KANDIDA HANITRA RAZAFIMANANTSOA : NIJERY IFOTONY NY OLAN’’NY MPONINA TENY AMIN NY FARITRA VITSIVITSY TAO AMIN’ NY BORIBORINTANY I

IMG_0536Nirotsaka nandeha dian-tongotra nitety ireo faritra vitsivitsy izay ao anatin’ny boriborintany I androany ny kandida solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa laharana faha 6 sy ireo ekipany izay natolotry ny movansy Ravalomanana eny amin’iny boriborintany I iny. Niainga teny amin’ny 67Ha teo amin’ny Paositra ny Dia, nihazo ny tsenan’Isotry, tetezan’i Bekiraro, nijanonana nanao asa tanamaro na HIMO tao Ambalavao indray, izay nanatanterahana ny fanadiovana ny  làlana. Rehefa vita izany dia namonjy an’i Mahamasina izy ireo  nandalo an’Amparibe izay nisy ihany koa ny famafana ny làlana teny an-toerana tamin’ny alalan’ny HIMO hatrany. Tao amin’ny Bassin izay toerana fanasan’ireo vehivavy lamba dia nanolotra aron’akanjo na tablier miisa 41 ho an’ireo mpanasa lamba ny  kandida Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa fikasihana mivantana amin’ny vahoaka sy  ahitan’ny olona anao hoe vonona hiatrika ady, ary ahatsapanao ny zavatra iainan’ny olona andavanandro sy ny tsy fanadino ihany koa fa rehefa fotoana ohatra izao dia be di a be ny olona manao kombaka am-bava ary izay zavatra izay dia mila toherina satria tsy atao fitaovana foana ilay vahoaka no tanjona tamin’ity fijerena ifotony ny mponina tany amin’ireo faritra ireo. Marobe hoy izy ny zavatra mitranga eto amin’ny borinborintany voalohany fa ny mampiavaka azy dia marobe ny vahoaka mipetraka ety, ny fisian’ny tsena sy toerana tsy lavorary, izay adino foana mandavantaona, eo ihany koa ny fisian’ny cite, sy trano any anaty honahona. Olana hitambarany rehetra dia miaina ao anaty loto sy fahantrana sy haizina, maizina ampotry ny mazava, raha eto amin’ny borinbrontany I dia tsy azo eritreretina ny zavatra iainany. Mijery izany  izahay hoy Me Hanitra ary hitatitra amin’ny tomponandraikitra mpanatanteraka  ho hivadika fampandrosoana. Hafaliana sy fankaherezana no nasetrin’ireo olona marobe izay nandalovan’ity kandida solombavambahoaka laharana faha 6 atolotry ny movansy Ravalomanana  ao amin’ny boriborintany ity androany

Andian-tsary tamin’ny asatanamaro tetsy Ambalavao

Andian-tsary fanomezana aron’akanjo

 

2 pensées sur “KANDIDA HANITRA RAZAFIMANANTSOA : NIJERY IFOTONY NY OLAN’’NY MPONINA TENY AMIN NY FARITRA VITSIVITSY TAO AMIN’ NY BORIBORINTANY I”

  1. Ohatry ny tsy mahasosotsa kosa lė fika an!!!
    sady tsara mba mankahery ny vahoaka ifotony toy izao.
    Mba miova filamatra indray e!!rehefa manadio dia tokony diovina hatrany am-potony mihintsy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *