RAVELOSON CONSTANT : MIBARIBARY NY FANONGANAMPANJAKANA NIATEHITRA TAMIN’NY MIARAMILA

RAVELOSON-CONSTANTNa dia eo aza ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida Robinson sy i Neny miaraka amin’ireo delegasiona mitety faritra dia tsy mijanona kosa ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka. Ireo izay tsy afaka manaraka ny delegasiona dia tonga tsy tapaka manatevina ny hetsika. Androany dia anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny Ct Raveloson Constant. Nitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny tenany tamin’izany. Momba ilay fiara 4×4 miisa 350 dia nambarany fa Rajoelina milaza fa tompony, izay hivarotra bois de rose hividianana 4×4 ho an’ny miaramila. Vital ihany koa hoy izy dia milaza fa tompony, ary ho omena ho an’ny miaramila. Mibaribary hoy Constant ilay fanonganam-panjakana niatehitra tamin’ny miaramila. Fanontaniana no napetrany ho an’i Vital hoe iza ilay vazaha manome fiara ho an’ny miaramila?lazao anay ny anarany, fa izay no hitsara na misy tambiny na tsia. Lany ritra hoy izy ny volampanjakana kanefa vao volana septambra izao, mbola misy telovolana anefa, tapitra ny tahirim-bolampanjakana. Ny zanakay hoy ity mpanao politika ity asaina mandoa volabe kanefa tapitra ny vola fa nankaiza.Ny miaramila tsotra zara fa mihinankanina fa nankaiza ny vola. Ingahy Hery Rajaoarimampianina hoy izy no tompon’andraikitra amin’izany.Raha vao miditra hoy izy ny fivorian’ny parlemantera dia mbola ampamoaka io. Mahakasika ny tolona dia nambarany fa samy manana ny manavanana azy isika, misy ny manao any amin’ny arabe any, misy manaraka kortezy, ary misy eto an-kianja. Noho izany dia tongava maro rehefa Alarobia sy Sabotsy ahafahana manoro hevitra eto.Noho izany dia amboary araka izay ny fotoanantsika rehetra. Ny fomba fandresentsika amin’ny fifidianana Constant dia tanterintsika tsirairay ny olona. Tokony hahazaka olona dimy avy isika ary atao hita mmihitsy hoe niaraka nankao amin’ny biraom-pifidianana ianao.Raiso lisitra hoy izy ny olona havana, na namana ka tena handeha hifidy.Ity fifidianana ity dia tsy vitan’ny hoe izao ny sondazy fa ny sondazy dia fironan-tsain’ny olona fotsiny ihany, fa ny tena mivaingana dia ilay 80% entina ao amin’ny biraom-pifidianana. Efa nisy hoy Constant teto ambonin’ny tany ny fitaterana olona. Manomboka izao dia tsy maintsy mijery ny fomba fandresen-dahatra ny olona isika. Tsy mihoatra ny 5×5 izany ka tsy maintsy tsabointsika i Madagasikara, mody eto ny filoha Ravalomanana.Ataontsika matanjaka ny fampianarana sy ny fanofanana ny tanora, tonga dia mandeha izany hoy izy fa iza no tsy mahalala fa nodorana ny boky teto tamin’ny andron’ny Razafimanzato Julien. Harenintsika ny fahaverezan’asa teto. Ny fotodrafitrasa, izay potika ny làlana ka tohizantsika ny làlana.Ny lafiny fandriampahalemana.

1 pensée sur “RAVELOSON CONSTANT : MIBARIBARY NY FANONGANAMPANJAKANA NIATEHITRA TAMIN’NY MIARAMILA”

  1. Inona no mahataitra e!!mbola manantena 2000 lahy hiambina azy
    domelina noho ny tahotra t@ ratsy vita rehefa miala eo .Dia sady mahamenatra fa
    angaha vary sa laoka ho sakafon’ireto Miaramila sy ny vady aman-janany ireto 4.4 ???
    Tokony ho dorana izany @ fotoana mahamety azy dia ho hita eo, sady tsy hitondra fandriam-pahalemana
    mba hanenjeana MPANGALATRA na Dahalo akory ireto izy fa hanapenana maso sy handotoana ny lohan’
    ireo GIDRO maty heritreritra fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *