Demokarasian-dRy Andry Rajoelina : ny vitsy an’isa no manjaka !

andry

andry Nanomboka ny taona 2009 dia nidradradradra ny demokrasia  Rajoelina sy ny mpiaradia aminy ary nilaza fa didy jadona no nataon’ny mpitondra. Nankaton’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana ny radio Viva izay nandika ny lalàna mifehy ny haino amanjery. Io anefa no nitarihan-dRajoelina olona teny an-dàlambe hanonganana ny fitondrana tamin’izany. Ankehitriny anefa dia iarahan’ny rehetra mahalala fa maro ireo radio nankatona izay mbola tsy nisokafana, raha tsy hitanisa afa-tsy ny Radio Fahazavana,  ary tamin’ity tetezamita tarihan-dRajoelina ity dia tsy nisy ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety satria maro ireo mpanao gazety naiditra am-ponja. Ny kianjan’Ambohijatovo izay notokanan-dRajoelina ho kianjan’ny demokrasia tamin’izany dia nolazaina fa misokatra ho an’ny rehetra, tsy ilaina fangatahan-dàlana ny fampiasana azy. Raha vao tonga teo amin’ny fitondrana anefa izy dia ny mifanohitra amin’izay no nitranga. Izay rehetra naneho hevitra teny an-dàlambe, ary nangataka io kianjan’ny demokrasia io dia tsy nahazo izany fa ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso no setrin’izany, eny hatramin’ny fisamborana sy ny fanagadrana mihitsy aza. Anisan’ny nentina namendrofendroana vahoaka ihany koa ny fanotofana tany teny Andohatapenaka, izay saika hanaovana orinasa hanasoavana vahoaka. Nolazaina fa novarotan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny vahiny ny tany. Amin’izao fotoana izao anefa dia namidin’ny mpitondra tetezamimanta amin’ireo vahiny izay namantsy vola azy tamin’ny fanonganana ny fitondrana teo aloha ny tany rehetra eto Madagasikara. Tsy mahao rariny eo anoloan’ny fitsarana hatrany ireo Malagasy tompon-tanindrazana manoloana izany fa saika ireo vahiny  ireo no manjaka tanteraka. Sahy nilaza Rajoelina fa mahazaka vahoaka maro an’isa ka nahatonga azy hanongana fitondrana. Manoloana izany dia nandefitra nanana ny rariny ny filoha Ravalomanana ary namindra ny fahefana teo am-pelantànan’ny miaramila. Nandeha ny volana sy ny taona ka tsy maintsy niroso tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny Malagasy. Noporofoin’ny vahoaka maro an’isa mpomba ny filoha Ravalomanana tamin’ny fifidianana ny 25 Oktobra teo fihodinanana voalohany fa tian’ny vahoaka manerana ny Nosy ny kandida natolony.

Eo anatrehan’izany dia tokony hahatsapa tena ireo kandida’ny tsy nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka mpifidy, nisy mihitsy aza moa ny tsy nahavaky atody toy ny kandida Rajaonary Patrick, Raharimanana Patrick, Faharo Ratsimbalison, Tabera, Lahiriniriko, Laza Razafiarison, Midika tsotra izao izany fa tsy ankatoavin’ny vahoaka ny heviny toy ny Noelison William, Alain Tehindrazanarivelo, Monja Roindefo izay efa nitondra tao anatiny tetezamita.

Ny tena demokrasia  anefa dia manaraka ny maro an’isa vitsy an’isa. Noho izany dia tsy ny vitsy an’isa no manapaka ny hanafoanana ny fifidianana. Raha tsiahivina dia nilaza ireo misoratena   ho vondron’ny kandida ahitana an-dry   Voninahitse, Alain Tehindrazanarivelo, Lahiriniko, Noelson William,Monja Roindefo fa tsy ekena ny voka-pifidianana ary nitaky mhitsy azan y hanafoanana ny  fifidianana filoham-pirenena fihodinanana voalohany iny izay heverina ho fanaovana tsinontsinona ny vahoaka mpifidy. Tsy mahagaga raha oharina amin’ireo mpianatra any am-pianarana izy ireo fa ny gisitra  indray no mitabataba, mazàna ireo mpianatra mahay dia Hendry, mangina, tony sy matoky tena.

38 pensées sur “Demokarasian-dRy Andry Rajoelina : ny vitsy an’isa no manjaka !”

  1. Tsy tokony ho Filohan’ny tetezamita izany akory io !

    Diso fiheverana tanteraka, ary tompon’andraikitra izay namporisika an’ny Filoha Ravalomanana hanaiky izay zavatra nosoniavina tany Maputo !

    Dimy taona aty aoriana, mbola mizaka ny vokany ny vahoaka ! Ny mampalahelo, dia mbola hitohy !

  2. Ny mahagaga koa tato ho ato dia ny fanaovana ny olona ambony sasany ho laharam-pahamehana ny fisakanana ny filoha teo aloha tsy hody aty an-tanindrazana. Toy ny hoe tsy dia zava-dehibe ny attaques à mains armées mila ho isan’andro sy corruptions au niveau-n’ny fitsarana heno matetika.Dia tena mivaky loha tokoa ny tompon’andraikitra amin’ireo lafiny ireo satria heveriny fa tena zava-dehibe angamba izany raha mihoatra amin’ny fijaliam-bahoaka noho ny tsy fandriam-pahalemana efa an-dohalika.

  3. Hagataka fanafoanana ny fifidiana ireo gasy tsy mahay politika ? Raha ny hoe mangataka ny fanamarinanana ny vato dia ekeko fa mandeha ny fampitahana ny vato sy ny hadihady mikasika ny biraom-pifidianana. Izreo aloha no hits mivantana fa tsy hano inona tsy hanao inona fa be resaka fotsiny. Ry Moja izany moa dia ny fanononana ny « R » @ teny frantsay no hataony mameno ny kabariny, dia rehefa tsy lany izany ia lazainy hoe i Marc Ravalomanana mangala-bato, Io izao i Rajoelina niaraka nanogam-panjakana taminy dia ahoana indray ? maninona raha tsy tonga dia vatanina hoe hampian’ny mpagaltra fanjakana t@ halatra i fery rajao..?

  4. fa mba olona koa ve ity resahana eto ????izay fakon-drah toy itony no hianteherana
    @’izay hampanjaka ny demokrasia? adalan’izay MBOLA MISOLEAKA SY MBOLA MINO
    OLONA TOY ITONY, dia izao no vokany, misy dia TERY SAINA SA TENA AZOn’INONA HANARAKA FAKON’
    OLONA TOY ITONY????MAHONENA!!!matim-boninahitra ?????

  5. Ny ahy indray dia efa any amin’ny zavatra hafa indray :

    MBOLA OMENA FAHEFÀNA IHANY VE NY MPANONGAM-PANJAKÀNA HITANTANA NY ZAVA-DREHETRA, INDRINDRA FA IZANY FIFIDIANANA IZANY ???

    MPANGALATRA SY MPAMONO OLONA VE NO AVELA SANATRIA, HANITSY NY CODE CIVIL SY CODE PENAL ??
    NANAO FAHADISOANA GOAVANA NY VONDRONA IRAISAM-PIRENENA, NANARAKA NY « FANIRIAN’NY FRANTSAY » !

  6. Mihevitra angaha ity Ndefo fa hadinon’ny olona SAHADY NY ZAVANISY???
    hadinony sahady angaha ilay 150.000FMG ilay volany t@ kaontiny izay lasa ohatrinona t@
    fotoana KELY NITONDRANY????manao ririnin-dasa tsy tsaroana daholo ireto izy,Izao valalan’alika ka ny tompony
    aza tsy tia, ny olona tany aminy aza tsy tia azy.Io no mampiazoazo an’i Hajo io sao ho potika ny ho aviny @ ara-politika
    raha hanoana ity JIOLAHIM-BOLA FERY VAO2 ITY IZY ,mba tsinjovy ihany ny lavitra @ SISA e!!!
    Ataoko fa lesona lehibe ho an’ny rehetra ny valim-pifidianana NIVOAKA t@ ARA-DALANA VOALOHANY TEO, indrindra
    ho anareo mpanao POLITIKA.

  7. Valim-pifidianana vao teo : JLR 21,99 %

    Afaka dimy andro : 20 % sisa na latsak’izany, raha izao no mitohy !

    70 à 80 % izany, dia mpanohana ny mpanongam-panjakàna daholo ! Chapeau !

  8. Ka izay ilay izy fa isika koa ve mba nahay NANDÁ ? MBA NISY NIJORO NANDÀ VE???
    Na ny fahatongavan’ireo GENA BEU efa HITA NY FOMBA FIASANY IRETO AZA VE MBA NISY MBA
    FANOHERANA???manao ny danin’i kibony daholo ny GIDRO, RAJAKO, ny FOZA ORANA ny RENIKELY
    satria nahoana???MIANTEHITRA HAZO BOBOKA LAVA IZAO ISIKA!!!
    Efa fantatra anie izao e!!!TSY EFA NIOMANA ny ho @’izao ve isika e???dia aza misy mimeno2 fa izay
    PAIK’ ADY AROSO fa rehefa tsy misy AMIKO DIA TSY TOKONY NIJABAKA,rehefa tsy misy ny azo hatao
    hanoherana izao HAGEGENA EFA MAHAZATRA izao,efa hatr@ 2009 no nakaty anie izao e!
    Iza no afaka milaza fa VAOVAO izao asan’ny FOZA sy ny MPANOHANA azy izao????

  9. NORM BE ZANY FA INONA NO MAHATAITRA????
    MANAIKY MATOA TSY MITENY!!!
    IZAY KAONTINY EO DĖ VIDINY!!!
    ETO TSY NY VAHOAKA INTSONY a!!!efa nanao izay ho afany ny vahoaka ary misy aza ny namoy ny
    ainy noho ny fiarovana ny MARINA SY NY RARINY, mihevera tena ry tompon’andraikitra isany ô!!!
    MBOLA VOKY MIONAKONAKA MIARA-MIOSANOSANA @ FOZA ????MAZOTOA TOMPOKO Ô!!!!

  10. Tandremo ihany sao dia kenda na kofona ô !
    Tsy hiteny betsaka intsony izahay sao dia lazain’ny sasany fa maneso, fa averina ihany mba….misy mihaino ve ô ???

  11. Misy afaka manazava ve ny anton’io pourcentage tsy mijanona midina io, ary firy pourcet sisa na firy ny isan’ny bv mbola voaray? Ahoana hoy ny concernés rehetra @ izao tranganjavatra izao , aza avela hitaintaina ireo nanohana anareo é!

  12. Ity mba misy tarehin-javatra tsara ho fantarina: Arivonimamo Antsahadinta sns

    http://www.madagascar-tribune.com/Le-chef-fokontany-de-Maizinandro,19302.html

    « Mais les électeurs ont voté et comme on ne peut l’imaginer, ils ont voté en grande majorité pour la mouvance Ravalomanana. Ces électeurs ont expliqué leur choix. L’éducation de leurs enfants, le système de santé et la suspension des projets qu’ils ont soumis en son temps, en sont les principales raisons (transformation ou création de commune, adduction d’eau potable).  »
    « Mais la grande surprise de l’avis du chef fokontany, fut ce choix de l’électorat pour la mouvance Ravalomanana. Le candidat de la mouvance Ravalomanana a laminé tous les autres. »

  13. raha ny nahenoko azy t@ radio: toa toerana vitsy avy @ bureaux de vote (miisa 5 na 10latsaka)any ATSIMO sisa no andrasana…

  14. Saingy indrisy, toa tsy nametraka contestation na iray aza ny « mpiaro ny ara-dalàna » !
    Inona ny antony ? Iza indray no nandroso an’io fika tsy miady io, sa misy zavatra efa natao any ho any ??

    Qui ne dit rien consent !!! Izay ihany no fantatry ny rehetra !

  15. raha azoko tsara ny fizotran’ny resaka ry km:
    ery ambony voa i mamy
    eto ambany voapala i hanitra

    nalaiko ambony
    nalaiko ambany
    nanampy be ahy iny période propagande iny
    lasa miombon-kevitra ihany koa ny tenako!!

  16. Na dia mamonamonaina aza ny mamerimberina fa ny politique françafrique izao ary mitady hifahatra eto M.kara.Ny olona namboariny (admpinistration coloniale avy ao amin’ny taranaka padesm sy ny zanak’ireo niditra ho miaramila )no nianteherana ary mbola hantenainy hofanana ..hanohy ny politikany…
    Ity fifidianana amboletra ity dia heverin’izy ireo fa handresy amin’ny fihodinana faharoa izy .Ady lehibe ho azy io fifidianana io..
    Raha resy eo izy ireo dia fatiantoka be ny nampiasana an-rajoelina sy ny jiolahibotony.
    I zafy sy ny mpiaraka aminy , izay nanao tsidi-pahitra tao amin’ny Magro ,nanafina ny fikany satria izy ireo no mitetika hahazo ny tokin’ny françafrique…

    Tsy misy mihevitra izy iteo fa handresy ny hevitra sy ny kajin’ny Filohan’ny Firenena
    RAVALOMANANA MARC…!

  17. O Ra Denise ! hihihihihi ! Vive Hery antsingindina ! Herimboantay! Mihevaheva sahala @ tay enti-drano !!! Ho hitan’elà ny tahamena hahazo an’elà @ 20 decembre !!! Zay vao tena mitsingindingidina ilay FERY maloto !

  18. O ra Denise izao no izy : Vive ANdry pelaka manarrra -penitra ! hihihi! Perroquet tsy manana hazondamosina ! Pédé !

  19. Mbola misy ve izany mpiaro ny ara-dalana izany lesy???
    Vao2 vao nitontona fa na ireo izay mba tonga avy lavitra mbola nianton-tena
    aza niakatra tao TANA haka ny Sary sns momba ny FAMPIELEZAN-KEVITRA dia MBOLA NATOTOTOTO
    nanaovana TOETRA TSY ZAKA ary ZARA RAHA NAHAZO IZAY ILAINY.
    Ny vahoaka iray manontolo mihintsy no AMIDY , MAZAVA BE IZAO!!!dia ry ilay MAIZINA ANGAHA MISY HITA
    mba MISY FANAZAVANA VE???tsy sasatra ny mpanao tatitra eo @ MAGRO ny LESOKA fa ireo tena TOMPON’
    ANDRAIKITRA ANGAHA MISY EO HANAZAVA???misy mmiihaiinnooo????
    NENY SY DOKOTERA ô !!RAISO NY ANDRAIKITRAREO AKAIKY SOLOY DAHOLO IZAY TSY NANATANTERAKA
    NY ANDRAIKINY ! SOA LAVO AHAY HAMINDRA TOMPOKO!!!
    MISY TSIKOMBA AO MATOA SAHY MANAO IZAO FANARARAOTANA MIOHAM-PAMPANA IZAO NY FOZA.

  20. Misaotra an’i NENY fa handray an-tanana mihintsy izy @ FIODINANA FAHAROA.
    MANKASITRAKA NENY a!!!TSY MISY AZO AHATOKISANA INTSONY EO NENY a!!!
    BETSAKA NY FANARARAOTANA FA JEREO AKAIKY MIHINTSY RY ZAREO a!!!

  21. ho an’i AlainRazanatsimba, izay miteny gasy io:
    – i dada no ohatra lehibe tsara indrindra, ataon’ny taranaka malagasy fakana tahaka eo amin’ny finiavana hampandroso ny tanindrazana ary fialàna @ jiogan’ny mpanageja rehetra
    – i neny no ohatra ho an’ny renim-pianakaviana fa sady matanjaka no tso-po tsy misy fitaka ary manao vy very ny ainy ho fanavotana an’i Gasikara!

    Aza miditra amin’ny resakay,
    fa ny miandry anareo isany,
    nanomboka tany @ namolavolàna ny fanonganam-panjakana 2007,
    mbola tantara ilànareo dinihina miaraka @ Golblatt sy ny forongony
    ny défense…

  22. Fa mbola misy ihany ve olona tsy tonga saina amin’izao fotoana izao mikasika an’ity Andry Rajoelina sy ny forongony ity e?
    – Efa tsy navela nody ny filoha Marc Ravalomanana
    – Efa tsy navela nilatsaka i Lalao Ravalomanana
    – Efa tsy nomena sehatra ireo haino amanjery rehetra mety hanohitra ny teteza-mita
    – Efa novidim-mbola ireo birao maromaro
    – Efa nizarana vola sy T-shurt ireo mpanaraka
    – Efa tara be i Ra8 vao nanao vonjy maika ny olona tohanana
    – Efa tsy olona avy amin’ny TIM na ny Zanak’idada akory ny olona tohanan’i Marc Ravalomanana…
    Dia mbola i JLR ihany no voaloha-laharana amin’ny fifidianana voalohany. Mba tokony ho menatra ihany rehefa mandinika ireo rehetra voatanisa tetsy ambony ireo fa tsy dia manao lohan’alika ry reto a!
    Ry Andry sy ny tariny efa vazaha be menasofina izao no manohana sy mamatsy vola tsy toko tsy forohana ho azy mbola tsy maharesy ny olona tohanan’ny malagasy tokana amin’izany sesitany any afrika atsimo.
    Mbà tongàva saina ry zareo. Tsy aleo va mahatoky gasy manohana gasy toy izay mitoky amin’ny gasy tohanan’ny firantay ?
    Alefaso lavitra ny fieritreretana fa manjary mampalahelo.

  23. HoAiza,
    Araho tsara fotsiny ny raharaha sy ny tantara, dia ho hitanao fa eny ambony eny anie no mitazana izany kintana izany, dia mahita tsara ny zava-drehetra ê !
    MDR !!

  24. Ho anareo any ivelany, satria tsy mahazo à jour an’i MidiMadagasikara – dia ity ny à la UNE de ce jour :

    « Un front contre Robinson négocié à Maurice
    Andry Rajoelina essaie de sauvegarder un navire en naufrage en tentant de rassembler les politiciens qui étaient victimes de son propre régime;
    dia avoaka eo ny sarin’ireto : Joelimboto Fhery Hazjo Vitalina

    LEGALISTES contre PUTSHISTES »

    ny tiako lazaina ihany koa, dia ny hiraisan’ny olona ao @ mouvance MIRAY HINA TSARA.

    Efa niverina i Naika,
    dia taomy daholo ny antoko hafa toa ny Teza

  25. sources : Cenit 07 novembre 2013.

    Mouvance RAVALOMANANA, enregistrent au total un score de 25,60%
    Mouvance Andry Rajoelina, enregistrent au total un score de 60,35%

    Les autres 14,05%

    Ny LOGIKA fa aza mamita-tena fa ireo olona izay nifidy ny Mouvance rajoelina dia tsy hifidy velively ny Mouvance R-8 @ 2e Tour.

    DE RAHA vakiana io chiffre io dia mbola tsy TAFODY dada ny ho an’ny 4 taona manaraka.

    Tsy mila manana diploma be vao mahatafavoka an’io chiffre eo ambony io ka za MANONOFY atoandry ry zanak’i Dada.

  26. http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,810979

    Re: Tena fantatr’i Dada ve ny zava-misy ?
    Envoyé par: IZA ITY KMD ITY EH? (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 6 novembre 2013 12:41:28

    fa iza inao io ry KMD ? Enao io indrindra ry KMD no tena tsy misy apoka fa mpitsikera ny hevitry ny olona eto @ forum fotsiny , angaha tsy fantatrao ny atao hoe : forum ? sa ianao mbola tsy nanatrika forum ankoatra ity eto @ site ny Tim ity….isaky ny mba misy olona manome proposition na hevitra na tsikera momba ny hitondrana ny tolona eto dia iny ianao miseho ho “ rôle be “ eto , samy manana ny fijeriny azy anie ny olona eh ! raha vao misy miteny dia iny ilay KMD FOZA fa mitsikera sy manakana,mibedy ny olona manoratra eto ,sa ianao no tompon’ity forum ity , sa dadatoanao no tompon’ity ,sa i Dada no dadanao ,sa i MADAGASIKARA anao ,sa inona no hiafenanao ao ambadik’io KMD lava io….

    Aza miseho ho mpitarika sy favoris eto fa aleo ny olona mba hiteny ….tsy anao akory no hanokafana an’ity forum ity…

    TANDREMO FA HAFAHAFA BE ITY KMD ITY

  27. Fa ireo vato AMBOAMBOARINA ireo angaha no NALATSAKY NY VAHOAKA koa
    aloha ry RAJAKOM-POZA??????IO NO TENA MARINA SA NATAO IZAY MAHAMETIMETY
    @ TOERANAREO noho ny TAHOTRA FOTSINY. Nangalatra tsy nahalala maty koa eo vao aty no mamahan-dalitra aty.
    RAHA TENA IO NO MARINA SY VATO NALATSAKY NY MPIFIDY DIA EKENAY FA SAINGA NAMBOAMBOARINA
    ARAKA NY MAHAZATRA araka ny MAHA FOZA ORANA NY FOZA ORANA io.

  28. Fa angaha azo atao ny manambatra fotsiny ny vato dia hilaza ianao fa mandresy i Rajoelina ! ka inona intsony no anaovana 2e tour fa tsy tonga dia atambaro daholo Hery, Hajo , Rolland Ratsiraka, Vital samy ho filoha tetezamita vaovao indray e! tsy azoko anie ianareo maninona no tsy tonga dia natao tamin’ny andron’ny Deba tonga dia lany 1er tour ny candidatnareo e! mangala-bato e! sa tena be ilay elanelana, ny fanekenareo hanao 2e tour dia efa ampy hahalalan’ny vahoaka malagasy sy hanamarinany fa tena resy betsaka be ianareo tamin’io 1er tour io na dia efa namboarina araka izay azo atao aza ny vokatra tany amin’ny faritra dia mbola tsy tafa ihany , izao dia mody ireo isa ireo no entina hilazana fa resy Ravalo, tsy menatra akory nareo firy ireo olona ireo efatra contre 1 Robinson dia mbola sahy ihany ianareo hirehare fa mahazaka vahoaka ! aoka fotsiny hoy aho , fa ho hitantsika eo ny tohiny , efa nisy olona nitondra teo 25 taona teo amin’ny fitondrana fa aiza izy izao e! tian’ny vahoaka ve ! izao izy miverina indray mbola mamalifaty miaraka amin’ny FAT, mba menatra raha sahy hiteny fa izaho malagasy nefa izaho mamono malagasy, dia hilaza fa izaho hampandrosony malagasy ary hitondra ny malagasy . I Ravalo anefa olona 1 no tohanany , izy any Afrika atsimo, mbola loha laharana ny olona natolony ka aiza ianareo sy ny kajinareo , ka mba menatra e! io anie tsy vitana chiffre e! fa olona no entina amin’io.

  29. Hay ve nisy an’izao tato ê ?

    I KMD io, ilay tsy laitran’ny vavonin’ny foza sy ireo mpamadika sy mpisolelaka !

  30. Aza asiana sira lesy fa ny RAJAKOM-POZA ihany no MANA-FOZA olona eto a!!
    izany hoe: ny azy no ataony tonga aloha dia TANKINA IANAO, fomba fiadin’ny foza ihany itony
    ary fantatra ny nanoratra io fa ny MPISOLELAKA .MAHONENA!!!

  31. x-ray :
    ny fahendrena dia fahaizana, niainana nandritra ny taona maro!
    raha prezida no resahina dia tsy nisy olona mahay toa an’i dada8: nandrato ny firaisan-kina malagasy, tsy nanaiky ireo mpiaro azy ho vonoin’ny HAT ampahi-bemaso, …
    ireo mpanao politika ngezalahy no ory hava-manana
    nimenona tany @ i France (izay somary voadakany ihany koa)
    dia naongana miaraka @ habibiana
    f’izany anga no mendrika an’i afrika

    ankehitriny tsy avelan’i Andry Rajoelina mamoaka hevitra ao @ TVM-RNM ny ankolafy ra8,
    fa ny « FHery tsy mahaleo ny fanahy ê »!

    de amin’izao aiza isika: mandrovi-tsihy i Rajoelina sy ireo putshistes de 2009!!

    HOAIZAAAAAAA?

  32. i jeannot ramamba aza ary tehafan’ny journaliste sasany

    ô ry AlainRazanatsimba an: vao miditra ianao dia diso lalana, mameno laharana toa ny mambra ao @ ireo groupuscule notsolorana vola hanohana ny mpanongana tetsy sy teroa

    joelina aza moa ity sefo transistion nefa
    hapipikan’ny national & international
    etsy sy eroa

    Lalàna no tena ambetin-dresak’i KMD eto,
    fa rehefa tsy manaraka an’io fifehezana io
    dia tsy zoviana toa an’i AlainRazanatsimba io no santionany kely

    efa oe:aleo izahay samy izahay légaliste no mifampiteny
    f’ianareo putshiste vao misabaka tonga dia mamofona

  33. Tsaratsara izany vao2 mitontona vao maraina izany an!!
    averina isaina ny vato fa ho hitantsika eo fa i Dr no MANDRESY,
    tsy mila fiodinana faha-2 akory.
    Tandremo tsika voarebireby @’ireny RESA-POZA ireny an!!samy JIOLAHY ary samy ALIKA fa iraika lahy
    ity mantsy RAISIM-POTSINY fa nanampatra tsy nahalala honona ka mba taitra ihany ny ALIKA sasany e!!
    IZAY HIFANOSEHANY ANY FA NY ANTSIKA HATREHANA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *