10 réflexions sur « SAHIA RY MALAGASY! »

  1. Mahafinaritra fa misy mpiasa en permanence ato @ mydago

    MISAOTRA INDRINDRA ra-Solo amin’ity natolotrao ity an:
    alefaso GRAND ECRAN @ Alarobia ery an-tany malalaka route digue

  2. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, DIA MIHIDY NY PEJIN’NY MIDI MADAGASCAR !!

    Inona no antony ? Tsy tian’ny avy any ivelany ho hita intsony ve izay voasoratrao ?

    Tsara mba atao tatitra eto ihany izay voasoratra ao anatin’ny Midi (taratasy) !

    Na dia tsy « contradictoire » araky ny voalazan’Ingahy Ratrimoarivony loatra aza ny débat, nahoana no tsy dia nasianareo resaka firy ny heloka nataon’ny miaramila, satria ireo no tena rangory fototry ny afo ê ???

  3. Milay be
    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,806437
    mahatody firy kilaometatra hihihi ireo baffles ireo ê

    nahavita gravage ny hira faneva aho,
    entiko ataon’ny namana copie rahampitso

    Entaninay ny olona
    hahafoy ny andro
    na manao relai aza
    hanara-maso ny fandehany
    eny @ COMMUNE handatsaham-bato ny zoma 25 izao

    tsetsatsetsa tsy haritra: ho somary volumineux zany ny urnes?

  4. Aoka tsy hisy hatoritory mihitsy amin’izao andro mangotraka izao. Izao andro izao no ahazoantsika mandresy na dia tsy misy basy sy tafondro aza eny antanantsika. Avelao ny alika hivovo fa ny diantsika tohizana. Aoka tsy hisy hamerina ireo fanetriben’ny firenena ireo amin’ny fitondrana isika. Hazavao amin’ny fianakaviana rehetra fa izao fahoriana tsy roa aman-tany diavinan’ny tany izao dia noho ireo tsy mataho-tody mitondra ny nosy mankany an-kady.
    Vorio ny fokonolona hiaro ireo bulletin. Aoka samy handefa ny valin’ny fifidianana ny hariva ihany ny birao rehetra. Samia maka sary amin’ny téléphone ny isan’ny vato rehetra. Aoka tsy hisy afaka mangalatra ny fandresena efa eo ambivitra.
    Tsy tokony hanaiky ny nataon’ny firantay tamin’ny alalan’i Choi tany Côte d’Ivoire isika. Ka ny nandresy indray no halefan’ireo amboarazana mankany amponja.
    Tsy fandroaka isika fa olombelona manam-panahy. Aoka tsy hisy hanaiky lembenana fa ny hoavin’ny taranaka no voizina ho any amin’ny fahombiazana. Marary ny nosintsika, misy dokotera io te hitsabo, aoka tsy ho vendrana tahaka ny sasany ka misompatra ny tanana manome asa, sakafo, fianarana, orinasa…ho azy.
    Adidy masina ny miandry antsika, raha toa ka mifidy mpangalatra isika dia ozona no hitranga. Raha toa ka mpanavotra no tadiavintsika dia fitahina no hanaraka eo.
    Fidio ary ny n°33 dia ny manaraka ho hita eo. Aoka ho 1er tour dia tsy misy ady ehvitra intsony.
    Masina ny tanindrazana. Mbola tsy vita ny tolona.

    http://www.gttsra.org

  5. 1er tour, ary tsy 51 na 52 % no tadiavina hoy aho, fa 80 na mihaotra !!

    Jereo ny nataon’ilay midegany iray !

    Manao loham-boto, namporisika olona ho eny Mahamasina na dia efa fantany izao aza fa tsy azo anaovana fampielezan-kevitra eny !

    Porofo mitehaka amin’ny tendany fa olona tsy azo antoka, manao lohan’alika !

    Tsy mila olona mivahy tahak’izany ny Tanindrazako, Tandrizanao, Tanindrazan-tsika !!

    Fanontaniana tsotra apetraka amin’ny olona izay mbola tsy resy lahatra :

    Mbola vonona hiaro an’ireo mpanongam-panjakàna ireo va ianareo, sa mitady mafy ny fomba hialàna amin’izao krizy mamirifiry, tsy mendrika an’ny vahoaka malagasy izao ?

    Marary mafy ny Firenena !! Any amin’ny Dr Robinson ny fanafody !

  6. Misaotra@’ilay fampitam-baovao sady mahafa-po koa ilay resaka.
    Ary mba aiza oah ilay Invitė de zoma farany teo ray olona fa tena tsy hitako mihintsy a?

  7. Misaotra namaly Izy a!! t@ 2 maraina za vao natory.
    Tena nahaliana tokoa ilay resaka ary deraiko manokana
    ilay fahendrena sy FAHASAHIAN’I Dokotera( @ fomba miaja an!)
    Mankasitraka an’i Dokotera fa nahay nifidy dada sy neny nifidy anao.
    Aleo eny am-pandrasana no mahita ny atiny e!Mampiavaka azy aloha sady hitako mahaomby dia
    IZY TSY BE SAFARA ary MIVAVAKA, tsy misorona koa anefa miteny ary MANDALA FIHAVANANA
    izay tsy msy hadinony ny SOA TOAVINAizay maha malagasy ny Gasy .
    Mankasitraka Dokotera fa TENA MILA OLONA TOA ANAO MADAGASIKARA !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *