TSY EKENA NY FANDROMBAM-PAHEFANA NANDRITRA IZAY EFATAONA IZAY

Campagne Ambohimiarivo 22 okt 13 (8)

Campagne Ambohimiarivo 22 okt 13 (8)Efa mamaram-parana ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana  filoham-pirenena ny 25 oktobra 2013 izao ireo kandida 33.Ho an’ny
movansy Ravalomanana dia tany Ambatofinandrahana, Ambohimiarivo no nanatanterahana izany fampielezan-kevitra izany androany Talata 22
oktobra. Tonga tany an-toerana ireo delegasiona avy amin’ny movansy izay nahitana ny Me Hanitra Razafimanantsoa, ny minisitry ny fambolena
Ravatomanga Roland, ny minisitry ny varotra Ramalason Olga, ny Ct  José, ny Ct Mamy. Vahoaka marobe hatrany no tonga nihaino ny  fandresen-dahatra nataon’izy ireo tamin’izany. Ny Me Hanitra raha nandray fitenenana dia nanentana ny olona hifidy an’ny dokotera Robinson. Tonga izao ny fotoana hoy izy handrovitantsika ny tantara. Tsy adinony ihany koa teto ny nanazava tamin’ny vahoakany mikasika ilay bileta tokana, indrindra ny laharana faha 33 dia Robinson izany. Ny minisitry ny fambolena kosa tao Ambatofinandrahana dia nilaza fa tsy hanao fampielezan-kevitra no hahatongavako eto fa hanazava ny momba ny fifidianana. Tongava mifidy hoy izy ary raison y andraikitra. Mila  izay hahasoa ny taranaka isika ka aza manaiky ho terena ny safidinareo. Fotoana izao hanehoana izany safidy izany. Tsy ekena hoy Ravatomanga ny fandrombam-pahefana nandritra izay efataona mahery izay. Noho izany dia aza manaiky ho fitahana ianareo. Teo izy ireo tsy nahavita ka izao vao milaza fa hanatanteraka. Tao Ambohimiarivo kosa dia nilaza ny minisitry ny varotra Olga Ramalason fa tsy maintsy resentsika amin’ny fifidianana ny mpanongam-panjakana. Tonga hirodorodo isika amin’ny 25 oktobra hanala ny mpanongam-panjakana. Na tao  Ambatofinandrahana na tao Ambohimiarivo dia niditra mivantana tamin’ny antso an-telefaonina ny filoha Ravalomanana. Fanentanana ny vahoaka hifidy no nanombohany ny lahateniny. Tongava mifidy hoy izy amin’ny 25 oktobra izao, efao ny adidinareo. Ilay kandida favori dia ny dokotera Robinson hoy izy no fidiana fa io no kandida natolotr’I dada Ravalomanana. Tamin’io fotoana io koa no nanamafisany ny efa voalazany ombieny ombieny mikasika ny fanapahankevitra amin’ny fanohanana ny kandida Robinson. Aza matahotra ianareo hoy izy fa fantatro tsara izy, izay efa minisitra tao anatin’nny governemanta. Fantatro izy no afaka hahavita ny fanarenena ny firenena, ary hampody ahy eto an-tanindrazana. Tsy maintsy mandresy isika hoy izy amin’ity fifidianana ity, ka 1eur tour dia vita. Noho izany dia entano ny manodidina, ny Havana , sy ny namana rehetra ho tonga hifidy ny dokotera Robinson amin’ny 25 oktobra izao. Raha vao tonga any Madagasikara aho hoy izy dia anisan’ny hotsidihako Ambatofinandrahana, sy Ambohimiarivo. Hiakam-pandresena no nandraisan’ny vahoaka marobe izany kabarin’ny filoha Ravalomanana izany tany an-toerana .

ANDIAN-TSARY AMBATOFINANDRAHANA

ANDIAN-TSARY AMBOHIMIARIVO

12 pensées sur “TSY EKENA NY FANDROMBAM-PAHEFANA NANDRITRA IZAY EFATAONA IZAY”

  1. Efa manaiky matoa tsy miteny izay ela be izay fa inona ary ity???
    Aoka izay ilay resaka be fa fifidianana hatrehana raha HISY e!!
    Aoka izay ilay FAMPIHESONANA e!!

  2. Minimum syndical izany efa fantam-poko sy fantam-pirenena ê !

    Ny iray aza mahavita miteny hoe, tsy hanao praopagandy no nahatongavako eto, fa hampirisik’anareo hifidy « izay olona tianareo » !!

    Tahak’izany aloha no fazahoako ny teniny !
    Matahotra an’ilay tary sefon’i Beatrice angaha radadatoa, dia tsy sahy miteny hoe fidio i Dr Robinson, fa izy no kandidà natolotry ny Filoha Ravalomanana ?

    Rehefa manao zavatra sy manohana dia mba tena atao amin’ny fo madio ê !
    Traingo foana ny fika hoy aho !

  3. Na inona ho vokany na inona dia deraina sy omem-boninahitra ireo Mpitarika rehetra teo ambanin’ny Fitondràn’i MAMY RAKOTOARIVELO SY Maitre HANITRA RAZAFIMANATSOA.

    KOA MAHALEOVA MAHALASANA FA MENDRIKA NY FITOKISAN’i MARC RAVALOMANANA sy Dr ROBINSON J.L

    RAHA RESY / TSY AKORAINA
    RAHA MAHARESY DIA EFA HENIN.KAJA .
    Hoy zahay avy amin’ny Lafy 8 ny NOSY

  4. Androany ve vao hita tahak’izao dia mendrika ny hoderaina. Raha tena nanao tahak’izao hatrany amboalohany dia azo antoka ka 1er tour de vita. Izao mbola any ankibon’ny omby. Style nitondrana ny tolona hatrizay io. Mody manao. Nefa ny ao ampo tsy tena resy lahatra @ fitiavan-tanindrazana. Ravola angamba. Ho hita eo e!

  5. Za lo tsy mila mitsy reto mpitarika movansa r8 reto e. 2taona Tao anaty Systèmes nareo tsy hanamafy ny base sy nano mana ny ho Solon – tena any @ bureau de vote. Tsiny vision mitsy fa refa vonona foana vo mi hialany.

  6. De eto indray isik miarak @ densie sy ny tariny (Mijoro, Tovo, …)
    ___

    Androany no faradoboka ê, hafana ny etsy sy eroa
    ny mouvance ra8 (hoy densie no mahazo an’Andohatapenaka)

    O ry densie an: mitovy loko @ Vital koa ianareo mpiasa ao fitondrana hat ao izany, « hiaraka isika » hoy izy mants an’i dr JLR t@ invité de zoma

    raha misy fitsinjovana ny civil kely fotsiny,
    dia mba diovina ny rano maloto public manoloana ny cenam
    fa vao maika toa milaza oe « io no sahaza sy mendrika anareo sarababem-bahoaka
    cultiver le tsikafokafona dans du ranon-TAY: le boulot digne de vous tout en procurant ainsi le sakafo tsikafona pour mon bétail »

    ____

    HARINGANA amin’ny fomba demokratika NY FOUZ
    firenena tena VANONA no averina hatsangana

  7. Efa misy santionany ao amin’ny forum TIM !
    Nanao ahoana izany embouteillage izany ? Inona no mba commentaires-n’ny vahoaka eny an-dalana ?

  8. Tsy tanaty taxi-be aho
    ny eny an-dalana tsy miova ny santionan’ny mpande
    somary mitohana fotsiny ka voatery niova lalana in-telo no nizorana!

    Nakao anaty forum tim aho
    fa voajeriko ny sarin’ilay vendrana mandihy

    hay tsy izaho irery no mahatsinjo hoe: CLOWN
    ohatran’ny lahy antitra misary adala
    ireto FeryVaovao / HazoBoboka / CamilleVitalina
    rehefa mihetsika mandihy
    (« REGARDEZ CE FILS DE PUT. DANSER SUR LA MUSIQUE DE CRABE. »)

    nde ho any aloha mandra-paha ny ato…

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *