FADIO NY MIARAKA AMIN’I ANDRY RAJOELINA

fadio

fadioEo ampiandrasana ny famoahan’ny CES ny vokampifidianana fihodinana voalohany , dia efa mandeha sahady ny fangalarana depart ho an’ny fifidianana depioté. Mampametram-panontaniana ny maro ny fahanginan’ny CENI-T sy ny CES manoloana ity fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ity. Be dia be ny vahoaka nahita ity fiara tsy mataho-dalana ity miriaria eto Antananarivo omaly. Tetsy amin’ny fitohanan’ny fiarakodia Ankadimbahoaka dia maro mihitsy no olona sendra nahita no nitabataba tamin’ity mpamily ny fiara ity . Rehefa miaraka amin’ny Rajoelina tokoa dia azo atao daholo ny zavatra tsy mety rehetra.Araka ny nambaran’ny kaomiseran’ny CENI-T taminay dia azo atao tsara ny mitory ny tsy fanarahan-dalana toy itony any amin’ny CES, ny olana anefa dia harovan’ny mpitondra hatrany itony satria miaraka aminy.

15 pensées sur “FADIO NY MIARAKA AMIN’I ANDRY RAJOELINA”

  1. Iza hono ‘ty anarany ? Mahatsaratsara ??? Toa maharatsy ny hoavin’ny tanindrazana no fahitako azy ! Tsssssss !!!!

    Ary inona no mba anton’asa ingahy io ?

    Mba manaova tahak’ilay Zanklaody ê ! Ny an’io aza olona tsy manao inona na inona toriany !

    Ary ireo rehetra nandika Lalàna tamin’ny fihodinana voalohany angaha hon tsy azo toriana ?

  2. Dia tsy mba menatra ve io rangahy io @ fanohanana Fozaorana maimbo masiso sa raha resaka vola dia atao foana na hivady @ anabavy aza

  3. Dia tena hita hoe mpanao afera mpanabotry firenena. Hilatsaka députés mba hiaro sy hampitombo ny aferany. Rah aio no tsy voasazy dia tsy haiko intsony.

  4. Ankaotr’ilay nisy namono tao anaty trano kely fang…na, dia olona tahak’izao ve no hanankinana ny FANAOVANA SY FANARAHAN-DALÀNA ???
    Potika hoy aho ny Firenena, satria NAVELA HANJAKA NY JIOLAHY REHETRA !
    Ary ny tena olana dia ireo izay mba nianteherana, dia toa niray tsikomba rehefa tena atao ny fandinihina !
    Tena lasa fiainan’ny Sôdômita sy Gômôrita sisa, no niafarany ê !

  5. dadafara a oe
    mahatsaratsara a oe

    tandremo fa miala any ny beBAOTY isany, amin’ny alalan’ny BASY no fandehan’ny 2è tour des éléctions: Administration des régions ==> Des limogeages et des nominations

  6. Mila fanazavàna avy amin’ireo ministra, ministra avy ao amin’ny movansa Ravalomanana io raharaha io !
    Iza avy no nanaiky ary inona no antony ?
    Tsy ny miaramila ve no efa nilaza fa tsy mihiditra amin’ny resaka paolitika INTSONY ?
    Efa tsy tokony omena andraikitra paolitika izany ireo miaramila ireo, fa dia asa izay hiafaran’io firenena io hoy aho !

  7. Io izany fa maka tahaka ilay mpanogam-panajakna, vao maika tsy mahalany ny mpilatsaka tohanany io. Ary raha tena mihetsika ny ankolafy Ravalomanana dia tokony ho azo soa aman-tsara ny solombavam-bajoaka. Mila aza izany, ary koa fanaraha-maso ny fifidianana. Alao sary @ telephona na camera mihitsy ny ao @ biraom-pifidianana ao indrindra ilay solaitra be misy ny valim-pifidianana.

  8. Izao ny santionan’ny olona tsy fanao « ianao ». Tena hita be fa jiolahy, dia mbola mapin’ilay fehezan-teny hoe « miaraka @ lavanify », ka aoka isika ivavaka: Andriamanitra ôh, ampio izahay hanadio ity tanindrazana malalanay ity, satria be lôtra ny olona maloto, maimbo, misakana ity firenena ity tsy androso, Amen.

  9. Mba miangavy re RATOMA, â ! Mba avelao kely aloha Andriamanitra hiala sasatra fa tena godrak’izy ê !

    Betsaka loatra izay fangatahana natao taminy nandritry ny dimy taona izay, any ka tsy hitany intsony ny tena tokony atao voalohan-daharana ! Mba marina an’izany !

    Rehefa mandeha eny amin’ny arabe ianao ka mahita olona marary (vatana na saina) sy maloto, izay olona mpiara-belona aminao, aoka re mba tsy hiandry an’Andriamanitra HANDIO AZY ê !

    Aza adino ilay fomba fitenenana hoe, aza mijery arina an-tava ?

    Ireo foza mihiditr’ato aloha, dia tsy anisan’izany olona resahiko aminao izany ê ! Ireo « olona ireo » izay mety ho olona iray ihany, dia efa anisan’ny maty eritreritra sy tsy ho vanona mandrak’izay ! Fahavalon’ny malagasy !

  10. Tena saiky latsaka za ray olona a!!!!
    tsy hainareo ve ny dikan’io e????
    Mangalatahaka an’i Dada fa nahomby be ilay fikan’i dada nifidy an’i Mangalaza dia
    sao koa HIOHAKA @ KIRAROn’i Joely kely ny any @ sisiny, hiazakazaka fa efa hitany fa
    ny eto afovoan-tany efa tena MIAOKA AZY TANTERAKA.
    Ireny no atao hoe : MIAKAPOKAPOKA !!!MAHONENA!!!!!Ho atao fitaovana indray ny any @
    SISINY, ohatra ny nanaovana fitaovana an’i NDEFO e!!!!izao ndefo 0, aza efa NITSIPINA AKOTRY
    vao azo, izy no namono ny voay dia i Joely kely no NITAVANDRA NY VANGINY, dia io ho averiny
    @’ilaikely io indray ny nataony t@ CHARLES,NDEFO sns izay voadaka vao azony izay nilaivany azy.

  11. Apetraho ry be baoty hanohana an-drajoelina,nikaonandoha manara-penitra;sady ireny koa ange nonametraka azy,sy mbola manohana azy hatram zao e!
    Tena mahatsiravina……….

  12. fitsaram-bahoaka no mety @ireny tsy mpanaradalana ireny ry reto a!doroy doroy doroy!
    refa tsy matoky ces sy cenit isika dia hampiharo ny fitsarambahoaka e!

  13. Ny ao @ Ankolafy dada ihany no mahatoky ny CES sy ny CENIT, nefa ireo
    naman’i foza aza tsy niambaamba nilaza fa TSY MAHATOKY NY CES SY NY CENIT.
    Izay vao nanao fanambarana am-pahi-be maso teo @ Magro I HILARION fa RAHALAHINY MANOMBOKA
    IZAO HONO NY CENIT SY NY CES koh????????MISY TSY MAZAVA!!!

  14. BOFFFFF

    loham-boto , mpangalatra , sy jiolahy lalandava..
    gangstes affirmés d’un pseudo « cartel de Medelin »

    Rien à voir avec des politiciens…. »normaux »

    Tsy azo adino ny fitsarana ny heloka …na tsy mist valy faty aza……

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *