AZO ITOKISANA VE NY CENI-T SY NY CES ?

CES

CESTSY NAHOMBY NY CENI-T

Nanomboka tany amin’ny fametrahana azy ny Ceni-T dia efa nampanahy ny maro ny fomba fiasany,  nisy ireo solontenan’ny mpanao sonia ny sori-dàlana izay mpikambana nandrafitra azy izay   tsy mitovy fomba fijery sy mifanipaka toy ny valala ankarona, kanefa noheverina fa izay no hisian’ny « neutralite ». Tany am-boalohany anefa Ramatoa Attalah Beatrice dia efa nilaza fa tomombana ara-teknika ny fanomanana ny fifidianana.Natoky izany ny vahoaka.  Ny zavanisy a nefa dia betsaka ny lesoka  ka anisan’izany ny teo amin’ny lisi-pifidianana sy ny  kara-pifidianana izay maro ireo mpifidy tsy afaka nanefa ny adidiny.  Tsy azo atao ve ny nizara herinandro mialoha izany kara-pifidianana izany sa nisy kinanga tao. Ny Ceni-T anefa dia anisan’ny nahazo famatsiambola goavana avy amin’ny mpamatsy vola amin’ny fanantanterahana ity fifidianana ity. Mampanahy ny maro ny fitavozavozana eo amin’ny fomba fiasany , indrindra ny  famoahana ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni-T izay mitarazoka ela dia ela izany kanefa efa mampiasa angindim-by amin’ny fanangonana ny voka-pifidianana. Mampanahy ihany koa ny fitotongan’ny vaton’nykandida Robinson izay nahatratra 30% tany amboalohany kanefa ankehitriny dia nidina 21% izany, ireo Biraom-pifidianana anefa be dia be no tonga ary nahagaga dia saika azo daholo ny vaton’ny mpifidy any amin’ny toerana lavitra any, ary betsaka ny tahan’ny mpifidy ka tsy tokony hampiova ny voka-pifidianana. Hatreto dia tsy azo antoka ny fomba fiasan’ny Ceni-T ary tsy nahomby mihitsy. Araka ny fantatra dia ny Zoma izao  no hamoaka ny voka-pifidianana feno vonjimaika manerana ny nosy  izy ireo.

HANAJA NY SAFIDIN’NY VAHOAKA VE NY CES ?

Hatrany am-boalohany tamin’ny namoronana azy mihitsy no nisy fitongilanana nataon’ny Ces, izay anisan’ny fanakianana nahazo azy ireo ny lesoka lehibe tamin’ny fanalana ireo kandida 6  tsy afaka nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ireo 41. Io no nametraka ahiahy amin’ity fihodinana voalohany ity, noho ny didy kofehy lehibe. Rafi-pitsarana iray ary tsy azo ivalozana  ny didy avoakany ary raha sanatria mamoaka didy ohatr’ilay voalohany izy , izay niteraka disadisa eto amin’ny firenena. Inona no zavatra mety hitranga ? Amin’izao fotoana izao dia misy mametraka ahiahy sahady  amin’ny vokatra avoakan’ny CES izay tsy mitovy amin’ny vokatra avoakan’ny Ceni-T.

Araka ny siosion-dresaka mandeha dia mety hamoaka didy ny CES amin’ny fanaovana   “disqualifie” ny kandida iray. Hitondra filaminana sy fitoniana ve izany ? Ho an’ny movansy Ravalomanana dia efa hatrany am-boalohany no efa fantatra fa tsy mirona any aminy mihitsy ny CES indrindra teo amin’ny fanalana ny mahakandida an’I Neny,  n any didy sy ny firafitry ity rafi-pitsarana ity dia iray ny mpikambana ho an’ny movansy Ravalomanana,toy izany koa ny ao amin’ny Ceni-T, saingy tratran’ny be no vitsy foana izy ireo .

Hatramin’ny 2009 dia saika paikady entin-dRajoelina hatrany no tiany atao nefa nandamoaka foana izany. Azo inona amin’ity fihodinana faharoa ity fa handresy hatrany ny mpomba ny filoha Ravalomanana.

19 pensées sur “AZO ITOKISANA VE NY CENI-T SY NY CES ?”

  1. Mbola averina ihany:
    Fa mbola misy ihany ve olona tsy tonga saina amin’izao fotoana izao mikasika an’ity Andry Rajoelina sy ny forongony ity e?
    – Efa tsy navela nody ny filoha Marc Ravalomanana
    – Efa tsy navela nilatsaka i Lalao Ravalomanana
    – Efa tsy nomena sehatra ireo haino amanjery rehetra mety hanohitra ny teteza-mita
    – Efa novidim-mbola ireo birao maromaro
    – Efa nizarana vola sy T-shurt ireo mpanaraka
    – Efa tara be i Ra8 vao nanao vonjy maika ny olona tohanana
    – Efa tsy olona avy amin’ny TIM na ny Zanak’idada akory ny olona tohanan’i Marc Ravalomanana…
    – Efa any ampaosin’izireo ny CENIt, ny CES…
    Dia mbola i JLR ihany no voaloha-laharana amin’ny fifidianana voalohany. Mba tokony ho menatra ihany rehefa mandinika ireo rehetra voatanisa tetsy ambony ireo fa tsy dia manao lohan’alika ry reto a!
    Ry Andry sy ny tariny efa vazaha be menasofina izao no manohana sy mamatsy vola tsy toko tsy forohana ho azy mbola tsy maharesy ny olona tohanan’ny malagasy tokana amin’izany sesitany any afrika atsimo.
    Mbà tongàva saina ry zareo. Tsy aleo va mahatoky gasy manohana gasy toy izay mitoky amin’ny gasy tohanan’ny firantay ?
    Alefaso lavitra ny fieritreretana fa manjary mampalahelo.

  2. Izao ve nareo ve mametraka izany fanontaniana izany. Vao nanomboka ny fahataràn’ny famoahana ny valin’ny fifidianna dia efa nilaza ny rehetra fa ao raha.
    Mahaiza ihany mangina fa mbola ho avy ilay tsy handeha 2eme tour é

  3. Efa hita fa ny hanala an’i JLR tsy ho tafakatra 2e tour mintsy no tanjona. Efa mazava be nijotso nidina toy izao ny vatony, fa toa tsy miteny ihany toa mbola tsy misy réaction foana ilay avy @ mouv ravalomanana sy ny avana fa miandry inona ndray re!

  4. Ny ahy ny fomba fiasa sy fomba fiady aty amin ny ankolafy ravalomanana no misy ovaina be dia be somary mitavozavoza sy tsy de mihaino critique indraindray ny resaka communication indrindra ary aza misousestimé adversaire sy probleme mintsy aloha

  5. Tsy mitavozavoza izany fa VOAVIDY MIHINTSY .
    IZY!
    Ny vahoaka efa naneho ny heviny fa IRETO MPITARIKA VILAM-BAVA MIHINTSY NO MILA
    FIHEVERANA .Efa nanefa ny adidiny ny vahoaka na teo aza ny SAKATSAKANA ISANKARAZANY,
    mba henoy daholo ny fitarainan’ny olona fa efa tsy ny FOZA IRERY IHANY .
    Raha vao mandeha ny tsikera@ tsy mety ataon’ny MPITARIKA eo@ Magro aza @’izao dia misy efa voavidy
    HIÔGAÔGA ,soa fa tsy ny rehetra.
    Izao dia ny hiady seza indray no mahafaty , tsy misy manisy SIRA mihintsy ilay FIFIDIANANA.MAHONENA!!!
    Atao izay ahaleo ny vahoaka dia tsy hisy HIFIDY HAMPIAKARANA NY FOZA.
    I Vitaly aza nilaza fa tsy rariny satria toerana tsy nanaovany FAMPIELEZAN-KEVITRA AKORY NEFA NAHAZOANY
    VATO, fa ny antsika mba iza no NITSOVALANA????manaiky matoa tsy miteny ô!!!MAHONENA!!!

  6. Raha mandinika tsara isika dia maro ireo kandida izay mpomba ny HAT no hoe nametraka fitakiana ny hanafoanana ny fifidianana 1e tour efa vita, tsy vitsy ireo nametraka fitarainena eny CES. Raha mandinika anefa ianareo dia toa tsy andrenesana feo firy ny avy eo amin’ny equipe JLR. Inona no antony izany, aza hadino fa n’inon’inona resultat ny CENI-T, izaho mino fa manana ny azy koa ny equipe JLR juste deux jour apres fifidianana, ka raha misy hala-bato ao (izay tsy azo lavina)amiko tsy maninona izany satria efa tafita 2ètour, raha toa ka hi-contester ianao dia tsy misy dikany satria lasa hanampy isa ireo voalaza etsy ambony isika satria izay no tadiaviny hataontsika izay no antony halambato ao ny mba hampitroatra antsika. Izaho anef manao hoe efa tafita 2ètour ny maika sy laharampahamehana izao ia ny mandrindra tsara ny 2ètour manarina ny lesoka rehetra izay no tena maika. Ny resultat, efa hita fa tsy maintsy manao 2étour isika ka aza tafiditra ao anaty vela-pandrikiny HAT.
    Samy ho tahian’Andriamanitra daholo.

  7. Efa mipitsoka ireto zanaky le Dada ireto.Rôby aza mbola mitabataba miaraka @ i Mamy sy Hanitra. Refa resy Rôby mba misy atao hoe ireo no natonga zany. Domeliina domelina, elisany no tena domelina sy tena foka.

  8. Io ny zava misy sady efa neken’ny CI efa nandray anjara dia tsy maintsy tanterahina hatramin’ny farany ary marina tanteraka ny tenin’ny filoha Ravalomanana fa hirodana tsy ho ela ny manongam-panjakana

  9. Ny tena tsy azo hekeny ny Malagasy dia ny fiheveran’ity CI ity ,izay tarihan’ny UE ,sy ny SADC ary baikon’ny françafrique ,fa tsy manan-jo ny Malagasy na tsy vory sayna ka hahasana ny fikarakarana ny fifidianana miala any min’ny recensent-n’ireo Malagasy hafaka mifidt ka hatrany amin’ny fanisana ureo lon nifidy sy ny vato azon’ireo mpifaninana tsirairay…
    Nihervitra ny CI fa ny fahalan’ny Malagasy dia azo antoka fa « aleo hankinina amin’ny fonctinnaires-n’ny Nations -unies…
    Mora baikona sy entina amin’ny sangany ireto fonctionnaires…
    Anisan’ny tetika (indrindra ity bulletin Inique ity )andrembirebena ny Malagasy ary koa aniliana ny Mouvance RAVALOMANANA MARC tsy handray anjara amin’ny fifidianana
    KINANJO ,nisy ilay fivoriana tany NAMIBIE izay nsehoan’ireo mpikambana ao amin’ny SADC ,dia ireto memres vaovao ao amin’ny TROIKA izay nanome fepetra :
    -tsy maintsy hatao ny fifidianana
    -faharoa tsy maintsy mandray anjara ny Mouvance RAVALOMA?A?A MARC satria mandriga ny fanapahan-kevitra naniliana aza , koa mangataka amin’ny Filoha RAVALOMNANA MARC hanaiky ity fepetra mandrisika azy hanohana izat candidat tiany ho tohanana..
    Tsy nampoizinny CI ( izay toherin’ny USA, JAPON ,ALLEMAGNE ,CHINE sy ireo Firenena toa ny BRESIL ,RUSSIE , INDE…ny fanaovana io fifidianana io).
    Natao ny amboletra dia natao ny fifidiana..)Eo amin’ny fanisam-bato, rizareo izao..
    Dia gaga ,fa na teo aza ny fanodikodinana ny vato manan-kery dia mbola ny candidat natolotra sy notohan’ny filoha RAVALOMANA MARC no mitarika ny fifaninana !
    Mamaky loha izy ireo amin’izay tokony hatao !
    Ny observateurs internationaux dia efa nanome ny heviny : hafa-po izy ireo fa tena nilamina ny fifidianana !
    Koa hiray feo amin’ny CI izay nanosika ny fanaovan’ity fifidianana ity ary mankasitra ny fizotran’ny fifidianana SA HANDA NY FITSARAN’NY VAHOAKA TAMIN’ITY FIHODINANA VOAMPHAN’ITY ireto mpanongam-panjakana ?
    VALINY : NY ZOMA 08 NOVEMBRE 2013 !

  10. AlainRazanatsimba: tsipak ny miala aina ny ano e!, mimenomenona tahaka ny lohanao tapaka.

    mandehana manatona tena na mandehana misaona an´i rajoelina y ny forongony fa vita hatreo ny anareo e! domelina domelina ary ho domelina hatramin´ny farany ,tsy avotra intsony na i Dr Robinson JL aza tsy mahasitrana Foza domelina efa maty eritreritra sy voky halatra sy lainga

  11. TSY FOTOANA IFAPITSIPAHANA ANTRANO INTSONY IZAO FA FANOMEZANA PAIKA SY TETIKA AMPAHOMBY NY 2 E TOUR.
    EFA NANDRESY ISIKA. TENA EFA ZAVA DEHIBE LOATRA IZANY.

    – MILA APETRAKA TSARA NY DELEGUES DE BUREAU DE VOTE SATRIA IO NO TSY HAHAFAHANA MANAO FITORIANA SATRIA BE DIA BE IREO BUREAU DE VOTE TSY NISY ANTSIKA? HEVERIKO FA ERREUR FONDAMENTALE IZANY. TANY FARATSIHO DIA NISY BIREAU DE VOTE TAMY 2 DIA EFA NANKATONA ARY TSY NOVOHAINA INTSONY AVY EO FA DIA ANANAO NY DANIN NY KIBONY TAO NY FOZA.TSY TOKONY APETRAKY NY CANDIDAT DEPUTE AMIN NY MAIRE NY FIKARAKARANA IREO SATRIA EFA VOAVIDIN I HAJO NY MAIRES.
    – MILA JERENA NY SOLON TSAKAFON NY DELEGUES DE BUREAU DE VOTE SATRIA NY AN NY HAFA NAHAZO DAHOLO. ZAVATRA KELY TSY TOKONY HAMAIVANINA IZANY.
    – TSY TOKONY HO HENO TSONY TY HOE TSY MISY VOLA HOENTI-MIASA. TOKONY TSY NILATSAKA REHEFA TSY MISY VOLA? TEO ZAHAY MBOLA NISY KEY DIA AFAKA NANAO FA EFA TENA LANY BALA ZAO.

    MANKAHERY ANTSIKA REHETRA

    TENA GASY TSY MAINTSY MANDRESY

  12. Tsy fotoanan’ny critique izao – Mivavaha mafy ary jereo ny lanitra fa Izy ihany no momba abtsika :
    Ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy Jesosy ka mahalalà menatra re rey olona ô !

  13. gasy aho, misaotra anao, anisan’ny lesoka lehibe izay tena nahasorena ahy io iray andro talohan’ny fifidianana. Nanampy trotraka ihany koa ny faharenesana fa tsy misy solontsakafo izay misy. Mbola averimberiko eto foana fa AZON’NY FOZA VIDIANA DAHOLO NY DELEGUE REHETRA ETO MADAGASCAR. Mahasosotra ny milaza izany fa izay ny zava-misy. Eo aza ianao hangalatra izy vao mainka fa tsy eo ianao! Ny mandreraka ihany koa dia toa ohatry ny mahantra affiche, be loatra ny lenteur amn’ny fahazahoana ireny any amin’ny QG. NY FINOANA TOMPOKO TSY MAINTSY ARAHI’ASA. SAMIA ARY MAHERY DAHOLO! SATRIA FOTOANAN’NY ADY IZAO. FITONDRANA NANGALARINA IO, DIA MIHEVITRA VE ISIKA FA OMENY MAIMAIPOANA IO SATRIA RESY IZY IREO AMIN’NY FIFIFDIANANA! TSY MINO IZANY AHO! HANAO NY TSY FANAO REHETRA IREO HIPETRAHANY EO RAHA TSY HOE ANGAHA NIOVA ANJELY…

  14. Zava-dehibe iny vokatra azo t@ 1er tour iny, na teo aza ireo lesoka izay azo arenina tsara @ 2em tour.
    Mila mitandrina tsara isika tsy ho latsaka ao anaty fandrik’ireo mpanongampanajakana, ny hanafoanana ny fifidianana. Efa fantatr’izy ireo fa ho resy izy, ka io fanakorontanana io no tadiaviny mba ahafahany mijanona elaela hatrany eo @ fitondrana.
    Aoka samy hitrotro am-bavaka mafy ny firenena isika.

  15. sources : Cenit 07 novembre 2013.

    Mouvance RAVALOMANANA, enregistrent au total un score de 25,60%
    Mouvance Andry Rajoelina, enregistrent au total un score de 60,35%

    Les autres 14,05%

    Ny LOGIKA fa aza mamita-tena fa ireo olona izay nifidy ny Mouvance rajoelina dia tsy hifidy velively ny Mouvance R-8 @ 2e Tour.

    DE RAHA vakiana io chiffre io dia mbola tsy TAFODY dada ny ho an’ny 4 taona manaraka.

    Tsy mila manana diploma be vao mahatafavoka an’io chiffre eo ambony io ka za MANONOFY atondry ry zanak’i Dada.

  16. Re: Tena fantatr’i Dada ve ny zava-misy ?
    Vakio ao :

    Envoyé par: IZA ITY KMD ITY EH? (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 6 novembre 2013 12:41:28

    fa iza inao io ry KMD ? Enao io indrindra ry KMD no tena tsy misy apoka fa mpitsikera ny hevitry ny olona eto @ forum fotsiny , angaha tsy fantatrao ny atao hoe : forum ? sa ianao mbola tsy nanatrika forum ankoatra ity eto @ site ny Tim ity….isaky ny mba misy olona manome proposition na hevitra na tsikera momba ny hitondrana ny tolona eto dia iny ianao miseho ho “ rôle be “ eto , samy manana ny fijeriny azy anie ny olona eh ! raha vao misy miteny dia iny ilay KMD FOZA fa mitsikera sy manakana,mibedy ny olona manoratra eto ,sa ianao no tompon’ity forum ity , sa dadatoanao no tompon’ity ,sa i Dada no dadanao ,sa i MADAGASIKARA anao ,sa inona no hiafenanao ao ambadik’io KMD lava io….

    Aza miseho ho mpitarika sy favoris eto fa aleo ny olona mba hiteny ….tsy anao akory no hanokafana an’ity forum ity…

    TANDREMO FA HAFAHAFA BE ITY KMD ITY

  17. Vakio ao :

    Re: Tena fantatr’i Dada ve ny zava-misy ?
    Envoyé par: IZA ITY KMD ITY EH? (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 6 novembre 2013 12:41:28

    fa iza inao io ry KMD ? Enao io indrindra ry KMD no tena tsy misy apoka fa mpitsikera ny hevitry ny olona eto @ forum fotsiny , angaha tsy fantatrao ny atao hoe : forum ? sa ianao mbola tsy nanatrika forum ankoatra ity eto @ site ny Tim ity….isaky ny mba misy olona manome proposition na hevitra na tsikera momba ny hitondrana ny tolona eto dia iny ianao miseho ho “ rôle be “ eto , samy manana ny fijeriny azy anie ny olona eh ! raha vao misy miteny dia iny ilay KMD FOZA fa mitsikera sy manakana,mibedy ny olona manoratra eto ,sa ianao no tompon’ity forum ity , sa dadatoanao no tompon’ity ,sa i Dada no dadanao ,sa i MADAGASIKARA anao ,sa inona no hiafenanao ao ambadik’io KMD lava io….

    Aza miseho ho mpitarika sy favoris eto fa aleo ny olona mba hiteny ….tsy anao akory no hanokafana an’ity forum ity…

    TANDREMO FA HAFAHAFA BE ITY KMD ITY

  18. Tsy mbola nisy toa ny filoha Andry Rajoelina raha mbola samy filoha nifandimby teto Madagasikara. Sady tanora, tia tanindrazana, mandala ny fahalalahana sy ny demôkrasia, tsy tia aferafera, manam-pahaizana, tsy mitanila, tsy manavakavaka foko na fihodirana, misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny mangarahara, sns.

    Taiza no mbola nisy mpitondra tia tanindrazana mihoatra noho ny filoha Rajoelina; vao telo taona monja no nitondrany ny firenena dia izao tafakatra avo be izao ny harin-karena, eo am-pototry ny masoandro mibaliaka ny Air Madagascar sy ny Jirama, manana ny asa fivelomana sahaza azy avokoa ny olom-pirenena, mandry fehizay ny tanàna, sns. Lafatra loatra ity filoha ity, hita soritra eny amin’ny fihetsiny mihitsy ilay fitiavan-tanindrazana tsy manam-paharoa. Izany izy rehefa manolotra fanomezana isam-bolana ho an’ny Foloalindahy izany; lafatra, tena lafatra e!
    Nandritra ny fitondran’ny filoha Rajoelina no tena nahatsapana izany fahalalahana sy demôkrasia izany. Feno olona hatrany ny kianjan’ny demôkrasia etsy Ambohijatovo isaka ny faran’ny herinandro; mahazo miteny izay tiany ny AV7 (discours de Talion), mahazo midina an-dalambe ary misokatra midanadana ho an’ny mpanohitra ny varavaran’ny RNM sy ny TVM. Tadidio fa taratry ny fahalalahana ireny dokambarotra ataon’ireo orinasa mpivarotra zava-pisotro mahamamo toa ny Skol, THB, Castel, Gold, Libertalia, sns. Lafatra loatra ity filoha ity !
    Nandritra ity fitondran’ny filoha Rajoelina ity no mangaraharaha indrindra teo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ary tsy misalasala mihitsy manolotra fanomezana: sefom-pokontany, miaramila, mpanao rugby. Tsy niandry ela akory ireo Sempama sy Paramed ary Seces fa avy hatrany dia novahan’ny filoha ny olan’izy ireo, nividianany 4×4 maro be ny Emmo, hahazo hélico sy kamio be tsy ho ela ny Foloalindahy, voky hatreny an-tendakeliny noho ny Vary Mora sy ny Tsena Mora ny vahoaka. Firy ora alohan’ny hivoahany any ivelany dia efa mahafantatra izany avokoa, amin’ny alalan’ny Seraseran’ny prezidansa ny vahoaka 20 tapitrisa. Lafatra loatra ny filoha Rajoelina !
    Hatry ny oviana no mbola nisy fitondrana nanjakan’ny firaisam-pirenena noho izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao ? Taratry izany firaisam-pirenena izany ireo filohana andrim-panjakana maro toa ny praiminisitra, filohan’ny CST sy ny CT, ny HCC, ny prezidansa mazava ho azy. Hafa ny tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay Merina avokoa no notendreny tamin’izany andraikitra izany. Lafatra loatra !
    Koa aza misalasala ry vahoaka ; fidio avy hatrany izy raha vao milatsaka ho kandidà. Lafatra, tena lafatra ity filoha ity !

    MARINA DAHALO ARY VE REO oôôôôôôô?????????????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *