ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : HANITRA MANINTONA NY VAHOAKA RERAKY NY ADIM-PIAINANA

FJKM ANDAVAMAMBA (3)

FJKM ANDAVAMAMBA (3)« Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao  » Ohabolana 16:3 io no teny faneva noraisina nandritra ny fanompoam-pivavahana nisaorana an’Andriamanitra sy nangataham-pitahiana amin’ny asa izay hatao ho an’ny kandida solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa sy ny ekipany izay natolotry ny movansy Ravalomanana ao amin’ny boriborintany I, tetsy amin’ny Fjkm Andavamamba Kristy Velona ny marainan’ny Alakamisy 28 Novambra teo.  Ny mpitandrina Rakotomavo Felamanitra no nitarika ny fotoana tamin’izany ka ny voalazan’ny Salamo 20 , Jaona 2 : 14-15, II Koritiana 2 : 14-15 no nakana ny  toriteny. Zavatra telo hoy ny mpitandrina no antoky ny fahombiazana sy ny fandresena ka ny voalohany amin’izany dia ny mivavaka sy mifankazatra amin’Andriamanitra. David hoy ny fanazavana raha nandeha niatafika na nanao zavatra dia tsy nandeha ho azy amin’izao fa niaraka tamin’Andriamanitra. Ny movansy Ravalomanana nandritra izay efataona mahery izay dia tsy nitsahatra nidera an’Andriamanitra amin’ny fanantanterahana ny tolona ho famerenana ny filoha Ravalomanana. Ho an’i Me Hanitra Razafimanantsoa kandida solombavambahoaka boriboritany I dia tsy nanadino izany fiderana an’Andriamanitra izanyka izay no nanaovana ny fanompoam-pivavahana androany Alakamisy 29 Novambara , mialoha ny hiatrehana ny fampielezankevitra hanomboka rahampitso.

Ny faharoa dia ny manao ny marina sy manaraka ny fahamarinana. Ny tsy fahalalana ny marina dia mitarika fisalasalana.  Nanakorontana ny fiarahamonina tamin’izany hoy izy ny fitaka sy ny lainga nanafy tamin’ny mpianatry ny tompo tamin’izany. Tsy diso làlana ianao fa mitondra ho an’ny amin’ny fandresena ny fanarahana ny marina. Ny movansy Ravalomanana dia efa hatramin’izany , eny fa dia mbola ny filoha Ravalomanana aza no teo amin’ny fitondrana dia efa nandala hatrany izay fahamarinana izay. Tsy mba namitaka ny vahoaka mpomba azy fa nijoro hatrany niaro ny fahamarinana ary mbola notazonina foana izany ankehitriny.

Ny fahatelo dia ny mizara hanitra. Sary teny manintona hoy ny mpitandrina izay tsy fandre no dikan’izany. I Paoly rehefa nitory teny tamin’ny vahoaka dia noraisin’ny olona tsara. Nambaran’ny Paoly fa tahaka ny mamoaka fofona manintona ny tenin’Andriamanitra nozaraina ka nahasarika olona maro. Mbola vonona hizara izany hanitra izany ny Apostoly ary ny zavatra tsara no zaraina. Hanitra ho an’ny olona reraky ny adim-piainana izany ary misarika ny hafa izay ataonao. Ny Me Hanitra dia vonona hatrany ny nizara ny tsara ho an’ny mponina enyamin’ny boriborintany I, izay maro an’isa ireo olona sahirana eny an-toerana. Marihina fa rehefa vita ny fanompoam-pivavahana dia nirodorodo nandeha an-tongotra namakivaky iny Andavamamba, Isotry iny ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 eny amin’ny boriborintany I niaraka tamin’ireo vahoaka marobe, nihazo ny QG.

7 pensées sur “ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : HANITRA MANINTONA NY VAHOAKA RERAKY NY ADIM-PIAINANA”

  1. Ary noraisina mpandray saaaaaaaa????izy dė sipa « tout terrain  » mihintsy.
    Mitady hangala-tahaka an’i Neny njii zany annn!!ary toa tsy dia feno ilay fiangonana zany??
    Be mpanendaka eo @ manodidina io Fiangonana io an!!izy koa sipa tsy mitsatsaka mihintsy .
    Dė @ manaraka mba mandalova fa efa eo akaiky eo ihany fa isika samy ………..tsy mifanalavitra
    firy ihany e!!!ehhhh in-1 mandeha aho no niditra tao @’io fiangonana io t@ za mbola Chorale,efa
    ela be.
    Manodidina eo no tena tsara diovina fa tena be mpisintona mahery loatra ,efa hatry izay fa izao moa
    vao maika LOZA.

  2. MANKAHERY HATRANY FA SAROTRA NY DIA. MATOKY NEFA REHEFA MIARAKA AMIN I TOMPO.

    IZAHAY TAMBAJOTRA TSY MIANKINA DIA EFA MAMETRAKA PAIK ADY HAMPAMOKARANA TSARA NY VOKTRY NY FIFIDIANANA. 70% AN I DR JLR AMIN ITY NO TANJONA.

    TENA GASY TSY MAINTSY MANDRESY

  3. HEUUU KM

    haiza kosa ééééé!

    Hanitra tsy i Denizy akory ! 1m60 , 54 cm , 90CM bonnet C moa izy iny ??? LOL

    Hanitra mafonja saina sy bika …….

    Aza adino ny faha maontinana na akaiky azo ny gisa sy ravintoto – coco ny Noely !!!!!!!

  4. Mba inona no vitan-dRahanitra tao @ Andrim-panjakana. Ny dadany aza tsy vitany ny nampody azy? De io fivavahana io foana no hialkalofan’ireto, de i Demony sy ny avocat-ny. Aiza no hisy fahombiazana mandrak’ity ny androany. Dimy taona lasan-kovavany fotsiny

  5. ri bogor

    tu choisis :

    * maintenir l’influence de Rajoelina le fossoyeur-putschiste-voyou corrompu
    à travers l’insignifiant Hery machin chouette….

    * ou accepter que Madagascar soit enfin débarassé de putschiste et affidés
    en soutenant JL Robinson

    ne pollue pas le site d’élucubrations vaseuses……..

    Punaise : 5 ans de Rajoelina = mille fois pire que Ratsiraka en 25 ans !
    Ratsiraka avait un « RELENT » de patriotisme au départ …

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *