HAZAKAZAKA HO AN’NY FANDRESENA

Me HANITRA (31)

Me HANITRA (35)Hazakazaka ho an’ny fandresena no nanombohan’ny kandida
solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa laharana faha 6 natolotry ny movansy Ravalomanana eny amin’ny boriborintany I ny fampielezankevitra fandresehan-dahatra ny mpifidy. Niainga tetsy amin’ny FIARO Ampefiloha ny kandida Me Hanitra syireo ekipany niaraka tamin’ireo mponina eny amin’ny boriborintany I, nihazo iny Andavamamba iny, ary niafara tenyamin’ny kianja fanaovana basikety 67ha ny hazakazaka. Nanakoako teny an-dàlana ny hiakam-pihazakazahana nataon’iizy ireo toy ny hoe Aiza ry ambanilanitra, efa io ny Me Hanitra, izy ilay kandida solombavambahoaka Favori ety amin’ny boriborintany I.Fidio ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 miaraka amin’ny dokotera Robinson kandida filohampirenena. Ireo mponina izay nahita ny kandida laharana faha 6 dia nankahery sy nanome dimy azy avokoa amin’ny firotsahany kandida solombavambahoaka. Ny fanamby ho an’ny boriborintany I hoy Me Hanitra dia fanajana ny soatovina malagasy, fampitoviana ny faritra rehetra ao anatin’ny fokontany 44 mandrafitra ny boriborintany I. Zavadehibe hoyizy ny mihaino ny mponina ary ho famadihana fiarahamiasan’ny mpiara miombon’antoka amin’ny vahoaka, satria fitia mivaly fitia. Notohizana tamin’ny fampisehoana fahaizana nataon’ireo mpiangaly haiady Kung fu Wushu ny fotona teny amin’ny 67 ha.Narahin’ny fanaovana ilay antsoina hoe bikabika Me Hanitra, na Zumba ny hahafantaran’ny maro azy ny hetsika, ka nandray anjara ny kandida tamin’izany. Rehefa vita izay dia ny fifaninana taranja Basikety no notanterahana.Mbola fifanintsanana no natao tamin’ity basikety ity kanizara ho sokanjy roa ny mpifaninana. Mbola hitohy rahampitso ny fifaninana ka eny Ampefiloha indray no hotontosaina. Marihina fa tsymijanona amin’ny hetsika ara-panatanjahantena ny asa ho an’ny kandida Me Hanitra Razafimanantsoa fa hisy ny hetsika sosialy, ny famelambelarankevitra ho an’ny vehivavy.

1 pensée sur “HAZAKAZAKA HO AN’NY FANDRESENA”

Les commentaires sont fermés.