lalàn’ny fahamarinana sy ny ara-dalàna ihany raisina !
    Aza manaraka an’ireo sefo tsy haninona ireo, fa efa lalana hafa tsy mendrika anareo no aleany !

  3. « Antananarivo hanafay ny mpanongam-panjakana ary voasazy miaraka amin’izay ny iraisam-pirenena. » MARINA NY VOALAZANAO, voalazanao ny marina misy ao am-pon’ny vahoakan’Antananarivo!

    ___

    Mbola voa mafy ny zav-nitranga tany Antsirabe i Hajo,
    ka psycho-fanina
    Eo ihany koa ny dakan-dry Reboza
    i Ramarosaona miandry kendry tohana

    Ireto Observateurs hoy aho
    toa fitaovana international mahery vaika
    MANOHANA izay ho laniaNY @ fangalaram-bato
    (ohatra ny mitamberina ato an-tsaiko i Neny Lalao Ra8
    voahiliky ry UA Sadc – Francophonie a oblige
    de la derniere minute
    …)

    Itony aloha no heno avy @ FeoIray:
    ==>
    un certain Bernard Belair , est à Madagascar, il est avec un certain Patrick grondin ( ravatomanga sodiat ) ce Monsieur serait avec un passeport diplomatique français , ecumerai Madagascar, avec un Pages de MAjunga !! ils auraient en charge le sabotage des élections et de créer des evenements juste avant le 25 !!

  4. ZAO NO ATAO WOE MAIRE TENA IZY, TSY MIVADIKA AMINY NY EFA NOFIDIANY.MENATRA AHO RY HAJO, RAHA IZAHO NO HAOTRANAO DIA MIONDRIKA AHO REHEFA MANDEHA? TRATRA TANY AMINY POINT VITAL NY LEHILAHY.

    Antsirabe Ibity : Hajo Andrianainarivelo se tape la honte
    19/10/2013 à 19:41 10 commentaires

    La scène s’est déroulée en début de semaine : les partisans de Hajo Andrianainarivelo ont « invité » le maire de cette commune, Ratovohery Panoela Arnold, à venir assister à leur propagande dans la localité.

    Les chauffeurs d’ambiance ne se sont plus sentis et dans un excès de zèle, ont éructé au micro : « Vous voyez, le maire Ratovohery Panoela Arnold soutient Hajo Andrianainarivelo » !

    Vint ensuite le tour du maire en question de prendre le micro et ses premiers mots devant la foule ont été : « Euh non désolé, je ne soutiens pas Hajo Andrianainarivelo, les habitants de la commune et moi on soutient le Dr Jean Louis Robinson ainsi que la mouvance Marc Ravalomanana« .

    Fin immédiate des annonces au micro, fin du meeting tout court d’ailleurs et début des bagarres dans la foule.

  5. iza marina no mpanadainga ? nanao tran tany Maurice i TGV anefa tranony an Dubai no aseho eo ???

    Maurice Dubai Chine Koweit, tsy misy quoi, fa ny fantatray dia mpanongam-panjakàna sy mpangalatra volam-bahoaka ianareo foza ! nankaiza daholo ny vola rehetra tao amin’ny Banque centrale, atramin’ny 2009 ?
    Na i Sarla aza dia efa nilaza ny zava-niseho rehetra raha vao vita ny fanonganam-panjakàna !
    Nankaiza ireo 232 miliara farany teo ? Tsy resahian intsony ity hoe seky sandoka nazahoan’ny foza 20 miliô sa miliara tao amin’ny Banque centrale ihany !!
    Tsy voatanisa intsony ê !!!

    Lazao rahatoa ka diso daholo izany !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *