KANDIDA ROBINSON : LOHANY HATRANY ( 21,16% )

IMG_0400

IMG_0400Teny amin’ny foiben’ny CES teny Ambohidahy androany Zoma 22 Novambra 2013 ny voka-pifidianana ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Ny filohan’ny CES Rakotozafy François niaraka tamin’ireo ekipany no nitarika ny lanonana tamin’izany.Navitrika ireo mpikambana tao amin’ny movansy Ravalomanana izay tonga nanatrika izany teny an-toerana, notarihin’ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanantsoa, ny Praiminisitra Lefitra misahana ny toe-karena sy  indostria Botozaza Pierrot, ny minisitra Olga Ramalason, ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffine Tsiranana.   Araka ny didim-pitsarana navoakan’ny CES dia tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa ny kandida Robinson Jean Louis izay nahazo ny vato 944987 amin’ny 21,16 %, ary ny kandida Hery Rajaonarimampianina izay nahazo vato 711534 amin’ny 15,85%. Tsy dia nifanalavitra tamin’ny vokatra izay navoakan’ny Ceni-T ity voka-pifidianana navoakan’ny CES ity.Toyizao ny voka-pifidianana rehetra tamin’iny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany iny.

Isan’ny mpifidy voasoratra anarana………………………….= 7.839.268
– Isan’ny nandatsa-bato………………………………………………= 4.826.156
– Isan’ny vato fotsy sy tsy manan-kery………………………..= 335.609
– Isan’ny vato manan-kery…………………………………………..= 4.490.547
– Antsasa-manila…………………………………………………………= 2.245.274
– Taham-pahavitrihana………………………………………………..= 61,56%
– Vato sy ampahambato azon’ny kandida tsirairay:

LF kandida Isambato Salanisa
01 RAVALISAONA Clément Zafisolo

51 693

1.15%
03 RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial

711 534

15.85%
04 RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY

31 744

0.71%
05 RATSIRAKA Iarovana Roland

404 103

9.00%
06 ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona

473 508

10.54%
07 RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison

49 295

1.10%
08 RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina

62 298

1.39%
09 RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

100 242

2.23%
10 VITAL Albert Camille

307 477

6.85%
11 RAKOTO Jean Pierre

9 777

0.22%
12 DOFO Mickaël Bréchard

15 342

0.34%
13 RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin

104 578

2.33%
15 RAJAONARY Patrick Ratsimba

38 449

0.86%
16 RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET

202 956

4.52%
18 TINASOA Freddy

9 652

0.21%
19 RAZAFIARISON Laza

39 635

0.88%
20 MONJA Roindefo Zafitsimivalo

68 121

1.52%
22 TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain

25 760

0.57%
23 RAJEMISON RAKOTOMAHARO

38 507

0.86%
25 LAHINIRIKO Jean

39 488

0.88%
27 VONINAHITSY Jean Eugène

96 257

2.14%
28 RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn

120 511

2.68%
31 RANDRIAMANANTSOA Tabera

39 890

0.89%
32 RATREMA William

95 391

2.12%
33 JEAN-LOUIS Robinson Richard

949 987

21.16%
34 RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé

195 053

4.34%
35 RAHARIMANANA Venance Patrick

19 584

0.44%
36 RATRIMOARIVONY Guy

10 921

0.24%
37 RAZAFIMANAZATO Julien

71 938

1.60%
38 FAHARO RATSIMBALSON

24 437

0.54%
39 RABETSAROANA Willy Sylvain

57 592

1.28%
40 NOELSON William

13 786

0.31%
41 LEZAVA Fleury Rabarison

11 041

0.25%
Totaliny

4 490 547

100.

Hita fototra fa tsy misy kandida nahazo ny antsasa-manila tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany.

Andininy faha 11.– Ny kandida Jean Louis ROBINSON sy Hery RAJAONARIMAMPIANINA, izay nahazo vato be indrindra, no hany mahazo miatrika ny fihodinana faharoa.

Andininy faha 12.– Didina ny hamerenana amin’Andriamatoa isany Jean Louis ROBINSON, Hery RAJAONARIMAMPIANINA sy Hajo ANDRIANAINARIVELO ny antobola narotsany tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana (caisse de dépôt et consignation) .

Midika izany fa mitarika hatrany ny kandida Robinson. Porofo ihany koa izao fa mbola matanjaka ny movansy Ravalomanana ary mbola tian’ny vahoaka tanteraka fa tsy araka ny resabe ataon’ny sasany fa tsy manana olona. Taorian ‘iny voka-pifidianana iny dia nanambara ny kandida Robinson fa tsara iny 21,16% azony iny, ary isaorana ny vahoaka mpifidy. Amin’ny herinandro ho avy io hoy izy dia hanomanana ny fiatrehana ny fihodinana faharoa ny movansy Ravalomanana sy ny Avana.

42 pensées sur “KANDIDA ROBINSON : LOHANY HATRANY ( 21,16% )”

  1. Zay efa tsy taitra fa na nangalatra faha-100 faha-1000 aza MBOLA RESY .
    Efa fanatray koa fa efa tokony ho vita t@ 1er tour io fa saingy izay olona TSIVALAHARA
    no miray tanindrazana .
    Tsy resy tsy akory ny olo-mangina ary mbola loza ho an’ireo izay niara NITSIKOMBAKOMBA t@ ratsy
    ny fahoriana izay mianjady @ Malagasy sy ny mianjady @ Firenena toy izao.
    MASINA NY TANINDRAZANA!!!TSY MAINTSY MANDRESY NY TOLONA!!!HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA e!!!
    MISAOTRA ny rehetra izay ny ainy tsy ho zavatra nahatafitana t@ izao vokatra GOAVANA IZAO na dia TSY DIA TENA
    IO AZA NO IZY.MANKASITRAKA NY REHETRA !!!MITOHY NY TOLONA!!!

  2. Efa lany 1er tour isika fa tsy mila tabataba fa efa nandefitra h@ zay dia mandefitra h@ farany fa na i Losofera aza efa tampin-dalan -kaleha tsy manana hevitra intsony homena ny Fozaorana

  3. Mifampiarahaba isika fa vita soa aman-tsara iny ny 1er tour ka i JLR notohanan-tsika no voalohany hatrany.
    > Manomboka ny asa goavana tandrify ny tsirairay izao :

    – Samy mivonona hisoratra anarana sy HADEHA HIFIDY @ ny 2è tour ary TSY MANDATSKA VATO FOTSY IZANY fa JL ROBINSON N°33 ihany no fidiana;

    – Samy mivonona hanaramaso akaiky ( ampiasao ny fakan-tsary …) @ ny fizotry ny fifidianana indrindra ny fanisam-bato ary ny PV voasonia ao @ ny BV misy anao ;

    – Mahazotoa manolo-tena hanao délégués manerana ny BV eran’ny Nosy.

    – Hampisehoy @ izay ny tena FIRAISAN-KINA fa tsy mifanaratsy na miady toy ny valala an-karona.
    TADIDIO fa iray ihany ny FAHAVALON-TSIKA dia ny FAT n’i Rajoelina : na i Hery Rajaonarimampianina io na Hajo io, na Roland io,na Edgard … FOZA daholo ireo fa vazaha mody miady fotsiny.

    MAHEREZA DAHOLO ISIKA ary sahia mandray andraikitra tandrify azy tsirairay avy fa tsy maintsy mandresy ny marina.

  4. Zay Rana vao mahay politika. Mazava be izany araka ny tenin’i Vonofanja woe, 80% n’ny candidat hono Rajoelina daholo. Tsy de marina izany, fa Hery, Hajo, Rolland, Edgar, Camille, Monja, de jereo, tahaka an’i Monja, efa ela no nanenjika an-dRajoelina, de ireny ny vokany. Ny sasany tezitra, fa tsy notoanan-dRajoelina mivantana, de jereo ny vokatra azony, midika izany, fa tena mbola matanjaka tsara ny popularité n’i Zandry eran’ny Mada, ka candidats 6 ao anatin’ny 3O ry Vonifanja, tsy 80% raha tena mahay slaitra marina ianareo.
    De inona ny mampitabataba ny Zanak’i Dada, ndrindra ry Hanitra sy ry Mamy, woe, tsy ilaina Rajoelina manohana an’i Hery na mivantana na ankolaka, alors que, izy ireo samy mpitondra andrim-panjakana, niseho ampahibemaso tsisy nanameloka, miampy ny sarin-dRaosy mivady, ny volabe lany, mbola ireny foana ny vokatra, azo. Mbola tena matahotra an’i Zandry zany??? Sa zay ataoko aza atao????
    De aiza woa ny hitadiavana 30%, sa hanozona mpifidy otran-dRana, woe, tsivalahara zay mbola nifidy an-dreo, nefa tokony handresy, 50% 1er tour?? Nandrevirevy Rana an!!!!!
    Mikasika ny hala-bato, misy mpanaramaso eo, ny délégués nareo, ny CI, ny fifdianana de tantanan’ny CENIT sy CE, mivantana tsy tananan’ny fanjakana, ary nisy izany efa namoaka fanambarana ny CI, ny mifanohitra aza no nambarany, fa nandeha ara-dalana ny fifidianana sa misy te hilaza koa fa manohana an’i Hery ny CI, na ny Bekintanareo aza, tsy nanameloka, indrindra moa fa Rajean Ba mirehareha be, fa frantsay taratasy sady mambra ny parti sacialo Frantsay, de io le dada dondrona fa niverina nanohana candidat Frantsay, zay nanmpinan’ny TA……, de raha sanatria ka lany Rajean Ba, zay olon’ny Frantsay, de hamay be dadata…., zay dondrota…., de hoy ry zalahy woe, avelao hanohana, fa ny azy ihany no hanajana azy, ka hitady vola aza atao maika fa mana milatsaka, de kelikely fotsiny ny fandraisanay anjara, sady na iry na iry, azo antoka daholo fa hiaro ny tombontsoantsika, fa Rainivoanjo, tsy mahazo miverina. De io lay nolazaiko woe, iza no nanolontsaina anlery io hatramin’izao, fa tsy mino anay foana woa ny zanakosy fa ataon’ny sasany tohatra fiakarana fotsiny, ka mandroso maty renibe, mimiemotra ny eo ihany ny eo. Jereo ane, fa hanalava ny fandaninany andro 5 taona ndray ny MAGROreraka. Hi!hi!hi!

  5. ranavalona dit :
    22 novembre 2013 à 17 h 44 min

    Tsy dia tsara loatra ity k-bizu2 ity Radoko a!!
    MImbo reny e!!!hialao lavitra!!

    >>> Tena marina ny voalazanao !

    Ny samy lehilahy mifanao bisou aty Frantsa dia olona mifanakaiky be ( rahalahy, cousins mifankahazo … ) fa ankoatr’izay dia mifandray tànana dia ampy sauf nouvel an et Noel!

  6. Izao vao tena manomboka ny ady farany fanongorana ireo mpanongam-panjakana tsy maintsy misokatra mandray ireo vonona hifanome tanana ny Dr Robinson mba ho halalaka ny fandresena ary tsy ho tanteraka ny tetika maizina rehetra satria azo hinoana fa tsy hiala ho azy ireo fozan’orana ireo fa hesorina @ ny fifidianana ary fandresena mangarahara ny lesoka t@ ny fiodinana voalohany dia ny tany @ ny faritra ka ireny no tsy maintsy ho tsidihan’ny candidat @ ity deuxième tour ity mba tsy hisy adino !

  7. Fa inona ho no ataon’i JL Rakotoamboa eo izay tsy hita hatramin’izay fa izao vao miseho ?
    Manaova déclaration angaha ianao JL Rakotoamboa fa diso sy tsy nety ny nataonao fa tsy hanilika anao akory ny ankolafy Ravalomanana â !

    Araka ny hiran’i BOdo hoe: TSY TERENA AKORY HIANAREO HIARAKA AMINAY….

  8. Tadidiavo fa tsy hoe fitiavana an’Atoa Ravalomanana fotsiny ihany na Jean Louis Rabinson na ny mouvance Ravalomanana, na ireo nitolona nandritry ny 4 taona mahery akory no nisafidianin’ny Malagasy an’Atoa Jean Louis Robinson fa indrindra indrindrs ho famerenana amin’ny laoniny ny Haja sy Voninahitry ny firenena izay nolotoan’ny sasany ary koa nopotehan’ny fanonganam-pahefana nisy teto ary farany, noho ny fahatokisan’ny Malagasy fa Andriamanitra Andriananahary dia miaro sy mitahy ity firenena ity izay inoana fa hananany maha Izy azy eo @ ny sehatra iraisam-pirenena.

  9. Lava loatra ny com ry Dr Celestin sy rio bogor â !

    >>> Manokatra site manokana amgamba no maha tsara anareo !

    Forum = 15 lignes max SINON personne n’a le temps de vous lire !

    Dans un forum, tout le monde est pressé de voir l’avis succincte de tous et des nouvelles et non un édito.

    Moi, par exemple, j’en passe de vos coms trop longs !

  10. Pour Dr Celestin sy rio bogor â.

    >>> Tsy mi-critique izay lazainareo aho akory sanatria an !
    izaho aza tsy namaky vao nahita ny halavany.

  11. TSARA NO MAMPAHAFANTATRA AN I DENISE FA EFA PAIK ADY HAFA MIHITSY NO HIATREHANA NY 2 EME TOUR HO AN I DR JLR. MISY DELEGUES DAOLO NY BUREAU DE VOTE REHETRA FA TSY HO AFAKA HANAO NY ATAONY OHATRA NY TEO INTSONY NY FOZA.
    TENA GASY TSY MAINTSY MANDRESY

  12. extrait du JOURNAL MidiMadagasikara

    ==> ça ne peut être que GOLDBLATT

    « Vakinakaratra: Un diplomate convoque les chefs de district
    nov 18th, 2013

    Une ingérence de trop. Un diplomate très connu pour son implication sans limite dans les affaires politiques malgaches se permet de convoquer des chefs de district à une réunion qui se tiendra dans la discrétion totale. C’est le cas aujourd’hui à 20h de tous les chefs de district de Vakinakaratra, région où le candidat Jean Louis Robinson a réalisé au 1er tour un succès total en termes de nombre de voix obtenues. Dans la lettre de convocation adressée à ces autorités administratives qui sont tenues par l’obligation de neutralité étant donné qu’elles sont catégorisées dans ce qu’on appelle les « fonctionnaires d’autorité », on leur demande de faire le déplacement sans être accompagnés ni de leur chauffeur, ni de leur femme. Une question se pose : « En vertu de quelle autorité, cet ambassadeur se permet-il de convoquer à une réunion secrète ces chefs de district ? » »

  13. Avelao kosa ilay olona hiteny e. Manoratra lavabe no hitany fa mety. Izy aza mandany ron-doha sy fotoana noho ny fandraisany anjara biriky ao amin’izao tolona izao. Ny ahy ny hitako tsy mety ato amin’ity site ity dia ny ataon’ilay hoe « ranavalona ». Vao maneho hevitra kely ianao dia lazaina fa foza. Ireny no tokony hamorona site manokana ho azy. Mivalapatra tsara amin’izay. Izy angamba no moderateur-administrateur-propriètaire ato amin’ity site ity. Mahereza daholo e!

  14. Efa lazaina foana fa tsy dia mahafalifaly ny sasany ny filazana ny marina eto koa
    mbola hamafisiko ihany fa  » ZA TSY MAHAY MISOLELAKA » ny marina ihany ka raha
    manahirana anao dia hilazao Mydago hanala ahy eto fa tsy misy ny olana amiko, za tsy domelina na Deba ka
    hoe: « za tsy hiala » t haiko ny mibodo ny tsy ahy ihany koa.

  15. O ry Denise a ! Ndàna @ zay homeo an’i Andry ny ryfo nao ho vakiany faramparany ! Ny azy efa malalaka nidiran’i Astérix ! hhihihihi

  16. ranavalon’an, vaovao mahafaly ê: manohana an’i JLR i Sarah Georget!

    Misaotra indrindra anao ramatoa RABEHARISOA: izany hahay where « hiaraka isika » sounds good

  17. Tena faly mihintsy , ARAHABA !!!…fa mbola lava ny lalana : MAZOTO E !!!!!

    Vonona foana anampy anao  » BENEVOLEMENT » araky ny teny natao teto…

    tsy mila seza tsy mila ranodrano : fa « Conviction » fontdsiny sy fitiavana tzanindrazzana

  18. Hoaiza ô!! raha tsy diso aho dia anisany nahazo vato bebe ihany i Sarah Gorget???
    Tena vao2 tsara be mihintsy!!!mbola misy ihany ilay fitiavana ny tanindrazana.
    ity tailan-doha @ havesatry ny alahelom-bahoaka ity sy efa mivilam-bava @ LAINGA SY FITAKA iny
    mihintsy no tena FAHAVALOM-PIRENENA.
    Deraina manokan ny MALAGASY tonga saina rehetra, homba antsika Andriamanitra!!!!t maintsy mandresy
    ny MARINA!!!

  19. aiza indray i km teo, nefa ity nipoitra i gbd (ohatran’ny tsy mampino an!)

    GBDDDDDDD welcome back!!!!

    faly aho tena faly

  20. Faly mahita an’ireo tsy hitahita firy ! Kely sisa dia rendrika ny firenena ê !
    Jereo fotsiny ny isan’ireo mpifanandrina ; ny boribory tany faha dimy fotsiny no toa hoe mihaotry ny 40 !
    Fitiavan-tena sa fitiavan-tanindrazana daholo ?? Gaga aminareo aho amin’ity sarà izay tsy hita NIARO NY ARA-DALÀNA nandritr’izay dimy taona izay, fa dia NANAO CAMPAGNE HO AN’NY TENANY FOTSINY ! Dia nahazo firy ?
    Tsy tokony ho an’Ingahy Robinson izay solotenan’ny mpiaro ny ara-dalàna ve, ny vato azony ?
    Eny ê, samy manana ny fomba fijeriny avy marina, amin’ity tany ity !

  21. Ilay fifidianana, indrindra fa ny fikarakaràna an’ilay izy, efa tena faran’izay TSY MANARA-PENITRA, voahitsakitsaka daholo ny Lalàna rehetra, ary indrindra moa fa ilay tondrozotra, dia hiantso an’iza indray isiaka amin’ny manaraka ?

    Hajo, Roindefo sa iza ? Tsy manilikilika an’ireo vahoaka nifidy, voajono sy voafitaka ny tenako, fa……misy zavatra tsy tokony ho atao amin’ny fiainana !

  22. « Tsy tokony ho an’Ingahy Robinson izay solotenan’ny mpiaro ny ara-dalàna ve, ny vato azony ? »
    tsy voatery leiti an: fozavavy izay hifidy … de i sarà no ao an-tsaina – amin’izao tsy hiteny nefa fantatro fa robinson

    raha tsy izany anie nohon’ny maha-foza azy dia tsy mantsy ry hajo … ary TSY ho-repêchée ho robinson nahoviana ny 2è tour!

  23. COUCOU jiaby éééééééééé !

    BIZZZZZZZZZZ be dia be.

    Nanaraka foana na mydago , na tananews…

    Fa tena tofoka laotra mahita ny fikorisany Dago entim-poza…

    Enga anie , enga anie tafita i DCR …

    Enga anie ilay hoe 15% efa « artificiel » ity…. tsy hivadika taritimpozandoza….

    Manahy mafy ao : ireto jiolahy manitsaka ny tanindrazana atraminy 2009 , dia tsy maintsy manao fomba jiolahy atraminy farany……….(tricheries, vols, prévarication ,manipulations en tout genre,vols, corruption, etc…pires que les dix plaies d’Egypte)
    Je l’ai toujours dit nous ne sommes même pas en face de politiciens , même véreux, mais de vulgaires brigands maffieux dignes des narco-trafiquants du complexe de Medelin…

    VIGILANCE TOUT AZIMUT !!!!!!!!!

    Notre pays est riche et les prédateurs font légion ,qu’ils soient étrangers ou nationaux …….
    toujours au détriment de la population…

    Je crois néanmoins en la maturité politique de notre peuple après tant d’années de souffrance .

    Le peuple juif a été souffre douleur pendant deux mille ans et néanmoins est toujours là , glorieux en Israël.

    Miala tsiny miteny tsotsssoka , éducation d’ancienne colonisée briffée au berceau .
    Resaka vary aminana be …..

  24. Coucou KM

    Cette sarah est peut être ou sûrement une opportuniste…à voir de près ??? hi hi hi

    Mais nous avons à gérer un « deuxième tour » , par définition la règle des coalitions s’appliquera pleinement.

    On ne peut snobber un rapprochement indispensable pour atteindre un pourcentage favorable.
    La nature a horreur du vide , si elle ne vient pas ici…elle ira ailleurs : devine chez qui ?

    Faute de grives ou se contente de merles…

    « La fin justifie les moyens » en politique (dixit Machiavel du temps des Borgia : « le Prince » lu et connu de tous les politiciens…)

    Passer d’abord ne signifie pas donner son âme au diable …encore moins à la diablesse…

    La suite , c’est autre chose , je pense que DCR n’est pas dupe.

    L’important est de le soutenir quelles que soient les manoeuvres qu’il estime devoir mettre en place..

    L’important est de DEGOMMER RAJOELINA ET AFFIDES et cela grace à DCR!

  25. Kintana! valala tsy an-tanana ve ho atolo-jaza e???
    koa raha tsy azony ilay vato aiza no ahafahany manolotra azy ho an’i dokotera???
    Aiza ary elaha zany?ahoana hoy dada??tsy fotoanan’ny fanilikiliana mihintsy izao aloha indrindra fa
    raha jerena ny vato azony, tsy tonga namana vao mavomavo.Izay hanadaniana an’i Dokotera aloha no
    tanjona dia ny sisa manaraka.

  26. GBD, une entente peut se concevoir, ENTRE LEGALISTES !

    Tsy fanilikiana vahoaka, fa fandresen-dahatra an’ireo diso lalana hoy aho !

    Maninona no tsy tonga dia ravàna any io fifidianana iço, ary tonga dia atao praiministra ilay domelina ? Azo ekena ve ?

    Koa eto isika izao ê ! Le pouvoir, quel que soit le prix à payer ! La « faim » ainsi que la soif de pouvoir justifient tous les moyens, au risque de se discréditer vis-à-vis du peuple !

    Nahilika sy nariana tsikelikely ny fanarahan-dalàna ! Ireo izay tokony hanohana mafy lasa miangalangalana sy toa mitsaoka ; ary ireo fahavalo taloha indray ity no miseho ho tena mpiaro ny ara-dalàna, sy vonona ny hanohana NY FILOHA RAVALOMANANA, VIA ROBINSON !

    Dia mba ahoana ny fahitàn’ny vahoaka ny toe-draharaha ? Sinema be fotsiny ity raharaha ity, sa ahoana hono ?

    Hizaka ny tena mavesatra tsy tokony ho zakaina hoy aho ny malagasy !

    GBD, traumatisée tamin’i DCR angaha ??? MDR

    JLR fa tsy DCR ê ! Marina fa samy DOKOTERA, hi hi hi !

  27. KM â

    inona izany hoe « traumatisée » ???????????
    que veux tu je reste « fidèle » à DCR sur mydago ,
    plutôt qu’à JLR nouvelle vague…hi hi hi

    Ela laotra izay fijaliana izay…

    Ny vahoaka efa tofoka …
    Ireny barbecue tany Nosy Be ireny dia « symptome sociétal »

    Retour à la barbarie d’un pays qui devient sans foi ni loi…ni même AUTORITE!!!!!!
    Ces messieurs de la HAT sont trop occupés à dégager vers l’ile Maurice plus tard ..

    J’ai et je rêve toujours que notre pays connaisse un jour la DEMOCRATIE.

    Tant est que cela ne passe que par un retour à la légalité.

    La clique de Rajoelina depuis 2009 n’a pas cessé d’oeuvrer à établir une mafia …
    Quatre ans de joug putschiste , c’est trop , voire une aberration totale pour un pays
    qui avait un pouvoir, un gouvernement avant la colonisation…
    Les putchistes ont pourri tous les rouages de l’état……

    En 4 ans Rajoelina à trainé le pays plus bas que Ratsiraka en 25 ans

    Ravalomanana a RELEVE le pays en deux ans après les 25 ans d’enfer ratsirakiste.

    Heureusement qu’ils sont frappés de crétinisme avancé …
    On ne tue pas la poule aux oeufs d’or : L’aval du PEUPLE qu’ils ont réduit à la misère profonde.

    Diégo Suarez n’oublie jamais le désenclavement créé par Ravalomanana : depuis la colonisation Diégo était un lieu d’exil pour fonctionnaires tanariviens insoumis au pouvoir colonial.

    Je pense qu’il est nécessaire d’adopter une attitude politique pragmatique pour le 2° tour , juste pour le 2° tour……pour gérer au mieux ces 21%…loin de 50,001 %.
    Ce n’est pas vendre son âme que de PRIORISER SON OBJECTIF :
    ETRE ELU

    Tout en se disant qu’il y a eu une prolifération de candidatures ubuesque…

    Ubuesque pourquoi : il est patent que des candidatures bidons étaient commanditées par Rajoelina

    Le lendemain des élections est un autre jour…

    Un appui de circonstance ne signifie pas alliance ni mariage de raison.

    DCR doit en être conscient et doit savoir ce qu’il a à faire après.

    Hilaina ny azon-damosina.

    Personnellement j’ai confiance…
    « AllonZ-enfants » ne soyons pas trop raides comme le chêne qui se brise sous l’orage…
    ayons la force du roseau qui sait se plier pour mieux se redresser après et laisser batifoler les petits oiseaux !
    .
    Quoique je n’ai pas trop apprécié que DCR aurait dit « que le meilleur gagne »
    J’aurais préféré qu’il dise à Hery : « je t’écraserai Punaise »..tsokovoka va!

  28. Marina daholo izany rehetra izany. Izaho resy lahatra fa mahay zava-mahagaga Andriamanitra. Tsy nisy nanampo iny fandresesn’I Dokotera iny, kay ny vahoaka Malagasy mody tsy miteny fa misaina lalina sy mandray fanapahankevitra entitra. Aza matahotra minoa fotsiny ihany dia samy mitondra ambavaka ny firenena sy ny filoha Docteur Robinson isika. Dia mamporisika antsika @ travail de couloir sy ny fanentanana izay olona sendra antsika mandrapahatongan’ny fandresena farany. Ny marina tsy mba resy . Ho ela velona anie ny Filoha RAVALOMANANA Marc, ary hifanatritava @ vahoaka Malagasy tsy ho ela intsony. Dia samy ho tahiana’Andriamanitra daholo isika.

  29. Zava-doza amin’antambo raha io Hery io no sanatria ka lany eo. Izay tsika malagsy vao tena mahantra fadiran’ovana eto. Tsy misy afa tsy Frantsa mpanjanantany no mba ouverture ntsika sy ny sinoa mamotika ny ekonomia sy ny asa tanana Malagasy. Dia tsy inona fa fitondrana Foza bis . Dia toy izao hiainantsika izao ihany ny fiainana eto , vao maika aza gravy be. Indrindra ny chômage sy ny insécurité. Dia mampahery ny Malagasy tsy vaky volo hijoro sy handray andraikitra hatrany hanao izay hampandresy ny filoha Dr ROBINSON isika.

  30. de ahoana tokoa moa raha lany prezidà i JLR
    KANEFA i domelina Andry Rajoelina no praiministra?
    ==> de MBOLA HO aminy ny ankamaroan’ny fahefàna no mipetraka

    Io no fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ireo mahatakatra lavitra resaka politika.

    (Hazavao kely ny mety hipoiran’io ry km ô!)

  31. Io fanontanianao io ry HoAiza, dia izaho na izay rehetra mba misaina kely, dia tokony hahafantatra izay mety ho valiny !

    ILAY na IREO OLONA nilaza tao Bel Air fa  » amin’ny 2ème tour dia HANOHANA an’i Dr ROBINSON, fa amin’ny LEGISLATIVES KOSA DIA TSY HO AO ANATIN’NY MOVANSA RAVALOMANANA », no tokony hanazava izany fanambaràna izany !

    Inona moa no tena dikan’izany ??

    Ao anatin’ny fanontanianao, io resaka io !

  32. F’ inona indray ity resaka foza??.mbola tsy leo foza ve tsika e???
    Mba avalomy any zany resaka manome litika izany fa tsy dia ilaina @’izao vanin’andro
    izao ry zareo a!
    Ny fitsarana no miandry an’ilay kely iny vao lany eo Dokotera koa PM?????sao dia ……?????
    Neny aloha no PM alohany raha SANATRIA ka hisy izany.

  33. Dokotera lany ho Filoha, KANEFA TSY MISY MPANOHANA FIRY ao amin’ny ASSEMBLEE, dia ho toy ny haingo-trano fotsiny !

  34. Ka SARIVONGANA sy SARIBAKOLY daholo anie ny ao @ assemblee e!
    Efa hay fa VOAVIDY DAHOLO IREO,tsy maintsy mitady hirika koa ny ratsy fa
    aoka aloha tsy dia hametraka fanahiana be loatra fa ho tsarain’ny tantara eo izay mbola mahasahy
    mivaralila eo.

  35. HoAiza
    Domelina praiministra ???
    Aza miteny loza , aleo mamonotena ……..TOHETRAN’PMAMADIKA ANGE IZANY E !

    KM â

    assemblée sarybakoly anie azo anaovana « dissolution » ééééééééé.

    Akotry izany , fantantsika rehetra fa betsaka ny « opportunista » nanohina an’i « Rajouelle », opportunista na tenda-kanina be fontsiny :
    tsy misy saina mora atsipy!

    NO MATTER !!!!!!!!

    azon-damosina hiany ny antsika rehefa vita ny 2° tour…..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *